Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Masira ny Ranomasina?

Nahoana no Masira ny Ranomasina?

Nahoana no Masira ny Ranomasina?

HAHATRATRA 150 metatra mahery ny haavon’ny sira rehetra any an-dranomasina, raha haparitaka etỳ an-tanety. Mitovitovy amin’ny trano misy rihana 44 izany! Koa satria be dia be ny ranomamy mankany an-dranomasina, nahoana izy io no feno sira toy izany? Zavatra maromaro no mahatonga izany, hoy ny mpahay siansa.

Anisan’izany ny tany sy ny haram-bato. Mitsika any ambanin’izy ireo ny ranonorana, ka mandevona mineraly kely dia kely, toy ny sira sy ny zavatra simika ao amin’ny sira. Entin’ny renirano mankany an-dranomasina izy ireny avy eo (1). Tsy rentsika ny tsiron’ny sira ao amin’ny ranomamy, satria tena kely ny fatrany.

Ahitana ireo mineraly mitambatra ho sira koa ao anatin’ny hoditany any ambanin’ny ranomasimbe. Misy tresaka ny fanambanin’ny ranomasina, ka mikoriana ao amin’izy ireny ny rano avy amin’ny ranomasina. Mihamafana be ilay rano rehefa tafidina any ambany any, ary miverina miakatra miaraka amin’ireo mineraly efa levona. Atosiky ny loharano mafana mifantsitsitra ao anaty ranomasina ilay rano sy ireo mineraly avy eo, ka tafakatra ao an-dranomasina (2).

Ankoatra izany, dia misy volkano mipoaka any ambanin’ny ranomasina, ka mamoaka vato mahamay be dia be, izay mitondra zavatra simika mankao amin’ny ranomasimbe (3). Mitondra potika mineraly avy etỳ an-tanety mankany an-dranomasina koa ny rivotra (4). Noho izany rehetra izany, dia saika ny zavatra simika rehetra fantatra no hita ao amin’ny ranomasina. Ny sodioma sy klôro no tena betsaka ao amin’ny siran’ny ranomasina. Ireo no ahazoana ilay sira fihinana. Sodioma sy klôro ny 85 isan-jaton’ny siran’ny ranomasina, ka izay no tena mampahasira azy.

Nahoana no tsy miova ny habetsahan’ny sira ao an-dranomasina?

Miangona ao an-dranomasina ny sira, satria ny rano madio ihany no lasa etona, fa ny mineraly kosa mijanona. Misy mineraly tonga foana koa ao amin’ny ranomasimbe. Tsy miova anefa ny habetsahan’ny sira ao, fa 35 kilao isaky ny ranomasina 1 000 litatra eo ho eo foana. Midika izany fa misy sira sy mineraly mivoaka avy ao, ary mitovy amin’ny fatran’ny sira sy mineraly miditra ao izany. Mankaiza àry ny sira avy ao an-dranomasina?

Ampiasain’ireo zavamananaina any an-dranomasina ny maro amin’ny zavatra simika ao amin’ny sira. Maka ny kalsioma avy amin’izy io, ohatra, ny orana sy ny patsa ary ny foza, mba hanamboarany ny akorany sy ny taolany. Misy ahidrano bitika dia bitika koa misintona ny silisy ao amin’ny ranomasina. Tsy izay ihany fa mitroka ireo poti-javatra levona ao amin’ny ranomasina, ny bakteria sy ny zavamananaina bitika hafa. Rehefa maty izy ireo, na nohanin’ny zavamananaina hafa, dia lasa any amin’ny fanambanin’ny ranomasina ny sira sy ny mineraly ao anatiny. Manaraka ny fatiny na ny dikin’ilay zavamananaina nihinana azy mantsy izany (5).

Misy fomba hafa koa mampiala ny ankamaroan’ny sira mbola tavela ao an-dranomasina. Entin’ny renirano sy ny riaka ary ny ranoka volkano mankany, ohatra, ny tanimanga sy ny vaingan-javatra hafa avy etỳ an-tanety. Mety hiraikitra amin’izy ireny ny sira, ka hoentiny any amin’ny fanambanin’ny ranomasina. Ny sira sasany indray miraikitra amin’ny haram-bato. Misy fomba maro àry mahatonga ny ankamaroan’ny sira ho any amin’ny fanambanin’ny ranomasina (6).

Mino ny mpikaroka maro, fa misy fisehoan-javatra voajanahary manaisotra izay sira mbola mihoatra ao amin’ny ranomasina, saingy maka fotoana be izany. Mizarazara ho sosona nofon-tany goavam-be ny hoditany. Mifanindry ny sasany amin’ireo, ka milentika any amin’ny faritra mahamay be any ambanin’ny tany ny iray. Mavesatra kokoa ny sosona nofon-tany any ambanin’ny ranomasina, ka izy io no milentika ary entiny miaraka aminy any izay sira miangona eo amboniny. Izany no manavao tsikelikely ny ankamaroan’ny hoditany (7). Misy horohoron-tany na volkano na hantsana miforona, rehefa mitranga io fisehoan-javatra voajanahary io. *

Mahatalanjona satria tsy miova firy

Miova arakaraka ny toerana ny habetsahan’ny sira ao amin’ny ranomasimbe. Miova arakaraka ny vanin-taona koa izany indraindray. Ny Ranomasina Mena sy ny Hoala Persika no masira indrindra, satria lasa etona ny ankabetsahan’ny rano ao aminy. Latsaka kokoa noho ny mahazatra kosa ny sira ao amin’ny ranomasimbe, rehefa be dia be ny ranonorana sy ranomamy mivarina ao aminy. Toy izany koa fa latsaka kokoa ny sira ao amin’ny ranomasina any akaikin’ny tendrontany, rehefa mitsonika ny gilasy, satria ranomamy izany raha ny marina. Mihamasira kokoa indray ilay ranomasina, rehefa mivaingana io rano io. Mahavariana anefa fa tena tsy miova firy ny habetsahan’ny sira ao amin’ny ranomasimbe, amin’ny ankapobeny.

