Nitady Samirery ny Fahamarinana i Michel Servet
Nitady Samirery ny Fahamarinana i Michel Servet
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ESPAINA
Nodorana teo amin’ny tsato-kazo tany Genève, any Soisa, i Michel Servet tamin’ny 27 Oktobra 1553. I Guillaume Farel, solontenan’ilay mpitondra fivavahana atao hoe Jean Calvin, no namono azy. Nampitandrina an’ireo mpijery toy izao i Farel: “Olon-kendry [i Servet], ary nihevitra izy fa nampianatra ny fahamarinana. Lasa notaomin’ny Devoly anefa izy. ... Mitandrema mba tsy hitranga aminareo ny toy izany!” Fa inona no heloka vitan’i Servet, ka namonoana azy toy izany?
TERAKA tamin’ny 1511 tao Villanueva de Sijena, any Espaina, i Michel Servet. Mbola kely izy dia efa nanam-pahaizana be. Hoy ny mpanoratra ny tantaram-piainany: “Nahay teny grika sy latinina ary hebreo izy, raha vao 14 taona monja, sady efa betsaka ny zavatra fantany momba ny filozofia sy matematika ary teolojia.”
Mbola zatovo i Servet tamin’izy noraisina ho mpanampy an’ilay pretra atao hoe Juan de Quintana, mpanolo-tsaina manokan’i Charles Faha-5, mpanjakan’i Espaina. Hitany tsara ny fisaratsarahan’ny fivavahana tany Espaina, rehefa nanaraka an’io olona io tamin’ireo dia nataony izy. Noroahina na noterena hivadika ho Katolika ny Jiosy sy ny Silamo tany Espaina tamin’izany. *
Nandeha nianatra lalàna tany amin’ny Oniversiten’i Toulouse, any Frantsa, i Servet tamin’izy 16 taona. Tany no nahitany Baiboly manontolo voalohany. Voarara ny mamaky Baiboly tamin’izany, kanefa nanao izany nangingina i Servet. Rehefa avy namaky azy io izy, dia nivoady fa mbola hamaky azy io “in’arivony.” Ny Baiboly Polyglotte de Complute angamba no nampiasain’i Servet tany Toulouse. Izany no nahafahany namaky ny Soratra Masina tamin’ny teny hebreo sy grika, izay nanoratana azy io voalohany, ary koa * Tsy nino ny Fivavahana Katolika intsony izy, rehefa nianatra ny Baiboly sy nahita ny fitondran-tena ratsin’ireo mpitondra fivavahana tany Espaina.
tamin’ny teny latinina.Vao mainka nitombina ny fisalasalany, rehefa nahita ny Papa Clément Faha-7 nanosotra an’i Charles Faha-5 ho mpanjakan’i Roma izy. Rehefa tonga ilay mpanjaka, dia nanoroka ny tongotry ny Papa, izay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana nilanjana azy. Hoy i Servet tatỳ aoriana: “Ny masoko mihitsy no nahita ny Papa nolanjain’ireo andriana, ny renty be nampiarahina tamin’izany, ary ny vahoaka nanindrahindra azy eran’ny lalana.” Hitan’i Servet fa tsy mifanaraka amin’ilay hafatra tsotra raketin’ny Filazantsara izany renty be izany.
Nitady ny fahamarinana ara-pivavahana izy
Niala nangingina tamin’ilay asany tao amin’i Quintana i Servet, ary nanomboka nitady samirery ny fahamarinana. Nino izy fa tsy natao ho an’ny teolojianina sy ny filozofa ny hafatr’i Kristy, fa ho an’ny sarambabem-bahoaka izay hahatakatra sy hampihatra izany. Tapa-kevitra àry izy ny handinika ny Baiboly amin’ny fiteny nanoratana azy io voalohany, sy handa izay fampianarana mifanohitra amin’izy io. Mahaliana fa ny hoe “fahamarinana” sy ireo teny avy aminy, dia miseho matetika ao amin’ny asa sorany noho ny teny hafa.
Hitan’i Servet tamin’ny fianarany tantara sy Baiboly, fa lasa nisy hevi-diso tafiditra tao amin’ny Kristianisma, nandritra ireo taonjato telo voalohany taorian’i Kristy. Nianarany fa nampirisika ny vahoaka hanaraka fampianaran-diso i Constantin sy ireo mpitondra nandimby azy tao Roma, ka nanjary nekena ho fampianarana ofisialy ny Trinite (Andriamanitra tokana olona telo). Namoaka boky hoe Fahadisoan’ny Fampianarana Momba ny Trinite (latinina) i Servet tamin’izy 20 taona, ka lasa lasibatry ny Fitsarana Katolika.
