Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Ranon-javatra Sarobidy Indrindra?

Inona no Ranon-javatra Sarobidy Indrindra?

Inona no Ranon-javatra Sarobidy Indrindra?

“Tena ilaina amin’ny fitsaboana ny ra, toy ny ilana ny solika amin’ny fitaterana.” —Arthur Caplan, lehiben’ny sampam-pianarana momba ny fitsipika mifehy ny fitsaboana, Oniversiten’i Pennsylvanie.

NY SOLIKA ve no ranon-javatra sarobidy indrindra? Mety ho maro no hilaza hoe eny. Nidangana be mantsy ny vidin’ny solika tato ho ato. Mbola misy ranon-javatra sarobidy lavitra noho ny solika anefa. Misy enina ka hatramin’ny valo litatra amin’izy io mikoriana ao amin’ny vatan’ny olon-dehibe tsirairay. Eritrereto ange e! Solika an’arivony tapitrisa litatra no alaina avy any ambanin’ny tany isan-taona, mba hamatsiana ny olona. Ra 40 tapitrisa litatra mahery kosa no alaina avy amin’ny olona, mba hanampiana ny marary. Tena betsaka izany, satria ran’olona valo tapitrisa eo ho eo amin’ny fitambarany.

Toa mbola tsy ampy toy ny solika ihany anefa ny tahirin-dra, ka manahy ny mpitsabo eran-tany. (Jereo ilay efajoro hoe “Mitady Ra Amin’ny Fomba Rehetra.”) Nahoana tokoa ny ra no tena sarobidy?

Taova hafakely

Tena mahavariana ny ra satria be pitsiny. Matetika àry no misy milaza fa anisan’ny taova ao amin’ny vatana izy io. Hoy ny Dr. Bruce Lenes, tamin’ny Mifohaza!: “Iray amin’ireo taova maro ao amin’ny vatana ny ra. Tena mahavariana izy io, sady hafakely.” Hafakely tokoa ny ra! Misy boky milaza fa ny ra no “hany ranon-javatra ao amin’ny vatana, antsoina hoe taova.” Antsoin’io boky io hoe “fitaovam-pitaterana velona” koa ny ra. Nahoana?

Ampitovin’ilay mpahay siansa, atao hoe Leigh Anderson, amin’ny rano mikoriana ny ra. “Mitondra zavatra mahasoa maro izy io”, hoy izy, “nefa mitondra loto be dia be koa.” Rehefa mikoriana any amin’ireo lalan-dra mirefy 100 000 kilaometatra ao amin’ny vatana tokoa ny ra, dia saika andalovany daholo ny sela rehetra. Anisan’izany ny sela ao amin’ireo taova iankinan’ny aina, toy ny fo, voa, aty, ary havokavoka. Mikarakara ny ra ireo taova ireo, nefa koa miankina aminy.

Mitondra “zavatra mahasoa” maro any amin’ny sela ny ra, anisan’izany ny oksizenina sy ny zavatra hafa mamelona na miaro ny vatana. Mitondra “loto” avy any amin’ny sela koa anefa izy io, toy ny gazy karbonika misy poizina sy ny sela simba na efa ho faty. Mety hampidi-doza àry ny mikasika ra nivoaka avy tao amin’ny vatana. Tsy misy afaka milaza mihitsy koa hoe efa hita sy voala tanteraka ny “loto” rehetra ao amin’ny ra, alohan’ny hampidirana azy ao amin’ny olon-kafa.

Tena ilaina anefa ny ra mba hahavelona. Fanaon’ny mpitsabo àry ny mampiditra ra amin’ny marary very ra be. Mety hilaza ny maro amin’izy ireo fa izany no mahatonga ny ra ho tena sarobidy. Misy fiovana anefa izao eo amin’ny sehatry ny fitsaboana. Azo lazaina hoe fiovana lehibe ilay izy, ary efa hita tsikelikely. Tsy maika hampiditra ra toy ny taloha intsony ny dokotera sy ny mpandidy maro. Nahoana?

[Efajoro/​Sary, pejy 4]

Mitady Ra Amin’ny Fomba Rehetra

Isan-taona dia ra 90 tapitrisa litatra fanampiny no ilaina eran-tany, araka ny tombantomban’ny mpitsabo. Mipetraka atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana ny 82 isan-jaton’ny mponina eto an-tany, nefa 40 isan-jato latsaka monja amin’ny ra rehetra omen’ny olona eran-tany, no avy atỳ. Maro amin’ny hopitaly atỳ no tsy mampiditra ra rehefa mitsabo. ‘Efa ho ny antsasaky ny fitsaboana ilana fampidiran-dra no foanana na ahemotra, isan’andro, noho ny tsy fahampian’ny tahirin-dra’, hoy ny gazety Ny Firenena (anglisy), atsy Kenya.

Tsy ampy koa ny tahirin-dra any amin’ny tany manankarena. Mihamaro mantsy ny fandidiana atao any, satria mihantitra ny mponina ary mihamandroso ny fitsaboana. Ankoatra izany, dia mihabetsaka ny mpanome ra tsy nekena tato ho ato. Atahorana hamindra aretina mantsy izy ireny noho ny fitondran-tenany. Misy koa efa nandeha tany amin’ny toerana be aretina na be katsentsitra mifindra amin’ny alalan’ny ra.

Mitady ny fomba rehetra ahazoana ra àry ny sampan-draharaha sasany miandraikitra ny tahirin-dra. Ny tanora indraindray no ampirisihin’izy ireo hanome ra, satria matetika izy ireny no tsy dia atahorana hamindra aretina. Mpianatra, ohatra, no manome ny 70 isan-jaton’ny ra atsy Zimbabwe. Misokatra ela kokoa isan’andro, ny sampan-draharaha sasany mpandray olona te hanome ra. Avelan’ny firenena sasany homena valisoa mihitsy aza ny olona manome ra, mba hiverina indray amin’ny manaraka. Nisy fanentanana natao, ohatra, tany amin’ny Repoblika Tseky, ka nolazaina tamin’izany fa homena izay labiera laniny ny olona manome ra! Vao haingana, dia nitety trano ny manam-pahefana tany amin’ny faritra iray any Inde, mba hitady olona vonona hanome ra, satria lany ny tahirin-dra.