Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Marina ve ny Evolisiona?

Tena Marina ve ny Evolisiona?

Tena Marina ve ny Evolisiona?

“TENA marina fa misy ny evolisiona, toy ny maha marina ny hoe manome hafanana ny masoandro”, hoy ny Profesora Richard Dawkins, manam-pahaizana malaza momba ny evolisiona. Marina fa manome hafanana ny masoandro, araka ny fikarohana sy fandinihana natao. Hita koa ve anefa fa marina ny fampianarana momba ny evolisiona, ka tsy azo lavina?

Misy zavatra mila hazavaina alohan’ny hamaliantsika izany. Hitan’ny mpahay siansa maro fa miova kely ny taranaky ny zavamananaina iray, rehefa mandeha ny fotoana. Nantsoin’i Charles Darwin hoe “taranaka mihamiova” izy ireny. Iaraha-mahita tokoa izany fiovana izany, ary efa nohamarinina tamin’ny alalan’ny fanandramana. Nahita hevitra avy tamin’izy ireny mihitsy aza ny mpamboly sy mpiompy. * Tena misy fiovana àry eo amin’ny zavamananaina. Antsoin’ny mpahay siansa hoe “evolisiona bitika” anefa ireny fiovana kely ireny, ary entin’izy ireo anaporofoana fa misy koa ny atao hoe “evolisiona goavana.” Tsy inona izany fa ny fiovan’ny zavamananaina iray ho karazany hafa tanteraka. Mbola tsy nisy nahita an’io fiovana goavana io anefa.

Hita àry fa zavatra mbola tsy voaporofon’ny mpahay siansa mihitsy no nampianarin’i Darwin. Hoy izy ao amin’ilay bokiny malaza hoe Ny Fiandohan’ny Karazan-javamananaina: “Tsy noforonina tsirairay ny zavamananaina rehetra, araka ny hevitro. Taranaky ny zavamananaina vitsivitsy kosa izy ireo.” Voalaza fa tsy be kojakojany ireny “zavamananaina vitsivitsy” tany am-boalohany ireny. Niova miandalana anefa, hono, izy ireny nandritra ny fotoana lava be, ka nanome ireo karazan-javamananaina an-tapitrisany hitantsika eto an-tany. “Kely dia kely” hatrany ny “fiovana” nitranga. Nitambatambatra anefa izany, araka ny ampianarin’ny manam-pahaizana momba ny evolisiona, ary nanome fiovana goavana, ka ny trondro lasa biby iray tarika amin’ny sahona, ary ny rajako lasa olona. Antsoina hoe evolisiona goavana izany lazaina fa fiovana lehibe izany. Maro no mihevitra fa mitombina io famaritana faharoa io. Mieritreritra izy ireo hoe: ‘Raha miova kely hatrany ny karazan-javamaniry na biby iray, nahoana moa no tsy hiova be rehefa ela ny ela?’ *

Ireto no porofo entin’ny olona hanamarinana ny evolisiona goavana:

1. Ilaina ny fiovan’ny fototarazo, mba hampisy karazan-javamaniry na biby vaovao. *

2. Izay zavamaniry na biby matanjaka indrindra no manome karazany vaovao.

3. Hita avy amin’ny sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny fa nisy ny evolisiona goavana.

Tena misy porofo marim-pototra ve fa marina io evolisiona goavana io, ka tokony hinoana?

Mety hampisy karazana vaovao ve ny fiovan’ny fototarazo?

Hita ao amin’ny fototarazo ny tsipiriany maro momba ny zavamaniry na biby iray, ka anisan’izany ny fomba fiasany. Zavatra ao anatin’ny vihin’ny sela tsirairay ny fototarazo. * Hitan’ny mpikaroka fa mety hampisy fiovana eo amin’ny taranaky ny zavamaniry na biby iray, ny fiovan’ny fototarazony. Tamin’ny 1946, dia hoy i Hermann Muller, anisan’ny nahazo Loka Nobel, sy tompo-marika tamin’ny fikarohana momba ny fiovan’ny fototarazo: ‘Nahavita nanova ny fototarazon’ny biby sy zavamaniry ny olona, ka nanatsara azy ireny. Tena kely ny fiovana niseho nefa nitambatambatra, ka lasa betsaka. Toy izany koa no mitranga amin’ny evolisiona, saingy lehibe kokoa. Ary izay biby na zavamaniry tsara indrindra ihany no velona eo amin’ny toerana iray.’

