Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manana Olana Mifandray amin’ny Sakafo ve Aho?

Manana Olana Mifandray amin’ny Sakafo ve Aho?

Manontany ny Tanora Hoe...

Manana Olana Mifandray Amin’ny Sakafo ve Aho?

“Mitebiteby sy mangovitra aho indraindray, rehefa mipetraka hisakafo. Matahotra ny hihamatavy aho. Mieritreritra aho hoe: ‘Mbola tsy maintsy mihena roa kilao aho.’ ”—Melissa. *

“Matahotra mafy ny hihamatavy aho satria te ho tsara bika. Tsy tiako hisy hahafantatra hoe izay sakafo haniko dia aloako avy eo. Mahamenatra be ilay izy.”—Amber.

“Mieritreritra aho hoe: ‘ ... Hiezaka aho androany ...’ Tsy tantiko intsony anefa ilay izy rehefa elaela, ka misesika sakafo be aho. Manenina aho avy eo ary te ho faty.”—Jennifer.

ARA-DALÀNA raha te ho tsara bika ianao. Tsy misy maha ratsy ny hoe maniry fampiononana koa, rehefa mitebiteby na kivy. Raha mitovy amin’izay tsapan’ireo ankizivavy ireo anefa ny zavatra tsapanao, dia angamba misy olana mahazo anao. Tsy irery ianao, raha izany, satria tanora an-tapitrisany no manana olana mifandray amin’ny sakafo, ary ankizivavy ny ankamaroany. *

Hojerentsika akaiky aloha ireo olana mifandray amin’ny sakafo. Misy karazany telo izy ireo. Tsy mitovy ny fomba isehoany, saingy izay olona tratran’ireo zava-manahirana ireo, dia samy manana hevitra hafahafa momba ny sakafo. Raha hitanao hoe mitovy amin’izay voalaza eto ambany ny manjo anao, dia matokia fa afaka mahazo fanampiana ianao. Tena azonao ialana ilay izy!

Topy maso kely

ZARA RAHA MISAKAFO, SATRIA MATAHOTRA NY HATAVY. Rehefa mijery fitaratra ny ankizivavy manana an’io olana io, dia mahita hoe matavy be izy, na dia mahia aza. Tafahoatra mihitsy ny zavatra ataony mba hampihenany tena. Nanana an’io olana io ny ankizivavy iray, ka notandremany fatratra ny habetsahan’ny sakafo nohaniny. Hoy izy: ‘Noferako tsara mialoha izay sakafo hohaniko mandritra ny herinandro. Tsy nisakafo aho ary nanao spaoro mafy be, raha vao hitako hoe be loatra ny sakafo laniko. Inenina isan’andro aho no nihinana fanafody mampivalana.’

Tsy ela dia manomboka hita hoe manana olana ny ankizivavy toy izany. Matetika no mihena izy. Mety hihintsana koa ny volony, ho maina ny hodiny, ho reraka izy, ary hifintina sy hihamalemy ny taolany. Mety tsy ho tonga ara-dalàna ny fotoanany, na tsy ho tonga mihitsy mandritra ny volana maromaro.

Mety hisy hieritreritra hoe tsy mampidi-doza izany. Tadidio anefa fa mahafaty ilay izy. Hita tamin’ny fandinihina iray natao fa ny 10 isan-jaton’ny olona manana an’io olana io no matin’ilay izy. Matetika mantsy no tsy miasa tsara intsony ny taovany, na voan’ny aretina hafa izy satria tsy misakafo tsara.

MIHINANA NEFA MANDOA AVY EO, SATRIA MATAHOTRA NY HATAVY. Tsy mifady hanina ny ankizivavy manana an’io olana io, fa mihinam-be. Misy aza mahalany sakafo be dia be mihitsy, ao anatin’ny adiny roa monja! Matetika no aloany izay laniny, na mihinam-panafody mampivalana na mampipipỳ izy, mba hamoahana izany.

