Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no Tokony Hinoanao?

Iza no Tokony Hinoanao?

Iza no Tokony Hinoanao?

“Mazava ho azy fa ny trano rehetra dia samy nisy nanao azy, fa ilay nanao ny zava-drehetra kosa dia Andriamanitra.”—HEBREO 3:4.

MITOMBINA ve aminao io teny ao amin’ny Baiboly io? Tokony ho 2 000 taona lasa izay no nanoratana azy io. Nandroso be anefa ny siansa nanomboka tamin’izay. Mbola misy mihevitra ihany àry ve ankehitriny, fa tsy maintsy misy Andriamanitra, ary izy no namolavola sy namorona ny zava-drehetra, rehefa jerena ny firafitr’izy ireny?

Maro no mihevitra toy izany, na dia any amin’ny tany be olona mahay momba ny siansa aza. Ny 80 isan-jaton’ny olona any Etazonia, ohatra, no “mino hoe Andriamanitra no namorona izao rehetra izao.” Izany no hita tamin’ny fanadihadiana nataon’ny gazety Herinandrom-baovao (anglisy) tany an-toerana, tamin’ny 2005. Ny olona tsy dia nahita fianarana ihany ve no mino an’izany? Tsia, satria misy koa mpahay siansa mino an’Andriamanitra. Nilaza, ohatra, ilay gazety anglisy momba ny siansa, atao hoe Natiora, tamin’ny 1997, fa nisy fanadihadiana natao tamin’ny fizisianina sy mpahay matematika ary manam-pahaizana momba ny zavamananaina. Hita fa efa ho ny 40 isan-jaton’izy ireo no mino hoe misy Andriamanitra, ary mihaino vavaka sy mamaly izany.

Tsy manaiky mihitsy anefa ny mpahay siansa sasany fa misy Andriamanitra. Vao haingana, dia nilaza ny Dr. Herbert Hauptman, anisan’ny nahazo loka Nobel, fa tsy mifanaraka amin’ny siansa marina ny finoana hoe misy hery ambony noho ny an’ny olombelona, indrindra fa ny hoe misy Andriamanitra. “Tsy mahasoa ny olombelona ny finoana an’izany”, hoy izy. Na ny mpahay siansa mino an’Andriamanitra aza dia tsy mazoto hampianatra fa nisy namorona ny zavamaniry sy ny biby, rehefa jerena ny firafitr’izy ireo. Nahoana? Nilaza antony iray i Douglas Erwin, manam-pahaizana momba ny taolam-biby fahiny, avy amin’ny Fikambanana Smithson. Hoy izy: “Ianarana amin’ny siansa, fa tsy misy ny fahagagana.”

Ary ahoana ny hevitrao? Hino befahatany fotsiny izay lazaina aminao ve ianao? Sa kosa ianao hitady porofo hanamarinana raha nisy namorona tokoa izao rehetra izao na tsia? Hiresaka momba ireo zavatra hitan’ny mpahay siansa vao haingana, ireo lahatsoratra manaraka. Rehefa mamaky azy ireo ianao, dia manontania tena hoe: ‘Mitombina tokoa ve fa nisy namorona izao rehetra izao?’

[Teny notsongaina, pejy 3]

Ianao mihitsy no mitadiava porofo

[Efajoro, pejy 3]

Mpanohana ny Famoronana ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa marina ny tantara momba ny famoronana, ao amin’ny bokin’ny Genesisy ao amin’ny Baiboly. Tsy anisan’ilay antokon’olona atao hoe mpanohana ny famoronana anefa izy ireo. Nahoana? Voalohany, mino ny maro amin’ireo mpanohana ny famoronana fa noforonina tao anatin’ny enina andro misy 24 ora avy, izao rehetra izao, tokony ho 10 000 taona lasa izay. Anisan’izany ny tany sy ny zavamananaina rehetra eo aminy. Tsy izany anefa no ampianarin’ny Baiboly. * Faharoa, manaiky foto-pinoana maro tsy hita ao amin’ny Baiboly, ny mpanohana ny famoronana. Avy ao amin’ny Baiboly irery kosa anefa ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Ankoatra izany, dia mitovy ihany amin’ny olona any amin’ny tany sasany, ny “mpanohana ny famoronana” sy ilay antokon’olona atao hoe Mpitana ny Foto-pinoana Nahazatra. Mafana fo amin’ny politika anefa io antokon’olona io. Ataony izay handresena lahatra ny mpanao politika sy ny mpitsara ary ny mpanabe, mba hanaiky lalàna sy fampianarana mitovy amin’ny an’ireo mpanohana ny famoronana.

Tsy manao politika kosa ny Vavolombelon’i Jehovah. Eken’izy ireo fa manan-jo hamoaka lalàna sy hanao izay hanarahan’ny olona izany, ny fanjakana. (Romanina 13:1-7) Ankatoavin’izy ireo tanteraka anefa ilay tenin’i Jesosy hoe “tsy anisan’izao tontolo izao” ny Kristianina. (Jaona 17:14-16) Ampahafantariny amin’ny olona itoriany fa mahasoa ny mankatò ny fitsipik’Andriamanitra. Tsy manohana ny antokon’olona Mpitana ny Foto-pinoana Nahazatra anefa izy ireo. Miezaka mamoaka lalàna hanerena ny olona hankatò ny fitsipiky ny Baiboly mantsy, io antokon’olona io.—Jaona 18:36.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Jereo ilay lahatsoratra ao amin’ny pejy faha-18 hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Diso ve ny Genesisy Rehefa Jerena ny Siansa?”