Milaza àry ireo mampianatra momba ny evolisiona goavana, fa tsy vitan’ny hoe mety hampisy karazany vaovao eo amin’ny zavamaniry sy biby iray ny fiovan’ny fototarazo, fa mety hampisy zavamaniry sy biby hafa tanteraka mihitsy. Misy fomba azo anaporofoana izany ve? Andeha hojerentsika ny vokatry ny fikarohana natao nandritra ny 100 taona teo ho eo, momba ny fototarazo.

Nino ny mpahay siansa, taloha kelin’ny 1940, fa vao mainka hihatsara ny karazan-javamaniry ho azo, raha ny olombelona mihitsy no manova ilay fototarazo, fa tsy ilay zavamaniry. “Faly be ny ankamaroan’ny manam-pahaizana momba ny zavamananaina sy ny fototarazo, ary indrindra ny mpamboly sy mpiompy.” Izany no tenin’i Wolf-Ekkehard Lönnig, mpahay siansa avy amin’ny Fikambanana Max Planck Mikaroka Momba ny Fambolena any Alemaina. Nahoana ny mpikaroka no faly be toy izany? Hoy ihany i Lönnig, izay nandinika ny fiovana ao amin’ny fototarazon’ny zavamaniry, nandritra ny 28 taona teo ho eo: “Nino izy ireo fa tonga ny fotoana hanatsarana ny fomba fambolena sy fiompiana. Nihevitra izy ireo fa hahazo zavamaniry na biby vaovao sy tsara kokoa, raha izy ireo mihitsy no manova ny fototarazo, ka mifidy izay fiovana tsara.” *

Nanomboka nanao fikarohana àry ny mpikaroka tany Etazonia sy Azia ary Eoropa. Nomena vola be izy ireo ho fanohanana izany, ary nampiasa fomba noheverina fa hanafaingana ny evolisiona koa. Naharitra 40 taona mahery ilay fikarohana. Inona no vokany? Hoy ny mpikaroka iray atao hoe Peter von Sengbusch: “Hita fa tena tsy nahomby ny ezaka natao mba hamokarana karazan-javamaniry na biby tsara kokoa, nefa vola be mihitsy no lany.” Hoy i Lönnig: ‘Tsy nahomby ny mpahay siansa eran-tany. Nanomboka tamin’ny 1980 àry, dia tsy nisy intsony ilay fanantenana sy hafaliana be. Natsahatra ny fanovana ny fototarazo, tany amin’ny tany mandroso, na dia nanaovana fikarohana manokana mihitsy aza taloha. Tsy tsara ny fiovana hita tamin’ny ankamaroan’ireo zavamaniry na biby azo. Maty kosa izy ireo na tsy matanjaka noho ny karazany voajanahary.’ *

Zato taona eo ho eo izao no nanao fikarohana momba ny fiovan’ny fototarazo ny mpahay siansa. Niezaka nanova ny fototarazon’ny biby na zavamaniry koa izy ireo nandritra ny 70 taona, mba hahazoana karazany vaovao. Nisy zavatra nianaran’izy ireo avy tamin’ny fanazavana voangony hatramin’izay. Izao, ohatra, no tenin’i Lönnig, rehefa avy nandinika ny porofo rehetra izy: ‘Tsy mahatonga ny [karazan-javamaniry na biby iray] ho hafa tanteraka ny fiovan’ny fototarazony. Manamarina izany ny fanandramana sy fikarohana natao nandritra ny taonjato faha-20, ary ny porofo hafa. Rehefa nojerena àry ireo fiovana miverimberina eo amin’ny karazan-javamaniry na biby, dia hita fa efa misy fetrany ny fiovana mitranga amin’izy ireo, na ovana aza ny fototarazony. Tsy misy afaka mihoatra an’izany fetra izany.’

