Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zava-dehibe ny Fanarahana Fampitandremana

Zava-dehibe ny Fanarahana Fampitandremana

Zava-dehibe ny Fanarahana Fampitandremana

ALAROBIA 24 Aogositra 2005 tamin’izay. Vanim-potoana mafana sy mando izany, any Nouvelle-Orléans, Etazonia. Niainga avy tao an-tranony i Alan sy ny fianakaviany, mba ho any Beaumont, any Texas, 300 kilaometatra mahery miankandrefana. Nikasa hijanona dimy andro tany ry zareo, ka nitondra akanjo hisoloana. Hoy i Alan: “Tsy fantatray tamin’io fa efa niforona tany atsinanan’i Floride ny Rivo-doza Katrina. Ny zoma alina vao fantatray fa hisy rivo-doza tena mahery hamely an’i Nouvelle-Orléans.”

Fantatra ny alahady 28 Aogositra, fa faran’izay hampidi-doza i Katrina. Nanome baiko ny ben’ny tanànan’i Nouvelle-Orléans fa tsy maintsy mandao ny tanàna ny rehetra. Fiarakodia an’arivony àry no nitanjozotra moramora nianavaratra sy niankandrefana, ka nitohana ny fifamoivoizana. Ny olona an’arivony tsy nanana fiarakodia kosa nankany amin’ny kianja mitafo lehibe iray antsoina hoe Superdome, na nitady toeram-pialofana hafa. Nisy koa anefa nifidy ny hijanona tao an-trano.

‘Izaho no hiainga voalohany amin’ny manaraka, rehefa mila mandao ny tanàna!’

Anisan’ny nijanona tao an-trano i Joe, izay Vavolombelon’i Jehovah. Nino izy fa tsy hampaninona ny miandry ao, mandra-pahalasan’ilay rivo-doza. Nihevitra mantsy izy hoe tsy araka ny filazana mialoha nataon’ny manam-pahefana akory ny fahavoazana nateraky ny rivo-doza teo aloha. Hoy izy: “Nieritreritra aho fa ho tafavoaka velona. Tsy ela anefa dia nihakely ny finoako! Nifofofofo be ny rivotra ary nivatravatra ny orana. Vetivety teo dia nofaohiny ny tafontranoko. Niakatra haingana be ny rano avy eo, ka nampahatahotra. Nisondrotra telo metatra tao anatin’ny adin’ny telo! Tsy maintsy niakatra tao ambony rihana aho. Natahotra be aho satria nahozongozon’ny rivotra ny rindrina ka nila hirodana. Nianjera ny valindrihana. Nanomboka nitady izay fomba hivoahana aho.”

“ ‘Angamba aho tsy maintsy hitsambikina ao anatin’io rano misasasasa be io’, hoy aho an’eritreritra. Nahery be anefa ny onja. Nandroatra mihitsy ny rano teny amin’ny arabe noho ny rivotra nitsoka mafy. Fantatro fa mety ho rendrika aho, raha nitsambikina tao.”

Nisy lakana nanavotra an’i Joe tamin’ny farany, ary nametraka azy teo amin’ny tetezana iray. Nisy fatin’olona nitsinkafona teo ambanin’ilay tetezana, ary feno diky teny rehetra teny. Natory indray alina teo ambonin’ny aotomobilina iray i Joe. Nalain’ny helikoptera izy, ary avy eo nentin’ny bisy tany amin’ny toerana iray ho an’ny tra-boina. “Nikarakara tsara ahy ny olona tao”, hoy izy. “Toy ny olona very saina aho tamin’ny voalohany. Nieritreritra foana aho hoe: ‘Aiza no hahitako rano madio hosotroina?’ ”

Rehefa nandinika iny zava-nitranga iny i Joe, dia tsapany fa azo nosorohina ny nanjo azy. “Tena fay aho”, hoy izy. ‘Izaho no hiainga voalohany amin’ny manaraka, rehefa [milaza ny manam-pahefana fa] mila mandao ny tanàna.’

