Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Niandohan’ny Fakana Sary?

Ahoana no Niandohan’ny Fakana Sary?

Ahoana no Niandohan’ny Fakana Sary?

VY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY SOEDA

Taitra be, hono, ny vahinin’ilay mpahay fizika Italianina atao hoe Giambattista Della Porta (1535?-1615). Nahita sarina olona kely nitsongoloka sy nihetsiketsika teo amin’ny rindrina izy ireo, ka nihorohoro ary nitsoaka avy tao amin’ilay efitra. Nampangaina ho mpanao ody i della porta, ka niakatra fitsarana!

LOZA izany, nefa mba te hampiseho zava-baovao hampifalifaliana ny vahininy fotsiny i Della Porta. Ny fomba fakana sary no nasehony azy ireo. Tsotra ilay izy, saingy tena mahagaga ny vokany.

Efitra maizina na boaty mihidy tanteraka no ampiasaina. Asiana lavaka kely eo amin’izy io hidiran’ny hazavana. Izay rehetra eny ivelany, ka mifanandrify amin’ilay lavaka, dia mipoitra ao anatin’ilay boaty na efitra ny sariny. Eo amin’ny tandrifin’ilay lavaka no misy ilay sary saingy mitsongoloka. Tsy inona no hitan’ny vahinin’i Della Porta, fa sarin’ny olona teny ivelan’ilay efitra nisy azy ireo. Izany no nalaina tahaka ka nanamboarana ny fakan-tsary. Olona an-tapitrisany izao no manana fakan-tsary. Misy aza karazana fakan-tsary ampiasaina indray mandeha, dia ariana.

Efa nisy olona nahalala ny fomba fakana sary anefa talohan’ny andron’i Della Porta. Anisan’izany ilay filozofa grika atao hoe Aristote (384-322 T.K.). Nanazava tsara ny momba azy io koa i Alhazen, manam-pahaizana arabo tamin’ireo taona 900, ary nanoratra momba izany i Léonard de Vinci, mpanao hoso-doko tamin’ireo taona 1400. Rehefa nampiasa ilay efitra fakana sary ny olona tamin’ireo taona 1500, dia nasiany fitaratra manokana teo amin’ilay lavaka fidiran’ny hazavana, ka lasa nazava tsara kokoa ny sary niseho. Maro ny mpahay hoso-doko nampiasa izany mba hahazoana sary hatao modely, amin’izay dia toy ny tena izy ny elanelana sy ny haben’ny zavatra hita eo amin’ny sary ataony. Maro no nitady fomba itahirizana ilay sary niseho tao amin’ilay efitra na boaty maizina, nefa tsy nisy nahavita izany raha tsy tamin’ireo taona 1800.

Ilay mpaka sary voalohany

Tamin’ny 1816 angamba, no nanomboka nikaroka fomba itahirizana ny sary niseho tao amin’ilay boaty maizina ilay mpahay fizika frantsay atao hoe Joseph Nicéphore Niépce. Nahomby izy tamin’ny farany, rehefa nahita karazana godorao, izay ipetahan’ny sary rehefa tarafin’ny hazavana. Tany antenatenan’ireo taona 1820, dia naka takelaka firapotsy izy, nohosorany an’io godorao io ilay izy, ary napetrany tao anatin’ny boaty fakana sary iray. Nataony nanatrika ny tranony ilay boaty, ary navelany hotarafin’ny hazavana nandritra ny adiny valo, ka voaray tamin’ilay takelaka ny sarin’ny tranony sy ny hazo teo anoloan’ilay boaty. Na ny olona tsy mahay maka sary indrindra amin’izao fotoana izao aza, dia tsy ho afa-po mihitsy raha hoatran’io sary nalain’i Niépce io ny sary nalainy, satria maizimaizina be ilay izy. Rariny anefa raha nirehareha i Niépce. Azo inoana mantsy fa io sary nalainy io no sary voalohany azo notehirizina!

Te hanatsara ny zava-bitany i Niépce, ka nanomboka niara-niasa tamin’i Louis Daguerre, mpandraharaha iray tia karokaroka, tamin’ny 1829. Maty anefa i Niépce tamin’ny 1833. Nandroso be ny fikarohana nataon’i Daguerre taorian’izany. Takelaka varahina nohosorana volafotsy sy iôda indray no nampiasainy. Niraikitra haingana kokoa noho ny tamin’ny godorao ilay sary, rehefa ireo no nampiasainy. Somary nanjavozavo ny sary nalain’i Daguerre indray mandeha. Sendra tratran’ny etona avy tamin’ny volavelona anefa ilay izy, ka nihanazava tsara. Lasa nihena be àry ny fotoana nitarafana an’ilay takelaka tamin’ny hazavana. Hitan’i Daguerre tatỳ aoriana fa tsy miova intsony ilay sary, rehefa atsoboka amin’ny ranon-tsira ilay takelaka. Nadiva hambabo an’izao tontolo izao ny fakana sary nanomboka teo.