Eritrereto ny dikan’izany zavatra hitan’ny mpahay siansa izany. Nanao izay hampisy fiovana tsara ao amin’ny fototarazo ny mpahay siansa, mba hamoronana karazan-javamaniry na biby vaovao. Tsy nahomby anefa izy ireo. Raha ny manam-pahaizana be toy ireny aza tsy mahomby, mainka moa fa ny fisehoan-javatra tsy manan-tsaina toy ny evolisiona? Hita tamin’ny fikarohana natao, fa tsy manova ny karazan-javamaniry na biby iray ho karazany hafa tanteraka, ny fiovan’ny fototarazony. Tena nisy àry ve ny evolisiona goavana?

Manome karazany vaovao ve ny zavamaniry na biby matanjaka indrindra?

Nino i Darwin fa izay zavamaniry na biby matanjaka indrindra ihany no tavela eo amin’ny toerana iray, fa ho faty kosa ireo osaosa, amin’ny farany. Niely eran-tany sy lasa samy nanana ny fonenany ny karazan-javamaniry sy biby sasany, araka ny ampianarin’ny manam-pahaizana momba ny evolisiona. Izay nanana fototarazo tsara ka lasa natanjaka indrindra sisa no velona. Nihaniova, hono, izy ireo avy eo, ka lasa karazany hafa tanteraka.

Noresahina teo aloha hoe hita tsara tamin’ny fikarohana natao, fa tsy mampisy karazan-javamaniry na biby vaovao tanteraka ny fiovan’ny fototarazo. Ahoana anefa no anaporofoan’ny manam-pahaizana, fa manome karazana vaovao izay zavamaniry na biby nanana fototarazo tsara, ka lasa natanjaka indrindra? Hoy ny bokikely navoakan’ny Akademia Amerikanina Momba ny Siansa (NAS) tamin’ny 1999: ‘Hita tany amin’ireo Nosy Galápagos fa miova miandalana tokoa ny karazan-javamaniry na biby, ka lasa karazany vaovao. Manaporofo izany ireo karazana fody 13 nodinihin’i Darwin tany an-toerana. Antsoina hoe fodin’i Darwin izy ireo ankehitriny.’

Nandinika an’ireo vorona ireo àry ny mpikaroka maromaro notarihin’i Peter sy Rosemary Grant, teo anelanelan’ny taona 1970 sy 1980. Nisy hain-tany tany an-toerana nandritra ny herintaona. Hitan’izy ireo fa ireo fody bebe vava no tsy mora maty tamin’ilay hain-tany, raha noharina tamin’ireo kelikely vava. Voalaza fa tena nilaina izany zavatra hitan’ny mpikaroka izany. Anisan’ny fomba voalohany anavahana an’ireo karazana fody 13 ireo mantsy, ny habe sy ny bikan’ny vavany. Hoy ihany ilay bokikely: “Nilaza i Peter sy Rosemary fa ao anatin’ny 200 taona eo ho eo monja, dia mety hisy karazana fody vaovao hipoitra ao amin’ireo nosy ireo, raha misy hain-tany isaky ny 10 taona eo ho eo.”

Nisy zava-nitranga tsy nolazain’ilay bokikely anefa. Mahamenatra izy io nefa tena lehibe. Ny fody kelikely vava indray no betsaka tao amin’ireo nosy ireo, taona vitsivitsy taorian’ilay hain-tany. Nanoratra tao amin’ny gazety Natiora àry i Peter Grant sy ny mpianatra iray atao hoe Lisle Gibbs, tamin’ny 1987, mba hilaza izay hitany. Hoy izy ireo: “Ny fody kelikely vava indray no tsy mora maty, fa tsy ireo bebe vava.” Nilaza koa i Grant tamin’ny 1991, fa isaky ny miova ny toetrandro, dia “miovaova ny habetsahan’ireo vorona, ka ny vorona bebe vava no betsaka indraindray, ary ireo kelikely vava kosa amin’ny fotoana hafa.” Hitan’ny mpikaroka koa fa nivady ny sasany tamin’ireo lazaina fa “karazany” samy hafa ireo, ary tsy mora maty noho izy ireo ny zanany. Nilaza àry i Peter sy Rosemary Grant hoe raha mbola mivady foana ireo vorona ireo, dia mety ho lasa “karazany” tokana ao anatin’ny 200 taona.

