Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mety ho Sambatra ve ny Fianakaviana?

Mety ho Sambatra ve ny Fianakaviana?

Mety ho Sambatra ve ny Fianakaviana?

Nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika ny reny tanora iray, tamin’ny herintaona. Tiany ho sambatra ny fianakaviany, ka nangataka fanampiana izy. Nohazavainy fa tiany ny namaky ny gazety Mifohaza! Hoy koa izy:

“Telo taona izao no nanambadiako, ary te hahazo torohevitra sy soso-kevitra hafa aho mba hananana fanambadiana sambatra. Efa manan-janaka lahikely mahafatifaty izahay. Roa taona izy izao, ary tiako ho tsara taiza koa.”

Efa nandre momba ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana io vehivavy io, ka nanafatra azy io. Nilaza ny olona maro rehefa avy namaky an’ilay boky, fa tena mahasoa izy io. Ireto no anisan’ny toko ianaran-javatra ao anatiny: “Ampiofano Manomboka eo Amin’ny Maha-zazakely Azy ny Zanakao”, “Arovy Amin’ny Fitaomana Mandrava ny Fianakavianao”, ary “Tandrovy ny Fihavanana ao Amin’ny Ankohonanao.”

Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□Mba andefaso ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.