Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay ‘Manam-pahaizana Hadinon’i’ Grande-Bretagne

Ilay ‘Manam-pahaizana Hadinon’i’ Grande-Bretagne

Ilay ‘Manam-pahaizana Hadinon’i’ Grande-Bretagne

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY GRANDE-BRETAGNE

I ROBERT HOOKE no “lehilahy mahay mamoron-javatra indrindra hatramin’izay”, hoy ny olona tamin’ny androny. Ireharehan’i Angletera koa izy ankehitriny, ka lazaina fa mitovy amin’i Léonard de Vinci. * Teraka tamin’ny 1635 i Hooke. Voatendry ho mpiandraikitra ny fanaovana fanandramana ara-tsiansa tao amin’ny Fikambanan’ny Mpanao Fikarohana Ara-tsiansa eto Londres izy, tamin’ny 1662. Lasa anisan’ny mpitantana azy io izy, tamin’ny 1677. Maty tamin’ny 1703 izy. Mpahay siansa nalaza tokoa i Hooke. Tsy fantatra anefa izao izay misy ny fasany, fa voalaza fotsiny hoe any amin’ny faritra avaratr’i Londres.

Niezaka nanao izay hampahalaza indray an’i Hooke ny mpahay siansa sy mpahay tantara, tato ho ato. “Hadino” mantsy io “manam-pahaizana” io, hoy i Stephen Inwood, mpanoratra tantaram-piainana. Ho fankalazana ny faha-300 taona nahafatesan’i Hooke, dia nampiseho ny zavatra niavaka sasany noforoniny sy hitany, ny Toerana Fandinihana ny eny Amin’ny Habakabaka any Greenwich, tamin’ny 2003. Fa iza moa i Robert Hooke, ary nahoana izy no hadinodino nandritra ny fotoana ela be?

Lova navelan’i Hooke

Lehilahy tena nahita fianarana i Hooke. Nahira-tsaina koa izy, ka nahay namoron-javatra. Maro ny zavatra noforoniny. Anisan’izany ilay fitaovana mampihodina ny kodiaran’ny fiara ankehitriny, ka mahatonga azy io handroso. Eo koa ilay fitaovana ahafahana mampihena na mampitombo ny hazavana miditra ao amin’ny fakan-tsary. Mbola izy koa no namorona ilay resaoro mahatonga ny famantaranandro hanome ora marina hatrany. Izy no nahita ilay antsoina hoe lalàn’i Hooke, izay mbola ampiasaina mba hanazavana ny fihenjanan’ny resaoro. Nanamboarany paompy fampidirana sy famoahana rivotra koa i Robert Boyle, Britanika mpahay fizika sy simia malaza.

Ankoatra izany, dia namorona mikraoskaopy manalehibe zavatra kokoa i Hooke. Nisy fitaratra roa fanalehibeazana ilay izy. Anisan’ny zavatra tsara indrindra noforoniny izy io. Nataony sary ilay izy, ary i Christopher Cock, mpanamboatra fitaovana malaza teto Londres, no nanamboatra azy. Namorona ilay teny hoe “sela” i Hooke, tatỳ aoriana, mba hiantsoana ireo lavadavaka toy ny toho-tantely ao amin’ny bosoa, izay nodinihiny tamin’ilay mikraoskaopy noforoniny. Niantsoana ireo zavatra bitika ao amin’ny zavamananaina io teny io tatỳ aoriana.

Namoaka boky hoe Micrographia (Sary Bitika), i Hooke, tamin’ny 1665. Vetivety dia nalaza izy noho io boky io. Nataon’i Hooke sary tao izay bibikely nojereny tamin’ny mikraoskaopy. Tsy misy diso sady voakaly tsara ny sariny. Ilay sarina parasy nataony no tena malaza indrindra. Mirefy 30 santimetatra ny sakan’ilay sary ary 45 santimetatra ny lavany. Hita eo amin’izy io ny hohon’ny parasy sy ny hazondamosiny ary ilay hoditra mafy eo ivelany. Tsiravina izay mpanankarena namaky an’ilay boky, rehefa nahalala fa matetika no mivelona amin’ny olona ireny zavamananaina bitika ireny. Voalaza fa safotra ny vehivavy mpanankarena nahita ilay sary!

