Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vorondrano Mpanao Dia Lavitra Indrindra

Vorondrano Mpanao Dia Lavitra Indrindra

Vorondrano Mpanao Dia Lavitra Indrindra

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ESPAINA

ALAO sary an-tsaina hoe mijanona roa volana any amin’ny faritra ngazana any amin’ny Tendrontany Avaratra ianao, rehefa mafana be ny andro. Mahalana vao milentika ny masoandro any. Rehefa ho tonga indray ny ririnina, dia mankany Amerika Atsimo ianao, na any Aostralia na any Afrika Atsimo. Mifindrafindra foana ianao avy eo, ka mitety ny morontsiraky ny kontinanta rehetra, mba hitady ny sakafo tianao indrindra. Toy izany no fiainan’ny vorondrano maro.

Amin’ny maha vorondrano azy, dia tia misakafo eny amin’ny rano marivo izy. * Mitangorona eny amin’ny toerana tsy falehan’ny olona loatra izy, rehefa mangatsiaka kokoa ny andro any amin’ny Ila Bolantany Avaratra. Mety ho eny amin’ny vinany sy lemaka feno fotaka, ohatra, izy ireo, na eny amin’ny torapasika, na moron-drano be vato. Rehefa mirohotra eny amin’ny torapasika kosa ny mpizaha tany mandritra ireo volana vitsivitsy mafana kokoa, dia mifindra any amin’ny Tendrontany Avaratra sy any atsimony ny ankamaroan’ny vorondrano. Ry zareo irery no any ary betsaka ny sakafo, ka mety tsara mba hamelomany ny zanany.

Tsy mba mareva-doko ny vorondrano, nefa tena mahavariana ny fanidinany sy ny soratra miavaka eo amin’ny elany, ka manintona olona maro. Hoy ny boky Vorondrano Tsara Tarehy Mpitety Torapasika (anglisy): “Mety ho safoiny amin’ny tendron’elany ny rano rehefa manidina izy. Mety ho tafakatra eny amin’ny enina kilaometatra na mihoatra koa anefa izy. Manan-talenta amin’ny fanidinana sy ny fampiasana ny rivotra eny ana habakabaka tokoa izy!”

Akanga maro tsy vakin’amboa

Mitangorona manao andiany lehibe eny amin’ny toerana be sakafo ny vorondrano matetika. Akanga maro, hono, mantsy tsy vakin’amboa. Ny vorona mandeha irery no tena enjehin’ny mpiremby toy ny voromahery, fa tsy sahiny kosa ny manafika andiam-borona mifanety kely. Ankoatra izany, dia azo inoana kokoa fa mora hita ny mpiremby, rehefa maso an’arivony no mitily azy. Vorondrano maro isan-karazany no miaraka manao andiany, mba ho voaro amin’io fomba tena tsara io.

Mahavariana erỳ ny mijery andiana vorondrano manidina. Misy an-jatony na an’arivony izy ireo no mifanakaiky kely, ka miaraka mihodinkodina sy mitsimbadimbadika ary miaka-midina. Toy ny hoe misy tanana tsy hita maso mibaiko azy rehetra. Hoy ny Boky Momba ny Vorona Eran-tany (anglisy): “Tena mahagaga fa vitan’ireny vorona an’arivony ireny ny miara-miova lalana tampoka, sady mirindra tsara ny fihetsik’izy rehetra na dia manidina haingana be aza.” Nijery video nampiseho ny tsipirian’ny fanidinan’ny andiana vorondrano atao hoe vikiviky ny manam-pahaizana. Hitany tamin’izany fa ny iray no miova lalana, dia manaraka avy hatrany ny rehetra.

Voatetiny izao tontolo izao

Tena mpitety an’izao tontolo izao ny vorondrano sasany. Misy karazana vikiviky, ohatra, tonga any avaratra lavitra kokoa noho ny vorona hafa, rehefa mikotrika. Saika ny morontsiraka rehetra eran-tany no mety hahitana vorondrano. Mety hahavita 32 000 kilaometatra eo ho eo isan-taona izy ireny.

Mila miampita ranomasimbe izy ireny indraindray, nefa tsy afaka milomano. Tsy miala sasatra eny ambony rano mihitsy koa izy. Tsy maintsy mitondra tahiri-menaka betsaka àry izy. Raha ny fiaramanidina no resahina, dia solika efa ho antsasaky ny lanjany no entiny, rehefa hiainga izy. Ny an’ny vorondrano kosa, mitovy amin’ny lanjany mihitsy ny menaka entiny. Aiza no ahitany izany menaka rehetra izany?

Hoy i David Attenborough ao amin’ilay boky hoe Ny Fiainan’ny Vorona (anglisy): “Mitahiry menaka ny vorondrano. Mahery mihinan-kanina be izy eny amin’ny morontsiraka feno fotaka, ka ao anatin’ny herinandro vitsivitsy monja, dia efa ho avo roa heny noho ny amin’ny vanin-taona mafana ny lanjany. Mety ho betsaka kokoa noho izany mihitsy aza ny tahiri-menaka ananany. Mifintina mantsy ny taova maro ao anatiny, anisan’izany ny atidohany sy ny tsinainy, mba hitahirizany an’izany menaka rehetra izany sy tsy hampahavesatra azy.”

