Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Hatsaran’izay Boky Izany!”

“Hatsaran’izay Boky Izany!”

“Hatsaran’izay Boky Izany!”

Mahafinaritra erỳ ny mamaky an’io boky io. Tena mandaitra ireo fanoharana, ary mahasoa ireo Fanazavana Fanampiny. Manohina ny fo tokoa ilay izy. Hatsaran’izay Boky izany!—John sy Paula.

“Tena variana ianao rehefa mahita fa tsotra sy mazava ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Azo antoka fa handrisika ny mpianatra Baiboly hanaisotra izay mety ho vato misakana azy amin’ny fandrosoany izy io, ka hahatonga azy hanompo an’i Jehovah amin’ny fony manontolo. Azonareo an-tsaina angamba fa tsy hay lazaina ny hafaliako noho io boky io.”—Joe.

“Ny zavatra manitikitika ny sain’ny olona mihitsy no navoakanareo, izany hoe izay tena mampanahy azy. Miorina amin’ny Baiboly daholo koa ny fanazavana nomenareo.”—Robert.

“Tena tsara izany raha boky! Mora azo ny fehezanteny ary mahafinaritra ny fanazavana ao anatiny. Azo antoka fa hanohina ny fon’ny olona maro izy io.”—Norma.

Feno sary miloko ao anatin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, ary misy amin’ny fiteny 140 mahery izy io ankehitriny. Raha te hanafatra an’io boky 224 pejy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.