Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zaridaina Nentim-paharazana Nefa Tena Tsara Tarehy

Zaridaina Nentim-paharazana Nefa Tena Tsara Tarehy

Zaridaina Nentim-paharazana Nefa Tena Tsara Tarehy

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY GOADELOPY

TOERANA nahafinaritra ny fonenan’izy ireo, nefa tsy afaka nankafy izany izy ireo. Izany no niainan’ny Afrikanina an’arivony niangaran’ny fiainana, nanomboka tamin’ireo taona 1600. Nalaina an-keriny avy tany an-tanindrazany izy ireo, ary nentina nanketo Goadelopy sy Martinika. Asa an-terivozona teo amin’ny fambolena fary teto amin’ireo nosin’i Karaiba, no nandanian’izy ireo ny androm-piainany sisa, raha mbola nihiratra koa ny masoandro.

Ireo andevo ihany no nasain’ny maro tamin’ny tompony nitady ny sakafony, ka nanao zaridaina kely izy ireo. Efa tena niasa mafy izy ireo, nefa tsy maintsy nanao zaridaina koa, mba hahazoany ny sakafo tiany. Namboly mangahazo sy oviala ary zavatra hafa izy ireo, satria izany no mba natsiro sy nahavelona kokoa noho izay zavatra rehetra nety ho nomen’ireo tompony. Namboly zavamaniry natao hitsaboana sy zavamanitra mampahatsiro sakafo koa izy ireo.

Nofoanan’ny fitondrana frantsay ny fanandevozana tatỳ amin’ireo nosy, tamin’ny 1848. Mbola namboly teo amin’ireo zaridaina ihany anefa ireo mponina vao nahazo fahafahana. Hatramin’izao aza dia mbola mikarakara an’ireo antsoiny hoe zaridaina kreôla ny mponin’i Goadelopy sy Martinika, taranak’ireo Afrikanina niasa mafy ireo.

Ala kelin’ny tany mafana

Nanjary nanana zaridaina roa karazana ireo andevo fahiny. Natao lavidavitra kokoa ny trano ny zaridaina misy legioma. Teo akaikin’ny trano kosa ny “zaridainan-trano” (na, “jardin de case”, araka ny iantsoan’izy ireo azy). Io karazany faharoa io no mbola tahafina amin’ny zaridaina kreôla ankehitriny. Feno voninkazo, bozaka, hazo lehibe sy kely ao amin’izy io, ka toy ny ala kelin’ny tany mafana ilay izy. Feno zavamaniry ny tokotany rehetra, ka tena tsara tarehy, nefa koa toa mikorontana no fahitanao azy voalohany. Milamina tsara anefa io zaridaina io, ary mizara roa. Misy lalana kely ahafahan’ilay mpamboly manatona ny zavatra rehetra novoleny.

Avy any ambadiky ny trano ka hatreo anoloan’ny trano ilay zaridaina, ka manjary misy toerana fandraisana olona tsara. Rehefa misy vahiny tonga, dia raisin’ny fianakaviana ao anatin’ny krôtônina, alamandà, ary ny loko marevaky ny ravina laingomena sy ny madosoravy.

Ny raokandro no mameno ireo faritra hafa amin’ny zaridaina kreôla. Matetika ny faritra misy azy io no mahazo aloka avy amin’ny trano. Anisan’ny raokandro fampiasa atỳ amin’ireo nosy ny bazilika, havozomanitra, romba, mbamin’ny laurier. Maniry eo amin’ilay zaridaina koa ny fantakamanitra, ary mampandositra moka ny fofon’ny ravina mainan’izy io, rehefa dorana.

Sarobidy amin’ny mponin’ireo nosy ny fahalalana ny raokandro. Matetika no lavitra ny dokotera taloha, rehefa nisy olona narary na naratra. Ny zavamaniry tao amin’ny zaridaina kreôla àry no nahafahan’ny olona nitsabo tena. Mbola ampiasaina amin’ny fitsaboana ihany ireny zavamaniry ireny ankehitriny, nefa mety hampidi-doza ny fanaovana dokotera tena. Vao mainka mantsy mety hampihombo ny aretin’ilay olona ny tsy fahaizana mampiasa tsara ny raokandro. Matetika àry ireo mponina vaovao no manatona mpitsabo nahazo fiofanana, alohan’ny hampiasana raokandro.

Natao hamokarana sakafo ny ampahany lehibe indrindra amin’ny zaridaina kreôla, ao ambadiky ny trano. Ho hitanao ao ny oviala, baranjely, katsaka, anapatsavavy, salady, ary zavamaniry hafa, mbamin’ny zavamanitra mampahatsiro sakafo. Mety hisy akondro koa ambolena ao, ary mety ho hitanao ao ny hazo toy ny soanambo, zavokà, goavy, na manga.

Alao sary an-tsaina ilay izy

Mety ho voasarika hijery akaiky kokoa ny zaridaina kreôla ianao, rehefa mandeha eny akaikin’izy io. Afaka mankafy ny lokon’ireo felana sy ravina maro tarafin’ny masoandro ianao, rehefa tonga ao anatiny. Manely fofona manitra samy hafa avy ao amin’ilay zaridaina koa ny rivotra mitsoka malefaka, ary tsy misy ranomanitra mahatoraka izany. Hahafinaritra anao tokoa ilay zaridaina, na dia mitsidika azy io fotsiny aza ianao. Alao sary an-tsaina ny fifalian’ilay olona mamboly an’ilay izy, sady mandany fotoana eo isan’andro!

Mbola haharitra ve ny zaridaina kreôla? Malahelo ny mponina sasany, satria misy tanora tsy liana amin’ny fihazonana an’io fomba nentim-paharazana nefa mahasoa io. Maro koa anefa ny tanora sy olon-dehibe mankafy ny hatsaran’ilay zaridaina sy ny kolontsaina fonosin’izy io. Ny zaridaina kreôla tsirairay dia mampahatsiahy ny fomba nahitan’ny andevo afrikanina ny mamy tao anatin’ny mangidy.

[Efajoro, pejy 27]

INONA NO DIKAN’NY HOE “KREÔLA”?

Ny teny hoe “kreôla” tany am-boalohany, dia nanondro ny taranaka Eoropeanina teraka tany Amerika. Nanjary nanana heviny maro anefa izy io. Misy mponin’i Haïti mampiasa ny hoe “kreôla” mba hilazana zavatra mahafinaritra, na tena tsara. Misy fiteny antsoina hoe kreôla any Jamaika sy Haïti ary toeran-kafa. Ny teny kreôla dia fiteny nivoatra avy amin’ny fiteny pidgin, nefa nanjary fitenin’ny antokon’olona teo amin’ny toerana iray.

Nanjary nanondro fomba fiaina voafaritra tsara koa ny hoe “kreôla”, dia ny kolontsaina nitombo tatỳ amin’ny nosy maro tatỳ Karaiba. Manana izany heviny izany ny teny espaniola manakaiky an’io hoe criollo, any Porto Rico sy ny Repoblika Dominikanina. Nifanambady ny tompon-tany sy Afrikanina ary Eoropeanina tatỳ Karaiba, nandritra ireo taonjato maro, ka niteraka zaza mahafatifaty manana fomba mahagaga. Tao anatin’izany fomba nentim-paharazana izany no nahaterahan’ny zaridaina kreôla teto Goadelopy sy Martinika.

[Sary, pejy 26]

Sary kely (avy any ambony): karazana longozo, poavra, mananasy, kakaô, ary kafe