Nahoana Isika no Mihantitra?
Nahoana Isika no Mihantitra?
“Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.”—JOBA 14:1.
TSY mandeha intsony amin’ny farany ny fiara na ny milina fitotoam-bary, rehefa ampiasaina foana isan’andro. Mety hihevitra àry ianao fa tsy maintsy mihasimba tsikelikely koa ny zavamananaina rehetra, rehefa mandeha ny fotoana, ary izany no mahatonga azy hihantitra sy maty. Hoy anefa i Steven Austad, mpampianatra siansa momba ny biby: “Tsy mitovy amin’ny milina mihitsy ny zavamananaina. Mahay manavao ny tenany izy, ary izany angamba no tena mampiavaka azy.”
Tena mahavariana ny zavatra ataon’ny vatana mba hanavaozana ny tenany aorian’ny ratra mahazo azy. Mbola mahavariana kokoa anefa ny fomba anavaozany ny tenany isan’andro. Diniho, ohatra, ny taolanao. Hoy ny gazety Amerikanina Siantifika (anglisy): “Toy ny hoe tsy manana aina ny taolana rehefa jerena ivelany. Velona anefa izy io, ary tsy mitsahatra manimba sy manorina indray ny tenany, mandritra ny fotoana maha olon-dehibe antsika. Vaovao tanteraka àry ny taolana rehetra ao amintsika, isaky ny folo taona.” Mihavao matetika noho izany aza ny faritra hafa amin’ny vatanao. Misolo saika isan’andro, ohatra, ny sela sasany ao amin’ny hoditrao sy ny atinao ary ny tsinainao. Manamboatra sela vaovao 25 tapitrisa eo ho eo isan-tsegondra ny vatanao, mba hanoloana ny sela hafa. Vao zazakely ianao dia efa ho antitra, raha tsy mitranga izany, na tsy havaozina sy soloana tsy tapaka ny faritra rehetra amin’ny vatanao.
Vao mainka niaiky ny manam-pahaizana fa tsy mihasimba tsikelikely ny vatantsika, rehefa nanomboka nandinika ny molekiola ao anatin’ny sela velona izy ireo. Misy molekiola atao hoe ADN ao anatin’
ny sela. Ao amin’ny ADN no misy saika ny fanazavana rehetra ilaina mba hanavaozana indray ny vatanao manontolo. Rehefa misolo vaovao ny sela, dia tsy maintsy manana ADN mitovy tanteraka amin’ny nananan’ilay sela nosoloana ny sela vaovao tsirairay. Eritrereto hoe impiry ny ADN no misolo iray hafa mitovy tanteraka aminy. Tsy mandritra ny androm-piainanao fotsiny izany, fa efa hatramin’ny nisian’ny olombelona mihitsy. Ary tsy ao amin’ny vatanao ihany no itrangan’izany, fa ao amin’ny vatan’ny olon-drehetra koa! Soa ihany fa tsy miharatsy na mihasimba ny ADN, isaky ny miverimberina misolo vaovao ny selantsika. Mba hahitanao fa tena mahavariana izany, dia eritrereto izay hitranga raha manao fotokopia taratasy misy soratra ianao. Tsy hitovy mihitsy ny hatsaran’ny soratra eo amin’ilay fotokopia sy eo amin’ilay taratasy. Alainao anefa ilay fotokopia ary anaovanao hafa. Raha averimberinao izany, dia hiharatsy ny fotokopia ho azonao, ary tsy ho hay vakina ny soratra eo aminy amin’ny farany. Tsy toy izany anefa ny ADN. Nahoana? Satria misy fomba maro ampiasain’ny sela mba hanamboarana izay simba mandritra ny fanoloana azy io. Raha tsy izany, dia efa ela ny olombelona no tsy nisy intsony!Tsy mihasimba tsikelikely àry ny vatantsika, ka tsy izany loatra no mahatonga ny fahanterana. Misolo na mihavao tsy tapaka mantsy ny faritra rehetra amin’ny vatana, manomboka amin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny molekiola bitika. Mandritra ny taona maro no itrangan’izany, ary samy hafa ny fomba isehoany sy ny faharetany. Koa nahoana àry izy rehetra ireo no manomboka mitsahatra amin’ny asany amin’ny fotoana mitovitovy?
Efa natao hihantitra mihitsy ve isika?
Nahoana ny saka no velona 20 taona, nefa tsy velona afa-tsy 8 na 10 taona ny bitro, izay mitovitovy habe aminy? Nahoana ny ramanavy no velona 20 na 30 taona, nefa ny totozy 3 taona monja? Nahoana ny sokatra goavana no velona 150 taona, nefa ny elefanta 70 taona monja? Tsy miankina amin’ny sakafo, na lanja, na haben’ny atidoha, na fomba fiaina, izany fahasamihafan’ny androm-piainana izany. Hoy ny Rakipahalalana Britannica (anglisy): ‘Hita ao
amin’ny fototarazon’ny karazan-javamananaina tsirairay ny fetran’ny taona ahavelomany.’ Zavatra ao anatin’ny sela ny fototarazo, ary izy io no mametra ny halavan’ny androm-piainana. Nahoana anefa no manomboka tsy miasa intsony ny faritra rehetra amin’ny vatana, rehefa madiva hifarana ny androm-piainana?Hoy ny manam-pahaizana iray atao hoe Dr. John Medina: “Toy ny hoe misy famantarana hafahafa miseho tampoka amin’ny fotoana iray, ary mampahafantatra ny sela mba hitsahatra amin’ny asa fanaony.” Hoy koa izy: “Misy fototarazo afaka mibaiko ny sela sy ny vatana manontolo mba hihantitra sy ho faty.”
