Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hananana Tokantrano Sambatra?

Ahoana no Hananana Tokantrano Sambatra?

Ahoana no Hananana Tokantrano Sambatra?

“Ny lehilahy dia ... hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo.”—GENESISY 2:24.

NATAON’I Jehovah Andriamanitra Mpamorona antsika haharitra, ny fanambadian’ny lehilahy sy vehivavy. Hoy ny Genesisy 2:18, 22-24: “Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. Ary ny taolan-tehezana izay nalain’i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy. Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko ity; ity dia hatao hoe ‘vehivavy,’ satria lehilahy no nanalana azy. Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo.”

Marina fa tsy mora ny manana tokantrano sambatra sy maharitra, nefa tena azo atao izany. Maro ny olona efa nivady nandritra ny 50 na 60 taona, na mihoatra noho izany, nefa sambatra. Nahoana? Manao izay ‘hahazoana sitraka’ amin’ny vadiny izy ireo, ka miezaka hatrany mampaharitra ny tokantranony, ary tsy tia tena. (1 Korintianina 7:33, 34) Mitaky fotoana sy ezaka izany. Hanana tokantrano sambatra sy maharitra koa ianareo, raha vonona hanao izany.

Araho tsara ny toromarika

Tsy manorina trano avy hatrany ny mpanao trano mendri-pitokisana, fa mijery planina aloha. Toy izany koa fa tsy hanana tokantrano sambatra mihitsy isika, raha tsy mijery tsara ny toromarik’Andriamanitra momba izany. Hita ao amin’ny Baiboly ireo toromarika ireo. Hoy ny apostoly Paoly: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba ... hanitsiana izay diso.”—2 Timoty 3:16.

Afaka mianatra zavatra be dia be momba ny fanambadiana ny lehilahy sy ny vehivavy, raha mandinika ny fomba nitondran’i Jesosy ny mpianany. Nahoana? Ampitahaina amin’ny fifandraisan’ny mpivady, ny fifandraisan’i Jesosy amin’ireo hiara-manjaka aminy any an-danitra. (2 Korintianina 11:2) Tsy nivadika tamin’izy ireo mihitsy i Jesosy, na dia tao anatin’ny fotoana tena sarotra aza. “Tiany hatramin’ny farany ireo.” (Jaona 13:1) Mpitarika mangoraka i Jesosy, ka nitadidy foana fa malemy ihany ny mpanara-dia azy, ary voafetra ny zavatra vitan’izy ireo. Tsy nitaky zavatra mihoatra noho izay azon’izy ireo natao na nomena mihitsy izy.—Jaona 16:12.

Nandiso fanantenana azy indraindray ny namany akaiky indrindra, nefa mbola nalemy fanahy foana izy. Tsy nibedy azy ireo izy fa niezaka nanitsy azy kosa, ary nanetry tena sy tsara fanahy toa an’Andriamanitra, rehefa nanao izany. (Matio 11:28-30; Marka 14:34-38; Jaona 13:5-17) Hahita lesona mahasoa maro hanampy anao hanana tokantrano sambatra àry ianao, raha mandinika tsara ny fomba nitondran’i Jesosy ny mpianany sy izay nasetrin’izy ireo izany. Naneho fitiavana tamin’izy ireo izy, ka nanjary tian’izy ireo koa.—1 Petera 2:21.

Ataovy tsara ny fototra

Mety hisy rivo-doza hamely ny fototry ny trano. Toy izany koa fa tsy maintsy hisy fitsapana mety hanimba ny fifandraisanareo. Maharitra anefa ny tokantrano raha tsy mivadika amin’ny vadinao ianao satria tena tia azy. Izany no toetra ilaina raha tiana ho tsara fototra ny tokantrano. Nasongadin’i Jesosy fa tena zava-dehibe ny tsy fivadihana. Hoy izy: ‘Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’ (Matio 19:6) Tafiditra amin’ilay hoe ‘olona’ ny lehilahy sy ny vadiny. Nifanaiky izy ireo fa tsy hivadika amin’ny voady nifanaovany.

Mafy loatra amin’ny olona sasany anefa izany, satria mitaky fotoana sy ezaka be ary zava-tsarobidy hafa. Aleon’izy ireo kosa manao izay tiany.

Inona no hanampy ny mpivady tsy hivadika mihitsy amin’ny voady nifanaovany? Hoy ny apostoly Paoly: ‘Tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy.’ (Efesianina 5:28, 29) Ny hoe ‘nampiraisina’ àry, dia midika koa hoe mitady izay hahasoa ny vadinao, tahaka ny itadiavanao izay hahasoa anao. Tsy tokony hieritreritra intsony ny olona manambady hoe “ny ahy” na “izaho”, fa “ny anay” sy “izahay.”

Hahazo fahendrena ianareo, raha mahavita miatrika ny fitsapana rehetra mitady handrava ny tokantranonareo. Hahasambatra anareo izany fahendrena izany. “Sambatra izay olona mahita fahendrena”, hoy ny Ohabolana 3:13.

Miezaha hanana ireo toetra mampaharitra ny tokantrano

Tsy maintsy mampiasa fitaovana tsy mety may ny mpanao trano, raha tiany haharitra sy tsy ho rava ny trano aoriny. Ataovy koa àry izay hampaharitra ny tokantranonareo. Tadiavo izay fomba hitanana ny voady nifanaovanareo, na dia sendra fitsapana mahamay aza ianareo. Misy toetra sarobidy toy ny volamena hanampy anareo hanao izany. Anisan’izany ny fahendrena avy amin’Andriamanitra, fahalalahan-tanana, fahaiza-mandinika, fahatahorana an’Andriamanitra, fitiavana, fankasitrahana sy fitiavana ny lalàn’Andriamanitra, ary finoana.

