Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Mety Handevozin’ny Toaka ve Ianao? (8 Oktobra 2005) Efa maro ny taratasin’ny mpamaky novakiko, nilaza hoe: “Tena tonga tamin’ny fotoana nilana azy iny lahatsoratra iny.” Tsy mba nampoiziko hoe hiteny toy izany koa aho. Izany mihitsy anefa no tsapako rehefa namaky an’io andian-dahatsoratra io aho. Efa elaela ihany no tsy nampandry saina ahy ny habetsahan’ny toaka sotroiko isan’andro, na dia mbola tsy niafara tamin’ny fimamoana aza izany. Tamin’izay indrindra no tonga io andian-dahatsoratra io. Novakiko tao ny amin’ny voka-dratsin’ny fisotroana tafahoatra, ka tsapako fa tonga ny fotoana tokony hialako amin’izy io.

K. W., Alemaina

Noresahin’io andian-dahatsoratra io ny momba an’i Hilario, izay nisotro toaka nandritra ny 30 taona ary “lavo imbetsaka.” Nilaza izy hoe “teo foana” ireo namany tao amin’ny fiangonana ‘mba hampahery azy.’ Tsy tokony ho nomena fananarana ve anefa izy, na ho voaroaka tsy ho anisan’ny fiangonana mihitsy aza?

R. L., Etazonia

Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Tsy voalaza ao amin’ilay firesahana fohy momba an’i Hilario hoe taiza ho aiza tamin’ireo 30 taona niadiany tamin’ny toaka izy no tonga Kristianina vita batisa. Tsy voalaza ao koa hoe efa nananatra azy ve sa tsia ny anti-panahin’ny fiangonana. Milaza anefa ilay lahatsoratra hoe nomena “torohevitra avy ao amin’ny Baiboly tamin’ny fotoana nilana azy” i Hilario. Komitim-pitsarana mazàna no manao izany. Lavo ihany indraindray ny olona toa an’i Hilario izay miady amin’ny fiankinan-doha amin’ny toaka. Jereo “Ny Tilikambo Fiambenana” 1 Novambra 1983, pejy 8-11, mba hahitanao ny fomba handaminana ny raharaha toy ireny, rehefa Kristianina vita batisa no manao izany.

Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana Aho no Voasariky ny Naman-dratsy? (8 Aogositra 2005) Io lahatsoratra io no nanampy ahy hahatsapa, fa tokony ho hentitra aho momba ny tanjona tiako hotratrarina. Nanapa-kevitra ny hisaraka tanteraka tamin’ny naman-dratsy àry aho. Mifandray akaiky amin’ny olona maro eo anivon’ny fiangonana aho izao, ary misy antitra sy tanora amin’izy ireny. Tia an’i Jehovah izy ireo, ary mampirisika ahy hanaraka foana ny lalan’ny fiainana. Lasa tsapako ny fitiavan’izy ireo ahy.

M. D., Meksika

Tapa-kevitra Aho Hanatratra ny Tanjoko (8 Jolay 2005) Nikoriana teo amin’ny tavako ny ranomasoko, rehefa namaky ny tantaran’i Martha aho. Voan’ny androbe koa aho, ary mpitory ny vaovao tsara manontolo andro efa folo taona izay. Sahirana aho indraindray, indrindra rehefa mihetsika ny aretiko. Vao mainka tapa-kevitra mafy ny tsy hiala anefa aho noho ny tantaran’i Martha. Tena nampionona ahy ilay izy.

J. S., Polonina

Mitovy ny olana atrehinay sy Martha. Nanomboka nitandrina ny sakafoko koa aho rehefa avy namaky ny tantarany. Navelako hisakana ahy tsy hanompo an’i Jehovah bebe kokoa ny androbe, nandritra ny folo taona mahery. Nanapa-kevitra ny ho mpitory ny vaovao tsara manontolo andro anefa aho, efa ho telo taona lasa izay, ary tsy manenina mihitsy. Hotahin’i Jehovah anie ianareo noho ireny tantara mampahery avoakanareo ireny!

B.C.C., Brezila

Tsy nety kivy mihitsy i Martha, ary izany no tena nampahery ahy tamin’io lahatsoratra io. Voatery nitsahatra tamin’ny fanompoana manontolo andro izy, nefa nahay nandanjalanja sady natoky fa faly amin’ny fanompoana azy amin’ny fo manontolo i Jehovah.

S. H., Japon

Miatrika toe-javatra toy ny an’i Martha aho, ka tsy maintsy manaiky fa voafetra ny zavatra mety ho vitako. Mpitory ny vaovao tsara manontolo andro toa azy koa aho, ka tena nampahery ahy ny tantarany.

F. G., Soisa