Lasoà—“Ilay Lamba Tsara Indrindra”
Lasoà—“Ilay Lamba Tsara Indrindra”
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY JAPON
MISY zavatra iombonan’ny sasany amin’ny karazan’akanjo tsara indrindra eran-tany, toy ny kimono fanaon’ny Japoney sy ny sari fisaloran’ny Karàna, ary ny hanbok fitondran’ny Koreanina. Matetika izy ireny no vita amin’ilay lamba landy manify sy mangirana antsoina hoe lasoà. Misy milaza fa io no lamba tsara indrindra. Tsy misy tsy voasariky ny hakantony ny olona eran-tany, na ny mpanjaka fahiny izany, na ny olon-tsotra amin’izao andro izao. Tsy niely patrana toy ny ankehitriny anefa izy io taloha.
Tany Chine ihany no nisy fanamboarana lasoà tamin’izany, ary tsy nisy firenen-kafa nahay nanamboatra azy io. Notazonina ho tsiambaratelo ny fomba fanamboarana azy io avy amin’ny bibindandy, ka raha nisy olona tao Chine tratra nilaza izany tamin’ny hafa, dia nety ho voaheloka ho faty izy satria mpamadika. Tsy mahagaga raha lafo be ny lasoà tamin’izany, satria firenena iray monja no namokatra azy. Sarobidy toy ny volamena izy io, nanerana ny fanjakana romanina.
Ny fanjakana persa (Iran ankehitriny) ihany no afaka nividy sy nivarotra lasoà avy tany Chine, tatỳ aoriana. Mbola lafo anefa ny vidin’izy io, ary tsy nisy fomba nahazoana azy raha tsy tamin’ny mpivarotra avy any Persa. Nanao tetika àry i Justinien, mpanjakan’i Byzance (Istanbul ankehitriny). Naniraka moanina roa izy mba hiditra an-tsokosoko tany Chine, tamin’ny taona 550 tany ho any. Niverina izy ireo rehefa afaka roa taona. Inona no nafeniny tao anatin’ny tehiny volotsangana? Ilay zava-tsarobidy nandrasana hatry ny ela, dia ny atodina bibindandy. Nivoaka ilay tsiambaratelo, ka tsy firenena tokana intsony no namokatra lasoà.
Avy amin’ny inona ny lasoà?
Avy amin’ny bibindandy no anamboarana ny lasoà. Misy karazana bibindandy an-jatony, fa ilay atao hoe Bombyx mori no ahazoana ny lasoà tsara indrindra. Ompiana mihitsy ny bibindandy, satria raha tsy be dia be tsy mahavita lamba. Fianakaviana 2 000 eo ho eo no mbola manao io asa mafy io eto Japon. Anisan’izy ireo ny fianakavian’i Shoichi Kawaharada, izay mipetraka any Gunma. Tena mety tsara amin’ilay fiompiana ny tranon’izy ireo, izay misy rihana iray. Eny amin’ny havoana no misy azy io, ary tsy lavitra ny sahana voaroy (1).
Mahatratra 500 ny isan’ny atodin’ny samoina iray, ary mitovy habe amin’ny
loha paingotra ny tsirairay aminy (2). Foy ireo atody ireo rehefa afaka 20 andro eo ho eo, ary lasa bibindandy kely izay misakafo tsy an-kijanona na andro na alina. Ravina voaroy ihany no haniny (3, 4). Ao anatin’ny 18 andro monja, dia mitombo avo 70 heny ny habeny ary inefatra miofo ny hodiny.Tokotokony ho 120 000 ny bibindandy ompian-dry Kawaharada. Toy ny feon’ny oram-be mipatrapatraka eny ambony ravinkazo ny feon’izy ireo mitsakotsako. Rehefa lehibe ny bibindandy, dia avo 10 000 heny noho ny tamin’izy vao foy ny habeny! Vonona hanamboatra akoran-dandy izy amin’izay fotoana izay.
Mpanao kofehy tsy andrenesam-peo
Lasa mangarangarana ny vatan’ny bibindandy rehefa matoy izy. Izany no ahafantarana fa efa hanomboka hanamboatra kofehy amin’izay izy. Rehefa mipelipelika be izy sady manomboka mitady toerana hanamboarana akoran-dandy, dia efa azo apetraka ao anaty vata manokana iray misy efitrefitra kely be dia be. Ao izy no mamoaka ilay kofehy fotsy manify (5), ary fonosiny amin’iny ny tenany.
