Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Teo anelanelan’ny 1997 sy 2004, tany Brezila, dia nitombo avo folo heny ny fampiasan’ny olona te hahia amphétamine, izay fanafody mampihena ny fahazotoan-komana.—FOLHA ONLINE, BREZILA.

Mora voan’ny katarakta kokoa ny mpanamory fiaramanidina, angamba satria betsaka kokoa ny tara-pahazavana avy any ana habakabaka mankany amin’ny masony.—THE WALL STREET JOURNAL, ETAZONIA.

Efa ho ny antsasaky ny ankizy 1 720 tapitrisa any Azia, no tsy hanana ireo zavatra tena ilainy, toy ny rano madio, sakafo, fitsaboana, fianarana, ary trano ipetrahana, ao anatin’ny folo taona ho avy.—PLAN ASIA REGIONAL OFFICE, TAILANDY.

“Mampidi-doza kokoa noho ny noeritreretina hatramin’izay” ny setro-tsigara. Norarana ny fifohana sigara tany amin’ny birao, hotely, sy toeran-kafa tany Pueblo, any Etazonia. Nihena 27 isan-jato ny isan’ny olona narary fo, roa taona sy tapany taorian’izay.—TIME, ETAZONIA

Mitombo ny Fisaraham-panambadiana any Espaina

Raha atambatra ny isan’ny fanambadiana tany Espaina tamin’ny 2000, dia antsasak’izany ny isan’ny fisintahana sy fisarahana. Lasa androatokony anefa izany tamin’ny 2004. Ary an-tapitrisany mahery ny ankizy manana ray aman-dreny misaraka, hatramin’ny nivoahan’ny lalàna mamela ny fisarahan’ny mpivady, tamin’ny 1981. Fa nahoana no mihabetsaka ny tokantrano rava? Nilaza i Patricia Martínez fa ireto no “tena antony mahamora rava ny fanambadiana: Niova ny fomba fisainana, lasa milefitra kokoa amin’ny fitondran-tena ratsy na ny fivavahana na ny olona, lasa miasa ny vehivavy, ary tsy mandray ravin-dena ny lehilahy.”

Be Olona Matavy Loatra any Chine

Milaza ny The Guardian any Londres, fa “hahatratra 200 tapitrisa ny olona matavy loatra ka mety harary [any Chine], rehefa afaka folo taona.” “Feno [mpivarotra hani-masaka] ny tanàn-dehibe maro. Mihabetsaka ny olona tsy dia tena sahirana, ka lasa tsy mampiasa vatana firy intsony, mandeha fiara matetika kokoa, ary mandany fotoana be kokoa mipetra-potsiny eo anoloan’ny tele sy ny ordinatera ary ny lalao video.” Mitombo 8 isan-jato ny ankizy matavy loatra isan-taona, ary mihoatra ny 15 isan-jaton’ny mpianatra any amin’ny sekoly fanabeazana fototra any Shanghaï no efa matavy loatra.

Nampangain’ny Renirano ho Mpidoroka Kôkainina

Navoaka tao amin’ny gazety Environmental Health ny vokatry ny fandinihana ny rano nalaina tao amin’ny Reniranon’i Po, any Italia. Hita tamin’izany fa be lavitra noho ny tombantombana efa natao, ny kôkainina ampiasain’ny olona mipetraka eny amoron’ilay renirano. Misy zavatra simika atao hoe benzoylecgonine mivoaka amin’ny pipìn’ny olona mampiasa kôkainina. Io matetika no entin’ny fitsarana manaporofo fa mampiasa kôkainina ny olona iray. Nojerena ny fatran’ny benzoylecgonine tonga tao amin’ilay renirano avy tamin’ireo lakan-drano maloto, ka hita fa kôkainina efa ho efatra kilao isan’andro no lanin’ny mponina eny amoron’ilay renirano. Avo 80 heny noho ny tombantombana efa natao izany.

Fahafatesana Azo Sorohina

Hoy ny tatitry ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, tamin’ny 2005: “Amin’ity taona ity, dia ankizy latsaka ny dimy taona, 11 tapitrisa eo ho eo, no ho faty noho ny antony samihafa izay azo sorohina ny ankamaroany.” Antony vitsy monja no nahatonga ny 90 isan-jato eo ho eo amin’izany fahafatesana izany. Eo, ohatra, ny olana na aretina mafy raha vao teraka toy ny fahaterahana tsy tonga volana, aretina azo avy amin’ny mikraoba, sempotra eo am-pahaterahana. Eo koa ny aretin’ny taovam-pisefo, indrindra fa ny pnemonia, ary ny aretim-pivalanana, tazo, kitrotro, SIDA. Nilaza ilay tatitra fa “misy fitsaboana tsotra sy tsy lafo ary mahomby azo atao, mba hisorohana ny ankamaroan’ireo fahafatesana ireo.” Vehivavy 500 000 mahery koa no maty eo am-pitondrana vohoka na eo am-piterahana isan-taona, ka “ny tsy fahafahana manatona mpitsabo za-draharaha” no tena antony.