Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Antony Inoanay fa Misy ny Mpamorona

Ny Antony Inoanay fa Misy ny Mpamorona

Ny Antony Inoanay fa Misy ny Mpamorona

Miaiky ny manam-pahaizana maro amin’ny sehatra samihafa, fa nisy namorona ny zavaboary ary tena mahay ilay nanao azy. Mihevitra izy ireo fa tsy mitombina ny finoana hoe kisendrasendra no nampisy ireo zavamananaina be pitsiny eto an-tany. Izany no mahatonga ny mpahay siansa sy mpikaroka maro hino, fa nisy namorona izao rehetra izao.

Lasa Vavolombelon’i Jehovah ny sasany amin’izy ireny. Miaiky izy ireo fa ilay Andriamanitra resahin’ny Baiboly no nahary izao rehetra izao. Nahoana? Nanadinadina ny sasany amin’izy ireo ny mpanoratra ny Mifohaza! Mety hahaliana anao ny zavatra nolazainy. *

‘Be Tsipiriany Tsy Takatry ny Saina’

WOLF-EKKEHARD LÖNNIG

Nanao fikarohana momba ny fiovan’ny fototarazo * ao anatin’ny zavamaniry aho, nandritra ireo 28 taona lasa. Nandritra ny 21 taona tamin’ireo aho, dia niasa tao amin’ny Fikambanana Max Planck Mikaroka Momba ny Fambolena any Cologne, Alemaina. Efa ho 30 taona izay no naha anti-panahin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah ahy.

Hitako tamin’ny fikarohana nataoko momba ny fototarazo sy ny firafitry ny vatana ary ny fomba fiasany, fa be tsipiriany ny zavamananaina ary tsy takatry ny saina izy ireny matetika. Vao mainka izany naharesy lahatra ahy fa tsy maintsy ho nisy manam-pahaizana namorona ny zavamananaina, na dia ny bitika indrindra aminy aza.

Hain’ny mpahay siansa tsara fa be pitsiny ny zavamananaina. Lazaina anefa mazàna fa vokatry ny evolisiona, na fiovana miandalana ireny zava-mahatalanjona ireny. Misy koa mandroso hevitra hanoherana ny fitantarana momba ny famoronana ao amin’ny Baiboly. Araka ny fahitako azy anefa, dia hita fa diso ireny hevitra ireny, rehefa ampitahaina amin’ny porofo ara-tsiansa. Namakafaka ireny hevitra ireny aho nandritra ny taona maro. Nandinika tsara ny zavamananaina sy ireo lalàna mifehy an’izao rehetra izao aho, ary hitako fa mirindra tanteraka ireo lalàna ireo mba hisian’ny fiainana eto an-tany. Izany no naharesy lahatra ahy fa misy ny Mpamorona.

“Nisy Namorona ny Zava-drehetra Hitako”

BYRON MEADOWS

Mipetraka eto Etazonia aho, ary miasa ao amin’ny NASA. Ao amin’ny sampan-draharaha momba ny tara-pahazavana manokana atao hoe lazera aho no miasa. Amin’izao fotoana izao aho, dia mandray anjara amin’ny famoronana teknika vaovao, ahafahana manara-maso tsara kokoa ny toetrandro eran-tany sy ny fisehoan-javatra eny amin’ny planeta hafa. Anti-panahin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Kilmarnock, any Virginie aho.

Mampiasa ny lalàna fizika aho matetika amin’ny fikarohana ataoko. Mamantatra ny antony sy ny fomba itrangan’ny zavatra sasany aho. Mahita porofo mazava aho amin’ny asako, fa nisy namorona ny zava-drehetra hitako. Mino aho fa mifanaraka tsara amin’ny siansa ny anekena fa Andriamanitra no nampisy ny zavaboary rehetra. Tsy miovaova mihitsy ny lalàna mifehy ny natiora, ka voatery miaiky aho fa nisy namorona sy nandamina izy ireny.

Koa raha miharihary àry fa misy ny Mpamorona, nahoana ny mpahay siansa maro no mino ny evolisiona? Mety ho nanatsoaka hevitra avy hatrany ve izy ireo, na dia mbola tsy nahita porofo aza? Fahita ny toy izany eo amin’ny mpahay siansa. Tsy voatery hahatonga anao hanatsoaka hevitra marina anefa ny fandinihanao zavatra iray, na dia toa mampiaiky aza ilay izy. Ny olona mikaroka momba ny lazera, ohatra, dia mety hanizingizina fa karazana onja, toy ny onjam-peo, ny hazavana. Toy izay mantsy ny endrika isehoan’izy io matetika. Ampahany amin’ny zava-misy fotsiny anefa izany, satria misy porofo hafa mampiseho fa miendrika poti-javatra kely be dia be mitambatra koa ny hazavana. Tsy mijery afa-tsy ny ampahan’ny porofo misy koa, ny olona manizingizina fa marina ny evolisiona. Efa manana ny heviny izy, ary misy fiantraikany eo amin’ny fomba fijeriny ny zava-misy izany.