Hoy i George Williams, manam-pahaizana momba ny evolisiona, tamin’ny 1966: “Mampalahelo fa ampianarin’ny manam-pahaizana momba ny evolisiona hoe miova ho hafa, izay zavamaniry na biby matanjaka indrindra. Tsy hoe miova ho hafa anefa izy ireo, fa manao izay hahavelona azy tsara eo amin’ny toerana misy azy fotsiny.” Nilaza ilay mpampianatra momba ny evolisiona, atao hoe Jeffrey Schwartz, tamin’ny 1999, fa raha marina ny tenin’i Williams, dia “tsy lasa hafa tanteraka” akory ilay karazan-javamaniry na biby, fa miezaka ny hiaina mifanaraka amin’izay fiovana manodidina azy fotsiny.

Tsy lasa karazany “hafa tanteraka” àry ny fodin’i Darwin. Mbola fody ihany izy ireo. Mivady koa izy ireo, ka tsy azo antoka na marina na tsia ny fomba amaritan’ny manam-pahaizana momba ny evolisiona ny atao hoe karazana. Hita koa fa tsy milaza ny zava-misy marina na dia ny akademia malaza momba ny siansa aza, rehefa te hanohana ny fampianarany.

Hita avy amin’ny sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny ve fa nisy ny evolisiona goavana?

Toa te hilaza koa ilay bokikelin’ny NAS hoe hita avy amin’ny sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny, fa nisy ny evolisiona goavana. Hoy mantsy io bokikely io: “Nisy karazam-biby be dia be teo anelanelan’ny trondro sy ny biby iray tarika amin’ny sahona, ny biby iray tarika amin’ny sahona sy ny biby mandady, ny biby mandady sy ny biby mampinono, ary tao amin’ny fianakaviamben’ny rajako ka hatratỳ amin’ny olona. Sarotra àry matetika ny mamaritra hoe oviana marina no niova ho karazany vaovao ny karazany iray.”

Somary manaitra ny tenin’io bokikely io. Nahoana? Nilaza mantsy ny gazety Vaovaom-pirenena Momba ny Tany (anglisy), tamin’ny 2004, fa toy ny hoe “filma entina anaporofoana ny evolisiona”, ny sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny. “Isaky ny sary 1 000 nalaina hanaovana ilay filma anefa, dia tsy nilaina ny 999.” Ampy anaporofoana ny evolisiona ve ilay “sary” iray tavela? Inona marina no hita rehefa jerena ny sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny? Niaiky i Niles Eldredge, manam-pahaizana momba ny evolisiona sady mpanohana mafana fo azy io, fa “zara raha niova na tsy niova mihitsy ny ankamaroan’ny karazam-biby na zavamaniry”, nandritra ny fotoana lava be.

Sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny tsy tambo isaina no efa nofongarin’ny mpahay siansa eran-tany sy notahiriziny. Tokony ho 200 tapitrisa ny lehibe amin’izany, ary an’arivony tapitrisa ny kely. Maro ny mpikaroka miaiky hoe hita avy amin’ireny porofo tsy tambo isaina ireny, fa nisy tampoka ny ankamaroan’ny biby ary zara raha niova. Nisy karazany maro maty tampoka koa. Hoy i Jonathan Wells, manam-pahaizana momba ny zavamananaina, rehefa avy nandinika ny porofo asehon’ireny sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny ireny: “Rehefa dinihina ireo zavamananaina nosokajina ho fianakaviambe sy foko ary tarika, dia hita fa tsy marina ny hoe avy tamin’ny zavamananaina vitsivitsy ny zavamananaina rehetra, ary nihaniova noho ny zava-nitranga nanodidina azy. Tsy marina koa io fampianarana io, rehefa jerena ny firafitry ny sela sy ny sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny.”

Tena marina sa tsia ny evolisiona?