Tsy niraharaha, nefa nianika hazo nony farany

Be dia be ny zavatra simba sy ny aina nafoy tany Biloxi sy Gulfport, any amin’ny morontsirak’i Mississippi. Nilaza toy izao tao amin’ny Gazetin’i New York 31 Aogositra 2005, i Vincent Creel, tompon’andraikitra momba ny raharaham-bahoaka ao Biloxi: “Maro ny olona tsy niraharaha an’ilay baiko hoe mila mandao ny tanàna. Tsy nahafaty azy na tsy naharava ny tranony mantsy ny Rivo-doza Camille [tamin’ny 1969].” Marina fa tsy nahery noho i Camille angamba i Katrina, kanefa nilaza i Creel fa ‘nitondra rano be tsy hay sakanana, toy ny tsunami izy io.’

Anisan’ny olona tsy niraharaha fampitandremana koa i Inell, mponin’i Biloxi hatry ny ela. Hoy izy: “Efa nisy rivo-doza maro nandalo teto aminay, nefa tafavoaka velona foana izahay. Tsy niraharaha firy àry aho, rehefa handalo i Katrina.” Nantsoin’i Inell hankao aminy ny zanany mianadahy sy ny vinantony lahy ary ny rafozambaviny izay 88 taona. Nanapa-kevitra izy ireo fa tsy hiala tao an-tranony, izay mafy rahateo. Nisy alika roa sy saka telo koa niaraka tamin’izy ireo. Namely an’i Biloxi ilay rivo-doza tamin’ny folo maraina tany ho any, ny 29 Aogositra. Hoy i Inell: “Tadidiko fa niditra avy tao ambadiky ny trano ny rano, tao amin’ny iray amin’ireo efitra fandriana. Avy eo dia nanomboka nidiran’ny rano avokoa ny hirika rehetra. Niakatra tany amin’ny efitra farany ambony izahay mba tsy hiharan-doza. Nisondrotra foana anefa ny rano, ka tsy maintsy niala tao izahay satria natahotra sao ho tavela tao. Ho aiza anefa?”

“Norovitin’ilay zanako lahy ny lay tamin’ny varavarankely ary nilomano nivoaka teo izahay. Nihazona ny sisin’ny tafontrano izahay mba tsy hilentika. Nankany amin’ny ilany havanan’ny trano ny telo taminay, ary ilay zanako vavy tany amin’ny ilany havia. Nahita hazo be naniry teo akaiky teo aho, ka nilomano nankeo izaho sy ilay zanako lahy, ary ny rafozambaviko. Nianika teo izahay. Nandre ny zanako vavy nihiakiaka aho avy eo. ‘Mama a! Mama a!’ hoy izy. Nilomano namonjy azy ilay vinantolahiko, izay nivoaka farany avy tao an-trano. Nisy lakana tsy lavitra teo, ary nankao izy roa. Niantso ahy ho ao amin’ilay lakana ry zareo, nefa tsy sahy aho satria nahery be ny riaka. Naleoko ihany namikitra teo amin’ilay hazo satria teo no azoko antoka kokoa.”

“Nahita ny rano nikoriana teo an’arabe sy nanodidina ny trano aho, avy teny ambony hazo. Nanomboka nandinika izay nahazo ahy aho, ary nahatsapa fa hadalako ny tsy nankatò ilay fampitandremana hoe mila mandao ny tanàna.”

“Nanomboka nidina ny rano rehefa afaka elaela, ary tafaraka tao amin’ilay lakana ihany izahay mianakavy! Tonga avy eo ny fiara mpamonjy hain-trano ary nitondra anay tany amin’ny hopitaly. Tena faly izahay fa tsy maty fo aman’aina!”

Efa niomana mialoha ny Vavolombelon’i Jehovah

Niharam-pahavoazana noho ny fandalovan’i Katrina ny toerana rehetra manamorona ny Hoalan’i Meksika. An’arivony ny trano potika tany Louisiane ka hatrany Alabama any atsinanana. Efa mahazatra ny olona any amin’ireo tanàna any Etazonia ireo anefa ny rivo-doza. Noho izany, dia efa nataon’ireo Vavolombelon’i Jehovah maty paika hatramin’ny taona maro, ny fomba hialany avy ao an-tanàna, raha misy loza. Dinihina isan-taona io fandaharana io any amin’ireo fiangonana miisa 21 any Nouvelle-Orléans sy ny manodidina. Ny volana Jona matetika no andinihana ilay izy, mialoha ny fotoanan’ny rivo-doza. Efa fantatry ny ankamaroan’ny Vavolombelona àry izay tokony hataony rehefa misy loza. Nahomby ve io fandaharana io tamin’ny fandalovan’i Katrina?