Gaga mihitsy aho hoe misy manaiky fa marina ny evolisiona. Ireo lazaina ho “manam-pahaizana” momba azy io aza anefa tsy mitovy hevitra akory ny amin’ny fomba nitrangan’ilay izy. Eritrereto, ohatra, hoe misy manam-pahaizana momba ny kajy milaza fa mira 4 ny 2 ampiana 2. Ny hafa kosa milaza fa mira 3 ilay izy, na 6. Hekenao ho marina ve ny siansa momba ny kajy, raha tsy mitovy hevitra toy izany ny manam-pahaizana momba azy io? Ny zavatra azo porofoina sy anaovana fanandramana ary azo averina atao ihany no eken’ny siansa. Noho izany, dia tsy mifanaraka amin’izy io ny filazana fa avy amin’ny zavatra iray, izay niova miandalana, ny karazana zavamananaina rehetra.

“Tsy Misy Mihitsy Zavatra Mipoitra avy Amin’ny Tsy Misy”

KENNETH TANAKA

Mpikaroka momba ny tany aho, ary miasa ao amin’ny Fikambanana Amerikanina Manadihady Momba ny Tany, any Flagstaff, Arizona. Efa ho 30 taona izao no nandraisako anjara tamin’ny fikarohana momba izay ao anatin’ny tany sy ny planeta hafa. Nanoratra lahatsoratra momba ny fikarohana nataoko aho, ary nanamboatra sarin’ny planeta Mars. Maro tamin’izy ireny no nivoaka tamin’ny gazety ara-tsiansa ofisialy. Vavolombelon’i Jehovah koa aho, ary manokana 70 ora isam-bolana mba hampirisihana ny olona hamaky Baiboly.

Nampianarina hino ny evolisiona aho, nefa tsy neken’ny saiko hoe tongatonga ho azy ilay hery faran’izay lehibe nampisy izao rehetra izao. Tsy maintsy ho avy amin’ny Mpamorona iray matanjaka io hery io. Tsy misy mihitsy zavatra mipoitra avy amin’ny tsy misy. Hitako tao amin’ny Baiboly koa ny porofo mafonja, izay manamarina fa nisy namorona izao rehetra izao. Miresaka zavatra maro mifanaraka amin’ny fahalalana ara-tsiansa ananako izy io. Anisan’izany ilay hoe boribory ny tany ary mihantona “amin’ny tsy misy.” (Joba 26:7; Isaia 40:22, Fandikan-teny Katolika) Voasoratra tao amin’ny Baiboly izany, ela be talohan’ny nahafahan’ny olombelona nanaporofo izany.

Diniho koa ny fomba nanaovana antsika. Manana vavahadin-tsaina maromaro isika, manana ny maha izy antsika, afaka misaina sy mifandray amin’ny hafa, ary manana fihetseham-po. Ary ny tena mampiavaka antsika dia isika afaka mahatsiaro ho tiana sy mankasitraka an’izany ary maneho fitiavana koa. Tsy voazava amin’ny alalan’ny evolisiona ny antony ananan’ny olona ireo toetra mahafinaritra ireo.

Eritrereto izao: ‘Tena azo itokisana ve ireo loharanom-panazavana manohana ny evolisiona?’ Na ny fanazavana ao amin’ny boky nosoratan’ny manam-pahaizana momba ny tany aza, dia tsy feno sy saro-takarina ary misafotofoto. Tsy vitan’ireo mpanohana ny evolisiona ny manaporofo ny fomba heveriny ho nisehoan’izy io, amin’ny alalan’ny teknika fampiasan’ny mpahay siansa any amin’ny laboratoara. Ary na tsara aza mazàna ny teknika ampiasain’ny mpahay siansa, dia matetika izy ireo no mitady tombony ho an’ny tenany, ary misy akony eo amin’ny fomba anazavany ny vokatry ny fikarohany izany. Fantatra koa fa misy mpahay siansa mandroso ny heviny manokana, rehefa tsy ahitam-bokany ny fikarohana ataony, na ahitana zavatra mifanipaka. Ny asany sy ny fitandrovany ny hajan’ny tenany no zava-dehibe aminy.

Amin’ny maha mpahay siansa sy mpianatra ny Baiboly ahy, dia miezaka aho hahafantatra tsara ny tena marina, izay mifanaraka amin’ny fandinihana atao sy ireo zavatra efa voaporofo. Ny finoana ny fisian’ny Mpamorona no mitombina indrindra, raha ny fahitako azy.

“Miharihary fa Namboarina Tamim-pitandremana ny Sela”

PAULA KINCHELOE

Efa aman-taonany izao no nanaovako fikarohana momba ny sela sy ny molekiola ary ny zavamiaina bitika. Miasa ao amin’ny Oniversite Emory any Atlanta, Etazonia, aho izao. Mampianatra Baiboly an-tsitrapo an’ireo olona miteny rosianina koa aho.

