Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Soa Azon’ny Olona Tia Fihavanana?

Inona no Soa Azon’ny Olona Tia Fihavanana?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Inona no Soa Azon’ny Olona Tia Fihavanana?

HOY i Jesosy Kristy tao amin’ilay toriteniny malaza indrindra: “Sambatra ny mpampihavana.” Hoy koa izy: “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.” (Matio 5:5, 9) Tsy vitan’ny hoe tsy miady na tony ny olona tia fihavanana, fa manao soa ho an’ny hafa koa, sady mampanjaka ny fihavanana.

Mahasoa antsika ve ny fanarahana an’ireo tenin’i Jesosy ireo? Misy milaza fa tsy hahomby mihitsy ny olona iray, raha tsy mampitahotra ny hafa, mihetraketraka na mampiasa herisetra mihitsy aza. Fahendrena ve ny mamaly ratsy ny ratsy, sa aleo mitandro fihavanana? Andeha isika handinika antony telo tokony hanarahana an’ilay tenin’i Jesosy hoe: “Sambatra ny mpampihavana.”

▪ MANANA FO TONY “Ny fo mionona [na tony] no fiainan’ny nofo”, hoy ny Ohabolana 14:30. Maro ny tatitra ara-pitsaboana milaza fa mety hahatapaka lalan-dra na hampihetsika aretim-po, ny fisafoahana sy ny filana ady amin’olona. Vao haingana ny gazety iray momba ny fitsaboana no niresaka mahakasika ny olona marary fo. Lazainy fa mitovy amin’ny poizina ny fisafoahana. Nilaza koa io gazety io fa “mety hiteraka aretim-be ny fahatezerana be.” Afaka manana fo tony kosa anefa ny olona miezaka ho tia fihavanana, ary handray soa avy amin’izany.

Ohatra iray amin’izany i Jim, 61 taona, izay mampianatra Baiboly any amin’ny toerana iray be olona miteny vietnamianina, any Etazonia. Hoy izy: “Enin-taona aho no tao amin’ny tafika, ary intelo no nandeha niady tany Vietnam. Olona nahery setra aho taloha sady saro-po ary sorena lava. Nampahory ahy ny zavatra niainako, ka nahatonga ahy tsy hahita tory tsara. Niharatsy ny fahasalamako noho ny adin-tsaina sy ny aretim-bavony ary ny aretin’ny rafi-pitatitra.” Inona no nanavotra an’i Jim? Hoy izy: “Namonjy ny aiko ny fianarana Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanjary nanana fo tony aho rehefa nahafantatra ny fikasan’Andriamanitra hitondra tontolo vaovao hanjakan’ny fihavanana, sady nianatra ny fomba hananako ‘toetra vaovao.’ Tena nihatsara ny fahasalamako.” (Efesianina 4:22-24; Isaia 65:17; Mika 4:1-4) Maro koa no miaiky fa lasa nilamin-tsaina kokoa izy sady nihatsara ny fahasalamany sy ny fifandraisany tamin’Andriamanitra, rehefa lasa tia fihavanana.—Ohabolana 15:13.

▪ TSARA FIHAVANANA AMIN’NY OLONA Mihatsara ny fifandraisantsika amin’ny hafa, rehefa tia fihavanana isika. Milaza ny Baiboly fa tokony “hesorina” miaraka amin’ny ‘faharatsiana rehetra ny fahatezerana, fahavinirana, filelalelana, ary ny fanevatevana.’ (Efesianina 4:31) Matetika ny olona tia ady no ihatahan’ny hafa, ka manjary manirery sy tsy mana-namana azony ianteherana. Hoy ny Ohabolana 15:18: “Izay malaky tezitra manetsika ady; fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana.”

Nihalehibe tany amin’ny toerana nanjakan’ny herisetra i Andy, 42 taona, anti-panahy any New York, Etazonia. Hoy izy: “Valo taona aho dia efa niakatra ringa, ary nozarina hanao ady totohondry. Tsy nananako antra ny olona niady tamiko. Ny masaka tao an-tsaiko dia hoe ‘ho voa aho raha tsy mamely.’ Tsy ela aho dia niaraka tamin’ny andian-jiolahy. Imbetsaka izahay no niady teny an-dalambe. Efa nisy nanambana basy teo amin’ny lohako, ary efa nampitahorina tamin’ny antsy aho. Lasa natahotra olona aho, ka tsy tena nana-namana.”

Inona no nahatonga an’i Andy hiezaka ho tia fihavanana? Hoy izy: “Namonjy fivoriana tao amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah aho indray andro. Tsikaritro avy hatrany fa nifankatia ny olona tao. Nifanerasera tamin’ireo olona tia fihavanana sy mifankatia ireo aho nanomboka teo, ary nanampy ahy hanana fo tony izany. Niova ny fomba fisainako rehefa nandeha ny fotoana. Maro be izao ny namana tsy mifankafoy amiko.”

▪ MANANTENA HOAVY SAMBATRA Inona no antony lehibe indrindra tokony hitiavantsika fihavanana? Izany no ahitana fa hajaintsika sy heverintsika ho zava-dehibe ny sitrapon’ny Mpamorona antsika, izay efa nampahafantariny. Ny Tenin’Andriamanitra mihitsy no mampirisika antsika ‘hitady fihavanana, ka hanaraka izany.’ (Salamo 34:14) Ho afaka hifandray akaiky amin’i Jehovah Andriamanitra isika, raha miaiky fa misy izy, ary avy eo mianatra sy mankatò ny fampianarana manome fiainana avy aminy. Mahazo ny “fiadanan’Andriamanitra” isika, rehefa mifandray akaiky aminy. Manampy antsika ho tony foana io fiadanana io, na inona na inona fahasahiranana hitantsika eo amin’ny fiainana.—Filipianina 4:6, 7.

Raha tia fihavanana koa isika, dia ho hitan’i Jehovah hoe inona no irintsika. Porofointsika aminy fa mendrika ny ho ao amin’ilay tontolo vaovao nampanantenainy, izay hanjakan’ny fiadanana, isika. Ho hitantsika ny fahatanterahan’ny tenin’i Jesosy hoe “handova ny tany” ny malemy fanahy, rehefa handringana ny ratsy fanahy Andriamanitra. Fitahiana tokoa izany!—Salamo 37:10, 11; Ohabolana 2:20-22.

Mazava amintsika àry izao ny soa azo amin’ny fanarahana ilay tenin’i Jesosy hoe: “Sambatra ny mpampihavana.” Afaka manana fo tony sy namana tsara ary fanantenana azo antoka, isika. Afaka mandray ireo fitahiana ireo isika, raha manao izay rehetra azontsika atao mba ‘hihavanana amin’ny olona rehetra.’—Romanina 12:18.

[Sary, pejy 28]

“Tena nihatsara ny fahasalamako.”—Jim

[Sary, pejy 29]

“Maro be izao ny namana tsy mifankafoy amiko.”—Andy