Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ankizy Nanam-pinoana

Ankizy Nanam-pinoana

Ankizy Nanam-pinoana

NANOMBOKA nanatrika tsindraindray ny fianarana Baiboly nataon-dreniny i Dustin, tamin’izy 11 taona. Niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mantsy ny reniny. Mbola kely izy, nefa tena lalin-tsaina sady nametraka fanontaniana voahevitra tsara. Naniry hianatra Baiboly koa izy tatỳ aoriana kely, ary ilay vehivavy misionera taloha, izay nampianatra an-dreniny ihany, no nangatahiny hampianatra azy. Niresaka ny zavatra nianarany tamin’ny mpiara-mianatra taminy koa izy.

Nanomboka nivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana teo an-toerana, i Dustin, ary nanome valin-teny mihitsy aza, rehefa nasaina nandray anjara ny mpanatrika. Nisy fotoana nitsidihan’i Dustin sy ireo zandriny an-drainy, izay efa nisaraka tamin-dreniny. Noteren’ilay rainy hiaraka aminy ho any am-piangonana izy ireo tamin’izay. Nanazava anefa i Dustin fa tiany kokoa ny handeha ho any amin’ny Efitrano Fanjakana. Navelan’ny rainy ho any àry izy.

Tsy hitan’ny reniny i Dustin indray hariva, rehefa nirava ny fivoriana tao amin’ny Efitrano Fanjakana. Tsy niteny tamin-dreniny akory izy, fa tonga dia nanatona ny mpiandraikitra ny Sekoly, ary nilaza taminy ny faniriany hisoratra anarana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Tsy nanda izany ny reniny. Tsy andriny erỳ ny fotoana hanaovany ny anjarany voalohany. Nanomboka nisy nanaintaina be anefa tao amin’ny maojany tamin’io fotoana io, ary nentina tany amin’ny dokotera maro izy mba hanaovana fizaham-pahasalamana. Tonga ihany ilay fotoan-dehibe hanaovan’i Dustin ny anjara sekoliny voalohany. Lasa nitondra tehina izy tamin’izay. Tsy nitondra izany anefa izy rehefa nankeny amin’ny lampihazo, na dia hita aza fa nanaintaina.

Fantatra, tsy ela tatỳ aoriana, fa voan’ny kanseran’ny taolana i Dustin. Notsaboina tao amin’ny hopitalin’ny ankizy tany San Diégo, Kalifornia, izy ary saika ny taona nanaraka manontolo no nolaniny tao. Nandalo fitsaboana simika sy tamin’ny alalan’ny taratra izy. Notapahina koa ny tongony havanana sy ny taola-maojany. Tsy nisy nampihena ny finoany sy ny fitiavany an’i Jehovah anefa izany. Rehefa tena reraka izy ka tsy nahavita namaky teny, dia ny reniny izay tsy niala firy teo anilany no nanao izany ho azy.

Tsy mba nitaraina mihitsy i Dustin, na dia niharatsy aza ny toe-pahasalamany. Nivezivezy tamin’ny seza misy kodiarana kosa izy, ka nampahery ny marary hafa sy ny ray aman-drenin’izy ireo, anisan’izany ny marary Vavolombelona iray. Tsikaritry ny mpiasan’ny hopitaly, fa hafa mihitsy i Dustin sy io marary Vavolombelona io, satria tena nanatanjaka azy ireo ny finoany.

Naniry hatao batisa i Dustin. Niara-nidinika taminy ny fanontaniana ho an’ireo maniry hatao batisa àry ny anti-panahy kristianina. Nandry teo ambony seza lava i Dustin nandritra ireo fiaraha-midinika, satria reraka loatra izy ka tsy afa-nipetraka. Natao batisa tamin’ny fivoriamben’ny faritra izy, ny 16 Oktobra 2004, tamin’izy 12 taona sy tapany.

Nentina tamin’ny seza misy kodiarana ho eny amin’ny toeran’ireo mpilatsaka hatao batisa i Dustin, rehefa hanomboka ny lahatenin’ny batisa. Rehefa nasaina nitsangana ry zareo, dia nitsangana tamin’ny tongony ilany koa i Dustin, nanao ilay kompileny tsara indrindra, ary nitehina tamin’ny seza. Novaliany tamin’ny feo avo sy mazava ireo fanontaniana amin’ny batisa. Nanatrika teo ny fianakavian’i Dustin rehetra, anisan’izany ny rainy sy ny renikeliny. Tonga teo koa ny mpiasan’ny hopitaly sy ny ray aman-drenin’ireo ankizy hafa voan’ny kansera tany amin’ny hopitaly.

Niverina tany amin’ny hopitaly i Dustin, ny ampitson’iny. Efa nihanaka tany amin’ny taolany rehetra ilay kansera. Nihareraka hatrany izy ary tsapany fa tsy ho ela dia ho faty. Nanontany an-dreniny àry izy raha izany tokoa no izy. “Nahoana ianao no manontany an’izany?” hoy ny reniny. “Matahotra ny ho faty angaha ianao?”

Namaly izy hoe: “Tsy matahotra aho ka. Akimpiko fotsiny ny masoko, ary rehefa ahiratro indray izany amin’ny fotoana hitsanganan’ny maty, dia toy ny hoe vao iray segondra no nanakimpiako azy. Tsy hisy haharary ahy intsony amin’izay fotoana izay.” Nanazava izy avy eo hoe: “Ny havako fotsiny no mampanahy ahy.”

Maty i Dustin ny volana nanaraka. Nanatrika ny fandevenana azy ny dokotera, mpitsabo mpanampy, ny mpiasan’ny hopitaly sy ny fianakaviany, mpampianatra, mpiray tanàna, ary koa ny fianakavian’i Dustin, na Vavolombelon’i Jehovah na tsia. Niangavy i Dustin, mba hanaovana fanambarana tsara momba ny finoany izay rehetra manatrika ny lahatenim-pandevenana azy. Indray mandeha ihany i Dustin fony fahavelony no nahazo anjara tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Ilay mpiandraikitra an’io sekoly io, izay nanome azy izany anjara tokana izany, no nanao ny lahatenim-pandevenana. Tena tsara sy nampahery ilay izy, ary maro no nihaino izany na dia voatery nitsangana aza ny ankamaroany.

Natao pirinty ho an’ny mpanatrika ny roa tamin’ireo andinin-teny tian’i Dustin indrindra: Matio 24:14 sy 2 Timoty 4:7. Tena nampahery an’izay rehetra nahafantatra an’i Dustin ny tsy fivadihany sy ny finoany matanjaka. Tsy andrintsika ny hitsenana azy amin’ny fotoana hitsanganan’ny maty.—Notantarain’ilay Vavolombelona nampianatra Baiboly an’i Dustin.

[Teny notsongaina, pejy 27]

“Efa niady ny ady tsara aho, efa nahavita ny fihazakazahako aho, efa nihazona ny finoana aho.”—2 Timoty 4:7.

[Sary, pejy 26]

Ambony: Dustin, tamin’izy mbola salama tsara

[Sary, pejy 26]

Ambany: Natao batisa i Dustin, tamin’izy 12 taona sy tapany