Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Ny antsasany mahery amin’ny ankizy brezilianina no efa simba nify, raha vao telo taona. Ity no antony iray mahatonga izany: Misotro zavatra mamy be amin’ny biberao izy ireny matetika amin’ny alina, nefa tsy voadio tsara ny nifiny avy eo.—FOLHA ONLINE, BREZILA.

Atao sezarienina ny ampahefatry ny vehivavy atỳ Etazonia ankehitriny, rehefa miteraka. Avo dimy heny noho tamin’ny 1980 no miteraka amin’izany fomba izany eto New York. Ny antony iray, dia satria mora amin’izay ny mifidy ny fotoana hiterahana. Mety hiteraka loza “lehibe” anefa ny fandidiana tsy dia ilaina toy izany.—THE NEW YORK TIMES, ETAZONIA.

Nitombo 4 degre teo ho teo tamin’ny antsalany ny hafanana teto Mexico, tato anatin’ny 100 taona, nefa 0,6 degre izany eran-tany. Ny fandripahana ala sy ny fanitarana ny tanàn-dehibe no lazain’ny manam-pahaizana fa mahatonga izany.—EL UNIVERSAL, MEXICO.

Efa miara-mipetraka ny antsasany mahery amin’ireo olona misora-panambadiana atỳ Etazonia. Izy ireny no atahorana kokoa hisaraka noho ireo tsy nanao tokantranomaso talohan’ny mariaziny.—PSYCHOLOGY TODAY, ETAZONIA.

Ireo Fahazarana Mahasorena Indrindra any Am-piasana

Milaza toy izao ny Washington Post: ‘Anisan’ny zavatra mahasorena indrindra fanaon’ny mpiara-miasa ny miteny mafy be rehefa mitelefaonina sy mitaraina foana momba ny asa.’ Mahasosotra koa ny mahita ‘mpiara-miasa mitsitokotoko, tonga tara, miteny irery, miresaka amin’ny namany miasa ao ambadika, voretra, na mitsamontsamona rehefa misakafo.’ Mampihena ny asa vita koa ny fahazaran-dratsy toy ireny. Niaiky anefa ny ankamaroan’ireo nanontaniana, fa mbola tsy nilaza ny zavatra mahasorena azy tamin’ny mpiara-miasa aminy mihitsy izy ireo. “Marina ny azy”, hoy ilay gazety, “satria izy ireo koa aza mba manao.”

Mihamaro ny Mponina An-tanàn-dehibe

Hoy ny CBC News: “Hipetraka any an-tanàn-dehibe ny antsasaky ny mponina eran-tany, ato anatin’ny roa taona.” Araka ny tatitra nataon’ny Firenena Mikambana, dia i Etazonia no manana ny salanisa ambony indrindra, satria efa ho olona 9 amin’ny 10 ny azy no monina any an-tanàn-dehibe. I New York sy Tokyo no hany tanàn-dehibe nisy mponina folo tapitrisa na mihoatra, vao 55 taona lasa izay. Lasa 20 anefa izao ny tanàn-dehibe misy mponina 10 tapitrisa mahery, anisan’izany i Jakarta, Mexico, Mumbai, ary São Paulo. Hoy i Kofi Annan, sekretera jeneralin’ny ONU: “Hitaky ezaka lehibe eo amin’ny fanatsarana ny toe-karena sy ny fiainam-bahoaka izany fitomboana haingana izany, any amin’ny ankamaroan’ny firenena.”

Tsy Manaiky Hanao Raharaha Miaramila

Milaza ny Komitim-pirenena Momba ny Zon’olombelona any amin’ny Repoblikan’i Korea, fa tokony hohajaina ny zon’ny olona tsy manaiky hanao raharaha miaramila. Nanoro hevitra io komity io fa tokony hasiana fanompoana sivily ho an’ny olona toy izany. “Nifanipaka” tamin’ny fanapahan-kevitra nataon’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana vao haingana io soso-kevitra io, hoy ny The Korea Times. Lalàna momba ny tsy maintsy hanaovana raharaha miaramila no votoatin’ilay fanapahan-kevitra. Nilaza ny Fitsarana Tampony fa ny mpanao lalàna, fa tsy ny fitsarana, no tokony hamoaka lalàna momba io zo io. Tovolahy Vavolombelon’i Jehovah 500 ka hatramin’ny 700 isan-taona no migadra any amin’ny Repoblikan’i Korea, noho izy ireo tsy manaiky hanao raharaha miaramila. Vavolombelona 10 000 eo ho eo no efa nigadra noho io antony io.