Raha vantany vao nilaza ny manam-pahefana fa tokony hialana ny tanàna, dia nantsoin’ireo anti-panahy ny rahalahy sy anabavy tao amin’ny fiangonana nisy azy, ary nampirisihiny handao ny tanàna. Maro no niara-niainga tamin’ny havany na ny namany. Nikarakarana fitaterana sy fanampiana manokana ny zokiolona sy ny osa. Hoy i John, izay anisan’ny komitin’ny vonjy rano vaky: “Tena mino aho fa namonjy ain’olona maro izahay, noho ny fanarahana an’iny fandaharana iny.” Afaka nandao ny tanàna àry ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah, talohan’ilay rivo-doza. Nanangana komitin’ny vonjy rano vaky ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Etazonia, mba hanampiana avy hatrany an’ireo tra-boina.

Fitadiavana ireo Vavolombelona tao amin’ny Astrodome

Niisa 16 000 teo ho eo ny tra-boina tao amin’ny kianja mitafo Astrodome, any Houston, Texas. Avy any Louisiane ny ankamaroan’izy ireo, ary nomena sakafo sy rano. Ren’ny komitin’ny vonjy rano vaky tany Houston fa nisy Vavolombelon’i Jehovah tamin’ireo olona maro be ireo. Ahoana anefa no hahitana azy ireo?

Tonga vao maraina tao amin’ny Astrodome ny anti-panahy maromaro, ny zoma 2 Septambra, mba hitady ny rahalahiny tra-boina. Talanjona izy ireo nahita olona an’arivony nanerana an’ilay kianja midadasika. Nisy lehilahy, vehivavy, zatovo, ankizy, ary zazakely teo. Feno fandriana ilay kianja ary maro be koa ny tra-boina niandry fanampiana. Lava be ny filaharana nankao amin’ny dokotera, ary nivezivezy nilanja marary nankao anaty fiara mpitondra marary ny mpiasan’ny hopitaly.

Nilaza toy izao i Samuel, izay anisan’ny anti-panahy nitady ireo Vavolombelona namany: “Toy ny hoe tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana no nisy ahy.” Ahoana anefa no nahitan’ireo anti-panahy an’ireo Vavolombelona vitsivitsy, tao anatin’izany vahoaka be izany? Nanao soratra lehibe tamin’ny takelaka izy ireo mba hanasana ny Vavolombelona hanatona azy. Nilanja izany ireo anti-panahy ary nivezivezy teny amin’ny lalantsaran’ilay kianja. Adiny telo izy ireo teny ihany, nefa tsy nisy Vavolombelona nanatona. Nitady hevitra tsara kokoa àry izy ireo. Niangaviany ny Vokovoko Mena, mba handefa izao antso izao tamin’ny fanamafisam-peo: “Iangaviana ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra vita batisa, mba hankerỳ amin’ny lalana miakatra, erỳ atsinanana erỳ.”

Nanatona tsikelikely teny ireo Vavolombelona tamin’ny farany, sady nitsikitsiky be. Hoy i Samuel: “Latsa-dranomaso izy ireo noho ny hafaliany. Namihina mafy anay izy ireo, ary nihazona ny tananay. Tsy navotsony mihitsy ny tananay, satria natahotra ho very tany anaty vahoaka izy ireo.” Vavolombelona 24 no hita ny zoma sy asabotsy, ary nentina tany amin’ny foibe fanampiana tra-boina an’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Zara raha nanana entana ny ankamaroany, afa-tsy ny akanjo maloto teny an-kodiny. Boaty iray mitovy habe amin’ny baoritra kiraro no teny an-tanan’ny Vavolombelona iray. Ny taratasy sasany nilainy no tao anatin’izy io. Izany sisa no azony navotana tamin’ny fandalovan’ilay rivo-doza nanimba zavatra.