Mahavariana koa ny dia vitan’ny fandiafasika mivolombolamena. Avy any Alaska izy no mifindra mankany amin’ireo Nosin’i Hawaii. Be fikirizana tokoa izy matoa mahavita 4 500 kilaometatra tsy an-kiato. Mahagaga koa anefa fa hainy hoe aiza no misy an’i Hawaii, na dia eny afovoan-dranomasimbe aza izy. Nahavita an’io dia io tao anatin’ny efatra andro latsaka ny fandiafasika mivolombolamena iray, izay nasiana fitaovana fitiliana mba hahafantarana izay alehany. Nisy aza vorona efa antitra nahavita nandroso sy niverina in-20 mahery tamin’io lalana io!

Tena be atao mihitsy ireny vorona mafy toto ireny, rehefa tonga any amin’ny toerana fikotrehany any amin’ny Tendrontany Avaratra. Tsy maintsy mahita vady sy toerana ivelomana ary manao ny akaniny izy, ao anatin’ny tapa-bolana. Mikotrika mandritra ny telo herinandro eo ho eo izy avy eo, ary mitaiza ny zanany mandritra ny telo herinandro koa. Miverina any atsimo indray izy, rehefa tonga ny faran’ny volana Jolay.

Ny loza hitany eny an-dalana

Maro ny loza hitan’ny vorondrano mandritra ny dia lavitra ataony. Ny olona no tena mahatonga ny sasany amin’izany. Nilaza i John Audubon, mpandinika ny zavaboary, tamin’ny taon-jato faha-19, fa nahafaty fandiafasika mivolombolamena 48 000 ny mpihaza maromaro tao anatin’ny iray andro monja. Marina fa mihamiverina amin’ny laoniny izao ny isan’io karazam-borona io eran-tany, nefa mety ho mbola vitsy noho ireo novonoina tamin’io andro io ny isany.

Vao mainka tandindomin-doza izy ireny, satria mihatsy misy ny heniheny. Sarotra amin’ny vorondrano ny miatrika izany. Hoy ny boky Famantarana ny Vorondrano Eran-tany (anglisy): “Efa hatramin’ny arivo taona mahery izy ireo no manana ny toerana fikotrehany sy fandalovany ary falehany amin’ny ririnina. Mampalahelo anefa fa mora amin’ny olona erỳ ny manova na mandrava ireny toerana ireny.” Mba tsy hahalany tamingana ny vorondrano an-tapitrisany àry, dia mila arovana ny toerana vitsivitsy fiatoan’izy ireo.

Anisan’ny miavaka indrindra amin’ireny ny Helodrano Delaware, any New Jersey, morontsiraka atsimoandrefan’i Etazonia. Misy ana hetsiny ny vikiviky mena mitangorona any rehefa lohataona, mba hihinana atodim-poza. Mambosibosika erỳ izy ireo fa noana be, satria vao avy nanao “ny iray amin’ireo dia tsy an-kiato lavitra indrindra ataon’ny vorona.” Avy any atsimoatsinanan’i Brezila izy ireo, ary nahavita 8 000 kilaometatra tao anatin’ny tapa-bolana. Ny antsasaky ny lanjany sisa no tavela.

Afaka manampy amin’ny fiarovana ireny toerana tena tian’ny vorondrano ireny ny ezaka ataon’ny mpiaro ny tontolo iainana. Mety hisy an’ireny toerana ireny angamba eny akaikinareo. Ho sarotra aminao ny hanadino ireny vorondrano ireny, raha nahita andiany nanidina sy nitsimbadibadika teny ambony onja ianao, na nandre ny feony mampihetsi-po.

Hoy ilay mpandinika zavaboary atao hoe Arthur Morris: “Mitovy ny zavatra tsapan’izay rehetra efa nijery vorondrano. Imbetsaka isika no nijoro teny amin’ny torapasika mangina, na teny amin’ny lemaka feno fotaka, ka nijery andiana vikiviky nikopaka ny elany mazava sy matro-doko ary niara-nihodina sy nitsimbadibadika. Gaga sy talanjona isika, isaky ny mahita izany.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Misy 200 mahery ny karazana vorondrano.

[Efajoro/​Sary, pejy 18]

Mpanao Dia Lavitra Za-draharaha

Ity vikiviky mena ity angamba no mpandeha lavitra indrindra. Matetika rehefa ririnina no mankany Eoropa Andrefana na any atsimoatsinanan’i Amerika Atsimo (10 000 kilaometatra mahery) ireo mikotrika any avaratr’i Kanada

[Sary nahazoan-dalana]

KK Hui

Efa ho an-tapitrisany tamin’ity karazana vikiviky ity no hita tany Holandy sy Maoritania

Any Siberia io vorondrano manana rambo mitsipitsipika io no mikotrika, fa mety ho tonga hatrany amin’ireo Nosy Britanika, Afrika Atsimo, Moyen-Orient, Aostralia, na Nouvelle-Zélande

Saika ny torapasika rehetra eran-tany no ahitana ity vikiviky ity. Mety hikotrika any amin’ny 950 kilaometatra manodidina ny Tendrontany Avaratra ny sasany

[Sary, pejy 16, 17]

Tsy afaka miala sasatra eny ambony rano ny vorondrano, ka tsy maintsy manana tahiri-menaka betsaka mba hiampitana ranomasimbe

[Sary, pejy 16, 17]

Akanga maro, hono, tsy vakin’amboa

[Sary, pejy 17]

Vorondrano mpihinana masaja na “huître”

[Sary, pejy 17]

Vikiviky mipentimpentina mitady sakafo eny amin’ny honahona

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

Sary lavalava eo ambony sy ambany: © Richard Crossley/VIREO