Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hanaporofoako fa Nisy Namorona Izao Rehetra Izao?

Ahoana no Hanaporofoako fa Nisy Namorona Izao Rehetra Izao?

Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana no Hanaporofoako fa Nisy Namorona Izao Rehetra Izao?

“Niresaka momba ny evolisiona izahay tany am-pianarana, ary nifanohitra tamin’izay rehetra nampianarina ahy ilay izy. Hoatran’ny tena marina ny fomba nanazavany azy, ka nampahatahotra ahy.”—Ryan, 18 taona.

“Nino mafy ny evolisiona ny mpampianatra anay, tamin’izaho 12 taona teo ho eo. Nisy an’ilay marika famantarana an’i Darwin mihitsy aza teo amin’ny fiarany! Lasa tsy sahy nanazava aho hoe nisy namorona izao rehetra izao.”—Tyler, 19 taona.

‘Toran-kovitra aho rehefa nilaza ny mpampianatra anay fa momba ny evolisiona ny lesonay manaraka. Fantatro fa tsy maintsy hohazavaiko amin’ny iray kilasy ny hevitro, momba io resaka mampiady hevitra io.’—Raquel, 14 taona.

METY hatahotahotra toa an’i Ryan sy Tyler ary Raquel ianao, rehefa misy resaka evolisiona any am-pianarana. Mino ianao fa “namorona ny zava-drehetra” Andriamanitra. (Apokalypsy 4:11) Porofoin’ny zava-misy manodidina anao fa nisy namorona izao rehetra izao, ary tena mahay izy. Misy boky anefa milaza fa avy amin’ny evolisiona ny olona, izany hoe nisy zavatra tsy mananaina niova miandalana ho zavamananaina samihafa, ka lasa olona nony farany. Milaza an’izany koa angamba ny mpampianatra anao. Mety hieritreritra àry ianao hoe: ‘Izaho indray ve no andeha hiady hevitra amin’ny “manam-pahaizana”? Ary hanao ahoana ny fihetsiky ny mpiray kilasy amiko, raha hiresaka momba an’Andriamanitra aho?’

Aza matahotra! Tsy ianao irery no mino fa nisy namorona izao rehetra izao. Mpahay siansa sy mpampianatra maro aza no tsy manaiky ny evolisiona. Ny efatra ampahadimin’ny mpianatra any Etazonia no mino fa nisy namorona izao rehetra izao, na dia mampianatra ny evolisiona aza ny boky fianaran’izy ireo!

Na izany aza, dia mety hieritreritra ianao hoe: ‘Inona no holazaiko mba hanaporofoako fa nisy namorona izao rehetra izao?’ Matokia fa afaka mijoro amin’ny hevitrao ianao, na dia saro-kenatra aza. Mila manomana kely fotsiny ianao.

Fakafakao tsara ny zavatra inoanao!

Raha Kristianina ny ray aman-dreninao, dia angamba mino ianao fa nisy namorona izao rehetra izao, satria fotsiny hoe izay no nampianarina anao. Efa mihalehibe anefa ianao izao, ary te hampiasa ny ‘sainao’ eo amin’ny fanompoanao an’Andriamanitra, mba ho mafy orina ny zavatra inoanao. (Romanina 12:1) Nampirisika ny Kristianina voalohany koa i Paoly hoe: “Fantaro tsara ny zava-drehetra.” (1 Tesalonianina 5:21) Ahoana no hampiharanao izany torohevitra izany?

Eritrereto aloha ireto tenin’i Paoly momba an’Andriamanitra ireto: “Ny toetrany tsy hita maso, ... dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony.” (Romanina 1:20) Saintsaino izany, ka diniho ny vatan’olombelona, ny tany, ireo zavatra any ambony tsy taka-maso sy any anaty ranomasina. Diniho koa ny mombamomba ny biby sy ny bibikely ary ny zavamaniry, izay tena mahavariana. Na koa izay zavatra mahaliana anao e! Ampiasao ny ‘sainao’ avy eo, ka eritrereto ity fanontaniana ity: ‘Inona no mampiaiky ahy fa nisy namorona izao rehetra izao?’

