Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Fiovana ao Anatin’ny Mifohaza! Nahavita namaky ny Mifohaza! Janoary 2006 aho halina. Tena tiako ilay fiovana ao anatiny! Mitaky fandinihana bebe kokoa izao ny famakiana ilay gazety, ary mandrisika ny mpamaky hieritreritra. Hitako teo am-pamakiana an’ilay gazety manontolo, fa manatanjaka ny finoantsika tokoa i Jehovah.

B. N., Kanada

Enina ambin’ny folo taona aho. Hitako fa tena hanampy antsika eo amin’ny fianarana Baiboly ireo zava-baovao ao amin’ny Mifohaza! Ahitana fanontaniana vitsivitsy, ohatra, any amin’ny faran’ny lahatsoratra sasany, ary manampy ny mpamaky hisaintsaina ny zavatra vao avy novakiny. Tiako ny mampiasa ny Mifohaza! rehefa manao devoara aho. Manantena aho fa hamoaka fanazavana tsara sy mahasoa toy ireny foana ianareo.

S. N., Namibia

Zakako ny Aretiko Noho ny Finoako (Janoary 2006) Toa nanjary tsinontsinona ny olana rehetra atrehiko, taorian’ny namakiako ny tantaram-piainan’i Jason Stuart. Nanjary nazava tamiko fa sarobidy amin’i Jehovah ny fanompoantsika azy, araka izay toe-javatra iainantsika. Midera ny vadin’i Jason koa aho, noho ny fahafoizan-tenany sy ny fatokiany an’i Jehovah. Horaketiko ato am-poko foana iny tantaram-piainana iny, mba hahafahako hiatrika ny olana hitranga amin’ny hoavy.

C.R.S., Peroa

Nitomany aho rehefa avy namaky ny tantaran’i Jason, satria nanohina ny foko ny fitsapana nahazo azy. Vavolombelon’i Jehovah aho, ka tena mirehareha manana anadahy kristianina toa azy. Nianarako avy tamin’iny lahatsoratra iny, fa zava-dehibe ny miomana hiatrika fitsapana, satria mety ho tratran’ny “sampona” isika rehetra.—Mpitoriteny 9:11.

T. A., Hongria

Matin’ny SLA ny reniko. Noho izany dia tena nanohina ny foko ny tantaram-piainan’i Jason. Mandrisika ahy hanao araka izay fara heriko eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, ny ohatra navelany. Mivavaka aho, mba hampian’i Jehovah foana io rahalahy io sy ny vadiny.

L.Z.G., Paragoay

Nandany fotoana be dia be nianarana samirery i Jason, tamin’izy mbola salama, ka nanana tanjaka ara-panahy rehefa nila izany. Nampieritreritra ahy izany. Vao mainka aho izao tapa-kevitra ny hazoto kokoa hianatra samirery ny Baiboly.

Y. M., Japon

Manontany ny Tanora—Nahoana Aho no Mandratra Tena? (Janoary 2006) Niezaka mafy aho tamin’ny fahatanorako, mba hiala tamin’ny zava-mahadomelina sy toaka. Anisan’ny zava-tsarotra indrindra atrehiko hatramin’izao anefa ny fandratrana tena. Tsy maintsy miady mafy foana aho mba tsy hanao izany. Ny lahatsoratra toa an’io no manampy ahy hanohy ilay ady. Tsy hitako izay teny ilazana ny fankasitrahako anareo.

E. C., Etazonia

Nandratra tena aho, nanomboka tamin’ny fahatanorako, ary 56 taona aho izao. Efa-taona izay no nahafahako tamin’io fahazarana io, nefa mbola te hanao izany ihany aho rehefa manana olana lehibe. Nanohina lalina ny foko iny lahatsoratra iny. Manome herim-po ny olona toa ahy izy iny, mba hiatrika ny fiainana isan’andro.

Tsy mitonona anarana, Holandy

Tovovavy 17 taona aho, ary te hisaotra anareo noho iny lahatsoratra iny. Mpandratra tena aho, ary nanao izany indray, vao haingana. Nanatona an’i Neninay aho taorian’izay, ary niangavy azy mba hiara-mivavaka tamiko. Fantatro fa tia ahy i Jehovah, na dia eo aza izany olana mahazo ahy izany. Tena manampy ahy ilay lahatsoratra navoakanareo, ary isaorako an’Andriamanitra izany!

