Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mbola Hisy Foana ve ny Fampidiran-dra?

Mbola Hisy Foana ve ny Fampidiran-dra?

Mbola Hisy Foana ve ny Fampidiran-dra?

‘Mbola hahita olana foana ny mpitsabo manao fampidiran-dra. Mitovitovy amin’ny olona mamakivaky ala mikitroka izy ireo. Efa mazava ny lalan-kizorana, saingy mbola ilaina ihany ny mitandrina eny am-pandehanana. Mbola mety hisy loza hafa tsy hita any amin’ny sampanan-dalana manaraka, ka ho voa izay tsy mailo.’—Ian Franklin, profesora momba ny fampidiran-dra.

REHEFA nihanaka naneran-tany ny SIDA nanomboka tamin’ny taona 1980, dia nanjary fantatra fa ‘mety hampidi-doza’ ny ra. Nisy ezaka bebe kokoa natao àry mba hiadiana amin’izany. Mbola misy olana goavana foana anefa. Hoy ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, tamin’ny Jona 2005: ‘Tsy voatery ho azo antoka ny fampidiran-dra any amin’ny tany sasany, na dia azo antoka ihany aza ny any an-tany hafa.’ Nahoana?

Tsy misy fepetra natao hanaraha-maso ny fakana sy fitsirihana ary fitaterana ra na fanafody misy ra, any amin’ny tany maro. Tsy voatahiry tsara akory aza indraindray ny ra. Misy apetraka fotsiny ao anaty fitaovana fitahirizana sakafo na frizidera maloto! Mety hahazo aretina anefa ny marary raha tsy misy ny fepetra fanaraha-maso ny ra, indrindra raha avy amin’olona any amin’ny an-jatony na an’arivony kilaometatra ilay izy.

Sarotra ny hahita ra tsy misy aretina

Misy firenena milaza fa azo antoka noho ny taloha ny tahirin-dra ananany. Mbola ilaina anefa ny mitandrina. Nilaza toy izao tao amin’ny trakta iray ny sampan-draharaha amerikanina telo miandraikitra ny tahirin-dra: “FAMPITANDREMANA: Avy amin’olombelona ny ra sy ny taharony, ka mety hamindra otrikaretina, anisan’izany ny virosy. ... Mety hitranga foana izany na dia efa voafidy tsara aza ny olona mahazo manome ra, ary na dia efa nanaovana fitsirihana aza ilay ra.”

Tsy mahagaga raha nilaza toy izao i Peter Carolan, talen’ny Federasiona Iraisam-pirenen’ny Fikambanana Vokovoko Mena sy Tsinam-bolana Mena: “Tsy misy afaka milaza mihitsy fa azo antoka tanteraka ny tahirin-dra ananany. Mbola hisy foana ny aretina vaovao tsy ho hita avy hatrany, satria mbola tsy misy fomba azo itsirihana azy.”

Ahoana tokoa moa raha misy otrikaretina vaovao mipoitra indray? Aoka hatao hoe mitovy amin’ny SIDA izy io, satria tsy hita amin’ny fitsirihana raha tsy ela be atỳ aoriana, nefa mifindra avy hatrany amin’ny alalan’ny ra. Tokony hampieritreritra antsika izany, araka ny tenin’ny Dr. Harvey Klein, avy amin’ny Fikambanana Amerikanina Misahana ny Fahasalamana, tao amin’ny kaonferansa iray momba ny fitsaboana, natao tany Prague, any amin’ny Repoblika Tseky, tamin’ny Aprily 2005. Hoy koa izy: “Tsy nahavita nisakana ny aretina mifindra avy amin’ny fampidiran-dra ny sampan-draharaha mpanangona taharo fototry ny ra, fony vao nihanaka ny SIDA. Mbola tsy hahavita izany koa izy ireo amin’ny hoavy.”

Fahadisoana sy tsy fahazakana fampidiran-dra

Inona no tena mitera-doza ho an’ny marary ampidiran-dra any amin’ny tany mandroso? Eo ny fahadisoana ataon’ny mpikarakara an’ilay ra. Nilaza, ohatra, ny gazety Gilaoby sy Taratasy (anglisy), fa nisy fanadihadiana natao tany Kanada tamin’ny 2001, ka hita fa an’arivony tamin’ny olona nampidiran-dra no saika maty noho ny fahadisoana nataon’ny mpikarakara ra. “Marary tsy izy indray no nakan’izy ireo santionan-dra na nasainy nampidiran-dra. Nisy koa nampifandiso ny fanazavana teo amin’ny santionan-dra.” Olona 441, fara fahakeliny, no maty tany Etazonia, teo anelanelan’ny 1995 sy 2001, noho ny fahadisoana toy izany.