Tsy avy amin’ny harena na ny fisondrotana eo amin’ny asa, ny fahasambarana sy fahafaham-po ao an-tokantrano. Avy ao am-po sy ao an-tsaina izy ireo. Vao mainka mitombo izany rehefa mahalala ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ianareo. Azo ampiharina amin’ny fanambadiana koa ilay fampirisihana hoe: ‘Aoka ny tsirairay hitandrina hatrany ny fomba fanorenany.’—1 Korintianina 3:10.

Rehefa misy olana

Mila kojakojaina tsara foana ny trano, raha tiana haharitra. Maharitra koa ny tokantrano rehefa mifanome voninahitra sy mifanaja ny mpivady, ary mifanampy hatrany mba hahatratrarany ny tanjony. Hahafehy ny fahatezerany izy ireo, ary tsy ho tia tena.

Tsy hisy fitiavana intsony ao an-tokantrano, raha mitahiry lolompo sy fahatezerana ny mpivady na sorena lava. Izao no torohevitry ny apostoly Paoly ho an’ny lehilahy: “Ianareo lehilahy, tiavo mandrakariva ny vadinareo ary aza tezitra mafy aminy.” (Kolosianina 3:19) Mihatra amin’ny vehivavy koa io toro lalana io. Raha miezaka ny hangoraka sy ho tsara fanahy ary hifampiahy ny mpivady, dia samy ho sambatra sy ho afa-po. Tsy hisy ny fifandirana raha tsy mila ady ianao na masiaka rehefa misy olana mitranga. Nanoro hevitra i Paoly hoe: ‘Aoka ianareo ho tsara fanahy amin’ny namanareo avy, ka hangoraka sy hifamela heloka tanteraka.’—Efesianina 4:32.

Ahoana raha sorena ianao satria sosotra amin’ny vadinao, na mahatsapa fa ataony tsinontsinona, na tsy mahay zavatra sasany? Resaho aminy mazava tsara izay mampalahelo anao. Aoka ianao ho tony rehefa manao izany. Raha olana madinika anefa ilay izy, dia tsara raha avela hanarona izany fotsiny ny fitiavana.—1 Petera 4:8.

Naharitra 35 taona ny fanambadian’ny lehilahy iray, na dia nandalo fitsapana maromaro aza izy tamin’izany. Nanoro hevitra izy hoe “miresaha foana” amin’ny vadinao, na dia tezitra be aminy aza ianao. Nilaza izao teny feno fahendrena izao koa izy: “Tiavo foana ny vadinao.”

Afaka ny hanana tokantrano sambatra ianareo!

Marina fa tsy mora ny manana tokantrano sambatra. Ho sambatra sy tsy hanana ahiahy anefa ny mpivady, raha tapa-kevitra fa hiezaka mafy hanaraka ny toromarik’Andriamanitra. Ataovy foana àry izay hifandraisana tsara aminy. Aza mivadika mihitsy amin’ny voady nifanaovanareo mivady. Tadidio koa fa tsy ny lehilahy na ny vehivavy loatra no tokony hoderaina raha sambatra ny tokantranony, araka ny tenin’i Jesosy. I Jehovah Andriamanitra kosa no tena tokony hoderaina voalohany, satria izy no nanorina ny fanambadiana. “Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.”—Matio 19:6.

BOKY HAFA METY HAHALIANA ANAO

Misy soso-kevitra mahasoa hanampy anao hanana tokantrano sambatra, ao amin’ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mpivady ana hetsiny maneran-tany no nahita fa nanatsara ny fifandraisan’izy ireo, ny torohevitra tsara ara-baiboly ao anatin’io boky io.—Jereo ny pejy 32 amin’ity gazety ity.

[Efajoro, pejy 9]

Ahoana no Hanananareo Tokantrano Sambatra?

▪ Miaraha foana mianatra ny Tenin’Andriamanitra, ary mangataha fanampiana sy tari-dalana aminy rehefa misy olana.—Ohabolana 3:5, 6; Filipianina 4:6, 7; 2 Timoty 3:16, 17.

▪ Aza mieritreritra ny hanao firaisana amin’olon-kafa ankoatra ny vadinao. —Ohabolana 5:15-21; Hebreo 13:4.

▪ Aza misalasala miresaka amim-pahatsorana sy amim-pitiavana momba ny olana sy ny tsy fifanarahana misy eo aminareo.—Ohabolana 15:22; 20:5; 25:11.

▪ Aoka ianao ho tsara fanahy sy hangoraka rehefa miresaka amin’ny vadinao. Aza mora tezitra, na mimenomenona, na manao teny maharary hanakianana azy.—Ohabolana 15:1; 20:3; 21:9; 31:26, 28; Efesianina 4:31, 32.

▪ Manetre tena, ka ampiharo ny torohevitry ny Baiboly, na dia hitanao aza fa tsy manao ny zava-drehetra tokony hataony ny vadinao.—Romanina 14:12; 1 Petera 3:1, 2.

▪ Miezaha mafy hanana ireo toetra tsara ao amin’ny Baiboly.—Galatianina 5:22, 23; Kolosianina 3:12-14; 1 Petera 3:3-6.

[Sary, pejy 7]

Araho ny toromarik’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly, momba ny fanambadiana

[Sary, pejy 7]

Manehoa fitiavana tsy mitady valiny ary aza mivadika, mba ho tsara fototra ny tokantranonareo

[Sary, pejy 8]

Miezaha hanana ireo toetra hanampy anareo handresy fitsapana mahamay

[Sary, pejy 8]

Mila kolokoloina ny fanambadiana raha tiana haharitra