Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Sarobidy ny Ra

Tena Sarobidy ny Ra

Tena Sarobidy ny Ra

“Misy zavatra iray mamelona ny olon-drehetra eran-tany, dia ny ra. Io no mitana ny ain’izy ireo, na inona na inona volon-kodiny na firazanany na fivavahany.” —Prezidàn’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana.

MISY maha marina an’ireo teny ireo tokoa. Tena ilain’ny olombelona rehetra ny ra. Sarobidy izy io. Mino ve anefa ianao fa tsy mampidi-doza sady mahasoa ny manome ra mba hitsaboana olon-kafa?

Hitantsika teo aloha fa miovaova be arakaraka ny firenena ny fepetra arahina mba hijerena ny fahadiovan’ny ra. Mety hampidi-doza tsy araka ny eritreretin’ny maro koa ny fitsaboana ampiasana ra. Ankoatra izany, dia tsy mitovy mihitsy ny fomba ampiasan’ny dokotera ny ra, arakaraka ny fianarana nataony sy ny fahaizany ary ny heviny. Lasa mitandrina kokoa anefa ny maro amin’izy ireo izao eo amin’ny resaka fampidiran-dra. Be dia be ny dokotera mifidy ny tsy hampiasa ra, ary mihamaro hatrany izy ireo.

Andeha àry hovaliantsika ity fanontaniana napetraka tany am-piandohana ity: Nahoana tokoa ny ra no tena sarobidy? Raha mampatahotra kokoa noho ny taloha ny mampiasa azy io amin’ny fitsaboana, misy zavatra hafa ilana azy ve?

Ny fiheveran’Andriamanitra ny ra

Namoaka lalàna hafakely Andriamanitra, tamin’ny andron’i Noa, ilay lehilahy anisan’ny razamben’ny olombelona. Tsy navelany hihinan-dra ny olona, na dia nahazo nihinan-kena aza. (Genesisy 9:4) Nolazainy koa ny anton’izany. Nampitoviny tamin’ny aina ao amin’ny zavamananaina ny ra. Hoy izy tatỳ aoriana: ‘Ny aina dia ao amin’ny ra.’ Masina ny ra amin’ny Mpamorona, satria io no mifanitsy amin’ny aina sarobidy nomeny ny zavamananaina tsirairay. Naverimberiny matetika izany.—Levitikosy 3:17; 17:10, 11, 14; Deoteronomia 12:16, 23.

Raha vao nisy kelikely ny Kristianina, 2000 taona lasa teo ho eo izay, dia nandidy azy ireo Andriamanitra mba ‘hifady ny ra.’ Tsy noho ny fitandroana fahasalamana no anton’io fandrarana io, fa noho ny fahamasinan’ny ra. (Asan’ny Apostoly 15:19, 20, 29) Misy mihevitra fa ny mihinan-dra ihany no raran’Andriamanitra. Mazava tsara anefa ny dikan’ilay teny hoe “mifady.” Raha milaza amintsika, ohatra, ny dokotera mba hifady toaka, dia tsy hieritreritra mihitsy isika hoe azo atao ny mampiditra izany ao amin’ny lalan-dra.

Mbola misy antony hafa ilazan’ny Baiboly fa tena masina ny ra. Nandatsaka ny rany i Jesosy Kristy mba hahasoa ny olombelona. Mifanitsy amin’ny ainy izy io. Tena nila nanao izany izy mba hananan’ny Kristianina fanantenana. Voavela ny helotsika noho ny ra nalatsany, ary afaka manantena ny hiaina mandrakizay isika. Rehefa mifady ra ny Kristianina, dia asehony fa mino izy hoe ny ra nalatsak’i Jesosy Kristy ihany no tena afaka manavotra azy sy mamonjy ny ainy.—Efesianina 1:7.