Misy koa marary tsy mahazaka fampidiran-dra. Mitovy amin’ny zavatra mety hanjo ny olona namindrana taova no mety hanjo ny olona nampidiran-dra. Matetika no toherin’ny hery fiarovana izay sela miditra ao amin’ny vatana. Lasa tsy miasa mihitsy aza ny hery fiarovan’ny olona sasany nampidiran-dra, ka mora voan’ny aretina mpitranga aorian’ny fandidiana izy. Lasa matanjaka koa ny virosy ao aminy. Tsy mahagaga ny Profesora Franklin, ilay voaresaka tetsy aloha, raha mampirisika ny dokotera mba “hieritreritra tsara alohan’ny hampidirany ra amin’ny marary.”

Mitsotra ny marina ny manam-pahaizana

Mihamaro àry ny mpitsabo mandinika kokoa momba ny fampidiran-dra. Hoy ny boky Fanazavan’i Dailey Momba ny Ra (anglisy): ‘Misy dokotera milaza fa fanafody mampidi-doza ny ra avy amin’olon-kafa, ary mety ho efa norarana, raha nampiharina taminy ny fepetra takina amin’ny fanafody hafa.’

Hoy koa ny Profesora Bruce Spiess, tamin’ny faramparan’ny taona 2004, momba ny fampidirana taharo fototry ny ra ao amin’ny marary nodidiana fo: “Zara raha misy na tsy misy mihitsy aza ny lahatsoratra [momba ny fitsaboana] milaza fa manatsara ny marary nodidiana fo ny fampidiran-dra.” Hoy kosa izy: ‘Vao mainka mety hahita loza ny ankamaroan’ny olona ampidiran-dra. Ratra ihany angamba no mety tsy hahazo azy. Mety ho mora tapaka lalan-dra izy, na ho voan’ny pnemonia na aretim-po na aretina hafa.’

Ho gaga ny olona maro raha ilazana fa miovaova tsy araka ny ieritreretana azy ny fepetra momba ny fampidiran-dra. Vao haingana, ohatra, dia nampahatsiahy ny mpiara-miasa aminy any Silia ny Dr. Gabriel Pedraza, fa ‘tsy tena misy fitsipika mazava momba ny fampidiran-dra, ka sarotra ny mametraka fitsipika ekena maneran-tany’ momba azy io. Tsy mahagaga àry raha mangataka amin’ny dokotera rehetra i Brian McClelland, talen’ny Sampan-draharaha Momba ny Fampidiran-dra any Édimbourg sy Ekosy, mba “hitadidy fa famindrana taova ny fampidiran-dra, ka tokony hoeritreretina tsara na hatao na tsia.” Nanoro hevitra ny dokotera izy mba hanontany tena hoe: “Hanaiky fampidiran-dra ve aho raha ny tenako na zanako ity marary ity?”

Be dia be izao ny mpitsabo milaza ny heviny momba ny fampidiran-dra. Anisan’ireny ny mpahay siansa iray momba ny ra, niresaka tamin’ny Mifohaza! Hoy izy: “Tsy te hampidiran-dra na hampiditra ra amin’olona izahay manam-pahaizana momba ny fampidiran-dra.” Raha izany no hevitry ny manam-pahaizana sasany ara-pitsaboana, ahoana kosa no tokony ho hevitry ny marary?

Hiova ve ny fomba fitsaboana?

Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Raha mitondra loza be dia be toy izany ny fampidiran-dra, nahoana no mbola be mpanao foana, nefa misy fitsaboana hafa azo asolo azy?’ Betsaka ny antony mahatonga izany. Maro, ohatra, ny dokotera tsy mazoto tsotra izao hampiasa fomba fitsaboana hafa, na tsy mahalala fa efa misy izany ankehitriny. Milaza koa ny gazety Fampidiran-dra (anglisy), fa “miankina amin’ny zavatra nianaran’ny dokotera na ny fanao ao amin’ny toerana iasany, na ny ‘fahitany an’ilay marary’ no ampidirany ra aminy na tsia.”

Miankina amin’ny fahaizan’ny dokotera mametra ny habetsahan’ny ra very koa anefa izany. Nilaza ny Dr. Beverley Hunt, avy any Londres, any Angletera, fa ‘miovaova be ny habetsahan’ny ra very, arakaraka ny mpandidy. Mihamaro àry ny olona mahita fa tokony hampianarina fomba fampijanonana ra ny mpandidy.’ Misy koa milaza fa lafo loatra ireo fitsaboana hafa mahasolo fampidiran-dra, na dia voaporofo aza fa tsy marina izany. Azo inoana anefa fa maro ny dokotera hiray hevitra amin’ny Dr. Michael Rose, tompon’andraikitra ambony eo amin’ny sehatry ny fitsaboana, izay nilaza hoe: “Ny fandidiana tsy ampiasana ra no tsara indrindra.” *

Azo inoana fa izany no karazana fitsaboana tianao, sa tsy izany? Raha eny, dia miray hevitra amin’ny olona nanome anao an’ity gazety ity ianao. Hafa mihitsy ny fiheveran’izy ireo ny fampidiran-dra. Vakio ny lahatsoratra manaraka, mba hahafantaranao izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 19 Jereo ilay efajoro hoe “Fitsaboana Mahasolo Fampidiran-dra”, eo amin’ny pejy 8.

