Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efa Noresahinao Tamin’ny Zanakao Vavy ve ny Momba ny Fadimbolana?

Efa Noresahinao Tamin’ny Zanakao Vavy ve ny Momba ny Fadimbolana?

Efa Noresahinao Tamin’ny Zanakao Vavy ve ny Momba ny Fadimbolana?

Maro ny fiovana mitranga eo amin’ny ankizy, rehefa mihalehibe izy. Fiovana lehibe ho an’ny ankizivavy, ohatra, ny hoe manomboka tonga fotoana na fadimbolana.

METY ho sahiran-tsaina ny ankizivavy rehefa tonga fotoana voalohany, ary matetika no mifamahofaho be ny fihetseham-pony amin’izay. Mety hampisafotofoto izany, toy ny fiovana maro mitranga eo amin’ny ankizy, rehefa mihalehibe izy. Maro no matahotra sy manahy rehefa tonga fotoana voalohany, satria mazàna no diso ny zavatra nolazaina taminy momba ny fadimbolana, na tsy niresahana an’izany mihitsy izy.

Matetika no tsy dia mitebiteby loatra ny ankizivavy efa niresahana momba ny fadimbolana. Maro anefa no tsy nampiomanina. Efa ho ny ampahatelon’ireo nadinadinina tany amin’ny tany 23, ohatra, no nilaza fa tsy nisy niresaka taminy momba ny fadimbolana mihitsy, talohan’izy ho tonga fotoana. Tsy nampoizin’izy ireo ilay izy, ka tsy fantany izay tokony hatao.

Ireo vehivavy tsy nampiomanina no tena manana fahatsiarovana ratsy momba ny fadimbolany voalohany. Nilaza ny vehivavy sasany fa “raiki-tahotra” izy tamin’izy tonga fotoana voalohany. Ny hafa “taitra be”, “menatra”, ary “nihorohoro” mihitsy aza.

Mampahatahotra ny mahita ra amin’ny ankapobeny. Matetika mantsy no marary na maratra ny olona iray matoa mandeha ra. Tsy mahagaga àry raha heverin’ny olona ho aretina na ratra na zavatra mahamenatra ny fadimbolana, rehefa tsy nampahafantarina tsara ny momba azy io izy, na tsy nampiomanina, na mino fotsiny ny hevi-diso mahazatra ny olona, na koa tsy mahalala na inona na inona mihitsy.

Tokony ho fantatry ny zanakao fa ara-dalàna ny mandeha ra rehefa tonga fotoana, ary mitranga amin’ny ankizivavy salama rehetra izany. Azonao ampiana izy mba tsy hatahotra na hitebiteby loatra. Amin’ny fomba ahoana?

Manana andraikitra lehibe ny ray aman-dreny

Maro ny fomba ahazoana fanazavana momba ny fadimbolana. Mety ho avy amin’ny mpampianatra izany, na dokotera, na boky aman-gazety, na fandaharana amin’ny radio sy tele. Avy tamin’izy ireny no nahazoan’ny ray aman-dreny maro fanazavana mahasoa, momba ny zava-mitranga eo amin’ny vatana mandritra ny fadimbolana, sy ny fikarakarana ilaina hatao amin’izany. Tsy hita amin’ireny fanazavana ireny anefa ny zavatra sasany ilain’ny ankizivavy sy tiany hofantarina. Matetika, ohatra, no tsy hitan’izy ireo izay hatao amin’ny fihetseham-po samihafa tsapany, na dia fantany aza izay tokony hatao rehefa tonga fotoana izy.

Afaka manome ny fanazavana fanampiny ilainy sy miombom-pihetseham-po aminy ny renibeny sy ny zokiny vavy, ary indrindra ny reniny. Ny reniny matetika no tena angatahan’ny ankizivavy fanazavana momba ny fadimbolana.

Inona kosa no andraikitry ny ray? Menatra miresaka momba ny fadimbolana amin’ny rainy ny ankizivavy maro. Tian’ny ankizivavy sasany raha miahy azy sy miombom-pihetseham-po aminy ny rainy. Tsy te hampiditra ny rainy amin’izany kosa anefa ny hafa.

Any amin’ny tany maro, dia nitombo ny isan’ny ray mitaiza irery ny zanany, nandritra ireo am-polony taona farany. * Mihabetsaka koa àry ny ray mila mampianatra ny zanany vavy momba ny fadimbolana. Ilain’izy ireo ny mahafantatra ireo zava-dehibe momba ny fadimbolana, ary ny fiovan’ny toe-batana sy ny fihetseham-pon’ny zanany amin’io fotoana io. Afaka mitady torohevitra sy fanampiana any amin’ny reniny na ny anabaviny izy.

Rahoviana no hatomboka ny resaka?

