Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sponjy—Tsotra Nefa Mahavariana

Sponjy—Tsotra Nefa Mahavariana

Sponjy—Tsotra Nefa Mahavariana

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY AOSTRALIA

TIANAO ve ny mampiasa taolam-biby rehefa mandro? Azo inoana fa tsia. Taolan’ny biby iray atao hoe sponjy anefa ilay sponjy voajanahary feno tsiratsiraka ampiasain’ny olona sasany rehefa mandro.

‘Ny sponjy no biby tranainy indrindra. Ny firafitry ny vatany koa no tsotra indrindra, raha oharina amin’ny an’ny biby hafa’, hoy ny Vaovaom-pirenena Momba ny Tany (anglisy). Nisy olona nieritreritra àry fa mety ho sponjy iray fahiny no nivoatra tsikelikely, ka nampisy ny olona sy ny biby. Nilaza mihitsy aza ny fandaharana iray tao amin’ny tele fa ny sponjy no ‘razambentsika rehetra’ sy ny biby.

Inona no hitan’ny mpahay siansa momba ny sponjy? Zavaboary tsotra fotsiny ve izy ireny, sa hita fa noforonina tamin’ny fomba mahavariana?

Tsy manana fo sy atidoha nefa velona tsara

Mety ho toy ny zavamaniry ny endriky ny sponjy. Nilaza anefa i Aristote sy Pline Zokiny fa biby izy io, ary marina ny azy ireo. Tombanan’ny manam-pahaizana fa misy karazana sponjy 15 000, fara fahakeliny, any amin’ny farihy sy ranomasina rehetra eran-tany. Mahavariana ny endriky ny sasany sy ny lokony. Misy, ohatra, toy ny rantsantanana marotsaka kely, na barìka kely, na mivelatra be toy ny tsihy, na tsara tarehy toy ny fikopakopahana. Misy mihitsy aza toy ny vazy kristaly mora vaky. Endriny vitsy monja ireo. Ny sasany kely noho ny voam-bary, fa ny hafa kosa lava noho ny olona. Mino ny mpahay siansa fa mety ho efa velona an-jatony taona maro ny sponjy sasany.

Hoy ny Rakipahalalana Britannica: “Tsy mitovy amin’ny an’ny biby hafa ny firafitry ny sponjy sy ny fomba fiasany ary ny fitomboany.” Nahoana? Tsy manana taova ny sponjy. Tsy manana fo na atidoha na rafi-pitatitra izy. Ahoana àry no ahavelomany? Feno sela bitika ao aminy, ka ireo no manao ny asa maro mahavelona azy. Misy, ohatra, mpisambotra sakafo, mpitatitra ny zavatra mahavelona, na mpanala ny loto. Ny hafa miasa mafy mba hanamboarana taolana na hoditra. Misy mihitsy aza miova asa, rehefa ilaina izany.

Mbola misy zavatra hafa mampiavaka ny sponjy. Makà ange sponjy velona, ary poteho ao anaty pasoara e! Hitambatra indray ny selany rehetra, ary hiverina toy ny teo aloha izy. Makà indray sponjy roa samy hafa, ary poteho miaraka. Hiavaka tsikelikely ny selan’izy ireo, ary hiverina toy ny teo aloha ny sponjy tsirairay. “Tsy misy zavamaniry na biby mahay mamerina ny tenany amin’ny laoniny toy izany”, hoy ihany ny Vaovaom-pirenena.

Isan-karazany koa ny fomba fampitomboan’ny sponjy taranaka. Misy sponjy manomana sela sy mandefa izany mba honina any an-toeran-kafa. Tsy manao na inona na inona ilay sela mandra-pahatongany any. Manomboka miasa kosa izy rehefa tonga, mba hamorona sponjy vaovao. Ny sponjy hafa manao firaisana, ka misy afaka mivadika ho lahy na vavy rehefa ilaina izany. Misy koa sponjy manatody. Variana ilay mpanoratra atao hoe Paul Morris nahita izany, ka hoy izy: “Arakaraka ny andinihantsika akaiky ny zavamananaina tsotra indrindra, no ahitantsika tsipiriany maro kokoa momba azy ireny.”

Mpitroka ny loto ao an-dranomasina

Nilaza i Allen Collins, manam-pahaizana momba ny biby, fa “tsy mitovy amin’ny fomba fisakafoan’ny biby hafa” ny an’ny sponjy. Misy lavaka bitika be dia be eo amin’ny hoditry ny sponjy. Mitsofoka mankany amin’ny tionelina sy efitrefitra kely maro be mifampitohy, mameno an’ilay sponjy izy ireo. Ahitana sela bitika an-tapitrisany eran’ny rindrin’ireo tionelina sy efitrefitra ireo. Mamoaka zavatra lavalava toy ny karavasy ny sela tsirairay. Mivoy mandroso sy miverina ilay izy. Hoy ilay mpanoratra atao hoe Ben Harder: “Toy ny mpivoy lakana romanina fahiny [ireo sela ireo], satria tsy mitsahatra manosika rano mankany amin’ireo sela hafa, natao hisambotra sy hitelina izay sakafo mandalo.” Mitroka rano avo folo heny noho ny habeny ny sponjy, isan’ora. Misintona zavatra mahavelona sy zavatra simika misy poizina izy amin’izany. Sintoniny daholo koa ny ankamaroan’ny bakteria ao anaty rano. Mametra ny habetsahan’ny rano trohiny, na manova ny fomba fitrohany rano mihitsy aza izy indraindray, mba hamoahana ny fako ao anatiny, na hampihenana ny vokatry ny fiovan’ny fikorianan’ny rano. Hoy ny Dr. John Hooper: “Ny sponjy no mahay indrindra ... amin’ireo mpitroka ny loton’ny ranomasina.”

