Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lasa Anjely ve ny Olona Rehefa Maty?

Lasa Anjely ve ny Olona Rehefa Maty?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Lasa Anjely ve ny Olona Rehefa Maty?

ZAZAVAVIKELY vao fito taona monja i Argyro tamin’izy maty. Nalahelo mafy ny ray aman-dreniny teo am-pijerena azy nampanaovina akanjo fotsy sy natao tao anaty vatam-paty. Izao no nolazain’ny mpitondra fivavahana iray mba hampiononana azy ireo: “Nila anjely hafa Andriamanitra, ka nalainy hiaraka aminy i Argyro kely. Manidintsidina manodidina ny seza fiandrianan’ilay Mahery Indrindra izao ny fanahiny.”

Maro ny olona tena mino fa lasa anjely ny fanahin’ny olona nodimandry, na dia vitsy ihany aza ny fivavahana manaiky amin’ny fomba ofisialy an’io hevitra io. Nampahalaza an’io hevitra io ny boky sy filma ao amin’ny tele izay miresaka momba ny maty. Lazaina fa ‘nahazo elatra’ ary nekena ho anjely ireo olona maty, rehefa avy nanampy sy niaro ny velona.

Ho afaka hanantena marina ve ianao fa ho lasa anjely ny havanao rehefa maty? Inona no ampianarin’ny Baiboly momba izany? Mba hamaliana izany dia andeha aloha isika handinika, hoe inona marina no lazain’ny Soratra Masina momba ny anjely, sy ny hoe manao ahoana marina ny olona rehefa maty.

Zavaboary hafakely ny anjely

Mpanompon’Andriamanitra any amin’ny faritra tsy hita maso ny anjely. Tsy hita maso izy ireo sady mahery. Tsy mifampiankina amin’ny fisian’olombelona ny fisian’ny anjely. Zavaboary ara-panahy noforonin’Andriamanitra ny anjely. Hoy ny Baiboly: “Aoka hidera ny anaran’i Jehovah ireo [anjely]; fa Izy no nandidy, dia ary ireo.”—Salamo 148:2, 5.

Milaza ny Baiboly fa misy anjely mahatoky an-tapitrisany mankatò an’Andriamanitra, ka manatontosa ny andraikiny araka ny toerana tanany sy ny fanendrena azy avy. Anisan’izany ny serafima sy ny kerobima. (Salamo 103:20, 21; Isaia 6:1-7; Daniela 7:9, 10) Tsy maintsy nisy olona maty ve vao afaka nampisy ireo anjely rehetra ireo Andriamanitra? Tsy azo inoana mihitsy izany. Nahoana?

Asehon’ny Baiboly fa noforonina ela be talohan’ny olombelona ny anjely. Milaza mantsy izy io, fa ‘niara-nihira sy nihoby avokoa ny kintan’ny maraina’ tamin’ny fotoana namoronan’i Jehovah ny tany. (Joba 38:4-7) Ela be tatỳ aoriana anefa izy vao nametraka ny olombelona teo ambonin’io planeta io, ary ny hoe kintan’ny maraina dia fomba kanto iantsoana ny anjely. Efa nisy an-taonany maro tsy hita isa talohan’ny namoronana ny olombelona àry ny anjely.

Tsy mitovy koa ny toetoetran’ny olona sy ny anjely mbamin’ny anjara asan’izy ireo ao amin’ny fikasan’i Jehovah. * Namorona ny olona ho “ambany kely noho ny anjely” Andriamanitra. (Hebreo 2:7) Tena azo lazaina àry hoe mahery noho ny olombelona ny anjely, satria ambony kokoa ny fahaizany misaina, ary lehibe kokoa ny heriny. Ny lanitra no “fonenana sahaza” ny anjely. (Joda 6) Raha ny amin’ny olona kosa, dia fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany ny hiainan’izy ireo mandrakizay eto an-tany. (Genesisy 1:28; 2:17; Salamo 37:29) Tsy ho faty mihitsy ilay mpivady voalohany, raha nankatò an’Andriamanitra. Samy hafa hatrany am-piandohana àry ny toerana tanan’ny anjely sy ny olona, ao amin’ny fikasan’Andriamanitra.

Manao ahoana ny olona rehefa maty?

