Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

“Efa ho enina tapitrisa, izany hoe iray isaky ny dimy segondra, ny ankizy maty isan-taona, noho ny tsy fahampian-tsakafo.”—JAMES MORRIS, TALEN’NY FANDAHARAN’ASA MOMBA NY SAKAFO ERAN-TANY

Azo antoka fa nahatratra 1 300 mahery ny maty tamin’ny rivo-doza Katrina, namely ny faritra atsimon’i Etazonia, tamin’ny Aogositra 2005.—THE WASHINGTON POST, ETAZONIA.

Namono olona 74 000 mahery ilay horohoron-tany namely ny faritra avaratr’i Pakistan sy Inde, tamin’ny Oktobra 2005.—BBC NEWS, GRANDE-BRETAGNE.

Milaza ny tatitra iray, fa “efa ho 1,2 tapitrisa eran-tany ny olona matin’ny lozam-piarakodia, isan-taona.”—SOUTH AFRICAN MEDICAL JOURNAL, AFRIKA ATSIMO.

Zava-tsarobidy Manahirana

Sahiran-kevitra ny mpitondra fivavahana katolika, satria tsy hitany ny fomba iarovana ireo zava-tsarobidy lova tamin’ny fanjanahan-tany, izay mandravaka ireo fiangonana any Peroa. Fiangonana 200 no norobain’ny mpangalatra, tato anatin’ny enin-taona. Tao Cuzco fotsiny, dia zavakanto 5 000 eo ho eo no nisy nangalatra nandritra ny 15 taona farany, ka sary hoso-doko sarobidy ny ankamaroany. Tsy misy mahalala hoe firy marina ny isan’ny zavatra very eran’i Peroa. Nisy fiangonana nanafina ny zavakantony mba hiadiana amin’ny mpandroba. Tsy nety anefa ny toerana nanafenan’izy ireo azy ireny. Nohanin’ny voalavo, ohatra, ny sasany tamin’ireo sary hoso-dokon’ny paroasy iray.

Tsy Ampy Mpiasa Mahay i Failandy

Tena tsy ampy mpiasa mahay nahavita fiofanana, ny indostria sy ny sehatry ny asa madinika any Failandy. Anisan’ireny ny mpandrafitra, mpikarakara fantson-drano, mpanefy, mpandatsa-biriky, mpanamboatra fiarakodia, mpandefa milina, ary mpitsabo mpanampy. Nahoana? Satria ny fianarana ambony no tena nimasoana, hoy ny gazety iray any an-toerana. Nilaza toy izao i Heikki Ropponen, avy ao amin’ny Fikambanan’ny Mpivarotra Enta-madinika Failandey: “Tsy ara-dalàna raha ny taranaka iray manontolo no ampianarina ho lasa dokotera sy mpanakanto ary mpahay siansa. Tokony homen-danja bebe kokoa ny fiofanana arak’asa.”

Didim-pitsarana Nahazoana Rariny Tany Frantsa

Nandidy ny minisitry ny atitany frantsay ny Fitsarana Ambony any Paris, tamin’ny 1 Desambra 2005, mba hamela ny Vavolombelon’i Jehovah hijery ny taratasy nampiasain’ny polisy tamin’ny 1996, ka nampidirany azy ireo ho anisan’ny “sekta.” Tsy nisy olon-kafa nanatrika ny fanomanana io lisitra io, ary nohazonina ho tsiambaratelo ny voalaza tao, mba ho fitsimbinana ny ‘filaminan’ny tany sy ny Fanjakana’, hono. Araka ny fahitan’ilay fitsarana azy anefa, dia “maivan-danja” ny “antony” voalaza tao amin’ireo taratasy ireo, momba ny ‘voka-dratsy entin’ny’ asan’ny Vavolombelona. Na izany aza, dia nampiasaina imbetsaka io lisitra io, mba hanamarinana ny fitondrana ratsy natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Frantsa.

Ilay “Rindrim-be Maitso”

Maro ny faritra midadasika any Chine no lasa ngazana sy feno vovoka mitora-jofo, noho ny famelana ny biby hiraoka ahitra be loatra, ny fandripahana ala, ny hain-tany, ary ny fitrandrahana tafahoatra ireo tahirin-drano. Nanomboka “ny tetikasa lehibe indrindra eran-tany momba ny tontolo iainana” àry ny fitondram-panjakana sinoa, hoy ny New Scientist. “Mbola tsy betsaka toy izao mihitsy ny hazo nambolena, mba tsy hielezan’ny vovoka intsony. Ilay ‘rindrim-be maitso’ no iantsoana an’io tetikasa io.” Nisy ahitra sy hazo madinika koa nambolena mba tsy hamovoka intsony ny tany. Ny hamboly hazo sy zavamaniry mahazaka hain-tany eo amin’ny velaran-tany 35 tapitrisa hektara no tanjona amin’ilay tetikasa. Tamin’ny 1978 izy io no natomboka, ary efa ho vita ny antsasany.