Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Olona Tsy Hita Maso ve ny Fanahy Masina?

Olona Tsy Hita Maso ve ny Fanahy Masina?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Olona Tsy Hita Maso ve ny Fanahy Masina?

INONA moa ny fanahy masin’Andriamanitra? Voalaza ao amin’ireo andinin-teny voalohany ao amin’ny Baiboly, fa ‘nanomba tambonin’ny rano ny Fanahin’Andriamanitra.’ (Genesisy 1:2) Hita ao amin’ilay fitantarana momba ny batisan’i Jesosy koa, fa “nidina toy ny voromailala” nankeo amboniny ny fanahy masina. “Tany an-danitra” anefa Andriamanitra tamin’izay. (Matio 3:16, 17) Nilaza koa i Jesosy fa “mpanampy” ny fanahy masina.—Jaona 14:16.

Noho ireo andinin-teny ireo sy ny hafa koa, dia nanjary nisy nihevitra fa olona tsy hita maso ny fanahy masina, toa an’Andriamanitra sy Jesosy ary ny anjely. Efa taonjato maro koa ireo fivavahana lehibe indrindra anisan’ny Kristianisma Anarana no nampianatra, fa olona tsy hita maso ny fanahy masina. Mbola manahiran-tsaina ny mpiangona maro anefa izany fampianarana izany, na dia efa nisy hatramin’ny ela aza. Misy aza tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra fivavahana ao aminy. Nisy fanadihadiana natao, ohatra, vao haingana, ka ny antsasany mahery tamin’ireo nadinadinina no mino fa “tsy zavamananaina” ny fanahy masina, fa “famantarana ny fisian’Andriamanitra na ny heriny.” Inona anefa no lazain’ny Baiboly?

Inona no lazain’ny Baiboly?

Rehefa mamaky Baiboly ny olona tso-po dia hiaiky fa tsy olona tsy hita maso, araka ny ampianarina any am-piangonana, ny fanahy masina. Diniho ireto tantara ao amin’ny Baiboly ireto.

1. Milaza ny Baiboly fa rehefa tonga nitsidika an’i Elizabeta i Maria, renin’i Jesosy, zanak’olo-mpiray tam-po taminy, dia nibitaka ny zaza tao an-kibon’i Elizabeta “ary feno fanahy masina” izy. (Lioka 1:41) Mety hisy olona “feno” olona iray hafa ve?

2. Rehefa nilaza tamin’ny mpianany i Jaona Mpanao Batisa fa i Jesosy no handimby azy, dia hoy izy: ‘Izaho manao batisa anareo amin’ny rano, fa ilay ho avy ao aoriako kosa mahery noho izaho, ka tsy mendrika ny hanala ny kapany aza aho. Izy no hanao batisa anareo amin’ny fanahy masina.’ (Matio 3:11) Nilaza i Jaona fa hatao batisa amin’ny fanahy masina ny olona. Tsy olona mihitsy àry ny fanahy masina, rehefa jerena izany teniny izany.

3. Nilaza ny apostoly Petera, rehefa nitsidika manamboninahitra romanina iray sy ny fianakaviany, fa nohosoran’Andriamanitra “tamin’ny fanahy masina sy ny hery” i Jesosy. (Asan’ny Apostoly 10:38) “Nilatsaka” tamin’ny ankohonan’ilay manamboninahitra “ny fanahy masina”, taoriana kelin’izay. Voalaza ao amin’ilay fitantarana fa maro no gaga, “satria nilatsaka tamin’ny hafa firenena koa ny fanomezana maimaim-poana, dia ny fanahy masina.” (Asan’ny Apostoly 10:44, 45) Asehon’ireo teny ireo koa fa tsy olona tsy hita maso ny fanahy masina.

Matetika no oharin’ny Tenin’Andriamanitra amin’ny olona ny zavatra. Anisan’izany ny fahendrena, fahalalana, ota, fahafatesana, ary hatsaram-panahy tsy manam-paharoa. (Ohabolana 8:1–9:6; Romanina 5:14, 17, 21; 6:12) Nilaza, ohatra, i Jesosy fa ‘ny fahendrena dia hamarinin’ny zanany rehetra’, na ny vokatra tsara aterany. (Lioka 7:35) Mazava ho azy fa tsy olona ny fahendrena, ary tsy manan-janaka! Toy izany koa fa tsy olona akory ny fanahy masina, satria fotsiny hoe oharina amin’ny olona indraindray.

Inona àry ny fanahy masina?

Rehefa jerena ny nandikana ny Genesisy 1:2, tamin’ny teny hebreo tany am-boalohany sy ao amin’ny fandikan-teny hafa, dia hery ampiasain’Andriamanitra ny fanahy masina. Misy andinin-teny maro hafa manamarina izany manerana ny Baiboly.—Mika 3:8; Lioka 1:35; Asan’ny Apostoly 10:38.

Maro no mino fa eny rehetra eny amin’ny fotoana rehetra Andriamanitra. Tsy marina anefa izany. Mipetraka any an-danitra kosa izy, ary any no ‘fonenany.’ (1 Mpanjaka 8:39; 2 Tantara 6:39) Milaza ny Soratra Masina fa manana fonenana Andriamanitra, ary any no misy ny ‘seza fiandrianany.’ (1 Mpanjaka 22:19; Isaia 6:1; Daniela 7:9; Apokalypsy 4:1-3) Azon’Andriamanitra alefa avy any amin’ny ‘fonenany’ anefa ilay hery ampiasainy, ka tonga hatraiza hatraiza, na any an-danitra na eto an-tany.—Salamo 139:7.

Nampiasa ohatra nety tsara i Charles Ives, manam-pahaizana momba ny Baiboly, tamin’ny 1879, mba hampisehoana ny fahaizan’Andriamanitra mampiasa ny heriny, na dia tsy mihetsika eo amin’ny toerany aza izy. Hoy izy: “Rehefa miteny, ohatra, isika hoe: ‘Sokafy ny ridao mba hidiran’ny masoandro ato an-trano’, dia ny taratra avy eny amin’ny masoandro no tiantsika holazaina, fa tsy hoe io masoandro io mihitsy akory.” Toy izany koa, fa tsy mila mankany amin’ny toerana tiany hampiasana ny heriny Andriamanitra. Alefany fotsiny izy io, ary afaka ny ho tonga eran’izao rehetra izao. Hery ampiasain’Andriamanitra àry ny fanahy masina. Tena mahery izy io, ka afaka matoky ianao fa ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

▪ Mampianatra ve ny Baiboly fa olona tsy hita maso ny fanahy masina? —Asan’ny Apostoly 10:44, 45.

Inona ny fanahy masina?—Genesisy 1:2.

▪ Tonga hatraiza ny fanahy masina?—Salamo 139:7.