Maro tamin’ireo tra-boina tao amin’ny Astrodome no nahafantatra fa Vavolombelon’i Jehovah ireo anti-panahy nitsidika, ka nanatona izy ireo ary nangataka Baiboly sy boky. Nanafatra Baiboly 220 mahery izy ireo. Nizara gazety Mifohaza! momba ny hetraketraky ny natiora koa ireo Vavolombelona, ary tonga tamin’ny fotoana nilana azy tokoa izany.

Nody tany an-tranony ny sasany

Anisan’ny tafavoaka velona tamin’ilay rivo-doza ny mpanao gazety iray za-draharaha, izay tale jeneralin’ny televiziona iray any Nouvelle-Orléans. Noho izany asany izany, dia efa nahita loza maro izy tamin’ny lasa. Niverina tany an-tranony tany Jefferson, any Louisiane, izy, mba haka zavatra sasany. “Ankona aho”, hoy izy. “Potika tsy nisy noraisina ny zava-drehetra. Ny hitanay tamin’ny tele dia hoe vaky ny fefiloha ary nitosaka be ny rano. Nandrava zavatra maro koa anefa ny tafio-drivotra. Nirodana tanteraka ny tranoko. Tsy lazaina intsony ny bobongolo sy ny lo ary ny zavatra nasiso. Tena nahatsiravina ny fofona. Tsy laitra niainana mihitsy. Soa ihany aloha fa mbola velon’aina izahay.”

Nody tany an-tranony i Alan, ilay voaresaka tetsy am-piandohana, rehefa lasa ilay rivo-doza. Any Metairie, faritanàna andrefan’i Nouvelle-Orléans, no misy azy. Maro koa ny zavatra rava tany. Hoy i Alan: “Tena nahakivy ny nahita ilay izy, nampihoron-koditra. Toy ny nilatsahan’ny baomba ataomika ny tanàna. Marina fa efa renay tamin’ny radio sy hitanay tamin’ny tele ilay izy. Kanefa tena hafa tanteraka rehefa ny masonao no mahita mivantana ny fahavoazana sy ny zavatra simba eo an-tanànanao. Midadasika be ny faritra simba. Tsy mampino ilay izy.”

“Hoatran’ny fofona nofo lo, ohatra, no renao. Fofom-paty e! Toeram-piasana maro no rava tanteraka na safotry ny rano. Feno polisy sy miaramila isaky ny kihon-dalana, toy ny any amin’ny tany misy ady.”

Fanampiana tra-boina

Nanao izay hanampiana ireo tra-boina ny manam-pahefana isan-tanàna sy isam-paritany ary ny teo amin’ny firenena. Ny tena niandraikitra izany dia ny FEMA, fikambanana natsangan’ny fanjakana. Nisy fikambanana hafa koa nanampy ireo tra-boina an’arivony. Nitaona sakafo, akanjo, ary rano be dia be, tany amin’ny toerana nisy tondra-drano ny kamiao. Nanome seky sy fanampiana ara-bola hafa ny fikambanana FEMA, mba hiveloman’ireo tra-boina nandritra ny andro vitsivitsy na ireo herinandro taorian’ilay loza. Ary mba nanao ahoana ireo Vavolombelon’i Jehovah?

Nofantarina ny fahavoazana ary namboarina ny simba

Raha vantany vao namely ilay rivo-doza, dia nanomana solontena maromaro ny Vavolombelon’i Jehovah mba ho any amin’ny toerana samihafa tratran’ny loza, ka hijery hoe firy ny trano sy ny Efitrano Fanjakanan’izy ireo simba na rava. Ahoana no nahavitan’izy ireo izany asa be izany? Nanaiky ny hananganana komitin’ny vonjy rano vaky, ny Filan-kevi-pitantanan’izy ireo any Brooklyn, New York. Ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia no nomeny alalana hiandraikitra izany. Nasaina nanomboka ny asa fanarenana avy eo ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana, avy any amin’ny toerana maro manerana an’i Etazonia. * Nanao ahoana ny asa vitan’izy ireo?

