Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?

Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?

Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?

▪Maro no mihevitra fa tsy hamela ny olona hijaly be toy izao Andriamanitra, raha tena misy. Matetika ny olona no manontany hoe: “Taiza Andriamanitra tamin’ny fotoana nilantsika azy?” An-tapitrisany mantsy ny olona niaritra fahoriana mangidy, eny fampijalijaliana ho faty mihitsy aza.

Hita avy amin’ny filaminana sy ny hakanton’ny zavaboary anefa, fa misy ny Mpamorona iray be fiahiana. Raha be fiahiana tokoa Andriamanitra, nahoana izy no mamela ny fijaliana hisy? Ilana valiny mahafa-po io fanontaniana lehibe io, raha tiantsika ny hanompo an’Andriamanitra araka ny tokony ho izy. Aiza no ahitantsika izany valiny izany?

Manasa anao izahay hangataka ilay bokikely hoe Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? Inoanay fa hahazo valiny mahafa-po ianao, rehefa handinika tsara an’ireto fizarana ireto: “Ny Antony Namelan’Andriamanitra ny Fijaliana Hisy” sy ny hoe “Inona no Vokatry ny Fikomiana?”

Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ity tapakila ity ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay bokikely hoe Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.