Malaza eran-tany fa mankatò ireo lalàna ao amin’ny Baiboly ireo ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy manaiky hampidiran-dra izy ireo, na ra manontolo izany, na ireo taharo fototra efatra ao anatiny (liomena, ranon-dra, liofotsy, ary kapila bitika). Tsy resahin’ny Baiboly kosa ny momba ireo zavatra isan-karazany alaina avy amin’ireo taharo fototra ireo, sy ny fanafody misy izany. Anjaran’ny Vavolombelona tsirairay àry ny manapa-kevitra momba ny zavatra toy ireny. Midika ve izany rehetra izany fa tsy manaiky hotsaboina ny Vavolombelona na tsy miraharaha ny fahasalamany sy ny ainy? Tsy izany velively!—Jereo ilay efajoro hoe “Ny Hevitry ny Vavolombelon’i Jehovah Momba ny Fahasalamana.”

Maro ny dokotera miaiky tato ho ato fa tena mandray soa ny Vavolombelon’i Jehovah satria mankatò ny lalàn’ny Baiboly. Izao, ohatra, no tenin’ny dokotera iray mpandidy hazon-damosina, momba ny fifidianana fitsaboana hafa mahasolo fampidiran-dra: “Izany no zavatra tsara indrindra tokony hatao raha tiana ny hisoroka loza. Tsy ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany fa ho an’ny olon-drehetra koa.”

Sahiran-tsaina be isika rehefa mandray fanapahan-kevitra lehibe momba ny fitsaboana. Sarotra koa matetika ny manao izany. Hoy anefa ny Dr. Dave Williams, manam-pahaizana momba ny aretin-tratra sady tompon’andraikitra ambony eo amin’ny sehatry ny fitsaboana, rehefa niresaka momba ny fampidiran-dra: “Tokony hanaja ny safidin’ny olona isika. ... Mila fidintsika tsara koa izay ampidirintsika ao amin’ny vatantsika.” Tena marina ireo teny ireo, indrindra fa ankehitriny.

[Efajoro/​Sary, pejy 11]

Fanafody Mitondra Oksizenina

Misy hemôglôbinina 300 tapitrisa eo ho eo ao anaty liomena tsirairay. Hemôglôbinina ny ampahatelony eo ho eo amin’ny liomena. Misy proteinina atao hoe glôbinina ao anaty hemôglôbinina tsirairay. Ahitana zavatra manome loko menamena koa ao. Hème no anaran’izy io, ary misy ataomana vy ao aminy. Rehefa mandalo ao amin’ny havokavoka ny liomena dia miditra ao aminy ny oksizenina, ary raisin’ny hemôglôbinina. Segondra vitsy aorian’izay, dia miparitaka any amin’ny sela manerana ny vatana ny oksizenina. Izany no mahatonga ny sela ho velona hatrany.

Misy mpanamboatra fanafody maka hemôglôbinina avy ao amin’ny liomenan’ny olombelona na ny omby. Sivanina aloha ilay izy mba hanesorana ny loto ao aminy. Ovana sy diovina amin’ny zavatra simika ilay izy avy eo. Misy ranon-javatra afangaro aminy aorian’izay, alohan’ny hametrahana azy ao anaty fitoerany. Antsoina hoe “fanafody mpitondra oksizenina vita amin’ny hemôglôbinina” na HBOC izy io. Mbola tsy manaiky hampiasa azy io ny ankamaroan’ny firenena eran-tany. Mena be tsy misy hafa amin’ny liomena izay taharo fototra nakana azy ny HBOC, noho ilay zavatra manome loko menamena.