Nahoana ny manam-pahaizana malaza maro momba ny evolisiona goavana no manizingizina fa marina izy io? Manaiky fampianarana tsy mitombina ny mpahay siansa maro, hoy i Richard Lewontin, manam-pahaizana malaza momba ny evolisiona, rehefa avy nanakiana ny zavatra sasany nolazain’i Richard Dawkins izy. “Tsy sahy mandà izay zavatra nampianarina antsika voalohany mantsy isika”, hoy ihany i Lewontin. ‘Nampianarina isika hoe tsy nisy hery ambony noho ny an’ny olombelona namorona izao rehetra izao sy ny zavamananaina rehetra.’ Maro mihitsy aza ny mpahay siansa tsy manaiky handinika raha misy Mpamorona tena mahira-tsaina nanao izao rehetra izao na tsia. Nilaza mantsy i Lewontin hoe “ianarana amin’ny siansa fa tsy misy Andriamanitra.”

Hoy koa i Rodney Stark, manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina, tao amin’ny gazety Amerikanina Siantifika (anglisy): “Naverimberina nandritra ny 200 taona fa tsy tokony hanaiky hotaomin’ny fivavahana ianao, raha te ho mpahay siansa.” Nilaza koa izy fa “tsy sahy miresaka momba an’Andriamanitra ny olona mpivavaka”, any amin’ny oniversite mpanao fikarohana, ary ‘ny olona tsy mpivavaka kosa mihataka amin’ny mpivavaka. Omena tombontsoa maro izay olona ambony [eo amin’ny sehatry ny siansa], ka tsy mpivavaka.’

Zavatra telo no indray ekenao, raha mino ianao fa marina ny fampianarana momba ny evolisiona goavana. Voalohany, ekenao fa tsy hiova hevitra mihitsy ny mpahay siansa tsy mino an’Andriamanitra, na inona na inona porofo ara-tsiansa hitany. Faharoa, ekenao fa ny zavamananaina be kojakojany rehetra, dia avy tamin’ny zavamananaina nanana fototarazo tsara, ka nahavita niaina tsara teo amin’ny toerana nisy azy. Hita tamin’ny fikarohana naharitra 100 taona anefa, fa tsy miova ho hafa tanteraka ny karazan-javamaniry na biby iray, na dia misy fiovana aza amin’ny fototarazony. Manaporofo izany koa ny fandinihana natao tamin’ny fiovana an’arivony tapitrisa. Fahatelo, ekenao fa avy tamin’ny zavamananaina tokana ny zavamananaina rehetra. Hitan’ny mpahay siansa tsara avy amin’ireo sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny anefa fa nipoitra tampoka ny ankamaroan’ny karazan-javamaniry na biby rehetra, ary tsy niova miandalana ho karazany hafa, na dia nandritra ny fotoana ela be aza. Tena marina àry ve sa tsia ny fampianarana momba ny evolisiona goavana?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Misy mpiompy alika mifidy ny alika hampivadiana, mba hahazoana alika fohy tongotra kokoa na lava volo kokoa noho ny teo alohany. Lasa tsy miasa tsara intsony anefa matetika ny fototarazon’ilay alika vaovao. Tsy mitombo tsara, ohatra, ny taola-malemin’ilay karazana alika atao hoe teckel, ka izany no mahatonga azy ho fohy kely.

^ feh. 4 Voambolan’ny mpahay siansa ilay hoe “karazana” ampiasaina matetika ato amin’ity lahatsoratra ity. Tsara homarihina anefa fa tsy mitovy amin’ilay teny hoe “karazana” ao amin’ny Genesisy izy io. Tsy miova ho karazany vaovao, araka ny fiheveran’ny mpahay siansa azy, ny taranaky ny zavamaniry na biby iray. Mbola iny karazana iny ihany ilay izy, fa manana ny mampiavaka azy fotsiny. Izany no tian’ny Genesisy holazaina amin’ny hoe “karazana.”

^ feh. 6 Jereo ilay efajoro hoe “Ahoana no Nanasokajiana ny Zavamananaina?”

^ feh. 11 Hita tamin’ny fikarohana, fa tsy miankina amin’ny vihin’ny sela fotsiny ny endriky ny zavamananaina iray, fa amin’ilay ranoka ao anatiny sy ny fonony koa.