Nahay nandinika i Servet ka nanatsoaka hevitra hoe: “Tsy misy firesahana Andriamanitra tokana olona telo ao amin’ny Baiboly. ... Ary tsy ireo hevitsika mifanaraka amin’ny filozofia no ahafantarantsika an’Andriamanitra, fa amin’ny alalan’i Kristy.” * Niaiky koa i Servet fa ny fanahy masina dia tsy olona, fa hery ampiasain’Andriamanitra.
Nisy nino ny tenin’i Servet. Hoy ilay protestanta Mpitondra Fanavaozana atao hoe Sebastian Franck: “Nilaza ilay Espaniola atao hoe Servet tao amin’ny taratasiny, fa tokana ihany Andriamanitra. Manizingizina kosa anefa ny Fivavahana Katolika fa Andriamanitra tokana olona telo izy. Aleoko miombon-kevitra amin’ilay Espaniola.” Samy nitana lolompo tamin’i Servet anefa, na ny Katolika na ny Protestanta, noho izy nanohitra ny fampianarana fototr’izy ireo.
Nanda ny fampianarana hafa koa i Servet noho ny fianarany Baiboly, ary nino izy fa tsy araka ny Soratra Masina ny fampiasana sary amin’ny fivavahana. Herintaona sy tapany taorian’ny nivoahan’ilay bokiny momba ny Andriamanitra tokana olona telo, dia hoy izy momba ny Katolika sy ny Protestanta: ‘Tsy hoe manaiky na mandà tanteraka izay rehetra lazain’ireo fivavahana ireo aho. Toa samy manana ny fahamarinany sy ny fahadisoany ihany mantsy izy ireo. Mahafantatra ny fahadisoan’ny hafa anefa izy ireo, fa ny azy kosa tsy hitany.’ Nitady samirery ny fahamarinana àry i Servet. *
Nisy hevi-diso ihany anefa tamin’izay noeritreretin’i Servet, na dia niezaka mafy aza izy tamin’izany fikarohany izany. Nanombantombana, ohatra, izy fa ho tonga amin’ny androny ny Hara-magedona sy ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy.
Nikaroka ny fahamarinana ara-tsiansa izy
Voatery nandositra ny mpanenjika azy i Servet, ka nanova ny anarany ho Villeneuve. Nifindra monina tany Paris izy, ary nahazo diplaoma momba ny zavakanto sy ny fitsaboana. Nahaliana azy ny siansa, ka nanao fandidiana faty izy mba hahafantarana ny fomba fiasan’ny vatan’olombelona. Izany angamba no nahatonga azy ho ny Eoropeanina voalohany nanazava ny fomba fikorianan’ny ra ao amin’ny havokavoka. Nohazavainy tao amin’ilay bokiny hoe Famerenana Amin’ny Laoniny ny Kristianisma (latinina) ny voka-pikarohany. Efa 75 taona talohan’ny nanazavan’i William Harvey ny fikorianan’ny ra ao amin’ny vatana manontolo, no nanomezan’i Servet an’io fanazavany io.
Nohavaozin’i Servet koa ilay boky hoe Jeografia (latinina), nosoratan’i Ptolémée. Tena tsara ilay izy, ka nisy nilaza fa i Servet no nanomboka ny fampitahana ireo toerana samihafa sy ny lafiny mampiavaka azy, ary ny fandalinana ireo kolontsaina isan-karazany. Nokianina anefa izy, tatỳ aoriana, nandritra ny fitsarana azy tany Genève, noho ny filazany fa zara raha misy voly ny tany ao Palestina sady tsy mamokatra. Mba hiarovan-tena, dia nilaza izy fa i Palestina ankehitriny no tiany horesahina, fa tsy i Palestina tamin’ny andron’i Mosesy. Azo inoana mantsy fa mbola tondra-dronono sy tantely izy io tamin’izany.