Azo oharina amin’ny orinasa mandeha tsara am-polony taona maro ny vatantsika. Tampoka eo anefa, dia tsy mampiditra sy mampiofana mpiasa vaovao intsony ny tompon’andraikitra ao. Tsy amboariny sy soloany ny milina, ary tsy karakarainy ny trano. Vetivety foana, dia hihasimba ilay orinasa. Fa nahoana ireo tompon’andraikitra ireo no nanova ny fomba fiasany, nefa nety tsara izany? Mitovitovy amin’izany ny fanontanian’ny manam-pahaizana mandinika ny fahanterana. Hoy ny boky Ny Famantaranandron’ny Taona (anglisy): “Anisan’ny mistery lehibe eo amin’ny fikarohana momba ny fahanterana ny hoe nahoana ny sela no mitsahatra tsy misolo intsony ary manomboka maty.”
Hisy fanafodiny ve ny fahanterana?
Voalaza fa ny fahanterana no “manahirana indrindra amin’ny olana rehetra manjo ny vatana.” Mbola tsy nahita ny antony mahatonga ny fahanterana ny mpahay siansa, na dia efa niezaka nikaroka am-polony taona maro aza. Mazava ho azy fa mbola tsy nahita fanafodiny koa izy ireo. Namoaka fampitandremana avy amin’ny mpahay siansa miisa 51, mandinika ny fahanterana, ny gazety Amerikanina Siantifika, tamin’ny 2004. Izao no voalaza ao: “Misy mivarotra fanafody iadiana amin’ny fahanterana. Mbola tsy voaporofo mihitsy anefa hatramin’izao, fa tena mahatanora lalandava tokoa izy ireny, na tsy mahantitra haingana.” Marina fa mety ho salama kokoa ianao, raha manao fanatanjahan-tena sy mitandrina ny sakafo haninao. Mety tsy ho faty aloha be koa ianao na dia marary aza. Mbola tsy misy anefa ny fanafody voaporofo fa tsy mahantitra haingana. Marina tokoa ireto tenin’i Jesosy ao amin’ny Baiboly ireto: “Iza aminareo no mahay manalava ny androm-piainany, na kely monja aza, rehefa manahy?”—Matio 6:27.
Ho famintinana ny fandrosoan’ny ezaka atao mba hitadiavana fanafodin’ny fahanterana, dia hoy i Medina: “Tsy tena fantatsika ny valin’ilay fanontaniana lehibe hoe nahoana isika no mihantitra. ... Efa am-polony taona maro isika izay no nanomboka niady tamin’ny kansera, nefa mbola tsy mahita fanafodiny hatramin’izao. Mbola saro-takarina kokoa noho ny antony mahatonga ny kansera anefa ny antony mahatonga ny fahanterana.”
Zavatra nampiaiky taorian’ny fikarohana
Tsy foana tanteraka anefa ny fanantenan’ny olona ho ela velona, na dia eo aza ny vokatry ny fikarohana momba ny fiasan’ny zavamananaina sy ny antony mahatonga azy hihantitra. Nisy zavatra tena nampiaiky ny manam-pahaizana sasany taorian’ny fikarohana nataony. Tena ilaina izany mba hahatakarana ny momba ny fahanterana. Hoy ilay manam-pahaizana atao hoe Michael Behe: ‘Tao anatin’ireo 40 taona farany, dia nahita ny fomba fiasan’ny sela ny mpikaroka momba ny zavatra simika ao amin’ny vatana. Hita miharihary avy amin’ireny ezaka rehetra natao handinihana ny sela sy ny molekiola ao aminy ireny, fa nisy namorona ny zavamananaina. Tsy azo lavina izany!’ Nisy olona tena mahay tokoa, namorona ny zavamananaina. Tsy i Behe anefa no voalohany niaiky toy izany. Nandinika ny vatan’olombelona ny mpanao salamo, ary niteny hoe: “Mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy.”—Salamo 139:14.
Raha nisy namorona ny zavamananaina rehetra, dia mipetraka ity fanontaniana mampisaintsaina ity: Nataon’Andriamanitra hitovitovy amin’ny androm-piainan’ny biby maro ve ny androm-piainantsika, sa tiany ho ela velona kokoa isika?
[Teny notsongaina, pejy 6]
‘Mahatalanjona ny nanaovana antsika’
[Sary, pejy 4, 5]
Mihasimba tsikelikely ve ny vatantsika, ka izany no mahatonga ny fahanterana?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 6]
ADN: Sary: www.comstock.com