Tsy miova firy koa ny fatran’ny asidra ao amin’ny ranomasina. Mety hisy vokany tena ratsy eo amin’ny ranomasina izy io, raha mihoatra ny tokony ho izy ny fatrany. Izany indrindra izao no atahoran’ny mpahay siansa sasany. Mankany amin’ny ranomasina ny ankamaroan’ny gaza karbonika avy amin’ny fandotoana ataon’ny olombelona, ary lasa asidra rehefa mitambatra amin’ny rano. Mety hampitombo tsikelikely ny asidra ao amin’ny ranomasina àry ny zavatra ataon’ny olona.

Mbola tsy fantatra tsara ireo antony tsy mampiova ny fatran’ny zavatra simika ao amin’ny ranomasina. Miharihary amin’ireo zavatra efa fantatsika anefa ny fahendrena lehibe ananan’ny Mpamorona, izay miahy ny asan’ny tanany.—Apokalypsy 11:18.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Les fonds marins livrent leurs secrets”, ao amin’ny Réveillez-vous! 22 Novambra 2000.

[Kisary/​Sary, pejy 16, 17]

(Jereo ny gazety)

Orana

↓↓

↓↓

4 Rivotra

1 Mineraly

avy amin’ny

haram-bato 6 Poti-javatra

․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․avy

amin’ny volkano․․

3 Volkano 5 Karazana

RANOMASIMBE mipoaka ahidrano ↓ ↓

↑ ↓ ↓

2 Loharano mafana ↑ ↓ ↓

mifantsitsitra ↑ ↓ ↓

․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․FANAMBANIN’NY RANOMASINA․․․․․․․․

↑ ↑ 7 ←← SOSONA

↑ HODITANY ←← NOFON-TANY MIFANINDRY

↑ ←←

․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

[Sary nahazoan-dalana]

Loharano mafana: © Science VU/Visuals Unlimited; volkano: REUTERS/Japan Coast Guard/Handout

Karazana ahidrano: Dr. Neil Sullivan, USC/NOAA Corps; sarina volkano: Dept. of Interior, National Park Service

[Efajoro/​Kisary, pejy 18

Sira ao Amin’ny Ranomasina

Mbola tsy tena fantatry ny mpahay siansa ireo zavatra simika ao amin’ny ranomasina, na dia efa nikaroka momba izany nandritra ny zato taona mahery aza izy ireo. Afaka nanasaratsaraka ireo zavatra simika samihafa ao amin’ny ranomasina sy nikajy ny fatrany anefa izy ireo. Ireto avy izany:

[Kisary]

55% Klôro

30,6 Sodioma

7,7 Solfata

3,7 Manezioma

1,2 Kalsioma

1,1 Potasioma

0,4 Karibonetra

0,2 Brômira

ary zavatra simika hafa.

[Efajoro/​Sary, pejy 18]

Masira Kokoa Noho ny Ranomasimbe

Masira kokoa noho ny ranomasimbe ny farihy sasany. Anisan’izany ny Ranomasina Maty, izay misy ny rano masira indrindra eto an-tany. Misy sira sy mineraly ny rano mikoriana mankao amin’io farihy io, izay nantsoina hoe Ranomasin-tsira, fahiny. (Nomery 34:3, 12) Ny moron’izy io no toerana maina iva indrindra eto an-tany, ka fomba tokana ihany no ahafahan’ny rano mivoaka avy ao, dia ny fiovany ho etona. Noho izany, dia mety hihena hatramin’ny 25 milimetatra isan’andro ny haabon’ny rano ao amin’io farihy io, amin’ny vanin-taona mafana.

Mahatratra 30 isan-jato eo ho eo àry ny habe- tsahan’ny sira eny amin’ny fanambonin’ilay rano, izany hoe efa ho avo folo heny noho ny habetsahan’ny sira ao amin’ny Ranomasina Mediterane. Mihamavesatra ny rano, arakaraka ny maha betsaka ny sira ao aminy, ka mitsingevana fotsiny ny mpilomano ao amin’ny Ranomasina Maty. Afaka mitsilany mamaky gazety eny ambony rano mihitsy aza izy ireny, nefa tsy mampiasa fitaovana mampitsinkafona.

[Efajoro, pejy 18]

Manadio ny Rivotra ny Sira

Asehon’ny fikarohana fa manakana ny rahona eny ambonin’ny tany tsy ho lasa orana, ny loto eny amin’ny rivotra. Mora lasa orana kosa ny rahona, rehefa eny ambonin’ny ranomasina, na dia misy loto aza. Ireo vovoka sira avy amin’ny ranomasina mifantsitsitra eny amin’ny rivotra no mahatonga izany.

Maivana loatra ireo vongan-drano miforona eny amin’ny loto eny amin’ny rivotra, ka mihantona fotsiny eny, fa tsy mety ho lasa orana. Misintona azy ireny ireo vovoka sira avy amin’ny ranomasina, ka lasa vongan-drano lehibe kokoa izy ireny, ary mivadika ho rahona. Izany no lasa orana, izay manala ny loto amin’ny rivotra.