Nanoratra boky momba ny fitsaboana amin’ny alalan’ny ranom-panafody azo avy amin’ny zavamaniry koa i Servet. Vaovao sy azo ekena kokoa ny fanazavana nosoratany tao. Maro tokoa ny fahalalana ara-pitsaboana raketin’io boky io, ka lasa anisan’ireo nisantatra ny fanamboarana fanafody sy fampiasana vitaminina i Servet. Nanam-pahaizana teo amin’ny sehatra maro izy, ka nilaza ny mpahay tantara iray fa “anisan’ireo olona nahira-tsaina indrindra hatramin’izay izy, sady tena nanitatra ny fahalalan’ny olombelona.”
Fahavalo nahery
Nanana fahavalo maro foana ny mpitady ny fahamarinana. (Lioka 21:15) Maro koa no nanohitra an’i Servet. Anisan’izany i Jean Calvin, izay nanangana fitondrana jadona protestanta tao Genève. Nilaza i Will Durant, mpahay tantara fa ‘to teny sy tia nampanjaka ny heviny i Calvin, ary ireo no nampiasainy hanaovana didy jadona, fa tsy ny lalàna na ny herisetra. Nolaviny tanteraka ny zon’ny tsirairay hifidy ny zavatra inoany, toy ny nataon’ireo Papa ihany.’
Tany Paris angamba i Servet sy Calvin no nihaona, tamin’izy ireo mbola tanora. Efa hatramin’izany izy ireo no sakay sy maso, ka i Calvin no lasa fahavalo tsy azo ivalozana indrindra nanohitra an’i Servet. Mpitarika ny Fanavaozana Protestanta izy, nefa izy indray tamin’ny farany no nanolotra an’i Servet tany amin’ny Fitsarana Katolika. Nodoran’ny olona tao Frantsa ny sarin’i Servet, ary saika tsy tafavoaka avy tao izy. Tratra ihany anefa izy tao Genève, tanàna an-tsisitany, izay nankatoavana tanteraka ny tenin’i Calvin.
Nampijalin’i Calvin i Servet tany am-ponja. Rehefa niady hevitra anefa izy roa lahy nandritra ny fitsarana an’i Servet, dia nilaza ity farany fa hiova hevitra izy, raha manome porofo mampiaiky avy ao amin’ny Soratra Masina i Calvin. Tsy nahavita nanao izany anefa i Calvin. Nomelohin’ny Fitsarana ihany i Servet, ary nodorana teo amin’ny tsato-kazo. Nandoro ny sariny ny Katolika, fa nandoro azy velona kosa ny Protestanta. Araka ny mpahay tantara sasany dia izy ihany no niharan-javatra toy izany.
Mpialoha lalana ho amin’ny fahalalahana ara-pivavahana
Nahavita namongotra ilay rafiny i Calvin, nefa lasa tsy to teny intsony izy. Tsy ara-drariny ny namonoana an’i Servet, ka maro ny olona sosotra tamin’izany tany Eoropa. Vao mainka nahazo rariny ireo nanizingizina fa tsy misy mihitsy olona tokony hovonoina noho ny fivavahany. Lasa tapa-kevitra kokoa ny hitolona hatrany ho an’ny fahalalahana ara-pivavahana izy ireo.
Hoy ilay poety italianina atao hoe Camillo Renato, momba ny famonoana an’i Servet: “Samy tsy nampirisika ny hanaovana izany na Andriamanitra na ny fanahiny. Tsy izany koa no nataon’i Kristy tamin’ireo tsy nanaiky azy.” Hoy koa i Sébastien Chateillon, mpiaro ny zon’olombelona: “Tsy maharo ny foto-pinoana ny famonoanao olona iray, fa maty fotsiny izy.” I Servet mihitsy aza no nilaza hoe: “Heveriko fa tena tsy mety ny mamono olona satria hoe diso ny fanazavany hevitra sasany avy ao amin’ny Baiboly. Fantatsika mantsy fa mety ho diso na dia ny olom-boafidy aza.”
Nisy vokany maharitra teo amin’ny hafa ny namonoana an’i Servet. Hoy ny boky Michel Servet, Ilay Manam-pahaizana Malaza Mpiaro ny Zon’olombelona Sady Maritiora (anglisy): “Tena nanova ny fomba fisainana sy ny fitondran-tena nanjaka hatramin’ireo taona 300 ny nahafatesan’i Servet.” Hoy koa ilay boky: “Raha jerena ny tantara, dia maty mba hananan’ny tsirairay ankehitriny ny zo hanaraka ny feon’ny fieritreretany i Servet.”