Nandinika ny vatan’olombelona i Sam, 14 taona, mba hamaliana izany. Hoy izy: “Be kojakojany sy tsy takatry ny saina izy io, ary miara-miasa tsara ireo faritra rehetra ao aminy. Tsy azo inoana hoe avy amin’ny evolisiona ny vatan’olombelona!” Mitovy hevitra aminy i Holly, 16 taona, ary nilaza hoe: “Betsaka ny zavatra nianarako momba ny fiasan’ny vatana, hatramin’ny nahafantarako fa voan’ny diabeta aho. Mampitolagaga, ohatra, ny asan’ny sarakaty, ilay taova kely eo ambanin’ny vavony. Miasa be izy io mba hahatonga ny ra sy ny taova hafa hiasa tsara.”

Antony hafa kosa no mampiaiky ny tanora sasany fa nisy namorona izao rehetra izao. Hoy i Jared, 19 taona: “Izao no porofo lehibe indrindra amiko: Mahatsapa isika fa mila mivavaka, tia zavatra kanto, ary maniry hianatra. Tsy ilaina mba hahavelomana ireo zavatra ireo, na dia ny mifanohitra amin’izany aza no lazain’ny evolisiona. Tsy maintsy ho izao àry no mahatonga antsika hanana ireo toetra ireo: Nisy namorona isika, ary niriny ny hankafizantsika ny fiainana.” Nanatsoaka hevitra toy izany koa i Tyler, ilay voatonona terỳ am-piandohana. Hoy izy: “Ny fandinihako ny zavamaniry no mampiaiky ahy fa nisy namorona izao rehetra izao. Miankina amin’ny asan’izy ireny mantsy no hahaveloman’ny zavamananaina hafa, sady mampitolagaga ny tsipiriany maro amin’ny firafitr’izy ireny.”

Mora kokoa ny manazava fa nisy namorona izao rehetra izao, raha efa nodinihinao tsara izany, ary tena miaiky ianao fa marina ilay izy. Makà fotoana àry mba handinihana ireo zava-mahatalanjona noforonin’Andriamanitra, toy ny nataon’i Sam, Holly, Jared, ary Tyler. Eritrereto izay hevitra ampitain’izy ireny aminao. Azo inoana fa raha manao izany ianao dia hiaiky toy ny apostoly Paoly, fa “hita [avy hatrany] amin’ny zavatra nataony” ny fisian’Andriamanitra sy ny toetrany. *

Fantaro hoe inona marina no ampianarin’ny Baiboly

Ankoatra ny fandinihana ny zavaboary, dia ilainao koa ny mahafantatra hoe inona marina no ampianarin’ny Baiboly, mba hanaporofoanao fa nisy namorona izao rehetra izao. Tsy ilaina ny miady hevitra momba ny zavatra tsy resahin’ny Baiboly mivantana. Ireto, ohatra, ny sasany amin’izany.

Voalaza ao amin’ilay boky ianaranay, fa efa nisy hatramin’ny an’arivony tapitrisa taona ny tany sy ireo planeta mihodidina aminy. Tsy miresaka momba ny fotoana efa nisian’ireo zavatra ireo ny Baiboly. Ny zavatra lazain’izy io dia mifanaraka amin’ilay fiheverana fa izao rehetra izao, dia mety ho efa nisy hatramin’ny an’arivony tapitrisa taona, talohan’ny “andro” famoronana voalohany.—Genesisy 1:1, 2.

Milaza ny mpampianatra anay, fa tsy vita tao anatin’ny enina andro monja ny famoronana ny tany. Tsy milaza ny Baiboly hoe 24 ora ara-bakiteny, ny andro tsirairay amin’ireo enina “andro” famoronana. Jereo ny pejy faha-18-20 amin’ity gazety ity, mba hahazoanao fanazavana misimisy kokoa.

Tany am-pianarana izahay dia nandinika ohatra maromaro, izay mampiseho fa miova ny biby sy ny olona, rehefa mandeha ny fotoana. Milaza ny Baiboly fa noforonin’Andriamanitra ho “samy araka ny karazany avy” ny zavamananaina. (Genesisy 1:20, 21) Tsy eken’izy io kosa ny hoe avy amin-javatra tsy mananaina ny zavamananaina rehetra. Tsy ekeny koa hoe sela tokana no noforonin’Andriamanitra, ka io no niova tsikelikely ho lasa zavamananaina isan-karazany. Mety ho samihafa anefa ny zavamananaina ao amin’ny “karazany” iray ihany. Eken’ny Baiboly àry fa mety hisy fiovaovana ao anatin’ny ‘karazana’ tsirairay.

