Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Azoko Anampiana ny Sahirana?

Ahoana no Azoko Anampiana ny Sahirana?

Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana no Azoko Anampiana ny Sahirana?

“Elektrisianina no asa tiako hatao rehefa mahavita fianarana aho. Te hanampy amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana aho.”—Tristan, 14 taona.

“Intỳ misy 20 dolara mba ho fandraisako anjara amin’ilay milina fanontam-pirinty vaovao! Vola nomen’i Dada sy Neny ahy io, nefa tiako homena anareo.”—Abby, 9 taona.

TSY mihambahamba ny olona sasany ankehitriny milaza fa tia tena ny ankizy. Toa ny mifanohitra amin’izany anefa no marina, rehefa jerena izay nataon’ny ankizy maro, anisan’izany ireo manoratra etsy ambony. Ankizilahy sy ankizivavy maro eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah no mampiasa ny fotoanany sy ny heriny ary ny fananany mba hanampiana ny hafa. (Salamo 110:3) Diniho ireto ohatra hafa ireto.

Fito taona i Jirah, monina any Aostralia. Nomen’ny raibeny vola 50 dolara izy, taoriana kelin’ny nahafatesan’ny renibeny. Nataon’i Jirah inona ilay vola? Narotsany tao anatin’ny boaty ho an’ny fanomezana daholo ilay izy, rehefa tonga tany amin’ny fivorian’ny fiangonana izy. Nahoana? Hoy i Jirah tamin’ny reniny: “Efa betsaka ny kilalaoko. Tsy nanana afa-tsy Bebe iray anefa aho. Raha teo izy, dia fantatro fa tiany hataoko fanomezana ity vola ity, satria tena tia an’i Jehovah izy.”

Dimy taona i Hannah, mipetraka any Etazonia. Tia soavaly izy ka naniry hividy soavaly kilalao, mitentina 75 dolara. Nanome vola tsindraindray hataony ao anaty boatin-drakitra ny ray aman-dreniny. Te hampianatra azy hitahiry mantsy izy ireo. Tsy ela dia nahangona vola hividianana ilay soavaly kilalao izy.

Nandrava ny faritra manamorona ny Hoalan’i Meksika anefa, tamin’izay, ny Rivo-doza Katrina. Nanahy momba ireo tra-boina i Hannah, ka nanapa-kevitra fa hanome ny vola rehetra voangony mba hanampiana. Efa 100 dolara mahery no voatahiriny. Izao no nosoratan’i Hannah tany amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Omeko anareo ity vola ity, satria tiako i Jehovah sady te hanampy aho.” Voamarik’i Jehovah ve ny fahalalahan-tanana toy izany? Hoy ny Baiboly: “Aza manadino hanao soa sy hizara zavatra amin’ny hafa, fa sorona toy izany no ankasitrahan’Andriamanitra.”—Hebreo 13:16.

Nisy ankizivavy iray koa tany Etazonia, atao hoe Tiffany. Nanoratra tany amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, rehefa avy nandalo tany Floride ny rivo-doza roa, tamin’ny 2004. Hoy izy: “Intỳ misy 110 dolara, avy amiko sy i Timothy anadahiko. Tsy dia simba ny tranonay, nefa hitanay ny fiantraikan’ilay rivo-doza tamin’ny trano hafa. Te hanampy izahay, ka nanomboka nanangom-bola. Nahazo 10 dolara i Timothy, rehefa nanampy olona handrava rindrina plakôplatra. Izaho kosa nahangona 100 dolara.” Vao 13 taona i Tiffany, ary 7 taona monja i Timothy! Inona no vokany rehefa mitady izay hahasoa ny hafa alohan’ny an’ny tenantsika isika? Hoy ny Ohabolana 11:25: “Izay mandena dia mba holemana kosa.”

Nanapa-kevitra hanao zavatra ny ankizy Vavolombelona maromaro tany Etazonia, rehefa nandre fa tsy manana Efitrano Fanjakana ny mpiray finoana aminy atsy Afrika. Ankizy 4 taona ka hatramin’ny 15 taona izy ireo. Hoy izy ireo: “Nivarotra bisikoỳ sy mofo teo an-tokotany izahay, ka nahazo 106,54 dolara. Nohazavainay tamin’ny olona hoe hampiasaina hanorenana trano fivoriana any Afrika ny vola azo, ary ao amin’ireny trano ireny no hianaran’ny olona Baiboly. Maro no nandray anjara. Lany adiny sivy izahay nivarotana teo, kanefa tsy very maina izany satria ho an’i Jehovah!”

Afaka manampy ianao

Nanjary fantatr’ireo ankizy rehetra voaresaka teo, fa marina ny tenin’i Jesosy hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Mahafaly ny manome, ary afaka mahatsapa izany koa ianao. Amin’ny fomba ahoana avy no azonao anaovana izany?