[Teny notsongaina, pejy 6]

‘Mieritrereta tsara alohan’ny hampidirana ra amin’ny marary.’—Profesora Ian Franklin

[Teny notsongaina, pejy 6]

“Hanaiky fampidiran-dra ve aho raha ny tenako na zanako ity marary ity?”—Brian McClelland

[Efajoro/​Sary, pejy 7]

Matin’ny TRALI

Toherin’ny hery fiarovana indraindray ny ra ampidirina ao amin’ny vatana, ka miteraka aretina mahery ao amin’ny havokavoka. TRALI no anaran’ilay aretina, ary mahafaty izy io. Taoriana kelin’ny taona 1990 no nahitana azy io voalohany. Fantatra izao fa an-jatony no matiny isan-taona. Milaza anefa ny manam-pahaizana fa mety ho be lavitra noho izany no maty, fa tsy fantatry ny dokotera maro fotsiny ny soritr’aretina. Mbola tsy mazava ny antony mahatonga ny hery fiarovana hanohitra ilay ra. Milaza anefa ny gazety Mpahay Siansa Vaovao (anglisy), fa ‘mety ho ra avy amin’olona efa nampidirana sokajin-dra isan-karazany no tena mahatonga ilay aretina.’ Anisan’ny aretina tena mahafaty ny olona nampidiran-dra tany Etazonia sy Grande-Bretagne izao ny TRALI, araka ny tatitra iray. Io indray àry no “manahirana kokoa an’ireo sampan-draharaha miandraikitra ny tahirin-dra, noho ny virosy malaza toy ny VIH.”

[Efajoro/​Kisary, pejy 8, 9]

Ny Taharon’ny Ra

Ra manontolo amin’ny ankapobeny no omen’ny olona. Maro koa anefa no manome ranon-dra fotsiny. Misy dokotera mampiditra ra manontolo amin’ny marary. Matetika anefa no tsinjaraina ny ra mba hanavahana ireo taharo fototra ao aminy, ka ireny no anaovana fitsirihana sy ampidirina amin’ny marary. Andeha hojerentsika ny taharo fototra efatra ao amin’ny ra sy ny asan’izy ireo ary ny habetsahany.

RANON-DRA: 52 ka hatramin’ny 62 isan-jaton’ny ra. Mavo matsora ny lokony. Misy liomena, liofotsy, proteinina, ary zavatra hafa mitsingevana ao anatiny sady manaraka azy.

Rano ny 91,5 isan-jaton’ny ranon-dra. Proteinina ny 7 isan-jato, izay azo akana zavatra maromaro. (Ireto ny sasany: albiminina: 4 isan-jato eo ho eo; globuline: 3 isan-jato eo ho eo; ary fibrinogène: 1 isan-jato latsaka.) Ahitana an’ireto kosa ny 1,5 isan-jato ambiny amin’ny ranon-dra: zavatra mahavelona, hormonina, gazy ilaina amin’ny fisefoana, zavatra simika, vitaminina, ary loto misy azoty.

LIOFOTSY 1 isan-jato latsaka amin’ny ra. Mamotika izay zavatra mety hampidi-doza miditra ao amin’ny vatana ny liofotsy.

KAPILA BITIKA 1 isan-jato latsaka amin’ny ra. Lasa mivaingana izy io rehefa maratra isika, ka tsy afaka mivoaka etỳ ivelany ny ra.

LIOMENA 38 ka hatramin’ny 48 isan-jaton’ny ra. Ny liomena no mamelona ny sela hafa rehetra, satria mitondra oksizenina ho azy ireo sy manala ny gazy karbonika ao aminy.

Azo akana zavatra isan-karazany ny ranon-dra sy ny taharo fototra hafa. Ao amin’ny liomena, ohatra, no akana ny hemôglôbinina. Izy io no mahatonga ny ra ho mena sy mitondra ny oksizenina any amin’ny sela.