^ feh. 13 Hevitr’i Lönnig samirery no ato amin’ity lahatsoratra ity, fa tsy avy amin’ny Fikambanana Max Planck Mikaroka Momba ny Fambolena.

^ feh. 14 Hitan’ny mpikaroka imbetsaka fa nihena hatrany ny fiovana vaovao, ary ny teo aloha ihany no niverina. Nantsoin’i Lönnig hoe “fiovana miverimberina” izany. Tetsy an-danin’izany, dia latsaka ny 1 isan-jato monja tamin’ireo zavamaniry nisy fiovana, no mba azo nalaina nanaovana fikarohana fanampiny. Ary latsaka ny 1 isan-jato monja tamin’ireo no azo namidy. Vao mainka ratsy ny fiovana teo amin’ny biby, ka natsahatra ny fanovana ny fototarazon’izy ireo.

[Teny notsongaina, pejy 15]

‘Tsy mampiova ny [karazan-javamaniry na biby iray] ho hafa tanteraka ny fiovan’ny fototarazony’

[Teny notsongaina, pejy 16]

Hita avy amin’ny fodin’i Darwin fa afaka miaina mifanaraka amin’izay fiovana manodidina azy, ny karazan-javamaniry na biby iray

[Teny notsongaina, pejy 17]

Hitan’ny mpahay siansa avy amin’ireo sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny, fa nisy tampoka ny ankamaroan’ny biby ary zara raha niova

[Tabilao, pejy 14]

(Jereo ny gazety)

AHOANA NO NANASOKAJIANA NY ZAVAMANANAINA?

Nalahatry ny mpahay siansa ho sokajy maromaro ny zavamananaina. Manomboka amin’ny karazana, izay sokajy kely indrindra izany, ary miafara amin’ny fianakaviambe, izay sokajy lehibe indrindra. * Jereo, ohatra, ny fomba nanasokajiana ny olona sy ny lalitra mpihinam-boankazo. (Anarana nomen’ny mpahay siansa ireo anarana amin’ny teny vahiny eo ambany.)

OLOMBELONA LALITRA

Karazana sapiens melanogaster

Sampana Homo Drosophile

Fianakaviana Hominidés Drosophilidés

Sokajy Primates Diptère

Tarika Biby mampinono Bibikely

Foko Chordates Arthropodes

Fianakaviambe Biby Biby

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 48 Fanamarihana: Milaza ny Genesisy toko 1, fa hanome taranaka “samy araka ny karazany avy” ny zavamaniry sy biby. (Genesisy 1:12, 21, 24, 25) Tsy voambolana ara-tsiansa anefa io teny hoe ‘karazana’ ao amin’ny Baiboly io, ka tsy mitovy amin’ilay teny hoe “karazana” fampiasan’ny mpahay siansa.

[Sary nahazoan-dalana]

Tabilao nalaina tao amin’ilay boky nosoratan’i Jonathan Wells hoe Marina ve ny Fampianarana Momba ny Evolisiona? Nahoana no Diso ny Ankamaroan’ny Zavatra Ampianarintsika Momba ny Evolisiona? (anglisy)

[Sary, pejy 15]

Lasa kilemaina fotsiny ilay lalitra mpihinam-boankazo (eo ambony) fa tsy niova ho biby hafa, na dia novana aza ny fototarazony

[Sary nahazoan-dalana]

© Dr. Jeremy Burgess/Photo Researchers, Inc.

[Sary, pejy 15]

Hita imbetsaka tamin’ny fanandramana hanova ny fototarazon’ny zavamaniry, fa nihena hatrany ny fiovana vaovao teo amin’izy ireo, ary ny teo aloha ihany no niverina

(Lasa lehibe fotsiny ny felan’ilay zavamaniry, araka ny hita eto)

[Sary nahazoan-dalana, pejy 13]

From a Photograph by Mrs. J. M. Cameron/ U.S. National Archives photo

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

Lohana fody: © Dr. Jeremy Burgess/ Photo Researchers, Inc.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]

Dinôzôro: © Pat Canova/Index Stock Imagery; taolam-biby fahiny: GOH CHAI HIN/AFP/Getty Images