Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tamin’ny Alalan’ny Evolisiona Tokoa Ve?

Tamin’ny Alalan’ny Evolisiona Tokoa Ve?

Tamin’ny Alalan’ny Evolisiona Tokoa Ve?

“Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao, ary noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana azy ireny.”—APOKALYPSY 4:11.

I CHARLES DARWIN no nanao izay hampahalaza ny fampianarana momba ny evolisiona. Tsy ela taorian’izany, dia nitady fomba hampifanarahana an’io fampianarana io sy ny finoan’izy ireo an’Andriamanitra, ny fivavahana maro.

Toa mino ankehitriny ny ankamaroan’ireo fivavahana lehibe ao amin’ny Kristianisma Anarana, fa tsy maintsy ho tamin’ny alalan’ny evolisiona no namoronan’Andriamanitra ny zavamananaina. Mampianatra, ohatra, ny sasany fa nataon’Andriamanitra hiova tsikelikely izao rehetra izao. Niova ho zavamananaina, hono, ny zavatra tsy mananaina, ary lasa olombelona tamin’ny farany. Milaza koa izy ireo fa natombok’Andriamanitra fotsiny izany, ary tsy niditra an-tsehatra intsony izy avy eo. Ny hafa indray mihevitra fa noforonin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny evolisiona aloha ny ankamaroan’ny zavamaniry sy biby, ary niditra an-tsehatra ihany izy indraindray mba hitohizan’izany.

Afaka miaraka ve ireo fampianarana ireo?

Tena mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Baiboly ve ny fampianarana momba ny evolisiona? Raha marina ny evolisiona, dia tsy tena nisy ilay tantara ao amin’ny Baiboly momba ny namoronana an’i Adama, ilay lehilahy voalohany, fa natao hampianarana momba ny fitondran-tena fotsiny. (Genesisy 1:26, 27; 2:18-24) Izany ve no fahitan’i Jesosy an’io tantara io? Hoy mantsy izy: “Mbola tsy novakinareo ve fa izay nahary azy, dia nahary azy ho lahy sy vavy, tany am-piandohana, ka nilaza hoe: ‘Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa’? Koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Aoka àry izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.”—Matio 19:4-6.

Niresaka an’ilay tantara momba ny famoronana ao amin’ny Genesisy toko faha-2 i Jesosy teo. Raha efa fantany fa tsy tena nisy ny fanambadian’i Adama sy Eva, moa ve mbola hiresaka azy io ihany izy mba hanohanana ny fampianarany momba ny fahamasinan’ny fanambadiana? Tsia. Niresaka an’io tantara io kosa i Jesosy satria fantany fa tena nisy izy io.—Jaona 17:17.

Nino an’io tantara momba ny famoronana ao amin’ny Genesisy io koa ny mpianatr’i Jesosy. Tanisaina ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka, ohatra, ny razamben’i Jesosy rehetra hatrany amin’i Adama. (Lioka 3:23-38) Raha tsy tena nisy i Adama, iza amin’ireo olona tanisaina ao amin’ireo andinin-teny ireo kosa àry no tena nisy? Azo itokisana ve ilay tenin’i Jesosy hoe izy no Mesia taranak’i Davida, raha tsy tena nisy akory ilay olona farany tanisaina ao amin’ireo andinin-teny ireo? (Matio 1:1) Nilaza i Lioka, izay anisan’ny nanoratra ny Filazantsara, fa ‘efa nofotorany tsara hatrany am-piandohana ny zava-drehetra, eny, nofotorany tsara tsy misy diso.’ Hita àry fa nino an’ilay tantara momba ny famoronana ao amin’ny Genesisy i Lioka.—Lioka 1:3.

Nino an’io tantara io koa ny apostoly Paoly matoa nino an’i Jesosy. Hoy izy: “Koa satria olona iray no niavian’ny fahafatesana, dia olona iray koa no iavian’ny fitsanganan’ny maty. Fa tahaka ny ahafatesan’ny rehetra ao amin’i Adama, no hamelomana ny rehetra koa ao amin’i Kristy.” (1 Korintianina 15:21, 22) I Adama no razamben’ny olombelona rehetra, ary avy taminy no ‘nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana.’ Raha tsy marina izany, nahoana i Jesosy no tsy maintsy maty mba hanafoanana ny vokatry ny fahotana nolovantsika avy tamin’i Adama?—Romanina 5:12; 6:23.