Misy sakafo sy rano tonga foana ao amin’ny sponjy, ka tian’ny patsabe sy ny foza ary ny bibikely hafa ny mipetraka ao anatiny. Nahitana biby 17 128, ohatra, tao anatin’ny sponjy iray. Misy bakteria sy ahidrano ary holatra tsy tambo isaina koa miara-miasa amin’ny sponjy. Mety ho bakteria ny antsasaky ny lanjan’ny sponjy mando.

Hitan’ny mpahay siansa fa mety ho azo anamboarana fanafody vaovao sy hafakely ary tena mandaitra, ny sponjy sy ny zavamananaina miara-miasa aminy. Misy mino fa mety hanampy hiadiana amin’ny SIDA, kansera, tazo, ary aretina hafa izany fanafody izany. Hoy ilay mpikaroka atao hoe Shirley Pomponi, rehefa niresaka ny zavatra sasany ao anatin’ny sponjy izy: “Mahasoa lavitra ny molekiola eo amin’ny natiora, raha oharina amin’ny molekiola amboarina amin’ny alalan’ny ordinatera.”

Kristaly mahavita zavatra miavaka

Marokoroko sy henjana ny sponjy maro, fa tsy malemilemy sy feno tsiratsiraka toy ilay sponjy fampiasan’ny olona sasany rehefa mandro. Ahitana kristaly bitika an-tapitrisany ao amin’izy ireny. Mahavariana ny hatsaran’ireo kristaly ireo sy ny karazany rehefa jerena amin’ny mikraoskaopy. Mifampitohitohy izy ireo, ary manana endriny isan-karazany. Taolana be pitsiny, ohatra, ny sasany. Ny hafa kosa fitaovana iarovan’ny sponjy ny tenany. Misy mihitsy aza miendrika kabla, ka mahatratra 3 metatra ny halavany ary 1 santimetatra ny hateviny. Mampiasa karazana harato misy volombolony sy farango ny sponjy iray mpihinana nofom-biby mba hisamborana ny hazany.

Misy koa sponjy miendrika fitaratra makarakara. Sponjy fitaratra no anarany. Be pitsiny izy io, sady tena tsara tarehy. Tsiratsiraka kristaly tsy misy fangarony, avy amin’ilay mineraly fanaovana fitaratra atao hoe silisy izy io. Mitovy be amin’ireny kabla fitaratra mpitondra hazavana, vitan’ny olombelona ireny ilay izy. Hoy ny mpahay siansa iray: “Tena mafy ireny tsiratsiraka velona mpitondra hazavana ireny, fa tsy toy ny kabla vitan’ny olombelona. Tsy mety tapaka ilay izy na dia afatotrao mafy be aza.” Mbola tsy hain’ny mpahay siansa hatramin’izao hoe ahoana no itomboan’ireny tsiratsiraka be pitsiny ireny any an-dranomasina sy ao anaty hatsiaka. Hoy i Cherry Murray, avy amin’ny Laboratoara Bell: “Raha izany no izy, dia mahavaha olana iray tena lehibe eo amin’ny fanamboarana fitaovam-panorenana sy kabla mpitondra hazavana, io zavamananaina azo lazaina hoe tsotra io.”

Nisy ho azy teo sa nisy namorona?

Hoy i Hooper, rehefa avy nandinika indray ireo antony maro mahatonga ny sponjy hahavariana: “Lazaina fa ‘tsotra ny sponjy’, nefa [biby] tena be pitsiny izy io, raha ny marina. Mbola misy zavatra tsy fantatra momba azy io hatramin’izao.” Ara-dalàna àry raha manontany isika hoe: Ahoana no nahatonga ny sponjy ho be pitsiny toy izany, ary nahoana? Nisy ho azy teo ve izany? Sa kosa porofo fa misy Mpamorona manan-tsaina nanao ny sponjy?

Mety tsy heken’ny olona sasany fa misy ny Mpamorona. Maro anefa no hiombon-kevitra amin’ny mpanao salamo. Hoy izy: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany ... dia zava-miaina, na kely na lehibe.”—Salamo 104:24, 25.

[Kisary/​Sary, pejy 23]

Firafitry ny sponjy. Sarin’ny sela mpitroka rano (nohalehibeazina)

[Sary, pejy 24]

Kristaly ao amin’ny sponjy

[Sary, pejy 24]

Sponjy fitaratra

[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]

Soavalin-dranomasina: Rudie H Kuiter; sary kely 3 eo ankavanana: Dr. John Hooper, Queensland Museum

[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]

Ambony: Eye of Science/Photo Researchers, Inc.; ambany: Kim Taylor/Warren Photographic