Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Namoy Fo Taloha Nefa Sambatra Izao

Namoy Fo Taloha Nefa Sambatra Izao

Namoy Fo Taloha Nefa Sambatra Izao

NOTANTARAIN’I VICENTE GONZÁLEZ

Nitifi-tena inefatra tamin’ny basy aho nefa tsy maty, ka nomen’ny olona anaram-bosotra hoe Superman na lehilahy matanjaka be. Tsy lehilahy matanjaka be anefa aho. Aleo hohazavaiko hoe nahoana aho no nanandrana namono tena.

TERAKA tany Guayaquil, Ekoatera, aho tamin’ny 1951. Nanao trano iray teo amoron-dranomasina ho anay sivy mianadahy ny ray aman-dreninay. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Fakana An-keriny izy io no naoriny. “Naka an-keriny” an’io toerana io mantsy ny fianakaviana mahantra, ka nanorina trano volotsangana sy mitafo fanitso teo. Nasiana tongony hazo izy ireny satria feno heniheny ilay toerana. Tsy nisy herinaratra ilay izy. Fatampera no nampiasainay rehefa nahandro sakafo, ary nandeha an-tongotra iray kilaometatra izahay rehefa nantsaka.

Mbola kely ireo zokiko dia efa niasa, mba hanampiana ny vola tao an-trano. Izaho kosa niala tamin’ny fianarana rehefa 16 taona. Nahita asana irakiraka tao amin’ny orinasa iray aho. Nanomboka nisotro toaka sy naloto fitondran-tena izaho sy ny namako. Nandeha nikonfesy aho isaky ny nanenjika ahy ny eritreritro. Tsy mba nanome torohevitra avy ao amin’ny Baiboly anefa ilay pretra, rehefa vita ny konfesy, fa hoy fotsiny izy: “Nety tsara ny konfesy nataonao, ry zanako.” Nanohy ny ratsy fanaoko ihany àry aho. Toa tsy hitako intsony izay tena nilana ny konfesy tamin’ny farany, ka tsy nankany am-piangonana aho. Nanomboka nahita ny tsy rariny nisy teo amin’ny fiaraha-monina koa aho. Miady mafy amin’ny fiainana ny mahantra, nefa tena miadana ny mpanankarena. Mahantra anefa ny ankamaroan’ny olona, fa vitsy kosa no manan-karena. Tsy nisy dikany ny fiainako. Toa maizina ny hoaviko.

Nahita ny anabaviko efatra namaky ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, indray andro, ka nanomboka namaky koa. Tena nahaliana ahy ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Mirindra tsara ny fanazavana ao anatiny, ary maro ny foto-kevitra ara-baiboly takatro kokoa, rehefa namaky azy io aho. Hoy aho anakampo: ‘Ity no fahamarinana!’ Hitako anefa tao anatin’ireo 15 taona nanaraka, fa tena sarotra ny miaina mifanaraka amin’ny fahamarinana.

Niasa tany amin’ny banky aho, tamin’izaho 22 taona. Indray andro, dia nisy mpiara-miasa tamiko nanoro ahy ny fomba ataony mba hakana mangingina ny volan’ny banky, ary hamerenana an’ilay izy avy eo. Nanomboka nanao toa azy koa aho. Be loatra anefa ny vola nalaiko tamin’ny farany, ka tsy azoko nafenina intsony. Fantatro fa tsy ho voaveriko mihitsy ilay izy, ka namoy fo tanteraka aho. Nanapa-kevitra ny hibaboka tany amin’ny tompon’andraikitra àry aho, ary hamono tena avy eo mba hampisehoako fa tena nanenina aho.

Nanoratra taratasy ho an’ny tompon’andraikitry ny banky aho, ary nividy basy poleta kely avy eo. Nankany amin’ny toerana mangingina teny amoron-dranomasina aho, ka notifiriko indroa ny lohako, ary indroa ny tratrako. Naratra mafy aho nefa tsy maty. Nisy mpitondra bisikileta nahita ahy mantsy, ary nataony izay hitondrana ahy haingana tany amin’ny hopitaly. Rehefa sitrana aho dia niakatra fitsarana noho ny halatra nataoko, ary nigadra. Sady menatra aho no ketraka rehefa nivoaka ny fonja, satria fantatry ny olona fa efa nigadra aho. Tsy nahafaty ahy ny ratra nahazo ahy tamin’ireo bala efatra, ka nomen’ny olona an’ilay anaram-bosotra voalaza terỳ aloha aho.

