Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Satriko Foana Hamaky Ilay Boky”

“Satriko Foana Hamaky Ilay Boky”

“Satriko Foana Hamaky Ilay Boky”

▪ Namoaka boky iray vaovao ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra nalamin’izy ireo naneran-tany tamin’ny taon-dasa. Boky fandalinana ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly izy io. Misy pejy 224 ao anatiny, sady be sary. Mitondra ny lohateny hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? ilay boky.

Nanoratra toy izao ny olona iray namaky azy io: “Satriko foana hamaky ilay boky. Azo lazaina ho vitsy ihany ireo pejiny, kanefa ampiasaina ao daholo ny fomba fampianatra tsara indrindra hitako hatramin’izay.”

Nilaza toy izao koa ny olona iray: “Tianao hotohizina foana ny vakiteninao, arakaraka ny hamakianao ny pejy tsirairay. Mahafinaritra ahy koa fa milaza mialoha ny foto-kevitra hodinihina ao amin’ny toko manaraka ny faran’ny toko tsirairay. Maro amin’ny fanazavana ao anatiny no mampirotsa-dranomaso. Betsaka loatra ny zavatra mahafinaritra ahy ao amin’io boky io, ka hahafeno boky mihitsy raha soratana daholo!”

Mbola nisy olona iray koa nankasitraka ilay boky, ka nanoratra hoe: “Tsy hay tombanana ny hasarobidin’ny fampianarana momba an’Andriamanitra raketin’io boky io. Ary fitaovana faran’izay tsara hampianarana ny olona ho tonga mpianatr’i Kristy izy io.”

Misy amin’ny fiteny 140 mahery izao ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.