Eo anelanelan’ny 12 na 13 taona eo ho eo no tonga fotoana ny ankizivavy, any amin’ny tany mandroso toa an’i Etazonia, Korea Atsimo, sy ny faritra sasany any Eoropa Andrefana. Mety ho eo amin’ny faha-8 taonany anefa izany raha aloha indrindra, ary eo amin’ny faha-16 na 17 taonany raha tara indrindra. Efa lehibebe kosa ny ankizivavy vao tonga fotoana, any amin’ny faritra sasany any Afrika sy Azia. Eo amin’ny faha-15 taonany eo ho eo, ohatra, izany any Nizeria. Mety hitovy amin’ny an’ny reniny na ny renibeny ny fotoana hahatongavan’ny fadimbolany. Mety hiankina amin’ny sakafo haniny, ny fari-piainany, ny habetsahan’ny asa vatana ataony, na ny haavon’ny toerana ipetrahany koa izany.

Alohan’ny hahatongavan’ny fadimbolany voalohany no tena tsara hiresahanao izany amin’ny zanakao. Tokony horesahinao aminy dieny izy mbola kely àry ny momba azy io, sy ireo fiovana hitranga eo amin’ny vatany. Azo atao eo amin’ny fahavalo taonany eo ho eo, ohatra, izany. Mety hihevitra ianao fa aloha loatra izany. Azo inoana anefa fa efa manomboka miova ny toe-batany, raha eo anelanelan’ny valo sy folo taona izy, satria mitombo ny fatran’ny hormonina ao aminy. Hahita fiovana hafa eo aminy koa ianao. Angamba efa mitsiry nono izy, ary misy volo maniry amin’ny vatany. Mihangeza sy mihalava haingana be koa ny ankamaroan’ny ankizivavy, aloha kelin’ny ho tonga fotoana voalohany.

Ahoana no hanombohana ny resaka?

Matetika no liana amin’izay mety hitranga mandritra ny fadimbolana ny ankizivavy efa ho tonga fotoana. Azo inoana fa efa naheno ankizivavy niresaka momba izany izy tany am-pianarana. Manam-panontaniana izy ireo, nefa tsy hitany tsara ny fomba hilazana izany. Mety ho menatra koa izy.

Sahala amin’izany ihany ny ray aman-dreny. Matetika ny reny no sadaikatra na mihevitra fa tsy hahay hanazava an’ilay izy, na dia izy aza no tena tokony hiresaka izany amin-janany. Izany angamba no tsapanao. Ahoana àry no hanombohanao ny resaka?

Azo inoana fa ho azon’ny zanakao tsara raha zavatra tsotra sy mivantana no resahinao aminy. Anisan’izany, ohatra, ny hoe impiry izy no ho tonga fotoana, maharitra hafiriana izany, ary manao ahoana ny habetsahan’ny ra very. Izay tena tokony ho fantany sy hataony rehefa tonga fotoana voalohany aloha no mila hazavainao aminy. Ilainao koa angamba ny manazava izay mety ho tsapany sy hitranga aminy, amin’izay.

Afaka manome tsipiriany bebe kokoa ianao any aoriana. Matetika ianao no afaka mahazo fanazavana avy amin’ny dokotera, na ny boky. * Afaka manampy anao hanazava ny tsipirian’ny fadimbolana ireny boky ireny. Mety haniry hamaky azy ireny samirery ny ankizivavy sasany, fa ho tian’ny ankizivavy hafa kosa ny hamaky izany miaraka amin’ny reniny.

Mifidiana toerana tsy misy mpanelingelina, rehefa hiresaka ianareo mianaka. Resaka tsotsotra momba ny fitomboan’ny vatana sy ny fahatongavana ho vehivavy lehibe aloha anombohana azy. Azonao atao, ohatra, ny milaza hoe: “Misy zavatra mitranga amin’ny ankizivavy rehetra, ary hitranga aminao koa. Fantatrao ve hoe inona izany?” Na afaka mitantara izay nitranga taminao taloha koa ianao, ka hilaza hoe: “Tamin’izaho mbola kely hoatra anao, dia nieritreritra aho hoe manao ahoana àry izany tonga fotoana izany. Niresaka momba izany izahay sy ny namako tany am-pianarana. Efa niresaka an’izany taminao ve ny namanao?” Fantaro ny zavatra efa fantany, ary ahitsio izany raha diso. Aza gaga raha zara raha miresaka izy, na tsy miresaka mihitsy, amin’io voalohany io.

Tsy isalasalana fa nisy zavatra nampahatahotra na nampanahy anao, tamin’ianao tonga fotoana voalohany. Azonao resahina amin’ny zanakao izany, sy ny hoe inona no nilainao ho fantatra sy nanitikitika ny sainao, ary ny fanazavana nanampy anao. Tsy ny lafy ratsin’ny fadimbolana ihany anefa no mila resahinao aminy, fa ny lafy tsarany koa. Aoka ianao ho vonona hamaly izay fanontaniany.