Nety ho afaka niova

Tamin’izay indrindra no tonga nitsidika ahy i Paul Sánchez, misionera Vavolombelon’i Jehovah. Nitsikitsiky be izy, ary izay no zavatra voamariko voalohany. Falifaly sy be fanantenana i Paul, ka nanaiky ny fanasany hianatra Baiboly aho. Hoy aho anakampo: ‘Afaka hanampy ahy angamba izy, ka ho sambatra aho ary hisy dikany ny fiainako.’

Nampianarin’i Paul ahy fa manana fikasana momba ny olombelona Andriamanitra, ary hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany ireo tia sy mankatò Azy. (Salamo 37:29) Nianarako koa fa tsy avy amin’Andriamanitra ny tsy rariny sy ny fahantrana, fa vokatry ny fikomian’ny olombelona taminy. (Deoteronomia 32:4, 5) Toy ny hazavana teo amin’ny fiainako ireny fahamarinana ireny. Tena sarotra noho ny nianatra Baiboly anefa ny nanova ny toetrako.

Niasa birao tao amin’ny orinasa iray aho, ary mpitantam-bola no asako. Resin’ny fakam-panahy indray anefa aho, ka nanomboka nangalatra. Tsy azoko nafenina intsony izany avy eo, ka nandositra tany amin’ny tanàna hafa aho, nandritra ny herintaona teo ho eo. Nitady hevitra hialana teto Ekoatera aho, nefa tsy nahomby. Niverina nody àry aho.

Nahita ahy indray i Paul ary niverina nianatra Baiboly aho. Tamin’izay aho vao tapa-kevitra fa hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly ary hanompo an’i Jehovah. Mba hahatratrarako izany tanjoko izany, dia notsoriko tamin’i Paul ny halatra nataoko, ary nomeny torohevitra tena nivantana aho. Namaky andinin-teny tamiko izy. Anisan’izany ny Efesianina 4:28, manao hoe: “Aoka ny mpangalatra tsy hangalatra intsony, fa aoka kosa izy hiasa mafy.” Hitako fa tokony hiaiky ny halatra nataoko aho ary hizaka ny vokany.

Raha mbola nieritreritra momba izany aho dia nanomboka nanao asa tanana mba hamelomako tena. Nisy lehilahy tonga tao am-piasako indray andro, ary nilaza fa tiany ny sary hoso-doko iray nataoko. Mpitsongo dia anefa izy, ary nanana taratasy nanome alalana azy hisambotra ahy. Niakatra fitsarana indray àry aho, ary nigadra. Nitsidika ahy anefa i Paul, ka nampanantena azy aho hoe: “Tsy hanenenanao ny ezaka ataonao hanampiana ahy hianatra Baiboly.” Notohizinay tany am-ponja ny fianaranay.

Nitana ny teny nataoko aho

Rehefa nivoaka ny fonja aho, dia tapa-kevitra fa hanompo an’i Jehovah amin’ny foko manontolo. Nasehoko nandritra ireo roa taona nanaraka àry fa nitana ny teny nataoko aho. Natao batisa aho tamin’ny 1988, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Nanomboka nanompo manontolo andro aho satria te hanonitra ny fotoana verivery fotsiny. Nirotsaka ho mpisava lalana àry aho, ary niezaka manokana hitory tamin’ny andian-jiolahy tanora.

Nisy andian-jiolahy nanoratsoratra matetika teo amin’ny rindrin’ny Efitrano Fanjakananay. Fantatro izy ireo sy ny toerana ipetrahany, ka nankany aho. Nohazavaiko ny antony ilana ny Efitrano Fanjakana, ary niangaviako tamin-katsaram-panahy izy ireo mba hanaja azy io. Tsy nisy nanoratsoratra intsony ny efitranonay taorian’izay.

Nohavaozina ilay efitrano tatỳ aoriana, ka nendahana ny loko teo aloha. Nahita soratra hoe “Rasahona” (La Rana, amin’ny teny espaniola) teo amin’ny rindrina, ny tanora Vavolombelona iray atao hoe Fernando. Hoy izy: “Izaho no nanao an’io!” Jiolahy izy taloha, ka izy no nanoratra io anaram-bosotra fiantsoana azy io teo amin’ilay rindrina. Manala an’ilay izy anefa izy izao!

Mamon-drongony i Fernando tamin’izy hitako voalohany. Nalefan-dreniny tany amin’ny toby fanarenana roa izy, saingy tsy nisy vokany izany. Leo ny reniny ka lasa nandeha, ary navelany irery tao an-trano i Fernando. Namidin’i Fernando daholo ny zava-tsarobidy rehetra, hatramin’ny varavarana sy ny varavarankely ary ny tafo, mba hividianany rongony. Nanatona azy aho, indray mandeha, teny an-dalana, ary nomeko ranom-boankazo izy sady nasaiko hianatra Baiboly. Nety izy ary tena faly aho fa nanaiky ny fahamarinana izy. Niala tsy ho anisan’ilay andian-jiolahy nisy azy izy, tsy nifoka rongony intsony, nanomboka nanatrika fivoriana kristianina, ary tsy ela dia natao batisa.

