Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fomba Ifehezan-tena

Fomba Ifehezan-tena

Fomba Ifehezan-tena

RAHA vao nandeha fotsiny ny telenay, dia nojerenay daholo izay fandaharana rehetra tao, na inona na inona. Tsy namono tele mihitsy izahay raha tsy efa hatory”, hoy i Claudine. Misy koa olona miteny hoe: “Tsy vitako mihitsy ny tsy hijery tele.” Ny sasany indray milaza hoe: “Mijery tele be loatra aho. Tsy tiako izany, nefa tsy mahafehy tena mihitsy aho.” Mijery tele be loatra ve ianao? Sa ianao manahy hoe inona no mety ho vokatr’izy io eo amin’ny ankohonanao? Ireto misy soso-kevitra vitsivitsy mety hanampy anao hametra ny fotoana ijerenao tele:

1. FANTARO NY HABETSAHAN’NY FOTOANA LANINAO EO. “Ny mahira-tsaina mandinika ny diany”, hoy ny Ohabolana 14:15. Tsara ny handinihanao izay jerenao sy ny habetsahan’izany, mba hahitanao raha tokony hanao fanitsiana ianao. Raiso an-tsoratra mandritra ny herinandro eo ho eo ny habetsahan’ny fotoana laninao ijerena tele. Ataovy lisitra koa ny fandaharana jerenao sy ny fahalalana azonao tamin’izany, ary mariho eo raha tianao ilay izy na tsia. Ny habetsahan’ny fotoana laninao ijerena tele anefa no tena tokony hofantarina. Mety ho gaga ianao rehefa mahita izany. Ny fahafantarana fotsiny ny fotoana laninao eo, dia efa mety handrisika anao hanao fanitsiana.

2. AHENAO NY FOTOANA IJERENAO TELE. Manandrama tsy mijery tele iray andro na herinandro na iray volana. Raha tsy vitanao izany, dia azonao atao ny mametra ny fotoana ijerenao tele isan’andro. Raha ahenanao antsasak’adiny isan’andro ny fotoana ijerenao tele, dia hahazo adiny 15 ianao ao anatin’ny volana. Ampiasao hanaovan-javatra mahasoa io fotoana io. Azo atao, ohatra, ny mianatra Baiboly, mamaky boky mahasoa, na miresadresaka sy miara-manao zavatra amin’ny ankohonana sy ny namana. Hita tamin’ny fandinihana natao fa mahafinaritra kokoa ny mijery tele, rehefa vetivety izany fa tsy ela be.

Azonao esorina ao amin’ny efitrano fandriana koa ny tele, raha tsy tianao ny hijery azy io ela. Raha misy tele ao amin’ny efitranon’ny ankizy iray, dia mihoatra adiny iray sy sasany eo ho eo isan’andro noho ny an’ny ankizy hafa, ny fotoana laniny ijerena izany. Tsy fantatry ny ray aman-dreny koa izay jeren’ilay ankizy, raha ao amin’ny efitranony ilay tele. Ho hitan’ny ray aman-dreny sy ny mpivady koa fa hanana fotoana betsaka kokoa hifampiresahana na hiarahana manao zavatra izy ireo, raha esoriny ao amin’ny efitrano fandrianany ny tele. Misy aza nanapa-kevitra ny tsy hanana tele mihitsy.

3. FANTARO MIALOHA IZAY HOJERENAO. Mazava ho azy fa maro ny fandaharana tsara ao amin’ny tele. Fantaro na jereo mialoha ao amin’ny gazety àry ny fandaharan’ny tele, ary fidio izay tianao, mba tsy ho eo am-pijerena ianao vao ho voatery hanovaova ny zavatra jerenao. Azo atao koa izany mba tsy hijerena izay fandaharana sendra mandeha eo. Aza alefa ny tele raha tsy efa hanomboka ilay fandaharana nofidinao. Vonoy avy hatrany ny tele raha vao vita ilay izy. Azo raisina amin’ny kasety video koa ilay fandaharana raha tsy tiana hojerena eo no ho eo. Afaka mijery an’ilay izy ianao avy eo rehefa malalaka. Azo alefa haingana koa amin’izay ny dokam-barotra eny anelanelany.

4. MAHAIZA MIFIDY. Efa noresahin’ny Baiboly mialoha ny ho toetran’ny olona ankehitriny. “Ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho matin-kambo, hiavonavona, ho mpanevateva, tsy hankatò ray aman-dreny, tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ho mpamadika, ho be di-doha, ho mpieboebo, [ary] ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra.” Ekenao angamba fa izany mihitsy ny toetran’ny olona maro aseho ao amin’ny tele. Mananatra antsika ny Baiboly hoe: “Ialao ny olona toy ireny.” (2 Timoty 3:1-5) Mampitandrina antsika koa izy io hoe: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.”—1 Korintianina 15:33.

Mifehy tena ny olona mahay mifidy. Asa raha efa nitranga taminao izao: Vao nanomboka fotsiny ilay filma dia efa hitanao hoe ratsy. Mbola nijery an’ilay izy hatramin’ny farany ihany anefa ianao mba hahitana fotsiny izay hiafarany. Maro no efa tratran’izany. Raha manana herim-po hamonoana an’ilay tele anefa ianao, ary manao zavatra hafa, dia ho hitanao fa tsy mampaninona anao akory na dia tsy fantatrao aza izay nitranga tao amin’ilay filma.

Mbola tsy nisy akory ny tele, dia izao no nosoratan’ny mpanao salamo: “Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan’ny masoko aho.” (Salamo 101:3) Tanjona tena tsara izany, ka tokony hataontsika ao an-tsaina rehefa mifidy izay hojerentsika isika! Nisy olona nanapa-kevitra ny tsy hanana tele intsony, ka anisan’izany i Claudine. Hoy izy: “Tsy tsapako mihitsy taloha fa tena nahatonga ahy ho mafy fo ny tele. Rehefa sendra mijery tele aho izao, dia lasa manafintohina ahy ny zavatra tsy nampaninona ahy taloha. Nihevitra foana aho tamin’izany hoe nahay nifidy tsara izay nojereko. Hitako anefa izao fa hay tsy izany no izy. Tiako kokoa izao ny mijery zavatra mahasoa.”

[Sary, pejy 8]

Soraty ny habetsahan’ny fotoana laninao ijerena tele

[Sary, pejy 8]

Manaova zavatra mahasoa kokoa ho solon’ny fijerena tele

[Sary, pejy 9]

Aza misalasala fa vonoy avy hatrany ny tele!