Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Diso ve ny Genesisy Rehefa Jerena ny Siansa?

Diso ve ny Genesisy Rehefa Jerena ny Siansa?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Diso ve ny Genesisy Rehefa Jerena ny Siansa?

MARO no milaza fa diso ny fitantaran’ny Baiboly momba ny famoronana, rehefa jerena ny siansa. Raha ny marina anefa, dia ny mpahay siansa sy ilay antokon’olona atao hoe Mpitana ny Foto-pinoana Nahazatra, no tsy mitovy hevitra. Milaza mantsy ny sasany amin’ireny antokon’olona milaza tena ho Kristianina ireny, fa noforonina tao anatin’ny enina andro misy 24 ora avy, izao rehetra izao, ary 10 000 taona lasa teo ho eo izay no nitrangan’izany.

Tsy izany anefa no lazain’ny Baiboly. Raha milaza an’izany mantsy izy io, dia tena tsy ho azo itokisana intsony, rehefa jerena ny zavatra maro hitan’ny mpahay siansa tato anatin’ny 100 taona. Rehefa dinihina tsara anefa izay voalazan’ny Baiboly, dia tena mifanaraka amin’ny zavatra hitan’ny mpahay siansa sy voaporofon’izy ireo fa marina. Izany no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah tsy hiombon-kevitra amin’ireo Mpitana ny Foto-pinoana Nahazatra sy ny olona maro mpanohana ny famoronana. Andeha hojerentsika izay tena ampianarin’ny Baiboly.

Oviana ilay hoe “tamin’ny voalohany”?

Manomboka amin’izao teny tsotra nefa mafonja izao, ny fitantaran’ny Genesisy: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.” (Genesisy 1:1) Milaza ny manam-pahaizana fa izany dia tsy anisan’ny zava-nitranga tao anatin’ireo andro famoronana enina tantaraina manomboka eo amin’ny andininy faha-3. Tena ilaintsika ny mahatakatra izany. Asehon’ny Genesisy 1:1, fa efa nisy talohan’ny nanombohan’ireo andro famoronana enina ny lanitra sy ny tany, ary tsy fantatra hoe naharitra hafiriana.

Tombanan’ny mpikaroka momba ny tany, fa tokony ho 4 000 tapitrisa taona izay no nisian’ny tany. Mety ho efa 15 000 tapitrisa taona koa no nisian’ny kintana sy ny planeta hafa, araka ny kajy nataon’ny astronoma. Diso àry ve ny Genesisy 1:1, rehefa jerena ny zavatra hitan’ny mpahay siansa, na ny zavatra mbola mety ho hitan’izy ireo? Tsia. Tsy milaza ny Baiboly hoe firy taona izay no nisian’ny “lanitra sy ny tany.” Tsy afaka manaporofo àry ny mpahay siansa fa diso ny Baiboly.

Naharitra hafiriana ny andro famoronana tsirairay?

Naharitra hafiriana ny andro famoronana tsirairay? Tena 24 ora ve? Rehefa jerena tokoa ny tenin’i Mosesy, izay nanoratra ny Genesisy, dia nalaina tahaka avy tamin’ilay andro taorian’ny andro famoronana enina ny Sabata isan-kerinandro. Misy milaza àry fa tsy maintsy ho 24 ora ny halavan’ny andro famoronana tsirairay. (Eksodosy 20:11) Marina ve izany rehefa jerena ny Genesisy?

Tsy izany mihitsy. Mety hidika halavam-potoana samihafa mantsy ilay teny hebreo nadika hoe “andro”, fa tsy 24 ora fotsiny. Nantsoin’i Mosesy hoe andro iray, ohatra, ireo andro famoronana enina, rehefa namintina ny tantaran’ny famoronana izy. (Genesisy 2:4) Ankoatra izany, dia ‘nataon’Andriamanitra hoe “andro”, ny mazava; ary nataony hoe “alina” ny maizina’, tamin’ny andro voalohany. (Genesisy 1:5) Tsy 24 ora no atao hoe “andro” ao amin’io andininy io, fa ampahany kely monja. Tsy mety àry ny manatsoaka hevitra hoe naharitra 24 ora ny andro famoronana tsirairay, satria tsy ahitana an’izany ao amin’ny Soratra Masina.

Naharitra hafiriana àry ny andro famoronana tsirairay? Naharitra ela be izany, rehefa jerena ny Genesisy toko 1 sy 2.

Nisy tsikelikely ny zavaboary

Zavatra telo no tokony hotadidina, mba hampilamina ny adihevitra mahakasika an’ilay tantara momba ny famoronana. Voalohany, tamin’ny teny hebreo no nanoratan’i Mosesy an’ilay fitantarana. Faharoa, toy ny hoe efa teto an-tany izy tamin’izany. Fahatelo, efa nisy talohan’ny nanombohan’ireo “andro” na fotoana famoronana enina, ny lanitra sy ny tany. Nahoana no ilaina ny mitadidy izany?

Rehefa dinihina akaiky izay voalazan’ny Genesisy, dia hita fa mbola nitohy tamin’ny andro nanaraka na taorian’izay, ireo zava-nitranga nanomboka tamin’ny “andro” iray. Mbola tsy nanomboka, ohatra, ny “andro” voalohany dia efa nisy ny masoandro. Efa nandefa hazavana izy io, saingy mbola tsy tonga tetỳ an-tany izany satria mety ho mbola voasakan’ny rahona matevina. (Joba 38:9) Nihanisava anefa ilay rahona matevina nandritra ny “andro” voalohany, ka nanjary nisy hazavana nanjavozavo tafiditra tao anatin’ny atmosfera. *

Azo inoana fa nihanazava hatrany ny atmosfera, tamin’ny “andro” faharoa, ka nanjary niavaka tsara ilay rahona matevina teo ambony sy ny ranomasimbe teo ambany. Vao mainka nihanazava ny atmosfera, tamin’ny “andro” fahefatra, ka nanjary hita teny “amin’ny habakabaky ny lanitra” ny masoandro sy ny volana. (Genesisy 1:14-16) Raha efa nisy olona àry teto an-tany, dia azo inoana fa nanomboka nahita ny masoandro sy ny volana izy. Nitranga tsikelikely izany rehetra izany.

