Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

“Hitanao Ihany Aho, Jehovah!” (8 Oktobra 2004) Dimy ambin’ny folo taona aho, ary nahafinaritra be ahy ny namaky io lahatsoratra io. Nanjary nazava kokoa tamiko ny hevitra raketin’ny Jakoba 4:8, rehefa namaky ny tantaran’i Nelly aho. Izao no voalaza ao: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” Nanatanjaka ny finoako iny lahatsoratra iny fa misaotra betsaka!

K. P., Etazonia

Mampiaiky antsika ny tantaran’i Nelly Lenz fa Andriamanitra be fitiavana i Jehovah, ary hataony izay hahitantsika azy, raha mitady azy hatrany isika.

M. K., Japon

Manontany ny Tanora Hoe... Ahoana no Hataoko mba Tsy Hananako Naman-dratsy? (8 Septambra 2005) Olona “tsy izy” no nahasarika ahy. Tsy tena nifikitra tamin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly mantsy izy. Nanampy ahy io lahatsoratra io hahita fa mampidi-doza ny miaraka amin’olona tsy mifandray tsara amin’Andriamanitra. Mampahery ny mahalala fa mikarakara antsika i Jehovah. Misaotra fa nanampy ahy tamin’ny fotoana nilako an’izany ianareo.

A.B.K., Zambia

Nanampy ahy io lahatsoratra io hahita fa mila miova namana aho. Sarotra ilay izy, kanefa mampahery ahy ilay lahatsoratra satria vakiko matetika. Misaotra anareo manampy sy mankahery ny tanora.

L. R., Etazonia

Ny Fiheveran’ny Baiboly: Tokony Hivavaka Amin’i Maria Virjiny ve Ianao? (8 Septambra 2005) Midera anareo Vavolombelon’i Jehovah aho, noho ny fitondran-tenanareo tsy misy hokianina. Tena nahasoa ahy koa ireo gazetinareo. Kanefa, ahoana no ilazanareo fa tsy tokony hangata-pitahiana amin’i Maria isika? Izy ange no mampihavana antsika amin’ny Ray e!

E. R., Espaina

Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Nohazavain’ilay lahatsoratra fa tsy hita ao amin’ny Baiboly mihitsy ny hoe afaka mivavaka amin’olon-kafa ankoatra an’Andriamanitra isika. Hoy i Andrew Greeley, mompera sady mpanoratra: “Mampifandray mivantana ny Kristianisma amin’ny fivavahana tamin’ireo andriamanibavy reny fahiny, ny fivavahana amin’ny sarin’i Maria.” Mitovy kokoa amin’ny fanompoan-tsampy àry ny fivavahana amin’i Maria, fa tsy amin’ny Fivavahana Kristianina. Fantatray fa mety ho zava-baovao amin’ny mpamaky maro izany, ka ampirisihinay izy ireo handinika ny Baiboly, mba hahafantarany hoe inona marina no ampianarin’izy io. Katolika ny Vavolombelon’i Jehovah maro taloha, nefa nianatra ny Tenin’Andriamanitra izy ireo. Nanjary fantany fa tsy tian’Andriamanitra ny hivavahan’izy ireo amin’ny alalan’olon-kafa afa-tsy i Jesosy Kristy, ilay hany mpanelanelana. (Hebreo 7:25) Raha mila fanazavana fanampiny ianareo, dia jereo ilay boky “Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?” * Toko faha-15 hoe “Fivavahana Ankasitrahan’Andriamanitra.” Hazavaina ao fa tokony hifanaraka amin’ny Soratra Masina ny zavatra inoantsika.

Marary Tia Vazivazy (8 Mey 2005) Maty noho ny aretin’aty ny vadiko, tamin’ny Desambra 2002. Nijaly nandritra ny valo volana teo ho eo izy. Tsy niresaka afa-tsy zavatra nampahery anefa izy, ary nitantara zavatra nampihomehy anay. Falifaly foana izy mandra-pahafatiny. Takatro ny antony rehefa namaky io lahatsoratra io aho. Nila fampaherezana toa anay koa izy. Tsy maintsy ho nahatonga azy ho maivamaivana kokoa toy izay nitranga tamin’i Conchi, ny fihetsika toy izany. Misaotra anareo nanampy ahy hahita ny antony nananan’ny vadiko an’iny fihetsika iny.

D. H., Etazonia

Avy Amin’ny Mpamaky Tiako be ny mamaky ny “Avy Amin’ny Mpamaky.” Indraindray dia mamaky taratasy avy amin’ny olona iray aho, ary mieritreritra hoe: ‘Izany koa no tsapako!’ Manontany tena koa aho indraindray hoe: ‘Nisy an’izany tokoa ve tao amin’ilay lahatsoratra?’ Vakiko indray àry ilay izy, ka matetika aho no gaga sady mahazo fampaherezana vokatr’izany.

M. T., Japon

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.