Amin’io fotoana io ry Kawaharada no tena be atao, satria saika miara-manomboka manamboatra kofehy daholo ireo bibindandy 120 000. Misy karazana vata maro be mitandahatra ao amin’ny efitra iray mifanolotra amin’ny tafon-tranon-dry zareo, ary ao no asiana ireo bibindandy. Azon-drivotra tsara sy mangatsiatsiaka io toerana io (6).
Misy fiovana mahatalanjona mitranga ao anatin’ilay bibindandy mandritra izany fotoana izany. Rehefa levona ny ravina voaroy nohaniny, dia miova ho proteinina. Lasa lavalava kely ireo proteinina ireo, ary mifono zavatra madity. Mipetaka tsiroaroa izy ireo avy eo, ary mivoaka avy amin’ny vavan’ilay bibindandy. Mihamafy izy io rehefa azon-drivotra etỳ ivelany, ary lasa kofehy. Mampiasa ny
lohany ilay bibindandy avy eo, mba hanodinana an’ilay kofehy manodidina ny vatany. Io no lasa akoran-dandy.Raha vao manomboka manao kofehy ny bibindandy, dia mila tsy hijanona mihitsy. Mahatratra 30 na 40 santimetatra isa-minitra ny halavan’ny kofehy vitany. Ny lohany amin’izany tsy mitsahatra ny mihodinkodina mihitsy. Misy boky milaza fa ahodinkodin’ilay bibindandy in-150 000 eo ho eo ny lohany, mandra-pahavitan’ilay akoran-dandy. Mahavita kofehy iray mahatratra 1 500 metatra izy, ao anatin’ny roa andro sy roa alina. Raha tsorina, dia azo ahodina indimy eo ho eo manodidina ny kianja filalaovam-baolina ilay kofehy!
Mahazo akoran-dandy 120 000 Atoa Kawaharada, ao anatin’ny herinandro monja. Alefa sambo any an-toeran-kafa izany avy eo, mba hanamboarana lamba. Akoran-dandy 9 000 eo ho eo no ilaina raha hanamboatra kimono iray, 140 eo ho eo raha kravaty iray, ary mety hihoatra ny 100 raha fehitenda iray.
Fanamboarana lamba lasoà
Antsoina hoe antsody ny famolesana na famahana ny akoran-dandy, mba hahazoana kofehy. Ahoana no niandohan’izany? Maro ny angano mahakasika izany. Nisotro dite, hono, ny mpanjakavavy sinoa Hsi Ling-Shi indray mandeha. Iny fa hitany nilatsaka tao anatin’ny kaopiny ny akoran-dandy iray avy teny amin’ny hazom-boaroy. Tsikariny fa nisy kofehy manify kely nanaraka an’ilay akoran-dandy, rehefa nesoriny avy tao ilay izy. Tamin’izay, hono, no nanomboka ny antsody. Efa masinina kosa no manao io asa io amin’izao andro izao.
Alohan’ny hivarotana ny akoran-dandy, dia tsy maintsy vonoina ny soherina ao anatiny, dieny mbola tsy lasa samoina izy ka mivoaka avy ao. Hafanana no amonoana azy. Esorina ireo akoran-dandy simba, ary izay tsara no ampiasaina. Atao ao anaty rano mafana na etona aloha ireo akoran-dandy, mba hisaratsaraka ilay kofehy. Misy borosy manokana ampandalovina eo amin’ilay akoran-dandy, mba hahitana ny lohan’ilay kofehy (7). Azo atambatra ny kofehy avy amin’ny akoran-dandy roa na mihoatra, raha tiana hatevina ilay izy. Ahodina eo amin’ny fitaovana iray io kofehy io avy eo, ary avela ho maina. Ahodina amin’ny fitaovana iray hafa indray ilay izy aorian’izay, arakaraka izay tiana ho halavany sy lanjany (8, 9).
Asa ianao raha efa nitsapa lasoà, fa malama sy malefaka erỳ ilay izy, ka tianao hakasoka amin’ny takolakao. Inona no anton’izany? Eo aloha ny fanesorana ilay zavatra madity amin’ilay kofehy. Marokoroko sady sarotra lokoana izy io raha tsy izany. Misy anefa karazana lasoà tena marokoroko mihitsy, satria mbola misy zavatra madity tavela eo amin’ilay kofehy.