Tantarain’ny Genesisy koa fa nanomboka nisy ny biby manana elatra, tamin’ny “andro” fahadimy, raha mbola nihanazava hatrany ny atmosfera. Anisan’izany ny bibikely sy ny biby manana elatra toy ny an’ny ramanavy. Rehefa jerena anefa ny teny hebreo tany am-boalohany nandikana ny Baiboly, dia mbola ‘namorona ny bibidia rehetra sy ny voro-manidina rehetra’ Andriamanitra, tamin’ny “andro” fahenina.—Genesisy 2:19.

Hita avy amin’ny teny ampiasain’ny Baiboly àry, fa mety ho nitranga miandalana fa tsy tao anatin’ny fotoana fohy, ny fisehoan-javatra lehibe sasany, isaky ny “andro” famoronana tsirairay. Mety ho nitohy tamin’ireo “andro” nanaraka mihitsy aza izany.

Samy araka ny karazany avy

Nisy tsikelikely àry ny zavamaniry sy ny biby. Midika ve izany fa tamin’ny alalan’ny evolisiona * no namoronan’Andriamanitra ireo karazan-javamananaina maro be? Tsia. Milaza mazava ilay fitantarana, fa Andriamanitra mihitsy no namorona ny ‘karazana’ zavamaniry sy biby rehetra. (Genesisy 1:11, 12, 20-25) Moa ve ireny ‘karazana’ zavamaniry sy biby tany am-boalohany ireny, efa natao hiova arakaraka ny fiovana eo amin’ny toerana misy azy? Inona avy no tafiditra amin’ilay hoe ‘karazana’? Tsy mamaly an’izany ny Baiboly. Lazainy kosa fa ‘betsaka, samy araka ny karazany avy’ ny zavamananaina. (Genesisy 1:21) Midika izany fa kely ihany ny fiovana mety hitranga amin’ny ‘karazana’ zavamaniry na biby iray. Hita tamin’ireo sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny ary ny fikarohana natao, fa niova kely fotsiny ireo zavamaniry sy biby tany am-boalohany, tao anatin’ny fotoana lava be.

Tsy mitovy àry ny zavatra lazain’ny Genesisy sy ny sasany amin’ireo Mpitana ny Foto-pinoana Nahazatra. Tsy mampianatra mantsy ny Genesisy hoe vao haingana no nisy izao rehetra izao, anisan’izany ny tany sy ny zavamananaina eo aminy. Tsy mampianatra koa izy io hoe noforonina tao anatin’ny fotoana fohy izy ireo. Mifanaraka amin’ny zavatra maro hitan’ny mpahay siansa vao haingana kosa, ny zavatra lazainy momba ny famoronana ny tany sy ny zavamananaina eo aminy ary ny lanitra.

Noho ny zavatra inoan’izy ireo, dia maro ny mpahay siansa tsy mino fa Andriamanitra no namorona ny zava-drehetra, araka ny lazain’ny Baiboly. Tsara homarihina anefa fa nilaza i Mosesy ao amin’ilay boky voalohany ao amin’ny Baiboly, hoe nanam-piandohana ny lanitra sy ny tany. Nisy tsikelikely koa ny zavamananaina, ary naharitra ela izany. Marina ireo rehefa jerena ny siansa. Ahoana anefa no nahafantaran’i Mosesy an’izany, 3 500 taona lasa teo ho eo izay? Tsy maintsy ho Ilay nanana hery sy fahendrena namoronana ny lanitra sy ny tany, no nanome an’i Mosesy an’izany fanazavana marina izany. Vao mainka izany manamarina fa “avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra” tokoa ny Baiboly, araka ny voalazan’izy io.—2 Timoty 3:16.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Ny teny hebreo hoe ʼohr no nadika hoe hazavana, ao amin’ireo andininy miresaka izay nitranga tamin’ny “andro” voalohany. Hazavana fotsiny no dikan’izy io. Ma·ʼohr ʹ kosa no ampiasaina ao amin’ny andininy miresaka izay nitranga tamin’ny “andro” fahefatra. Ireo zavatra manome hazavana kosa no dikany.

^ feh. 19 Na fiovana miandalana eo amin’ny zavamananaina.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

▪ Firy taona lasa izay no namoronan’Andriamanitra ny lanitra sy ny tany?—Genesisy 1:1.

▪ Moa ve ny tany sy izay rehetra eo aminy, natao tao anatin’ny enina andro nisy 24 ora avy?—Genesisy 2:4.

▪ Nahoana no marina ny zavatra nosoratan’i Mosesy momba ny niandohan’ny tany, rehefa jerena ny siansa?—2 Timoty 3:16.

[Teny notsongaina, pejy 19]

Tsy mampianatra ny Genesisy hoe vao haingana no nisy izao rehetra izao, ary noforonina tao anatin’ny fotoana fohy

[Teny notsongaina, pejy 20]

“Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.”—Genesisy 1:1

[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]

Izao rehetra izao: IAC/RGO/David Malin Images

[Sary nahazoan-dalana, pejy 20]

NASA photo