Mahafantatra anay sy Fernando ny olona matetika, rehefa miara-mitory isan-trano izahay. Miantsoantso anay amin’ny anaram-bosotra niantsoana anay izy ireo, ary manontany hoe manao inona izahay. Gaga be izy ireo satria jiolahy sy mpangalatra izahay taloha, nefa tonga mitsidika azy ary mitondra Baiboly eny an-tananay.

Nitory tamin’ny lehilahy iray aho indray mandeha, ary i Fernando kosa niresaka tamin’ny olona teo akaiky teo. Nanondro an’i Fernando ilay lehilahy sady niteny hoe: “Hitanao io tovolahy io? Nanambana basy ahy teo amin’ny lohako io, indray mandeha.” Nomeko toky izy fa efa niova tanteraka i Fernando, ary miaina mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly izy izao. Nantsoiko i Fernando rehefa avy niresaka tamin’ilay olona teo akaiky, ary nampifankahalalaiko tamin’ilay rangahy. Hoy ilay rangahy: “Midera anao aho, ry tovolahy, noho ny fiovana nataonao.”

Imbetsaka izahay no nahazo teny fiderana toy izany, ka tsy tsaroako intsony hoe impiry. Nanjary afaka nitory izahay noho izany, ka maro ny olona nianatra Baiboly. Mirehareha tokoa izahay sy Fernando satria fantatra hoe Vavolombelon’i Jehovah.

Zavatra iray niavaka teo amin’ny fiainako

Gaga aho sady faly, tamin’ny 2001, tamin’izaho 50 taona, rehefa voasa hanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, tany Peroa. Maharitra roa volana izy io, ary izay rahalahy mahafeno fepetra ihany no manatrika azy. Ianarana amin’ny an-tsipiriany ny Baiboly, mba hanampiana azy ireo eo amin’ny fanompoana.

Nahafinaritra ahy daholo ny zavatra nianarana, afa-tsy ny fanaovana lahateny. Tena nampahatahotra ahy ny nandaha-teny. Nahay tsara nanao izany kosa ny maro tamin’ireo mpianatra tanora kokoa, ary toa tsy matahotra mihitsy. Rehefa nitsangana hanao ny lahateniko voalohany anefa aho, dia nahatsiaro tena ho tsy nahay. Efa mpahazo ahy hatramin’ny mbola kely izany. Nangovitra ny lohaliko sy ny feoko. Nangovitra koa ny tanako sady tsemboka. Nanampy ahy anefa i Jehovah, ka nanome ahy ny fanahiny masina sy rahalahy be fitiavana. Nikarakara ahy manokana mihitsy aza ny mpampianatra iray, ka nanampy ahy nanomana ny lahateniko rehefa nirava. Ny zava-dehibe indrindra dia nampianariny hitoky tamin’i Jehovah aho. Nanjary tia nandaha-teny aho, rehefa ho vita ilay sekoly. Sambany aho vao nahatsapa toy izany.

Natahotra be indray anefa aho, tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah tany Guayaquil. Nitantara ny nahatongavako ho Vavolombelona, teo imason’ny mpanatrika 25 000 aho. Nihetsi-po be anefa aho rehefa niteny, satria voninahitra lehibe ho ahy ny nampahery olona maro be toy izany. Nanomboka nangovitra ny feoko. Nisy mpanatrika nanatona ahy avy eo, ary nilaza hoe: “Nanganohano daholo ny mason’ny mpanatrika, ry Rahalahy González, rehefa nandre ny tantaranao.” Ny hampahery an’ireo miady mafy mba hanova ny fiainany, no tena tanjoko tamin’iny fitantarana iny.

Anti-panahy aho izao, sady mpisava lalana maharitra. Faly aho fa afaka nanampy olona 16 hahafantatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Faly erỳ aho fa nanolo-tena ho an’i Jehovah koa ny ray aman-dreniko sy ireo anabaviko efatra. Maty tamin’ny 2001 i Neny, ary tsy nivadika hatramin’ny farany. Tena misaotra an’i Jehovah aho, noho izy namela ahy hahalala azy. Fantatro fa ny fomba tsara indrindra hankasitrahako azy, dia ny manampy olon-kafa hanatona azy koa.—Jakoba 4:8.

[Sary, pejy 12]

Fernando, na Rasahona, ilay jiolahy nampianariko Baiboly

[Sary, pejy 12]

Paul Sánchez, misionera nampianatra Baiboly ahy

[Sary, pejy 13

Vicente González, ankehitriny