Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Tianao ve ny Hahita Asa sy Hateza Amin’izany? (8 Jolay 2005) Tena nankasitrahako ilay torohevitra nomenareo hoe diniho sao azo atao izay asa rehetra hita, na dia ireo heverina ho ambany aza. Vao haingana mantsy aho no nieritreritra ny hiala tamin’ny asako manontolo andro, ary nitady asa tapa-potoana mba hahafahako hanompo an’Andriamanitra bebe kokoa. Fatra-pifidy loatra anefa aho. Nahita asa ihany aho tatỳ aoriana, ary nataoko ilay izy. Asa ambany izy io, kanefa miezaka ho afa-po aho. Mba tsy rera-tsaina loatra aho aloha rehefa mody ao an-trano, ka afaka mifantoka tsara amin’ny fianarana Baiboly samirery.

M. I., Japon

Marary Tia Vazivazy (8 Mey 2005) Efa enin-taona aho izao no voan’ny kanseran’ny fihary atodinaina, ary efa imbetsaka no nodidiana sy nanaraka fitsaboana simika. Manao toa an’i Conchi aho, ka miezaka manohana ny fiangonana misy ahy, ary manatrika ny fivoriana sy fivoriambe rehetra, araka izay azoko atao. Tsy mora ny voan’ny kansera, ka tena sarobidy tamiko ny nahafantatra ny fomba iatrehan’i Conchi ireo vaovao ratsy avy amin’ny dokotera, izay fandren’ny marary toa anay. Tena nampahery ahy ny tantaran’i Conchi!

B. F., Etazonia

Voan’ny aretina iray manimba ny hoditra sy vanin-taolana aho, ary nisy fotoana mihitsy aza efa very tadidy. Niezaka ny ho tia vazivazy foana aho rehefa sitrana. Izany ihany no nataoko, tamin’izaho niditra hopitaly vao haingana noho ny aretim-bavony. Marina mihitsy ilay tenin’i Conchi hoe: “Tsy vazivazy akory ny aretina, nefa tokony hiezaka ho tia vazivazy foana ianao.”

M. A., Venezoelà

Ankizivavy Bevohoka—Olana Eran-tany (8 Oktobra 2004) Tena nanohina ny foko io andian-dahatsoratra io. Bevohoka aho tamin’izaho 16 taona. Faly aho fa nasongadinareo hoe tena mila tiavina sy ampiana ilay reny, ary koa hoe miahy an’ilay zaza tsy manan-tsiny i Jehovah. Misaotra anareo noho io lahatsoratra feno fitiavana io.

M. R., Etazonia

Nanolotra an’io gazety io ho an’ny lehiben’ny mpampivelona tao amin’ny hopitaly iray teny akaikinay aho. Nilaza izy fa maro izao ny tovovavy 14 sy 15 taona miteraka, na dia tsy fahita tatỳ aminay aza izany teo aloha. Nandray gazety 20 izy, ary nilaza fa hizara an’izany avy hatrany amin’ireo tanora sy ny ray aman-drenin’izy ireo.

I. R., Bénin

Nitoe-jaza aho tamin’izaho 17 taona teo ho eo. Ny nilaza an’izany tamin’ny ray aman-dreniko no tena mafy sy nampalahelo ahy indrindra, hatramin’izay niainako. Manantena aho fa hamaky an’io lahatsoratra io ny tanora, sady handray am-po izay voalaza ao. Tsy nanampo ny ho bevohoka tsy manambady izany mihitsy aho!

D. C., Etazonia

Nitoe-jaza aho tamin’izaho 17 taona. Noterena hanambady aho, nefa tsy ela dia nisaraka tamin’ny vadiko. Malahelo aho rehefa mieritreritra ny lasa. Maimay ny hanao firaisana tokoa aho, nefa tsy nahalala izay nety ho vokany. Matiantoka be aho satria tokony ho nahavita zavatra maro hafa tamin’ireny fotoana ireny. Miezaka mampitandrina ny tanora foana aho, mba tsy ho solafaka toa ahy. Misaotra anareo eram-po eran-tsaina aho noho iny lahatsoratra iny!

N. C., Honduras

Azo Sangina ve ny Voay? (8 Martsa 2005) Tena variana aho rehefa namaky an’io lahatsoratra io. Mahatalanjona ny voay, ary efa hatramin’izay no nahafinaritra ahy izy ireny. Faly aho rehefa namaky ireo fanazavana mahaliana, izay mety hahatonga ny olona ho tia voay. Tsy andriko izay hahatongavan’ny tontolo vaovao nampanantenain’i Jehovah, mba hahafantarako bebe kokoa momba an’io biby io!

L. I., Etazonia