Nohalehibeazin’i Hooke tamin’ny mikraoskaopy ny loham-panjaitra nataon’olombelona, ka nampitahainy tamin’ny zavaboary sasany. Hoy izy avy eo: ‘Mahita Zavatra an-jatony maranitra lavitra noho ny Loham-panjaitra isika amin’ny Mikraoskaopy.’ Notononiny, ohatra, ny volon’ny bibikely sy ny hohony. Eo koa ny tsilo amin’ny ravinkazo sy ny faraingony ary ny volombolony. Hita avy amin’ireo ‘Zavaboary’ ireo, hoy izy, fa tena mahery ilay namorona azy. Tamin’ny alalan’ny mikraoskaopy no “nahitana voalohany fa faran’izay be pitsiny ny zavamananaina, ka mila tsy hampino”, hoy ny Rakipahalalana Britannica (anglisy).

I Hooke no nandinika voalohany ny sisa tavela tamin’ny zavamananaina fahiny. Tamin’izany no nahitany fa efa ela no nisy zavamananaina teto an-tany. Mbola misy sary sy fanazavana mahavariana maro ao amin’ny Micrographia. Hoy mihitsy aza ilay mpanoratra malaza atao hoe Samuel Pepys, izay velona tamin’ny andron’i Hooke: “Io no boky miavaka indrindra novakiko hatramin’izay.” Nilaza koa i Allan Chapman, mpahay tantara momba ny siansa, any amin’ny Oniversiten’i Oxford, fa “anisan’ny boky misy vokany lehibe sy maharitra izy io ankehitriny.”

Nanorina indray an’i Londres

Notendrena ho mpandrefy tany i Hooke, taorian’ilay Hain-trano Lehibe teto Londres, tamin’ny 1666. Nifanampy nanorina indray an’i Londres izy sy Christopher Wren namany, mpahay siansa toa azy koa sady mpandrefy tanin’ny mpanjaka. Nanao planina maro i Hooke, ka anisan’ireny ny planin’ilay Tsangambato mirefy 62 metatra, natsangana teto Londres ho fahatsiarovana ilay hain-trano. Saika hampiasainy hanamarinana ny teoria hitany momba ny sinton’ny tany io Tsangambato io. Andry vato tokana ilay izy, ary io no avo indrindra eran-tany.

I Wren no voalaza fa nanao an’ilay toerana fandinihana ny eny amin’ny habakabaka any Greenwich. Nandray anjara betsaka tamin’ny fanaovana ny planin’izy io anefa i Hooke. Izy koa no nanao ny planin’ny Trano Montague, ilay trano voalohany nisy ny Tranombakoka Britanika tamin’ny voalohany.

Astronoma na mpahay siansa nahalala tsara ny eny amin’ny habakabaka koa i Hooke. Anisan’ny voalohany namorona teleskaopy tena matanjaka izy. Nampitondrainy ny anaran’i James Gregory, Ekosey mpahay matematika sy astronoma, izy io. Hitan’i Hooke fa mihodina amin’ny tenany ny planeta Jupiter. Nanao sarin’ny planeta Mars koa izy, ary nampiasaina hamantarana ny hafainganan’ny fihodinan’izy io izany, 200 taona tatỳ aoriana.

Nahoana no hadino?

Namoaka an’ilay boky hoe Lalàna Matematika Momba ny Siansa (anglisy) i Isaac Newton, tamin’ny 1687, izany hoe 22 taona taorian’ny nivoahan’ilay bokin’i Hooke hoe Micrographia. Niresaka momba ireo lalàna atao hoe lalàn’ny fihetsehana izy io, anisan’izany ny lalàn’ny sinton’ny tany. I Hooke anefa no ‘nahita ny maro amin’ireo lafin-javatra tafiditra amin’ny lalàn’ny sinton’ny tany, talohan’i Newton’, hoy i Allan Chapman. Ny asan’i Hooke koa no nandrisika an’i Newton hanao fikarohana momba ny hazavana.