Naseho vahoaka ilay izy

Naseho vahoaka tamin’ny 1839 ilay zava-bitan’i Daguerre, ka nitolagaga ny olona. Hoy ilay manam-pahaizana atao hoe Helmut Gernsheim, tao amin’ny bokiny hoe Ny Tantaran’ny Fakana Sary (anglisy): “Mbola tsy nisy angamba zavatra nahaliana be sady nambabo ny olona avy hatrany toa an’io.” Nanoratra toy izao ny lehilahy iray nanatrika ilay fampisehoan’i Daguerre ny fomba fakana sary: “Adiny iray monja taorian’izay, dia feno hipoka ireo fivarotana solomaso. Tsy ampy an’ireo olona maro be te hanandrana haka sary anefa ny fitaovana ilaina amin’ny fakana sary namidin’izy ireo. Andro vitsivitsy taorian’izay, dia feno boaty fakana sary nisy tongony telo nanerana an’i Paris, teny anoloan’ny fiangonana sy ny lapa. Nikosokosoka takelaka volafotsy daholo ny fizisianina sy ny mpahay simia ary ny manam-pahaizana tao an-drenivohitra. Tsy naharitra koa ny mpivarotra nanan-karem-be, fa nahafoy vola hividianana iôda sy volavelona mba hanandramana ilay zava-baovao.” Nilaza mihitsy ny fampahalalam-baovao tao Paris fa lasa adalan’ny fakana sary ny olona.

Tena tsara ny sary azo avy tamin’ilay fomba fakana sary noforonin’i Daguerre, ka nilaza toy izao i John Herschel, mpahay siansa anglisy: “Tsy manita-dresaka izay milaza fa fahagagana ilay izy.” Nisy aza nihevitra fa nanao mazia i Daguerre.

Tsy ny rehetra anefa no nankasitraka ilay zava-baovao. Nandrara ny fakana sary ny mpanjakan’i Naples tamin’ny 1856, angamba satria noheverina fa nifandray tamin’ny “famosaviana” ilay izy. Nilaza toy izao ilay mpanao sary hoso-doko frantsay atao hoe Paul Delaroche, rehefa nahita sary nalaina tamin’ny fakan-tsary noforonin’i Daguerre: “Vita hatreo ny amin’ny sary hoso-doko!” Maro koa ny mpanao sary hoso-doko nanahy be sao ho very asa, noho io zava-baovao io. Nanambara ny mpilaza vaovao iray fa izao no natahoran’ny sasany: “Mampiseho ny tena izy ny sary, ka mety hahatonga ny olona tsy hiezaka haka sary an-tsaina ny hakanton’ny zavatra iray intsony.” Nokianina koa ny sary, satria nampiharihary ny tena izy, ka nandiso fanantenana tanteraka an’ireo olona nihevi-tena ho tsara tarehy sy tanora.

Niady izay ho voalohany i Daguerre sy Talbot

Taitra ilay mpahay fizika anglisy atao hoe William Talbot, rehefa nandre momba an’ilay zava-baovao noforonin’i Daguerre. Noheveriny mantsy fa izy no nahita voalohany ny fomba fakana sary. Taratasy nohosorana volafotsy sy klôro no nataony tao anaty boaty fakana sary. Rehefa nisy sary nipetaka teo amin’ilay taratasy, dia nohosorany karazana savoka ilay izy, mba ho tantera-pahazavana. Nametrahany taratasy hafa efa voahosotra volafotsy sy klôro indray teo ambonin’iny, ary nataony teny amin’ny masoandro, ka voadika teo amin’ilay taratasy faharoa ilay sary.

Azo nantenaina hivoatra kokoa ny fakan-tsarin’i Talbot, na dia tsy nalaza sy tsy tsara noho ilay an’i Daguerre aza. Azo nadika imbetsaka ny sary nalaina tamin’izy io, ary mora vidy sy mora nampiasaina kokoa ny taratasy nandikana azy, fa tsy toy ilay takelaka varahina mora simba nampiasain’i Daguerre. Nalaina tahaka avy tamin’io fakan-tsarin’i Talbot io ny fakan-tsary ankehitriny. Tsy nivoatra intsony kosa ilay an’i Daguerre, na dia nalaza aza tamin’ny voalohany.

Tsy i Niépce sy Daguerre ary Talbot ihany anefa no nihambo ho nahita voalohany ny fomba fakana sary. Taorian’ilay filazana nataon’i Daguerre tamin’ny 1839, dia nisy lehilahy 24, fara fahakeliny, avy any amin’ny vazan-tany efatra, nilaza fa namorona ny fakan-tsary.