Aza misalasala ny amin’izay inoanao!

Tsy misy antony tokony hahasanganehana na hahamenatra anao, raha mino ianao fa nisy namorona izao rehetra izao. Rehefa dinihina ny porofo, dia tena azon’ny saina ekena ary mifanaraka amin’ny siansa mihitsy aza, ny finoana hoe nisy namorona isika ary tena mahay izy. Ny finoana ny evolisiona àry no tena azo lazaina fa finoanoam-poana, fa tsy ny finoana ny mpamorona. Toy ny asaina mino ianao hoe misy ny fahagagana iray, nefa ilazana fa tsy nisy nanao ilay izy. Rehefa avy mandinika ny lahatsoratra hafa ato amin’ity gazety ity ianao, dia azo antoka fa hiaiky hoe nisy namorona izao rehetra izao, ary manaporofo izany ny zava-misy. Ampiasao ny sainao mba hamakafakana tsara izany. Hatoky tena kokoa ianao amin’izay any am-pianarana, rehefa manaporofo ny zavatra inoanao.

Izany no tsapan’i Raquel, ilay voaresaka etsy aloha. Hoy izy: “Takatro rehefa afaka andro vitsivitsy, fa tsy tokony hohazoniko ho ahy samirery ny zavatra inoako. Nomeko an’ilay boky hoe Ny FiainanaAhoana no Nisiany? Evolisiona sa Famoronana?, ny mpampianatra anay. Efa nomarihiko ny hevitra sasany tiako hisarihana ny sainy. Nilaza tamiko izy tatỳ aoriana fa nanova ny fiheverany ny evolisiona ilay boky, ary hampiasa ny fanazavana hitany tao izy rehefa hampianatra momba izany any aoriana!”

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe...”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Tanora maro no nandray soa rehefa nandinika ny fanazavana tao amin’ilay boky hoe Ny FiainanaAhoana no Nisiany? Evolisiona sa Famoronana? sy ilay hoe Misy Mpamorona Iray Miahy Anao Ve? (frantsay), navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

ERITRERETO IZAO:

▪ Ahoana no hanaporofoanao amin’ny fomba tsotra fa nisy namorona izao rehetra izao?

▪ Ahoana no azonao ampisehoana fa mankasitraka an’ilay namorona ny zava-drehetra ianao?—Asan’ny Apostoly 17:26, 27.

[Efajoro, pejy 27]

“BE DIA BE NY POROFO”

“Inona no holazainao amin’ny tanora iray notezaina mba hino ny Mpamorona, nefa ampianarina ny evolisiona any am-pianarana?” Izany no fanontaniana napetraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray, manam-pahaizana momba ny zavamiaina bitika. Hoy ny navaliny: “Tokony hohararaotinao izany mba hitadiavanao porofo fa tena misy Andriamanitra. Ho resy lahatra ianao amin’izay fa misy tokoa Andriamanitra, satria ianao mihitsy no nahita porofo, fa tsy satria fotsiny hoe izay no nampianarin’ny ray aman-dreninao anao. Asaina ‘manaporofo’ ny evolisiona ny mpampianatra indraindray, nefa tsy mahay. Takany àry fa mino ny evolisiona izy, satria fotsiny hoe izay no nampianarina azy. Mety hino koa ianao fa nisy namorona izao rehetra izao, satria fotsiny hoe izay no nampianarina anao. Ilainao àry ny mitady porofo fa tena misy Andriamanitra. Be dia be ny porofo, ary tsy sarotra ny mahita azy ireo.”

[Efajoro/​Sary, pejy 28]

INONA NO MAMPIAIKY ANAO?

Tanisao eto ambany ny zavatra mampiaiky anao fa nisy namorona izao rehetra izao:

1. ․․․․․․․․

2. ․․․․․․․․

3. ․․․․․․․․