Mazàna no miafina ny olona misesika sakafo toy izany. Hoy ny ankizivavy iray: “Matetika aho no misesika sakafo rehefa avy mianatra, raha tonga alohan’ny olon-kafa ao an-trano. Mitandrina tsara aho mba tsy hisy hahafantatra izany.” Manenina foana anefa izy avy eo. Hoy ihany izy: “Nanenjika ahy ny eritreritro, nefa fantatro fa azoko atao toy ny tsy nisy ilay zavatra nataoko. Miakatra any ambony aho ary aloako izay nohaniko. Mahatsiaro ho maivamaivana aho avy eo, sady mahazo hery indray.”

Mampidi-doza izany fanao izany, na dia heverin’ny sasany ho mahasoa aza. Mampanify ny tsinay sy mampivonto na mampaharary azy io, ny fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny fanafody mampivalana. Ny olona mandoa imbetsaka, dia mety tsy ho ampy rano, harary nify, ho voan’ny aretin’ny lalan-kanina, na aretim-po mihitsy aza.

MISESIKA SAKAFO. Misy indray mihinam-be, saingy tsy aloany ilay izy. Mety hatavy be àry izy. Ny sasany kosa tsy mihinan-kanina na manao spaoro mafy be, rehefa avy mihinam-be. Mety tsy ho fantatry ny fianakaviany sy ny namany ny mahazo azy, satria tsy miova ny habeny.

Samy manana hevitra hafahafa momba ny sakafo na ny olona zara raha misakafo na ny mpisesika sakafo. Hoy ny ankizivavy iray momba ny tenany sy ny olon-kafa zatra manao izany: “Toy ny namanay akaiky izay tsy ataonay fantatr’olona ny sakafo, ary io ihany angamba no namanay.” Hoy ny iray hafa: “Tsy misy dikany ny zavatra hafa rehetra, rehefa misesika sakafo ianao. Hoatran’ny hoe ny sakafo no zava-dehibe indrindra, sady mampionona. Manenina sy kivy anefa ianao avy eo.”

Mampidi-doza ny misesika sakafo, na dia tsy aloan’ilay olona aza izay nohaniny. Mety ho voan’ny diabeta izy, na hiakatra tosidra, na harary fo, ary mety ho voan’ny aretina maro hafa. Mety hanakorontana ny fihetseham-pony koa izany.

Mety hitranga aminao ve izany?

Mazava ho azy fa tsy izay rehetra manao fanatanjahan-tena na te hihena akory, dia manana olana mifandray amin’ny sakafo. Rehefa mieritreritra ireo fanazavana eo aloha ireo anefa ianao, dia mety hanontany tena raha efa mitady hanana ilay olana. Eritrereto àry izao:

▪ Menatra ve aho na sanganehana noho ny fahazarako na ny fombako rehefa misakafo?

▪ Afeniko amin’ny olona ve izany fahazarako izany?

▪ Lasa ny zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainako ve ny sakafo?

▪ Milanja mihoatra ny indray mandeha isan’andro ve aho?

▪ Vonona hanao zavatra mety hampidi-doza ve aho, mba hampihenana tena?

▪ Efa nanandrana nihinana fanafody mampivalana na mampipipỳ ve aho, na ninia nandoa izay sakafo nohaniko?

▪ Misy fiantraikany eo amin’ny fifandraisako amin’olona ve ny fahazarako eo amin’ny fihinanana? Tiako kokoa ve, ohatra, ny mitokana tsy miaraka amin’ny hafa, mba tsy hahitany ahy misesika sakafo na mandoa?

Raha asehon’ny valin’ireo fanontaniana ireo fa manana olana mifandray amin’ny sakafo ianao, dia manontania tena hoe:

▪ Tena tiako ve izao zavatra ataoko izao?

Inona no azoko atao?

Manaova zavatra avy hatrany!

Mila manaiky aloha ianao fa manan-java-manahirana. Hoy i Danielle: “Rehefa nieritreritra aho, dia takatro fa nanana fihetseham-po sy fahazarana mitovy amin’ny an’ireo ankizivavy matahotra ny hatavy sy zara raha misakafo. Nampatahotra ahy izany.”