Hanjary ho sarotra amin’ny Kristianina ny hino ireo fampianarana fototra avy ao amin’ny Baiboly, raha tsy mino an’ilay tantara momba ny famoronana ao amin’ny Genesisy izy. Tsy afaka miaraka mantsy ny fampianarana momba ny evolisiona sy ny fampianaran’i Kristy. Hampahalemy finoana fotsiny ny fanandramana hanao izany. Mora “hatopatopan’ny onja sy havezivezin’izao karazan-drivotry ny fampianarana rehetra izao”, ny olona malemy finoana.—Efesianina 4:14.

Finoana mafy orina

Nokianin’ny olona ny Baiboly, nandritra ny taonjato maro. Voaporofo foana anefa fa marina izay voasoratra ao. Hita imbetsaka fa azo itokisana ny tantara ao anatiny, sy izay lazainy momba ny fahasalamana ary ny siansa. Mandaitra sy tsy tontan’ny ela ny toroheviny momba ny fifandraisana amin’olona. Tsy misy hafa amin’ny ahitra kosa anefa ny fampianaran’olombelona. Mitsiry ny ahitra, nefa malazo rehefa mandeha ny fotoana. Ny Tenin’Andriamanitra kosa “haharitra mandrakizay.”—Isaia 40:8.

Tsy fampianarana ara-tsiansa fotsiny ny evolisiona, fa lasa fampianarana eken’ny olona maro koa. Nanjary nalaza àry izy io rehefa nandeha ny fotoana. Etsy an-danin’izany, dia nihaniova io fampianaran’i Darwin io tato ho ato. Mihamaro mantsy ny porofo mampiseho fa nisy namorona izao rehetra izao, ka nisy ezaka natao mba hanamarinana izany. Ampirisihinay koa ianao mba hanao izany. Hanampy anao ny famakiana ireo lahatsoratra hafa ato amin’ity gazety ity. Afaka mamaky an’ireo boky etsy ambany sy ilay ao amin’ny pejy faha-32 koa ianao.

Azo inoana fa hatoky kokoa ny tantara ao amin’ny Baiboly ianao aorian’izay. Vao mainka koa ianao hino fa ho tanteraka ny fampanantenan’ny Baiboly momba ny hoavy. (Hebreo 11:1) Mety ho voatosika hidera an’i Jehovah koa ianao, satria izy no “nanao ny lanitra sy ny tany.”—Salamo 146:6.

BOKY HAFA METY HAHALIANA ANAO

Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra Misy porofo maromaro ao amin’io bokikely io fa marina ny Baiboly

Y a-t-il un Créateur qui se soucie de vous? Miresaka porofo hafa fa misy Andriamanitra. Resahina ao koa hoe nahoana no avelany hisy fijaliana be dia be toy izao, nefa miahy antsika izy

Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Resahina ao amin’ny toko faha-3 ny hoe Inona no fikasan’Andriamanitra momba ny tany?

[Teny notsongaina, pejy 10]

Nino an’ilay tantara momba ny famoronana ao amin’ny Genesisy i Jesosy. Diso ve izy?

[Efajoro, pejy 9]

Inona no Atao hoe Evolisiona?

Anisan’ny famaritana an’io teny io ny hoe “fiovana miandalana ho amin-javatra hafa.” Misy dikany maromaro koa anefa ny teny hoe “evolisiona.” Midika, ohatra, izy io hoe fiovana goavana eo amin’ny zavatra tsy mananaina, anisan’izany ny fiovan’izao rehetra izao. Midika koa izy io hoe fiovana kely eo amin’ny zavamananaina, izany hoe fiovana eo amin’ny zavamaniry na biby, mba hahavelona azy tsara eo amin’ny fonenany. Matetika anefa io teny io no ampiasaina mba hilazana an’ilay fampianarana hoe ny fiainana dia niandoha avy tamin-javatra tsy mananaina, izay niova ho sela afaka mihamaro. Niova miandalana ireo sela ireo ka lasa zavaboary be kojakojany hatrany, ary ny olombelona no mahira-tsaina indrindra amin’izy rehetra. Io famaritana farany io no tiana holazaina amin’ilay hoe “evolisiona”, na fiovana miandalana eo amin’ny zavaboary, ato amin’ity lahatsoratra ity.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

Sarin’ny any ambony tsy taka-maso: J. Hester and P. Scowen (AZ State Univ.), NASA