Izao avy no fanontaniana lehibe hafa mila dinihintsika: Inona no mitranga amin’ireo olona maty? Moa ve izy ireo mbola misy amin’ny endri-piainana hafa, angamba lasa anjely any amin’ny faritra tsy hita maso? Izao no valin-teny tsotra sy mazava omen’ny Baiboly: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona.” (Mpitoriteny 9:5) Tsy misy intsony àry ny olona rehefa maty. Tsy miaina na mahatsapa na mahalala na inona na inona intsony izy.

Misy fanantenana ve ho an’ny maty? Eny! Milaza ny Baiboly fa ny hatsangana amin’ny maty no fanantenan’ny olona maro efa maty. Hatsangana ho olombelona ny ankamaroany ary hiaina ao amin’ny paradisa an-tany.—Lioka 23:43; Jaona 5:28.

Misy olona vitsivitsy koa manantena ny hatsangana mba hiaina any an-danitra. Vitsy ihany ny isan’izy ireo, satria 144 000 amin’ny fitambarany. Samy hafa tanteraka amin’ireo zavaboary ara-panahy antsoina matetika hoe anjely anefa ireo 144 000. Ho lasa mpanjaka sy mpisorona tsy mety maty hiaraka amin’i Kristy, ohatra, izy ireo, ary manana fahefana hitsara. (1 Korintianina 6:3; Apokalypsy 20:6) Zazakely efa maty ve izy ireo? Tsia. Kristianina efa tena voasedra sy notsapaina izy ireo!—Lioka 22:28, 29.

Eritrereto koa ny tsy fitovian’ny olona efa maty sy ny anjely velona. “Tsy mba mahalala na inona na inona” ny olona maty. Ny anjely kosa mahatsiaro saina tanteraka, ary afaka manapa-kevitra, satria manan-tsafidy. (Genesisy 6:2, 4; Salamo 146:4; 2 Petera 2:4) Lazaina hoe “tsy velona” na tsy manan-kery intsony ny maty. Ny anjely kosa lazaina hoe “mahery indrindra.” (Isaia 26:14; Salamo 103:20) Maty noho ny ota sy ny tsy fahalavorariana ny olombelona taranak’i Adama, fa lavorary kosa ireo anjely matahotra an’Andriamanitra, ary ankasitrahany tanteraka.—Matio 18:10.

Tsy mifototra amin’ny Soratra Masina ilay hevitra hoe fanahin’ireo maty ny anjely, na dia izany aza no resahin’ireo fandaharana na filma ao amin’ny tele. Manampy antsika tsy ho diso hevitra momba ny hiafaran’ireo havan-tiantsika nodimandry ny fahamarinana ara-baiboly nohazavaina tato amin’ity lahatsoratra ity. Manamafy koa ny Baiboly fa mpanompon’Andriamanitra mahery sy ambony noho ny olombelona ireo anjely mahatoky, ary noforonina mitokana, fa tsy hoe olombelona natsangana tamin’ny maty. Vonona hanao ny sitrapon’i Jehovah foana izy ireo. Mahafaly fa anisan’ny sitrapon’Andriamanitra ny hampiasany ireo anjely hiaro sy hanampy an’ireo tena manaja an’i Jehovah sy tena miezaka manompo azy.—Salamo 34:7.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Midika ara-bakiteny hoe “mpitondra hafatra” ny hoe “anjely.” Azo anondroana zavatra maro io teny io. Anisan’izany ireo zavaboary ara-panahy isan-karazany sy ny olombelona mpanompon’Andriamanitra. Ireo zavaboary ara-panahy antsoin’ny Baiboly matetika hoe anjely anefa no resahinay ato amin’ity lahatsoratra ity.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

Anjely manompo an’Andriamanitra any an-danitra ve izao ireo havanao efa maty? —Mpitoriteny 9:5, 10.

Maty ve ny ankizy, satria te hampitombo ny isan’ny anjely Andriamanitra? —Joba 34:10.

Afaka mitsangana mba hiaro ny velona ve ny maty?—Isaia 26:14.

[Teny notsongaina, pejy 29]

“Aoka hidera ny anaran’i Jehovah ireo [anjely]; fa Izy no nandidy, dia ary ireo.” —Salamo 148:2, 5