Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Velona Firy Taona Ianao?

Ho Velona Firy Taona Ianao?

Ho Velona Firy Taona Ianao?

“Ho tsara noho ny an’ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin’ny andro nahatanorany izy.”—JOBA 33:25.

REHEFA maty ny alika niaina 10 na 20 taona, dia mety ho efa nahavita ny ankamaroan’ny zavatra fanaon’ny alika. Mety ho efa niteraka izy, nanenjika saka, nandevina taolana, ary niaro ny tompony. Rehefa maty kosa anefa ny olona niaina 70 na 80 taona, dia ny ampahany kely monja amin’ny zavatra azony natao no vitany. Raha tia fanatanjahan-tena, ohatra, izy, dia mety ho ny iray na roa amin’izany monja no tena hainy. Raha tia mozika izy, dia mety ho zavamaneno iray na roa monja no tena hainy notendrena. Raha tia niteny vahiny izy, dia mety ho fiteny roa na telo monja no hainy tsara. Mbola nety ho afaka nanao zavatra maro nahafinaritra izy. Mbola ho afaka nifandray tamin’ny olona betsaka kokoa, ohatra, izy, na nahita zava-baovao, na nanatona kokoa an’Andriamanitra. Indrisy fa fohy loatra ny androm-piainany!

Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Nahoana no noforonin’Andriamanitra ho afaka hanao zavatra maro be mahafinaritra ny sain’ny olona, nefa nataony fohy ny androm-piainany, ka zara raha afaka manao izany izy?’ Toa tsy mifanaraka amin’ny fomba namoronana ny olona ny halavan’ny androm-piainany. Mety hieritreritra koa ianao hoe: ‘Nahoana no noforonin’Andriamanitra hanana toetra miavaka toy ny fitiavana ny rariny sy ny fangorahana ny olona, nefa koa nataony tia manao ratsy?’

Raha mahita fiara tsara tarehy misy pepo be ianao, hihevitra ve ianao fa izany mihitsy no nanaovana azy? Mazava ho azy fa tsia! Azo antoka fa hiteny ianao hoe: ‘Tsy izao no nanaovana an’io fiara io. Tsy maintsy ho natao tsara izy io, saingy nisy olona nanimba azy tatỳ aoriana.’ Toy izany koa, fa rehefa mandinika ny fomba mahavariana namoronana antsika isika, dia tsy maintsy manatsoaka hevitra hoe tsy izao mihitsy no tokony ho fiainantsika. Toy ilay pepo ny androm-piainantsika fohy sy ny fitiavantsika manao ratsy. Nisy nanimba àry ny fiainantsika. Iza anefa? Lazain’ny Baiboly hoe iza no meloka ho nanao izany, sady ampiarahiny amin’ny porofo tsy azo lavina.

Raha afaka niaina mandrakizay ny olona tamin’ny voalohany, iza no nahatonga izany tsy ho tanteraka? Tsy maintsy ho ilay razambentsika rehetra. Raha olona tatỳ aoriana mantsy no nanao izany, dia ny fototarazon’ny taranany ihany no ho simba, izany hoe olona vitsivitsy monja. Mifanaraka amin’izany ny tenin’ny Baiboly hoe: ‘Avy tamin’ny olona iray [Adama, ilay olona voalohany] no nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana.’ (Romanina 5:12) I Adama àry no melohin’ny Baiboly fa nanimba ny fiainantsika. Natao haharitra firy taona ny fiainan’ny olona tamin’ny voalohany?

Ny tokony ho halavan’ny fiainana

Resahin’ny Baiboly fa tsy natao ho faty ny olona tamin’ny voalohany. Mampiseho izany ilay fehezanteny hoe ‘niditra ho amin’izao tontolo izao’ ny fahafatesana. Vokatry ny fikomian’ilay lehilahy voalohany tamin’Andriamanitra ny fahanterana sy ny fahafatesan’ny olombelona. Tsy natao hiaina mandrakizay kosa ny biby.—Genesisy 3:21; 4:4; 9:3, 4.

Tsy noforonina hitovy amin’ny biby ny olona. Ambony noho ny biby isika, toy ny anjely izay ambony noho ny olombelona. (Hebreo 2:7) Tsy toy ny biby isika, fa noforonina “tahaka ny endrik’Andriamanitra.” (Genesisy 1:27) Antsoin’ny Baiboly hoe “zanak’Andriamanitra” koa i Adama, fa tsy toy izany kosa ny biby. (Lioka 3:38) Manana antony marim-pototra inoana àry isika, fa tsy natao hihantitra sy ho faty ny olona. Tsy maty Andriamanitra, ka tsy nataony ho faty koa ny zanany noforoniny.—Salamo 90:2; Romanina 8:20, 21.

Mbola manaporofo bebe kokoa an’izany ny tantaran’ny taranak’olombelona voalohany. Niaina taonjato maro ny olona tamin’izany, vao nihantitra. Velona 930 taona i Adama. Taonjato maromaro tatỳ aoriana, dia tsy velona afa-tsy 600 taona i Sema zanak’i Noa, ary 438 taona i Arpaksada zafikelin’i Noa. * (Genesisy 5:5; 11:10-13) I Abrahama aza tsy velona afa-tsy 175 taona. (Genesisy 25:7) Toa niseho tsikelikely ny vokatry ny ota teo amin’ny androm-piainan’ny olona, arakaraka ny fandehan’ny fotoana. Nihafohy hatrany àry ny androm-piainan’ny olona, satria nihatsy lavorary hatrany izy ireo. Natao hiaina mandrakizay anefa izy tamin’ny voalohany. Ara-dalàna àry raha manontany isika hoe: ‘Mbola tian’Andriamanitra hiaina mandrakizay eto an-tany ve ny olona?’

