Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

‘Ny any anaty ranomasina no fonenana midadasika sy anisan’ny sarotra iainana indrindra. Ahitana zavamananaina anefa any, na aiza na aiza jerena, ary tena maro be izy ireo indraindray.’—NEW SCIENTIST, GRANDE-BRETAGNE.

Tsy ela izay, dia nisy raharaha ara-pitsarana natao ho modely, tany Harrisburg, any Pennsylvanie (Etazonia). Namoaka didy ny mpitsara, fa ‘tsy araka ny lalàm-panorenana raha [ny famoronana no] ampianarina any amin’ny sekolim-panjakana, fa tsy ny evolisiona.’—NEW YORK TIMES, ETAZONIA.

‘Mandà ny fampianarana momba ny evolisiona ny antsasany mahery amin’ny Amerikanina’, araka ny fitsapan-kevitra nataon’ny mpanao gazety, tamin’ny 2005.—NEW YORK TIMES, ETAZONIA.

Misy sokatra goavana atao hoe Harriet, any amin’ny toeram-pijerem-biby any Brisbane, Aostralia. Avy any amin’ny nosy Galápagos izy io, ary 175 taona sady milanja 150 kilao. Io no “biby fantatra fa antitra indrindra eran-tany.”—AUSTRALIAN BROADCASTING CORPORATION.

Hitan’ny mpikaroka any Soisa ny fomba arahin’ny karazan-katsaka sasany mba hiarovan-tena amin’ny voangory mpanimba katsaka any Eoropa. Misy fofona avoakany ao amin’ny tany aniriany. Manintona kankana bitika ilay fofona, ary ireo no mamono ny sakivin’io karazam-boangory io.—DIE WELT, ALEMAINA.

Azo Sary ny Horita Goavana Iray

Sambany no nahazoan’ny mpahay siansa ny sarina horita iray. Goavana be izy io sady mbola velona tao amin’ny fonenany voajanahary, tany akaikin’ireo Nosy Bonin (Japon). Horita kely sy patsabe no nataon’ny mpahay siansa jono, ary nakirazorazony teo ambonin’ny farango ny fakan-tsary. Nirefy valo metatra teo ho eo ilay horita nipoitra avy tany amin’ny 900 metatra.

“Nihinana Ahitra ny Dinôzôro”

“Gaga be ny mpahay siansa”, hoy ny tatitry ny fampahalalam-baovao iray fa, hay “nihinana ahitra ny dinôzôro.” Ny fandinihana dikina dinôzôro fahiny, tany Inde, no nahafantaran’izy ireo izany. Tsy nampoizin’izy ireo ilay izy. Noheverina mantsy fa “ela be tatỳ aorian’ny nanjavonan’ny dinôzôro vao nisy ny ahitra, sady tsy nanana ilay karaza-nify hitsakoana ravina marokoroko” ireny biby ireny. Hoy i Caroline Stromberg, manam-pahaizana mpandinika sisan-javamaniry, sady nitarika ilay ekipa nahita ilay zava-baovao: “Tsy nieritreritra mihitsy ny ankamaroan’ny olona hoe nihinana ahitra [ny dinôzôro].”

Ahoana no Fanidin’ny Tantely?

Vazivazy no nilazana hoe voaporofon’ny injeniera, fa tsy afaka manidina ny tantely. Toa tsy ampy hery hanaingana ny vatany mantsy ny bibikely “mavesatra” toy ireny, satria fohy ny elany. Mba hahafantarana ny tsiambaratelon’io bibikely io, dia ‘nalain’ny [injeniera] sary ny tantely manidintsidina, ka sary 6 000 isan-tsegondra no azo’, hoy ny New Scientist. “Hafakely” ny fanidin’ny tantely, hoy izy ireo. Nilaza ny iray tamin’ireo mpikaroka, fa ‘velarin’ny tantely mahitsy ny elany, ary alefany any aoriana. Ahodiny tanteraka ilay izy avy eo, ary averiny mahitsy mankany aloha indray. Haingana be no anaovany izany, satria in-230 isan-tsegondra. Toy ny helisy izay sady afaka mihodina mahitsy izy io no afaka mihodina mitsangana.’ Mety hanampy ny injeniera amin’ny fanamboarany helisy izany. Hahavita fiaramanidina mora entina kokoa izy ireo amin’izay.

Mahay Mihira ny Totozy

‘Mahay mihira ny totozy, ary sarotra be toy ny an’ny vorona ny hirany rehefa mitady vady izy’, hoy ny New Scientist. Avo loatra ny hatetik’onjam-peon’ny hiran’ny totozy, ka tsy ren’ny sofintsika. Izany no tsy nahafantarana azy io. Hitan’ny mpikaroka any Saint Louis, any Missouri (Etazonia), fa ‘mirindra tsara ny feo avoakan’ny totozy lahy, ka azo antsoina hoe “hira.” ’ Izany no mahatonga ny totozy ho hafakely. Ny zavamananaina mampinono mahay mihira ankoatra ny totozy, dia ny trozona, ny feso, ny ramanavy sasany, ary ny olona.