Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Manampy ny Maty ve Ianao?

Afaka Manampy ny Maty ve Ianao?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Afaka Manampy ny Maty ve Ianao?

‘Efa hatramin’izay ny Eglizy no nanao vavaka ho an’ny [maty], mba ho voadio izy ireny, ka ho sambatra noho ny fahitana an’Andriamanitra.’ —“Katesizin’ny Eglizy Katolika.”

MANAHY ny amin’izay mitranga amin’ny maty ny olona avy amin’ny firazanana rehetra. Angamba ianao efa nahatsapa fahabangana sy alahelo, rehefa nisy havan-tianao maty. Mety hanontany tena ianao hoe: ‘Mbola mahatsiaro tena ve ny olona efa maty? Miadana ve izy ireo sa mijaly? Misy azoko atao mba hanampiana azy ireo ve?’

Mino ny mpivavaka maro fa afaka manampy ny maty izy ireo. Mino, ohatra, ny Hindoa fa ho azo antoka ho sambatra mandrakizay ny fanahin’ny havany maty, raha dorany eny amoron’ny Reniranon’i Gange ny vatany, ary aparitany eo amin’ilay rano ny lavenona. Ny Bodista any Azia indray dia mandoro sarina fiara, trano, akanjo, ary vola rehefa misy maty. Inoan’izy ireo fa ho afaka hampiasa ireny zavatra ireny ilay olona maty, any ankoatra. Any Afrika, dia andrarahana toaka eo an-tokotanim-pasana, satria heverina fa hahasoa ilay maty izany.

Ampianarin’ny Fivavahana Katolika fa raha nanao “fahotana mahafaty” ny olona iray tsy nibebaka nefa maty, dia tsy mahazo sitraka amin’Andriamanitra izy, ary izay “no atao hoe ‘helo.’ ” Lazainy kosa fa raha ankasitrahan’Andriamanitra ilay olona, dia afaka manantena “fahasambarana fara tampony” any an-danitra miaraka amin’Andriamanitra. Tsy maintsy diovina tanteraka anefa izy alohan’izay. Mety ho voatery halefa any amin’ny “afofandiovana” izy, mba hanasaziana azy noho ny fahotana nataony, izay azo avela. Mandritra ny fotoana ijanonany any anefa, dia azo atao ny manampy azy, amin’ny alalan’ny vavaka ataon’ny eglizy sy ny Lamesa natokana ho azy. Ny namany sy ny havany mazàna no mandoa ny vola hanaovana izany.

Ara-dalàna raha maniry hanao izay rehetra azonao atao ianao, mba hanamaivanana ny fahoriana mety hatrehin’ny havan-tianao nodimandry. Raha azo atao ny manampy azy ireny, dia azo inoana fa hanazava tsara ny fomba hanaovana izany Andriamanitra, sa tsy izany? Andeha àry hojerentsika raha mampianatra ny Baiboly hoe azo atao ny manampy ny maty.

Manao ahoana ny olona rehefa maty?

Ireo fanao eo ambony ireo, dia mifototra avokoa amin’ilay finoana fa tsy mety maty ny fanahy, izany hoe ny finoana fa misy ampahany amin’ny olombelona mbola velona ihany rehefa maty ny vatany. Izany ve no ampianarin’ny Baiboly? Izao no voalaza ao: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy. Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin’izay atao atỳ ambanin’ny masoandro izy. Izay rehetra azon’ny tànanao atao dia ataovy amin’ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita [na Sheola] izay alehanao.” (Mpitoriteny 9:5, 6, 10, fanamarihana ambany pejy) Manondro ny fasan’ny olona rehetra fotsiny, raha ny marina, ilay teny hebreo hoe Sheola.

Nahazo herin’ny fanahy masina ny mpanao salamo, ka nanoratra izay mitranga amin’ny olona maty. Hoy izy: “Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.”—Salamo 146:4.

Mitombina ny voalazan’ny Baiboly, sady azon’ny saina ekena tsara. Ahoana tokoa no hevitrao? Hampijaly ny zanany ve ny ray be fitiavana satria mora manota izy ireo noho ny toetra nolovany? (Genesisy 8:21) Mazava ho azy fa tsia. Azo antoka àry fa tsy hanao zavatra toy izany mihitsy ny Raintsika any an-danitra. Rehefa nanaraka ny fanaon’ny mpanompo sampy ny Israelita sasany fahiny, ka nandoro ny zanany ho sorona ho an’ny andriamani-diso, dia nanameloka azy ireo i Jehovah noho izany fanao maharikoriko izany. Nolazainy fa ‘zavatra tsy mba nandidiany na tao an-tsainy akory aza izany.’—Jeremia 7:31.

Fahafatesana no vokatry ny fahotan’ny olombelona, fa tsy fampijalijaliana any ankoatra akory. Milaza ny Soratra Masina fa ‘fahafatesana no karama omen’ny ota, ary izay maty dia afaka madiodio amin’ny fahotany.’—Romanina 5:12; 6:7, 23.

Tsy mijaly ny maty, fa toy ny hoe ao anatin’ny torimaso lalina kosa. Tsy mahatsiaro tena izy ireo, izany hoe tsy mahatsapa fahafinaretana na fanaintainana na fihetseham-po hafa. Tsy isalasalana àry fa mifanohitra amin’izay ampianarin’ny Baiboly ny ezaka rehetra ataon’ny olona mba hanampiana ny maty.

Inona no fanantenan’ny maty?

Tsy midika akory izany fa tsy hahatsiaro tena mandrakizay ireo havan-tianao nodimandry. Mifanohitra amin’izany aza, fa misy fanantenana tsara ho azy ireo.

Nilaza i Jesosy, talohan’ny nananganany an’i Lazarosy sakaiza tsy foiny, fa handeha “hamoha azy” izy. (Jaona 11:11) Nohazavainy koa indray mandeha fa ‘handre ny feony izay rehetra any am-pasana, dia hivoaka.’ (Jaona 5:28, 29) Ho efa nafahana madiodio tamin’ny fahotany taloha izy ireo, ka tsy voatery hijaly intsony noho izay nataony tamin’izy mbola velona. Ho azon’izy ireo atao ny hifaly ao anatin’ny toe-piainana lavorary. Hahafinaritra tokoa izany!

Raha manintona anao izany, dia ampirisihinay ianao handinika ny fahamarinan’ireo fampanantenana ireo. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

▪ Mahatsiaro tena ve ny maty?—Salamo 146:4; Mpitoriteny 9:5, 6, 10.

▪ Hampijaly ny maty any amin’ny afobe ve Andriamanitra?—Jeremia 7:31.

▪ Misy fanantenana ho an’ny maty ve?—Jaona 5:28, 29.