Nandalina ny momba ny sela sy ny zavatra ao anatiny aho nandritra ny efa-taona, tamin’izaho nianatra momba izay ao anatin’ny zavamananaina. Noho izany, dia nitombo ny fahalalako momba izay ao anatin’ny sela (ADN, ARN, proteinina), sy ny fomba ahazoany hery avy amin’ny sakafo. Nitolagaga aho nahita fa be pitsiny izany rehetra izany, sady mirindra tsara sy tsy misy diso. Niaiky volana aho nahita ny hamaroan’ny zavatra nianaran’ny olombelona momba ny sela, nefa vao mainka aho talanjona mieritreritra ny habetsahan’ny zavatra mbola mila ianarana. Miharihary fa namboarina tamim-pitandremana ny sela, ary izany no anisan’ny antony inoako fa misy Andriamanitra.

Nianarako tao amin’ny Baiboly fa i Jehovah Andriamanitra io Mpamorona io. Miaiky aho fa sady Mpamorona tena mahay izy, no Ray tsara fanahy sy be fitiavana, izay miahy ahy. Manazava ny antony iainantsika ny Baiboly, ary mampanantena hoavy sambatra.

Rehefa ampianarina momba ny evolisiona ny ankizy any am-pianarana, dia mety hisalasala hoe inona no tokony hinoany. Mety hampikorontan-tsaina ilay izy. Mety hitsapa ny finoany izany, raha mino an’Andriamanitra izy. Afaka miatrika izany fitsapana izany anefa izy ireo, raha mandinika ireo zavaboary mahatalanjona maro, sady miezaka hampitombo hatrany ny fahalalany momba ny Mpamorona sy ny toetrany. Nanao izany aho, ary nanatsoaka hevitra fa marina ny fitantaran’ny Baiboly momba ny famoronana, sady tsy mifanohitra amin’ny tena siansa.

“Lalàna Tsotra Sady Mahazendana”

ENRIQUE LEMUS

Vavolombelon’i Jehovah aho ary mpitory manontolo andro. Manam-pahaizana momba ny lalàna matematika ampifandraisina amin’ny fizika aho, ary miasa ao amin’ny Oniversitem-panjakan’i Meksika. Hitan’ny mpahay siansa fa ny kintana ao anatin’ny vondron-kintana sasany, dia mitambatra eo ampovoany, ary miparitaka tsikelikely. Heverina fa ny hery misintona sy ny hafanana no anton’izany. Manao fikarohana hanazavana izany aho amin’izao fotoana izao. Nandinika ny tsipiriany saro-takarina momba ny fiasan’ny ADN koa aho.

Be pitsiny loatra ny zavamananaina, ka tsy azo inoana hoe kisendrasendra no nampisy azy. Manaporofo izany, ohatra, ny fanazavana be dia be ao anatin’ny molekiola-na ADN. Ary rehefa ampiharina ny lalàna matematika, dia hita fa na ny krômôzôma iray monja (izay mirakitra ny ADN) aza, dia tsy azo inoana hoe tongatonga ho azy! Amiko dia hadalana ny hiheverana fa vokatry ny hery tsy manan-tsaina no nampisy ny krômôzôma iray sy ireo zavamananaina rehetra misy tsipiriany maro mahatalanjona.

Ankoatra izany, dia nandinika ireo zavaboary be pitsiny aho, na ny bitika indrindra aminy izany, na ny fihetsehan’ireo vahindanitra goavana eny amin’ny habakabaka. Tena talanjona aho mieritreritra ireo lalàna tsotra sady mahazendana, izay mibaiko ny fihetsehan’izy ireny. Ny vokatr’ireo lalàna ireo dia mampiseho fa tsy vitan’ny hoe tapi-pahaizana amin’ny matematika ilay namorona azy, fa mpanao sary hoso-doko faran’izay mahay koa.

Gaga ny olona matetika rehefa ilazako hoe Vavolombelon’i Jehovah aho. Variana izy ireo indraindray hoe ahoana no nahatonga ahy hino an’Andriamanitra. Rariny izy ireo raha gaga, satria ny ankamaroan’ny fivavahana dia tsy mampirisika ny mpiangona ao aminy, mba hangataka porofon’ny zavatra ampianarina azy, na hamakafaka ny zavatra inoany. Ny Baiboly kosa anefa mampirisika antsika hampiasa ny ‘saintsika.’ (Ohabolana 3:21) Ny fomba mahatalanjona nanaovana ny zavaboary sy ireo porofo ao amin’ny Baiboly, no mandresy lahatra ahy fa tena misy Andriamanitra sady mihaino ny vavaka ataontsika.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Tsy voatery hitovy amin’ny an’ny mpampiasa azy, ny hevitr’ireo manam-pahaizana ato amin’ity lahatsoratra ity.

^ feh. 6 Hazavaina ao amin’ny pejy faha-14 ny dikan’ny hoe fototarazo.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 22]

Planeta Mars: Courtesy USGS Astrogeology Research Program, http://astrogeology.usgs.gov