Ankoatra izany, dia arakaraka ny fomba anolanana an’ilay kofehy no mahatonga azy halefaka na tsia. Malefaka sy malamalama tsara, ohatra, ny lamba japoney atao hoe habutai, satria atao goragora ny fanolanana ny kofehy anaovana azy, na tsy aolana mihitsy. Miforiporitra kosa ny lamba crêpe, satria aolana be ny kofehy anamboarana azy.
Zava-dehibe koa ny fandokoana ny lasoà. Mora lokoana izy io. Noho ilay karazana proteinina ao anatiny, dia miraikitra tsara aminy ny loko, ka tsy mora matsatso na miofo. Tsy mifidy loko toy ny karazan-damba sasany ny lasoà, fa saika ny loko rehetra no mandaitra tsara aminy. Azo atao ny mandoko ny kofehy alohan’ny hanenomana ny lamba (10), na rehefa vita ny lamba vao lokoana. Asian’ny Japoney sarisary tsara tarehy, lokoany amin’ny tanana, ny lamba lasoà rehefa voatenona. Yuzen no iantsoana an’io asa tanana malaza io.
Marina aloha fa i Chine sy Inde izao no anisan’ny tena mpamokatra lasoà. Ny mpamorona lamaody any France sy Italia ihany anefa no mbola tena havanana amin’ny fanamboarana akanjo amin’izy io. Ary na dia betsaka sy mora aza ankehitriny ny lamba vita amin’ny akora tsy voajanahary toy ny nylon, dia mbola tsy manan-tsahala foana ny lasoà. Hoy ny mpiandraikitra ny Tranombakoka Momba ny Lasoà, any Yokohama, any Japon: “Na dia mandroso be aza ny siansa ankehitriny, dia tsy mahavita manamboatra lasoà” ny olombelona. ‘Fantatsika tsara ny tsipiriany rehetra momba azy io, nefa tsy haintsika ny maka tahaka izany. Izay no antsoiko hoe tsiambaratelon’ny lasoà.’
[Efajoro/Sary, pejy 26]
NY MAMPIAVAKA NY Lasoà
Mafy: Mitovy amin’ny hamafin’ny vy ny hamafin’ny lasoà raha ampitovina ny habeny.
Mangirana: Mamirapiratra mahafinaritra toy ny perla ny lasoà, satria mandefa tara-pahazavana ireo proteinina ao anatiny.
Mety tsara amin’ny hoditra: Misy vokany tsara amin’ny hoditra ny lasoà. Misy milaza fa miaro amin’ny aretin-koditra sasany izy io. Misy makiazy vita amin’ny vovoka lasoà.
Mitroka hamandoana: Mitroka hatsembohana sy mamoaka izany etỳ ivelany ny lasoà. Noho izany, dia tsy lenan’ny hatsembohana ianao fa mahazo aina tsara, raha manao akanjo lasoà amin’ny andro mafana.
Mahatanty hafanana: Tsy mora mirehitra ny lasoà, ary tsy mamoaka gazy misy poizina raha sendra may.
Miaro: Mandray ny taratra manimba avy amin’ny masoandro ny lasoà, ka miaro ny hoditra.
Tsy mandray volombolon-javatra: Tsy miraikitra aminy ny zavatra maivana toy ny volo.
FIKARAKARANA Lasoà
Fanasana: Savony tsy mahery loatra sy rano matimaty anasana azy. Aza fiazana ilay lamba, alohan’ny hanahazana azy.
Fipasohana: Ataovy mahamay tsara ny fera. Asio lamba eo ambonin’ilay lasoà, ary pasohy manaraka ny vahan-damba. Raha fera misy etona no ampiasainao, dia asio etona kely fotsiny, na aza asiana mihitsy.
Fanesorana tasy: Raha sendra misy tasy ilay lamba lasoà ka mila diovina haingana, dia apetraho eo ambony lamba maina, ka ny lafy tsarany no mipetaka amin’ilay lamba. Makà lamba mando ary kapokapohy amin’iny ilay faritra misy tasy, fa aza kosehina. Azo sasana ilay izy avy eo.
Fitahirizana: Aza atao amin’ny toerana mandomando na misy hazavana, na misy bibikely toy ny koroka. Apetraho eo amin’ny toerana fisaka, ary ataovy kely araka izay azo atao ny fivalonany.
[Sary, pejy 25]
Akoran-dandy
[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]
Sary 7-9: Matsuida Machi, Annaka City, Gunma Prefecture, Japan; 10 sy ilay sary nohalehibiazina: Kiryu City, Gunma Prefecture, Japan