Ho afaka amin’ny fahanterana

Toa tsy nisy nantenaina intsony ny amin’ny taranak’i Adama, satria nilaza i Jehovah Andriamanitra fa ho faty izay tsy mankatò azy, izany hoe manota. (Genesisy 2:17) Nampanantena anefa ny Soratra Masina fa hisy olona hanafaka antsika amin’ny fahanterana. Izao no voalaza ao: “Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho, dia ho tsara noho ny an’ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin’ny andro nahatanorany izy.” (Joba 33:24, 25; Isaia 53:4, 12) Manome fampanantenana tena tsara eo ny Baiboly. Hisy olona hanome vidim-panavotana mba hanafahana antsika amin’ny fahanterana!

Iza no afaka nanao izany? Tsy vola no mahavotra ny olona, na ohatrinona izany na ohatrinona. Hoy ny Baiboly momba ny olombelona tsy lavorary: “Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’Andriamanitra izay avony ... mba ho velona mandrakizay izy.” (Salamo 49:7-9) Nanana zavatra sarobidy noho ny vola anefa i Jesosy Kristy. Olombelona lavorary izy teto an-tany. Zanak’Andriamanitra mantsy izy, ka voaro, fa tsy nandova ny otan’i Adama. Nilaza i Jesosy fa tonga izy mba “hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.” Hoy koa izy: ‘Tonga aho mba hananany fiainana, sady hananany izany be dia be.’—Matio 20:28; Jaona 10:10.

Anisan’ny loha hevitra lehibe notorin’i Jesosy ny fanantenana fiainana mandrakizay. Indray andro, dia nilaza taminy toy izao i Petera, mpanara-dia azy nahatoky: “Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.” (Jaona 6:68) Inona no tian’ny Baiboly holazaina amin’ny hoe fiainana mandrakizay?

Fiainana mandrakizay

Niandrandra ny hiaina mandrakizay any an-danitra ny apostolin’i Jesosy, ka ho anisan’ny Fanjakany. (Lioka 22:29; Jaona 14:3) Niresaka matetika ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany anefa i Jesosy. (Matio 5:5; 6:10; Lioka 23:43) Manamafy ny fampanantenana nataon’Andriamanitra fahiny àry ny fahagagana nataony sy ny fampianarany. I Isaia mpaminany no nasain’Andriamanitra nilaza io fampanantenany io. Hoy izy: “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra.” (Isaia 25:8) Tsy hihelina intsony ny fahatanorana, ary tsy hihaosa tsikelikely intsony ny olona avy eo.

Ho lavorary ny olona ao amin’ny tontolo vaovao haorin’Andriamanitra, ka ho afaka amin’ny fahanterana. Hoy ny Baiboly: “Hafahana koa amin’ny fanandevozan’ny fahalovana ny zavaboary, ka hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” (Romanina 8:21) Eritrereto ange e! Hitombo hatrany ny fahendrena sy ny traikefan’ny olona. Ho tomady sy ho tanora lalandava foana anefa izy, na dia efa taonjato maro aza no niainany. Ho anisan’izy ireo ve ianao?

Ho velona firy taona ianao?

Nilaza i Jesosy fa ho lasa vitsy kely ny mponina eto an-tany aorian’ny andro hampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra. (Matio 24:21, 22) Hoy izy: “Lehibe sady malalaka ny lalana mankany amin’ny fandringanana, ka maro no miditra any, fa tery kosa ny vavahady ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy.”—Matio 7:13, 14.

Raha te hiaina mandrakizay ianao, dia tokony hataonao izay hankasitrahan’Andriamanitra anao. Mamantatra azy no zavatra voalohany mila ataonao, mba hahatongavana amin’izany. Hoy i Jesosy: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina.” (Jaona 17:3) Marina fa ilana ezaka ny fahalalana tsara an’Andriamanitra. Tsy very maina anefa izany. Mila miezaka koa ianao vao mahazo vola ividianana sakafo isan’andro. Nampitahain’i Jesosy tamin’ny sakafo ny fahalalana an’Andriamanitra, ary nampirisika izy hoe: “Aza miasa hahazoana sakafo mety ho levona, fa sakafo maharitra izay mitondra fiainana mandrakizay kosa.” (Jaona 6:27) Ka tsy aleo ve miezaka mafy mahalala tsara an’Andriamanitra, mba hahazoana fiainana mandrakizay?—Matio 16:26.

Hoy i Jesosy: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Miankina amin’izay ataonao ho setrin’ny fitiavan’Andriamanitra àry ny isan’ny taona hahavelomanao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Misy milaza fa volana ireo taona ao amin’io tantara ao amin’ny Baiboly io. Milaza anefa ilay andinin-teny fa niteraka an’i Sela i Arpaksada, rehefa 35 taona. Mbola tsy ampy telo taona àry i Arpaksada dia efa niteraka, raha 35 volana no dikan’io. Tsy hisy mihitsy anefa izany. Avahan’ny Baiboly tsara koa ny taona sy ny volana, ao amin’ireo toko voalohany amin’ny Genesisy.—Genesisy 1:14-16; 7:11.

[Teny notsongaina, pejy 7]

Rehefa maty ny olona niaina 80 taona, dia ny ampahany kely monja amin’ny zavatra azony natao no vitany

[Teny notsongaina, pejy 8]

Hita amin’ny fomba namoronana ny olona fa ambony noho ny biby izy

[Sary, pejy 7]

Natao hisy pepo mihitsy ve ity fiara ity?

[Sary, pejy 8, 9]

Milaza ny Tenin’Andriamanitra fa hiverina ho tanora mavitrika indray ny olona