Nampalahelo fa tsy nitovy hevitra momba ny hazavana sy ny sinton’ny tany izy roa lahy, ka tsy ninamana intsony. Nesorin’i Newton tao amin’ilay boky hoe Lalàna Matematika mihitsy aza ny momba an’i Hooke. Misy boky milaza koa fa nataon’i Newton izay tsy hiresahana intsony ny zava-bitan’i Hooke teo amin’ny tantaran’ny siansa. Ankoatra izany, dia nanjavona ny asa soratra maromaro nataon’i Hooke sy ilay hany sary tena nampiseho ny endriny, tsy ela taorian’ny nahatongavan’i Newton ho filohan’ny Fikambanan’ny Mpanao Fikarohana Ara-tsiansa. Tsy hita koa ny fitaovany, nefa natao tanana ny maro tamin’izy ireny. Hadinodino àry i Hooke nandritra ny 200 taona mahery, noho ireo zava-nitranga ireo.

Mahatsikaiky anefa fa tao amin’ny taratasy nosoratany ho an’i Hooke, tamin’ny 5 Febroary 1675, no nilazan’i Newton an’izao teniny malaza izao: ‘Tsy ho nahita zava-baovao be dia be toy izao aho, raha tsy nampian’ny Manam-pahaizana.’ Tena manam-pahaizana tokoa i Robert Hooke tamin’ny androny, satria sady mpanao maritrano izy no astronoma, mpanao fikarohana ara-tsiansa, mpamoron-javatra, ary mpandrefy tany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Italianina mpanao hoso-doko sy sokitra i Léonard de Vinci. Injeniera sy mpamoron-javatra koa izy. Teraka tamin’ny 1452 izy, ary maty tamin’ny 1519.

[Sary, pejy 26]

Sarina lanezy bitika sy fanala nataon’i Hooke

[Sary, pejy 26]

Ilay sarina mikraoskaopy nataon’i Hooke

[Sary, pejy 27]

Namorona an’ilay teny hoe “sela” i Hooke mba hiantsoana an’ireo lavadavaka amin’ny bosoa

[Sary, pejy 27]

Nataon’i Hooke tao amin’ilay bokiny hoe “Micrographia” ny sarin’ny zavatra hitany tamin’ny mikraoskaopy

[Sary, pejy 27]

Mitovitovy amin’io ny haben’ny parasy

Voalaza fa safotra ny vehivavy mpanankarena rehefa nahita an’ity sarina parasy nataon’i Hooke ity

[Sary, pejy 28]

I Hooke no nanao ny planin’ny Trano Montague sy ny maro hafa koa

[Sary, pejy 28]

Sary nataon’i Hooke nanazavany ilay lalàna noforoniny momba ny fihenjanan’ny resaoro

[Sary, pejy 28]

Ity Tilikambo Fahatsiarovana eto Londres ity no andry vato tokana avo indrindra eran-tany

[Sary, pejy 28]

Ilay toerana fandinihana ny eny amin’ny habakabaka

[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]

Resaoro, mikraoskaopy, ary lanezy: Images courtesy of the Posner Memorial Collection, Carnegie Mellon University Libraries

[Sary nahazoan-dalana, pejy 27]

Images courtesy of the Posner Memorial Collection, Carnegie Mellon University Libraries

[Sary nahazoan-dalana, pejy 28]

Kisarina resaoro: Image courtesy of the Posner Memorial Collection, Carnegie Mellon University Libraries; Tilikambo Fahatsiarovana eto Londres: Matt Bridger/DHD Multimedia Gallery; toerana fandinihana ny eny amin’ny habakabaka: © National Maritime Museum, London