Tohizo foana ilay fampianarana

Tokony hotohizinao foana ny fampianarana momba ny fadimbolana. Tsy ho voaresakao indray mandeha mantsy ny tsipiriany rehetra. Mety ho reraka koa ny sain’ny ankizivavikely iray, raha be loatra ny fanazavana indray omena azy. Miana-javatra tsikelikely ny ankizy, ary mila averimberina angamba ny fanazavana sasany indraindray. Ho mora kokoa aminy ny hahazo ny tsipiriany hafa, rehefa mihalehibe izy.

Tokony hitohy foana koa ilay fampianarana, satria miova ny fiheveran’ny zanakao ny fadimbolana rehefa mandeha ny fotoana. Mety ho zavatra hafa indray no mampanahy azy sy tiany ho fantatra, rehefa mihazatra tonga fotoana izy. Mila manohy mampianatra azy sy mamaly izay fanontaniany àry ianao. Izay tena ilain’ny zanakao sy mifanentana amin’ny taonany sy ny fahaizany resahina.

Andraikitrao ny manomboka ny resaka

Inona anefa no hataonao, raha toa tsy liana amin’ilay resaka ny zanakao? Mieritreritra angamba izy fa azy samirery izany, ka tsy tiany horesahina aminao. Na koa mila fotoana fotsiny izy mba tsy ho sadaikatra intsony, ka ho sahy hametraka fanontaniana. Mety hilaza mihitsy aza izy fa efa hainy daholo ny zava-drehetra tokony ho fantany.

Nisy fanadihadiana natao tamin’ny ankizivavy manodidina ny 11 taona, tany Etazonia. Nilaza ny ankamaroany fa efa mahay tsara ny momba ny fadimbolana. Nametrahana fanontaniana hafa anefa izy ireo, ka hita fa tsy ampy sady diso ny zavatra fantany, satria nino ny hevi-diso nahazatra ny olona fotsiny izy. Mbola mila miresaka momba ny fadimbolana amin’ny zanakao ihany àry ianao, na dia milaza azy izy fa efa hainy tsara izany.

Atombohy amin’ny resaka fohifohy izany, ary tohizo foana. Andraikitrao amin’ny maha ray aman-dreny anao izany. Mila ny fanampianao ny zanakao, na ekeny izany na tsia. Mety hieritreritra ianao indraindray hoe tsy hainao ny miresaka aminy, ary mety ho kivy ianao. Miezaha foana anefa ary mahareta. Azo antoka fa hankasitraka ny ezaka nataonao ny zanakao, any aoriana any.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Tafakatra ho ambony be ny isan’ny ray mitaiza irery ny zanany any Japon, tamin’ny 2003. Efa ho ny ampahadimin’ny olona mitaiza irery ny zanany no lehilahy, any Etazonia.

^ feh. 20 Misy fanazavana momba izany ao amin’ny lahatsoratra sasany navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Jereo, ohatra, ny toko faha-4 amin’ny boky Ny Fahatanoranao—Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany, sy ny Mifohaza! 8 Jolay 2004, pejy faha-5.

[Teny notsongaina, pejy 11]

Alohan’ny hahatongavan’ny fadimbolany voalohany no tena tsara hiresahanao izany amin’ny zanakao

[Efajoro, pejy 13]

AHOANA NO HIRESAHANAO AMINY MOMBA NY FADIMBOLANA?

Fantaro ny zavatra efa fantany. Ahitsio izany raha diso, ary hamarino tsara ny fanazavana azonareo mianaka.

Tantarao ny zavatra niainanao. Tena ho afaka hiombom-pihetseham-po amin’ny zanakao ianao, raha mitadidy sy mitantara ny zavatra tsapanao tamin’ianao tonga fotoana voalohany.

Atoroy azy ny tokony hataony. Matetika ny ankizivavy no manontany hoe: “Inona no hataoko raha any am-pianarana aho no tonga fotoana?” “Inona no lamba na servieta ampiasaiko amin’ilay ra mandeha?” “Ahoana no fanaovana azy?”

Ataovy tsotra ny fanazavanao. Ataovy mifanentana amin’ny taonan’ny zanakao sy ny fahaizany ny zavatra resahinao aminy.

Tohizo foana ilay fampianarana. Manomboha miresaka aminy dieny mbola tsy tonga fotoana izy, ary tohizo foana na dia aorian’izany aza, raha ilaina.

[Sary, pejy 12, 13]

Aza kianina izy raha mihevitra fa azy samirery izany ka tsy tiany horesahina aminao