Fiovana lehibe vokatry ny fakan-tsary

Hitan’i Jacob Riis, mpitondra fanavaozana teo amin’ny fiaraha-monina, fa ny fakana sary no fomba tsara indrindra hampisehoana amin’ny vahoaka ny fahantrana sy ny fijaliana. Tamin’ny 1880, dia naka sary an’ireo tanàna nahantra tany New York izy, rehefa alina. Vovoka manezioma no nodorany tamin’ny lapoaly ka nitselatra, ary nahazoany ny hazavana nilainy hakana sary. Nampidi-doza izany, satria indroa no nirehitra ny trano fiasany, ary main’ny afo ny akanjony indray mandeha. Na izany aza, dia voalaza fa ny sary nalainy no anisan’ny nahatonga an’i Theodore Roosevelt hitondra fanavaozana maromaro teo amin’ny fiaraha-monina, rehefa lasa prezidàn’i Etazonia izy. Naka sary toerana kanto maromaro tao Yellowstone koa i William Jackson. Resy lahatra tamin’izany ny Antenimieram-pirenena Amerikanina, ka nataony valan-javaboary i Yellowstone tamin’ny 1872. Io no valan-javaboary voalohany nisy eran-tany.

Afaka naka sary ny olon-drehetra

Maro no te haka sary fa tsy afaka, satria mbola lafo sy sarotra ny naka sary tamin’ny faramparan’ireo taona 1880. Lasa afaka naka sary anefa ny olona rehetra, rehefa namorona ny Kodak i George Eastman tamin’ny 1888. Fakan-tsary entin-tanana sady mora ampiasaina izy io, ary misy horonana pelikiolina ao anatiny.

Rehefa feno sary ilay pelikiolina, dia naterina tany amin’ny orinasa mpanasa sary ilay fakan-tsary manontolo. Nosasana ny sary, izany hoe nadika tamin’ny taratasy. Nasiana pelikiolina vaovao indray ilay fakan-tsary avy eo, ary naverina tamin’ilay tompony, niaraka tamin’ireo sary efa vita. Tamin’ny vidiny mirary no nanaovana izany. Tena marina ilay teny filamatry ny Kodak tamin’izany, hoe: “Piho fotsiny ny sary, dia ataonay ny ambiny.”

Afaka naka sary amin’izay àry ny olona rehetra. Sary an’arivony tapitrisa izao no alaina isan-taona, ka hita fa tsy lefy mihitsy ny fitiavana maka sary. Efa misy koa izao ny fakan-tsary numérique, ka vao mainka tia maka sary ny olona. Tsy pelikiolina no ilaina amin’izy io, fa karazana diska kely afaka mitahiry sary an-jatony. Ordinatera sy fanaovana pirinty fotsiny no ilainao mba hanasana ny sary alaina amin’izy io, ary afaka mahazo sary tena tsara ianao. Nivoatra be tokoa ny fakana sary.

[Sary, pejy 20]

Sarin’i Paris, azo avy tamin’ilay fomba fakana sary noforonin’i Daguerre (1845 tany ho any)

[Sary, pejy 20]

Ny sary nalaina voalohany indrindra angamba (1826 tany ho any)

[Sary, pejy 20]

Ilay boaty fakana sary nampiasain’ny mpanao sary hoso-doko

[Sary, pejy 21]

Niépce

[Sary, pejy 23]

Sarin’i Louis Daguerre sy ny fakan-tsariny (1844)

[Sary, pejy 23]

Trano fiasan’i Talbot sy ny fakan-tsariny (1845 tany ho any)

[Sary, pejy 23]

Sarin’i George Eastman tamin’ny 1890, mihazona fakan-tsary Kodak No. 2, sy ilay fakan-tsariny No. 1 misy fitoerana pelikiolina

[Sary, pejy 23]

Sary nalain’i W. Jackson tany amin’ilay toerana lasa Valan-javaboarin’i Yellowstone (1871)

[Sary, pejy 23]

Fakan-tsary “numérique”

[Sary nahazoan-dalana, pejy 20]

Sarin’i Paris: Photo by Bernard Hoffman/Time Life Pictures/Getty Images; sarin’i Niépce: Photo by Joseph Niepce/Getty Images; boaty fakana sary: Culver Pictures

[Sary nahazoan-dalana, pejy 22]

Pejy 23: Trano fiasan’i Talbot: Photo by William Henry Fox Talbot & Nicholaas Henneman/Getty Images; fakan-tsarin’i Talbot: Photo by Spencer Arnold/Getty Images; sary Kodak sy fakan-tsary Kodak ary fakan-tsarin’i Daguerre: Courtesy George Eastman House; Yellowstone: Library of Congress, Prints & Photographs Division, LC-USZ62-52482