[Kisary]

RANON-DRA

RANO 91,5%

PROTEININA 7%

ALBIMININA

GLOBULINE

FIBRINOGÈNE

ZAVATRA HAFA 1,5%

ZAVATRA MAHAVELONA

HORMONINA

GAZY ILAINA AMIN’NY FISEFOANA

ZAVATRA SIMIKA

VITAMININA

LOTO MISY AZOTY

[Sary nahazoan-dalana]

Page 9: Blood components in circles: This project has been funded in whole or in part with federal funds from the National Cancer Institute, National Institutes of Health, under contract N01-CO-12400. The content of this publication does not necessarily reflect the views or policies of the Department of Health and Human Services, nor does mention of trade names, commercial products, or organizations imply endorsement by the U.S. Government

[Efajoro/​Sary, pejy 8, 9]]

Fitsaboana Mahasolo Fampidiran-dra

Tato anatin’ny enin-taona, dia mpitsabo an’aliny no nahazo an’ilay video hoe Fomba Fitsaboana Solon’ny Fampidiran-dra—Tsotra, Azo Antoka, Mandaitra (frantsay). Misy amin’ny fiteny 25 eo ho eo izy io, ary ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, no mizara azy. * Misy dokotera malaza eran-tany maneho ny heviny, ao amin’ilay video. Resahin’izy ireo ny fomba fitsaboana maromaro tsy ampiasana ra, arahina ankehitriny. Tena mandaitra ireo fitsaboana ireo. Nisy vokany tsara ilay video. Nijery azy io, ohatra, ny Sampan-draharaha Miandraikitra ny Tahirin-dra (NBS) any Grande-Bretagne, tamin’ny faramparan’ny taona 2001. Nandefasany an’ilay video avy eo ny talen’ny sampan-draharaha hafa miandraikitra ny tahirin-dra, sy ny dokotera rehetra momba ny ra any an-toerana. Nisy taratasy nampiarahiny tamin’ilay izy mba hampirisihana azy ireo hijery azy io. Voaresaka tao amin’ilay taratasy hoe ‘mihamaro ny dokotera miaiky fa aleo tsy mampiditra ra raha mbola azo atao. Anisan’ny tanjona tsara tokony hotratrarina izany rehefa mitsabo.’ Voalaza ao koa fa “tena tsara ny hafatra tiana hampitaina [ao amin’ilay video], ka manohana tanteraka izany ny NBS.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 57 Miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, raha tianao ny hahita ilay video na DVD navoakan’izy ireo hoe Vitan’ny Mpitsabo ny Tsy Mampiasa Ra.

[Efajoro/​Sary, pejy 9]

Zavatra Alaina avy Amin’ny Ra mba Hitsaboana Marary

Mandroso ny siansa sy ny teknolojia, ka azo atao ny mahita sy maka izay zavatra ao anatin’ny ra. Ity misy ohatra mba hanazavana izany: Rano ny 96,5 isan-jaton’ny ranomasina. Azo tsinjaraina anefa ny ranomasina mba hahazoana ny zavatra ao anatiny, toy ny manezioma, ny brômira ary indrindra ny sira. Azo atao toy izany koa ny ranon-dra. Ranon-dra ny 50 isan-jato mahery amin’ny ra. Rano kosa ny 90 isan-jato mahery amin’ny ranon-dra. Azo tsinjaraina anefa ny ranon-dra, mba hahazoana zavatra hafa toy ny proteinina. Ireto ny proteinina sasany azo avy aminy: albiminina, fibrinogène, ary globuline isan-karazany.

Mety hasain’ny dokotera mampiasa zavatra marihitra avy amin’ny ranon-dra, ohatra, ny marary. Be proteinina ny karazany iray amin’izy io, ary tsy mety levona. Ampangatsiahina aloha ny ranon-dra, ary empoina indray avy eo mba hahazoana azy io. Mora mampivaingana ra izy io, ka matetika no omena ny olona maratra, mba hampijanonana ny ra. Misy koa fanafody ahitana zavatra kely na betsaka avy amin’ny taharo fototry ny ra. * Ampiasaina anaovana tsindrona, ohatra, ny proteinina sasany ao amin’ny ranon-dra, mba hampitomboana ny hery fiarovan’ny marary. Raha oharina amin’ny taharo fototra hafa, dia ny proteinina ao amin’ny ranon-dra no tena fampiasa amin’ny fitsaboana.

“An’arivony ny proteinina ao anaty ra, araka ny tombantombana”, hoy ny gazety Vaovao Siantifika (anglisy). “Vao an-jatony monja amin’ireo anefa no hitan’ny mpahay siansa.” Mbola mety hisy fanafody vaovao ho azo avy amin’ireo proteinina ireo any aoriana, rehefa ho fantatra bebe kokoa ny momba ny ra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 63 Misy zavatra avy amin’ny ram-biby koa ao amin’ny fanafody sasany.

[Sary, pejy 6, 7]

Mitandrina be ny dokotera sasany rehefa mikasika ra