Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Maintsy Tafita Ilay Hafatra

Tsy Maintsy Tafita Ilay Hafatra

Tsy Maintsy Tafita Ilay Hafatra

MATETIKA no ela sy sarotra ny fampitan-kafatra tany amin’ny toerana nifanalavitra, tamin’ny mbola tsy nisy paositra. Niankina tamin’ny fitaovam-pitaterana sy ny lalana tsy maintsy naleha izany. Eritrereto ny zava-tsarotra niainan’ireo Incas, izay nanana fanjakana nidadasika tany Amerika Atsimo.

Tena niroborobo ny fanjakan’izy ireo, tamin’ny faramparan’ireo taona 1400 sy teo am-piandohan’ireo taona 1500. Anisan’ny faritaniny tamin’izany i Arzantina, Bolivia, Ekoatera, Kolombia, Peroa, ary Silia. Tao Peroa no nisy an’i Cuzco, renivohitr’ilay fanjakana. Nanasarotra ny dia ny tandavan-tendrombohitra mijoalajoala sy ny ala mikitroka ary ny halaviran-dalana. Tsy nanana biby mpitondra entana afa-tsy karazan-drameva atao hoe lamà koa izy ireo, ary tsy nanana fiara, sady mbola tsy nosoratana ny fiteniny. Ahoana àry no nifampitan’izy ireo hafatra?

Ny quechua no nofidin’ny Incas ho fiteny hifampiresahany eran’ny fanjakany. Nanamboatra lalana maro koa izy ireo. Nanao lalambe 5 000 kilaometatra mahery namakivaky ny tendrombohitr’i Andes, ohatra, izy ireo, ary lalambe 4 000 kilaometatra teo ho eo nifanitsy tamin’izany, nanaraka ny Morontsirak’i Pasifika. Nisy lalana hafa nampifandray an’ireo lalambe roa ireo. Nasiany tohatra vato koa teny amin’ireo lalan-kely teny an-tendrombohitra, tetezana mitsinkafona teny amin’ny honahona, ary tetezana mihantona mampahatahotra teny amin’ny hadilanana. Nisy tetezana mihantona iray, ohatra, nahatratra 45 metatra, ary nitovy habe tamin’ny olona ny tady taminy. Nampiasaina nandritra ny 500 taona izy io, izany hoe hatramin’ny 1880!

Nanana mpihazakazaka natao hoe chasquis ny Incas, mba ho mpampita hafatra. Niandry teny amin’ny lalambe izy ireny, ary nisy iray isaky ny telo na efatra kilaometatra. Nolazaina tamin’ny chasqui iray ny hafatra tiana hampitaina. Izy io indray no nihazakazaka nampita izany tamin’ilay iray manaraka, ary toy izany hatrany. Voalaza fa 160 kilaometatra teo ho eo isan’andro ny lalana nalehan’ny chasqui iray, ary nampita hafatra am-bava maro izy ireo. Nampiasa fitaovana mahavariana natao hoe quipu kosa izy ireo, rehefa nila nampita isan-javatra nifandray tamin’ny raharaham-panjakana. Fitaovana sarotra nampiasaina ny quipu, nefa nanampy tamin’ny fitadidiana. Vita tamin’ny tady vaventy iray sy tady kely samy hafa loko izy io. Nisy vona maromaro tamin’ireo tady, ka arakarak’izy ireny no nahalalana raha latsaka ny folo ilay isa, na am-polony na an-jatony. Tsy nampiasaina intsony ny quipu rehefa resin’ny Espaniola ny Incas, ary hadino ny fomba fampiasana azy.

Tongotra tsara tarehy erỳ an-tendrombohitra

Ampitaina amin’ireo olona miteny quechua izao ny hafatra sarobidy indrindra, dia ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Fitondram-panjakana hifehy ny tany manontolo izy io, ary hitondra fiadanana ho an’izay rehetra manaiky hofeheziny. (Daniela 2:44; Matio 24:14) Mbola sarotra ny mamakivaky ilay faritra nanjakan’ny Incas fahiny, ary maro ny teny quechua mbola tsy misy an-tsoratra. Betsaka anefa ny Vavolombelon’i Jehovah nianatra an’io fiteny io. Faly izy ireo mizara boky sy gazety ary kasety ara-baiboly amin’ny tenim-paritra quechua maoderina maromaro.

Ny asan’ireo mpitory ny vaovao tsara ireo, dia mampahatsiahy antsika ilay teny ao amin’ny Baiboly hoe: “Akory ny hatsaran’ny tongotr’irỳ mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly.”—Isaia 52:7.