Tamin’ny 17 Febroary 2006, dia nanao tatitra ny komity tany Long Beach, any Mississippi, fa trano 531 an’ny Vavolombelon’i Jehovah no efa nohavaozina tanteraka tamin’ireo 632 simba, ary 101 no mbola mila amboarina. Nanampy ny mpiray tanàna tsy mitovy finoana aminy koa ny Vavolombelona. Simba be ny tafon’ny Efitrano Fanjakana 17. Efa nametrahana tafo vaovao ny 16 tamin’ireo, tany amin’ny tapaky ny volana Febroary. Inona kosa no zava-bitan’ny komity tao Baton Rouge, any Louisiane?

Io komity io no mikarakara ny faritr’i Louisiane, izay voa mafy indrindra tamin’ny fandalovan’i Katrina. Nisy 2 700 ny tranon’ny Vavolombelona nila fanamboarana. Ny 1 119 tamin’ireo no voamboatra tamin’ny tapaky ny Febroary. Noho izany, dia mbola be dia be ny asa miandry an’io komity io. Tany koa dia nampiana ireo mpiray tanàna sy fianakaviana tena sahirana. Efitrano Fanjakana 50 no simba be. Tamin’ny Febroary, dia 25 tamin’ireo no voamboatra. Trano 871 no simban’ny Rivo-doza Rita tamin’ny Septambra, tany Houston, any Texas. Nila nanamboatra izany ny komity tany, ka trano 830 no voamboatran’izy ireo hatramin’ny 20 Febroary.

Lesona nomen’i Katrina

Nandray lesona ny olona an’arivony tany amin’ny toerana nandalovan’i Katrina. Nianaran’izy ireo fa zava-dehibe ny fanarahana fampitandremana. Azo inoana tokoa fa maro no hiray hevitra amin’i Joe, ilay nilaza hoe: ‘Izaho no hiainga voalohany amin’ny manaraka, rehefa [milaza ny manam-pahefana fa] mila mandao ny tanàna!’

Manohy manampy ireo tra-boina any amin’ny faritra manamorona ny Hoalan’i Meksika ny Vavolombelon’i Jehovah. (Galatianina 6:10) Tsy asa soa fotsiny anefa no ataon’izy ireo eran-tany. Ny asa lehibe indrindra ataony kosa, dia ny fampitandremana ny olona any amin’ny tany 235, fa hisy loza iray lehibe lavitra noho ny rivo-doza. Milaza ny Baiboly fa tsy ho ela Andriamanitra dia handringana ity tontolo ratsy ity, sy hanadio ny tany ary hanavao azy araka ny fikasany. Raha tianao ny hahafantatra izay ampianarin’ny Baiboly momba an’io fotoam-pitsarana io, dia manatòna ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny faritra misy anao, na manorata any amin’ny iray amin’ireo adiresy eo amin’ny pejy 5 amin’ity gazety ity.—Marka 13:10; 2 Timoty 3:1-5; Apokalypsy 14:6, 7; 16:14-16.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 32 Ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana dia Vavolombelon’i Jehovah maromaro manana traikefa betsaka momba ny fanorenana trano sy fanatsarana Efitrano Fanjakana. Mpiasa an-tsitrapo izy ireo. Misy komity 100 eo ho eo eran’i Etazonia, ary misy maro noho izany maneran-tany.

[Sary, pejy 14, 15]

Mason’ny Rivo-doza Katrina, nalaina sary tamin’ny satelita

[Sary nahazoan-dalana]

NOAA

[Sary, pejy 15]

Nouvelle-Orléans, safotry ny rano

[Sary nahazoan-dalana]

AP Photo/David J. Phillip

[Sary, pejy 15]

Nandrava trano sy nahafaty olona maro ny Rivo-doza Katrina

[Sary nahazoan-dalana]

AP Photo/Ben Sklar

[Sary, pejy 16, 17]

Nisy tra-boina 16 000 teo ho eo, tao amin’ny Astrodome, any Houston, Texas

[Sary, pejy 17]

Anti-panahy mitady ireo Vavolombelona tra-boina

[Sary, pejy 18]

Tena nankasitraka ny fanamboarana ny tranony ireo Vavolombelona

[Sary, pejy 18]

Mpiasa an-tsitrapo manamboatra tafo simba be

[Sary, pejy 18]

Nizara sakafo ireo mpiasa an-tsitrapo

[Sary, pejy 19]

Alan