Tamin’ny 1908, dia nisy tsangambato ho an’i Servet naorina tao Annemasse, any Frantsa, dimy kilaometatra eo ho eo avy eo amin’ilay toerana nahafatesany. Misy soratra eo amin’izy io hoe: “Michel Servet ... Dokotera sady manam-pahaizana momba ny taova sy mpahay jeografia. Nanatsara ny fiainan’ny olombelona ny zava-baovao ara-tsiansa hitany, ny fahafoizan-tenany ho an’ny marary sy ny mahantra, ary ny tsy fanekeny ny hibaikoan’ny hafa ny fomba fisainany sy ny feon’ny fieritreretany. ... Niaiky mafy ny zavatra ninoany izy, ary namoy ny ainy noho ny fahamarinana.”
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 5 Noroahin’ny mpitondra espaniola ny Jiosy 120 000, satria tsy nanaiky hivadika ho Katolika. Nisy Arabo an’arivony koa nodorana teo amin’ny tsato-kazo.
^ feh. 6 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Nanampy Betsaka ny Baiboly Iray Misy Fiteny Maro”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 2004.
^ feh. 11 Nilaza i Servet tao amin’ilay taratasiny hoe Fanamarihana Momba An’i Jesosy Kristy, fa mahavery hevitra ny fampianarana momba ny Trinite. Nomarihiny koa fa tsy misy na dia teny iray aza ao amin’ny Soratra Masina manohana io fampianarana io.
^ feh. 13 Izao no namaranan’i Servet ny taratasy farany nosoratany tany am-ponja: “Hoy i Michel Servet, izay irery nefa matoky tanteraka ny fiarovan’i Kristy.”
[Efajoro/Sary, pejy 21]
Nampiasa ny Anarana hoe Jehovah i Servet
Nanjary nampiasa ny anaran’i Jehovah koa i Servet, rehefa nitady ny fahamarinana. Nampiasa io anarana io i William Tyndale, rehefa nandika ny Boky dimy Voalohany amin’ny Baiboly. Volana vitsivitsy taorian’izay i Servet, dia namoaka ilay bokiny hoe Fahadisoan’ny Fampianarana Momba ny Trinite. Nampiasa ilay anarana hoe Jehovah izy, tao anatin’izy io. Nohazavainy tao fa “ilay anarana hoe יהוה, izay masina indrindra amin’ny anarana rehetra, dia azo adika toy izao: ... ‘Manao izay hahatonga Izy’ na hoe ‘avy aminy ny fisiana.’ ” Nilaza koa izy hoe: “Ny Ray ihany no mendrika hantsoina hoe Jehovah.”
Nanonta indray ny Baiboly latinina nataon’i Sanctes Pagninus (aseho etsy ambany) i Servet, tamin’ny 1542. Nanao fanamarihana be dia be i Servet teny amin’ny sisim-pejin’izy io, ka tao no nanasongadinany indray ny anaran’Andriamanitra. Rehefa nisy hoe “Tompo” tao amin’ireo andinin-teny lehibe sasany toy ny Salamo 83:18, dia nosoratany teo amin’ny fanamarihana an-tsisim-pejy ny anarana hoe Jehovah.
“Mazava fa ... maro no nanonona io anarana io fahiny”, hoy i Servet tao amin’ilay bokiny farany hoe Famerenana Amin’ny Laoniny ny Kristianisma.
[Sary]
Ilay tsangambato ao Annemasse, Frantsa
[Sary, pejy 18]
Sary sokitra tamin’ireo taona 1400, mampiseho fanerena ny Silamo tany Espaina hatao batemy
[Sary nahazoan-dalana]
Capilla Real, Grenade
[Sary, pejy 19]
Pejy voalohany amin’ilay boky “Fahadisoan’ny Fampianarana Momba ny Trinite”
[Sary nahazoan-dalana]
Avy amin’ny boky De Trinitatis Erroribus, nosoratan’i Michel Servet, 1531
[Sary, pejy 20]
Nianatra ny fomba fikorianan’ny ra ao amin’ny havokavoka i Servet
[Sary nahazoan-dalana]
Anatomie descriptive et physiologique, Paris, 1866-7, L. Guérin, Mpampanonta
[Sary, pejy 20]
Ilay bokin’i Servet, izay nisantatra ny fanamboarana fanafody sasany
[Sary, pejy 21]
Lasa fahavalo lozaben’i Servet i Jean Calvin
[Sary nahazoan-dalana]
Biblioteca Nacional, Madrid
[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]
Biblioteca Nacional, Madrid