N. M., Repoblika Tseky

‘Dia hisy lahatsoratra momba izany ve?’ Izany no tonga tao an-tsaiko voalohany raha vao nahita an’io lahatsoratra io. Tovovavy 18 taona aho, ary mpandratra tena. Manao izany aho mba hanalako sorisory. Matetika aho no te hampanaintaina ny vatako, ary tsy hitako izay atao mba hisakanana izany. Gaga be aho nahita iny lahatsoratra iny. Nilatsaka ny ranomasoko, ary nisaotra an’i Jehovah tamin’ny vavaka aho. Ao amin’ny fandaminan’i Jehovah ihany no ahazoana fampaherezana toy izany!

A. P., Rosia

Nanomboka nandratra tena aho tamin’izaho 14 taona, mba hanamaivanako ny ratram-poko sy ny adin-tsaiko. Voatery nentina tany amin’ny hopitaly mihitsy aza aho indray mandeha, vokatr’izany. Tena manampy ahy hifehy tena, ny fanoratako ao anaty diary ny zavatra iainako isan’andro. Miantso namana be fangorahana koa aho, rehefa mitady handratra tena. Tena nanampy ahy ny vavaka. Ny namako sy ny anti-panahy kristianina no mivavaka miaraka amiko, rehefa mahatsiaro ho tsy mendrika ny hivavaka aho. Sarotra ny mifehy tena tsy hanao an’ilay izy. Hitako anefa izao ny fomba iatrehana azy, ary ekeko ny fanampiana rehetra omen’ny hafa.

N. W., Alemaina

Sarin’ny ankizivavy iray manongotra ny volony no hita eo amin’ny fiandohan’ilay lahatsoratra. Resahina ao koa ny momba an’i “Sara”, izay manongotra ny volony mba hanafaizana ny tenany. Tsy salama ny zanako vavy, ary manesika azy hanongotra ny volony io aretina io. Karazana aretin-tsaina ilay izy. Fanerena avy ao anatiny no mahatonga azy hanao izany, fa tsy faniriana handratra tena. Tsy manomboka amin’ny fanongotana volo mihitsy ny fandratrana tena.

M. H., Etazonia

Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19 no nomena anarana io aretina mampanongo-bolo io. Aretin-tsaina ilay izy, raha ny marina. Ilay sary ao amin’io lahatsoratra io kosa dia nofidinay tsara, mba hampisehoana fa manongo-bolo ny olona sasany mba hampijaliana ny tenany. Tsy midika anefa izany hoe izay rehetra manongo-bolo dia mpandratra tena avokoa. Araka ny voalazan’ilay mpamaky nanoratra etsy ambony, dia aretin-tsaina no tena mahatonga ny olona sasany hanongo-bolo.

Hazavain’ny manam-pahaizana sasany fa na dia voan’ilay aretina mampanongo-bolo aza ny olona iray, dia mila fantarina tsara aloha ny antony mahatonga izany, mba hahafahana hanome azy ny fitsaboana ilainy. Tsara amin’ny olona manana io aretina io àry ny manatona mpitsabo matihanina, mba hozahana sy hotsaboina.

Ahoana no Havalinao? (Janoary 2006) Faly be aho rehefa nahita io kilalaon-tsaina vaovao ao amin’ny Mifohaza! io. Mampianatra ny zafikelinay ato an-trano mantsy izahay. Asainay ataon’izy ireo devoara izao io kilalaon-tsaina io, ankoatra ny famakian’izy ireo Baiboly isan’andro sy ny famakiany lahatsoratra avy ao amin’ny Mifohaza! Misaotra anareo noho ny fiahianareo ny ankizy.

B. E., Etazonia

Sarotsarotra ihany ny mamaly ny fanontaniana ao amin’io kilalaon-tsaina io. Faly be anefa aho rehefa mahita valiny iray marina! Namaky io pejy io aho omaly hariva tontolo. Mahaliana be ilay izy! Te hanampy amin’ny famoahana ny gazety Mifohaza! aho, rehefa lehibe. Amin’izay ny olona afaka mianatra momba an’i Jehovah!

D. H., Etazonia

Valo taona aho. Mampiasa io lahatsoratra io izahay ato an-trano, rehefa manao fianaram-pianakaviana. Mahafinaritra anay ny manao fikarohana mba hahitana ny valiny. Sarotra indraindray ny mahita ny valin’ilay fanontaniana hoe “Iza àry Aho?”, kanefa tianay ny mikaroka izany. Mazotoa mamoaka lahatsoratra tsara toy ireny foana e!

C. W., Etazonia