Mihorohoro ny Ankizy
Raha sendra mankany amin’ny faritra avaratr’i Ouganda ianao amin’ny takariva, dia hahita ankizy tsy mikiraro an’arivony avy any ambanivohitra, mandeha eny amin’ny arabe. Miala ao an-tranony izy ireo dieny mbola tsy maizina ny andro, ary mandeha an-tongotra mankany amin’ny tanàn-dehibe toa an’i Gulu sy Kitgum ary Lira. Miparitaka izy ireo raha vao tonga any ka mamonjy fiandrasana bisy, tranobe, zaridainam-panjakana, na toerana malalaka. Vao miposaka anefa ny masoandro, dia indreny indray izy rehetra fa mamonjy fodiana. Inona no anton’izany zavatra hafakely izany?
MISY miantso azy ireo hoe mpiasa alina. Tsy handeha hiasa anefa izy ireo. Miala any an-tranony any ambanivohitra kosa izy amin’ny takariva, satria mampidi-doza any raha vao maizina ny andro.
Efa ho 20 taona izay, dia tsy mitsahatra manafika any ambanivohitra ny mpiady anaty akata, ary maka ankizy an-keriny. Mangalatra ankizilahy sy ankizivavy an-jatony izy ireo isan-taona, ary miafina any anaty ala mikitroka avy eo. Amin’ny alina no tena fanaovany izany. Ataony miaramila na mpitaona entana ny ankizilahy, ary ataony fanaovana firaisana ny ankizivavy. Raha tsy manaiky ilay ankizy, dia tapahin’ireo mpaka an-keriny ny orony na ny molony. Vonoiny ho faty izay tratra mandositra. Mahatsiravina loatra ny fomba anaovan’izy ireo izany, ka aleo tsy lazaina.
Misy ankizy hafa koa mijaly noho ny fampihorohoroana. Mbola zaza vao niana-nandeha ny maro amin’ireo tanora kilemaina any Sierra Leone, rehefa nisy lehilahy nikapa tamin’ny antsibe ny tanany sy ny tongony. Misy ankizilahy sy ankizivavy nipoahan’ny vanja koa tany Afghanistan, ka lasa poa-maso, ary tsy manana rantsantanana intsony. Miloko marevaka mantsy ireny vanja ireny, sady natao mitovy amin’ny lolo kilalao ny endriny, ka nolalaovin’izy ireo.
Hafa noho izany kosa no manjo ny ankizy sasany. Nisy mpampihorohoro nanapoaka baomba, ohatra, tany Oklahoma City, any Etazonia, tamin’ny 1995. Olona 168 no maty, ka ankizy ny 19 tamin’ireo, ary mbola zazakely ny sasany. Poatoizay dia tapitra ny ain’izy ireo, tsy misy hafa amin’ny labozia notsofin’ny rivo-mahery ka maty tampoka. Mba nanan-jo handia fahazazana, hilalao, hihomehy, ary hofihinin’ny ray aman-dreniny ireny ankizy ireny, nefa tsy nahazo izany noho ny hetraketraky ny mpampihorohoro.
Vao haingana daholo no nitrangan’ireo. Efa taonjato maro anefa no nampijaly ny olombelona ny fampihorohoroana, araka ny ho hitantsika.