Nahare momba ny mpiray finoana ao anatin’ny fahasahiranana ve ianao? Ohatra hoe niharan’ny hetraketraky ny natiora. Eritrereto izany hoe rava trano, very fananana, na maty havan-tiana mihitsy aza. Nanoratra ny apostoly Paoly fa tokony ‘hanisy fiheverana manokana izay hahasoa ny hafa [ny Kristianina], fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.’ (Filipianina 2:4) Na lavitra ny misy anao aza ny toerana nitrangan’ilay loza, dia angamba afaka manao fanomezana ianao mba ho fandraisana anjara amin’ny ezaka vonjy rano vaky ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. *

Misy fomba hafa koa azonao anampiana ny sahirana. Raha Vavolombelon’i Jehovah, ohatra, ianao dia jereo ny olona manodidina anao rehefa any amin’ny Efitrano Fanjakana. Mahita zokiolona na olon-kafa mila fanampiana ve ianao? Afaka manampy azy amin’ny raharaha ao an-tranony ve ianao? Nanoratra toy izao ho an’ny Romanina ny apostoly Paoly: “Aoka ianareo hifaneho firaiketam-po lalina raha ny amin’ny fitiavan-drahalahy. Aoka ianareo ho loha laharana raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.” (Romanina 12:10) Manaova zavatra avy hatrany rehefa misy tokony hanampiana. Aoka ianao ho vonona hanao zavatra, na dia amin’ireo asa heverina ho ambany aza. Tadidio fa tsy afa-misaraka ny fanampiana ny hafa sy ny fanompoana an’Andriamanitra . Hoy Baiboly: “Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an’i Jehovah, ary izay nomeny dia honerany kosa.”—Ohabolana 19:17.

Mazava ho azy fa ny firesahanao amin’ny olona ny zavatra fantatrao ao amin’ny Baiboly no fomba lehibe indrindra azonao anampiana azy ireo. Hoy i Jesosy: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Amin’izao fotoana izao indrindra no tena mila mandre ny hafatra mamonjy aina avy ao amin’ny Baiboly ny olona. Mazotoa hatrany àry mandray anjara tsy tapaka amin’ny asa fitoriana, ary matokia fa ‘tsy very maina ny asa mafy ataonao.’—1 Korintianina 15:58.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Tena ankasitrahana ny fanomezana ataonao, rehefa misy ezaka vonjy rano vaky. Lazain’ny olona sasany ny fomba tiany hampiasana ny vola omeny. Tsara kokoa anefa raha arotsaka ao amin’ny fanomezana ho an’ny asa maneran-tany ireny fanomezana ireny. Io tahiry io mantsy no hakana vola arakaraka izay ilaina.

ERITRERETO IZAO:

▪ Mahita olona mila fanampiana ve ianao?

▪ Inona no azonao atao mba hanampiana?

[Teny notsongaina, pejy 25]

Aza manadino hanao soa sy hizara zavatra amin’ny hafa, fa sorona toy izany no ankasitrahan’Andriamanitra.Hebreo 13:16.

[Efajoro/​Sary, pejy 24, 25]

NAHOANA NO MILA MIANATRA MANOME?

Te hanao toa an’ireo ray aman-dreniko aho, rehefa mahita azy ireo mampiasa ny fotoanany sy ny heriny anompoana an’i Jehovah sy ny mpiara-belona. Hoy ny dadanay tamiko: Maharitra mandrakizay izay zavatra ataonao ho an’i Jehovah, na kely toy inona aza. Hotsarovan’i Jehovah mandrakizay izany, satria velona mandrakizay izy. Ho very maina kosa izay ataonao, raha ny hahasoa ny tenanao fotsiny no katsahinao. Rehefa maty ianao, dia maty miaraka aminao izany.’ ”—Kentaro, 24 taona, Japon.

Tsoriko aloha, fa tsy te hanampy zokiolona hanao raharaha any an-tranony izany mihitsy aho, rehefa asabotsy tolakandro. Ny miala voly miaraka amin’ny namako no tiako. Rehefa tena niaraka tamin’ireny zokiolona ireny anefa aho, dia hitako fa nahafinaritra be. Nanjary fantatro fa olona toa ahy ihany izy ireny, ary efa mba tanora koa taloha. Nandrisika ahy hanampy azy ireo izany.—John, 27 taona, Angletera.

Nandray anjara tamin’ny fanadiovana Efitrano Fanjakana sy tamin’ny asa maro hafa aho, tamin’izaho mbola kely kokoa. Nahafinaritra ahy koa ny nampiasa ny heriko, mba hanampiana ny olona teo anivon’ny fiangonana. Rehefa manampy ny hafa ianao, dia hitanao fa tena faly izy ireo. Nanisy temitra ny tranon’ny anabavy zokiolona iray izahay, indray mandeha. Faly be mihitsy ilay anabavy! Manjary faly koa ianao, rehefa mampifaly ny hafa.—Hermann, 23 taona, Frantsa.

[Sary, pejy 24]

Ankizy sy tanora maro no manome vola mba hanampiana ny tra-boina