Tsy maintsy tahirizina ao anaty frizidera ny liomena, ary ariana rehefa afaka herinandro vitsivitsy. Tsy voatery atao ao anaty frizidera kosa ny HBOC, sady azo ampiasaina am-bolana maromaro. Tsy atahorana hotoherin’ny hery fiarovana ao amin’ny olona ampidirana azy koa ny HBOC, na inona na inona sokajin-dran’ilay olona. Efa tsy ao amin’izy io intsony mantsy ny fonon-tselan’ny liomena, izay misy zavatra miady amin’ny hery fiarovana. Ho an’ny Kristianina te hankatò ny lalàn’Andriamanitra momba ny ra anefa, dia mampisalasala kokoa ny mampiasa an’io fanafody io, noho ny zavatra hafa avy amin’ny taharo fototry ny ra. Nahoana? Avy amin’ny ra izy io, ka misy antony roa mety handavan’ny Kristianina azy. Voalohany, mitovy ihany ny asany sy ny an’ny liomena, izay anisan’ny taharo fototry ny ra. Faharoa, anisan’ny ampahany betsaka ao amin’ny liomena ny hemôglôbinina, nefa avy amin’izy io no hakana ny HBOC. Tsy maintsy mieritreritra tsara àry ny Kristianina raha hampiasa azy io na tsia. Toy izany koa ny amin’ny fanafody hafa mitovy aminy. Mila saintsaininy tsara ny toro lalan’ny Baiboly momba ny fahamasinan’ny ra, ary mila mivavaka momba izany izy. Maniry hanana fifandraisana tsara amin’i Jehovah hatrany ny Kristianina tsirairay, ka tsy maintsy mampiasa ny feon’ny fieritreretany voaofan’ny Baiboly.—Galatianina 6:5.

[Sary]

MOLEKIOLAN’NY HEMÔGLÔBININA

[Efajoro/​Sary, pejy 12]

Fitsaboana Lasa Be Mpifidy

“Mihabetsaka ny hopitaly milaza fa afaka manao fandidiana ‘tsy misy fampidiran-dra’ ”, hoy Ny Gazetin’i Wall Street (anglisy). “Ny Vavolombelon’i Jehovah no tena nanaovana io fomba fitsaboana io tamin’ny voalohany. Lasa be mpifidy anefa izy io izao. Maro ny hopitaly milaza amin’ny olona fa manao fandidiana tsy misy fampidiran-dra.” Be dia be tokoa eran-tany ny hopitaly mahita fa mitondra soa maro, indrindra ho an’ny marary, ny fomba fandidiana na fitsaboana tsy ampiasana ra firy. An’arivony izao ny dokotera tsy mampiditra ra amin’ny marary.

[Efajoro/​Sary, pejy 12]

Ny Hevitry ny Vavolombelon’i Jehovah Momba ny Fahasalamana

Fantatra maneran-tany fa tsy manaiky hampidiran-dra ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia dokotera sy mpitsabo mpanampy aza ny sasany aminy. Tsy eken’izy ireo, na ra manontolo na taharo fototry ny ra. Fa nahoana? Olombelona ve no mampianatra azy an’izany? Sa mihevitra izy ireo fa ny finoana no mahasitrana? Tsy izany mihitsy!

Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny aina, ka ankamamin’izy ireo. Miezaka mafy mankatò izay lazain’ny Baiboly àry ny Vavolombelona. Mino izy ireo fa “avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra” izy io. (2 Timoty 3:16, 17; Apokalypsy 4:11) Mampirisika ny mpanompon’Andriamanitra, ohatra, io boky io mba tsy hanao zavatra manimba fahasalamana na mahatandindomin-doza ny aina. Anisan’izany ny fihinanana sakafo be loatra, fifohana sigara na fihinanana paraky, fimamoana, ary fidorohana zava-mahadomelina mba hahazoana fahafinaretana.—Ohabolana 23:20; 2 Korintianina 7:1.

Mankatò ny toro lalan’ny Baiboly isika, rehefa mitandrina fahasalamana, ka manadio tsy tapaka ny vatantsika sy ny manodidina antsika, ary manao fampiasan-tena. (Matio 7:12; 1 Timoty 4:8) Olona mahay mandanjalanja ny Vavolombelon’i Jehovah. Manatona dokotera izy ireo rehefa marary, ary manaiky ny ankamaroan’ny fitsaboana azo isafidianana. (Filipianina 4:5) Marina fa tsy manaiky ampidiran-dra izy ireo, satria mankatò ilay didy ao amin’ny Baiboly hoe ‘fadio ny ra.’ (Asan’ny Apostoly 15:29) Voatsabo tsara kokoa anefa izy ireo matetika noho io safidiny io.