Mivavaha amin’i Jehovah momba ilay izy, avy eo. * Mitalahoa fanampiana aminy mba hahafantaranao izay anton’ilay olana, ka handresenao an’ilay izy. Afaka mivavaka toa an’i Davida ianao hoe: “Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro; ary izahao na misy làlana mampahory ato anatiko, dia tariho amin’ny làlana mandrakizay aho.”—Salamo 139:23, 24.

Ahoana anefa raha misalasala ny hiala amin’ilay fahazaranao ianao? Mety ho efa lasa miankin-doha amin’ilay izy mantsy ianao, toy ny olona andevozin’ny sigara. Ataovy antom-bavaka amin’i Jehovah koa izany. Izany no tsy maintsy nataon’i Danielle. Hoy izy: “Tsy tena te hiala tamin’ilay izy aho tamin’ny voalohany, ka tsy maintsy nivavaka mba haniry hiala.”

Farany, dia miresaha amin’ny rainao na reninao na olon-dehibe hafa, izay afaka manampy anao. Tsy hanao izay hahamenatra anao ny olon-dehibe miahy anao. Hiezaka hanahaka an’i Jehovah kosa izy ireo. Hoy ny Baiboly momba an’i Jehovah: “Tsy manao tsinontsinona na marikorikon’ny fahorian’ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy.”—Salamo 22:24.

Marina fa tsy mora ny miala amin’ilay zava-manahirana. Mety hilaina ny fanampian’ny dokotera. * Tokony hanao zavatra anefa ianao. Izany no nataon’ny ankizivavy iray zatra nihinam-be sy nandoa. Hoy izy: “Takatro indray andro, fa lasa nanandevo ahy ny fahazarana mandoa. Nieritreritra anefa aho fa tsy ho afaka amin’ilay izy mihitsy. Nangataka fanampiana ihany aho tamin’ny farany, na dia tena mafy tamiko aza izany.”

Afaka manao toy izany koa ianao!

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe...”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.

^ feh. 6 Vehivavy ny ankamaroan’ireo manana olana mifandray amin’ny sakafo, ka ny vehivavy no tena resahina ato. Mihatra amin’ny lehilahy koa anefa ny maro amin’ireo toro lalana ato.

^ feh. 32 Raha kivy ianao, dia afaka mahazo toky fa miahy anao i Jehovah. Manampy anao ny misaintsaina ireto andinin-teny ireto: Eksodosy 3:7; Salamo 9:9; 34:18; 51:17; 55:22; Isaia 57:15; 2 Korintianina 4:7; Filipianina 4:6, 7; 1 Petera 5:7; 1 Jaona 5:14.

^ feh. 35 Tokony hahazo antoka ny Kristianina fa tsy mifanohitra amin’ny toro lalan’ny Baiboly ny fitsaboana arahiny.

ERITRERETO IZAO:

▪ Hitanao hoe manana olana mifandray amin’ny sakafo ve ianao? Aiza no azonao itadiavana fanampiana, raha izany?

▪ Ahoana no azonao anampiana namana iray manana olana mifandray amin’ny sakafo?

[Efajoro, pejy 19]

“Mino aho fa manana olana ianao...”

Aza mitady hiaro tena raha misy mpianakavy na namana milaza izany aminao. Raha misy namanao, ohatra, mahita fa mivaha ny morontongotr’akanjonao ao aoriana, tsy ho faly ve ianao raha lazainy aminao izany, dieny mbola tsy mivaha daholo ilay izy? Hoy ny Baiboly: “Misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.” (Ohabolana 18:24) Raha misy olona mieritreritra fa manana olana ianao, ka mampanahy azy ilay izy ary resahiny aminao, dia izy indrindra ilay sakaiza tia anao!

[Efajoro/Sary, pejy 19]

“Naniry mafy ny hahia aho”

‘Nanomboka nihena aho. Nesorina ny faravazako avy eo, ka tsy afaka nihinan-kanina aho. Zara raha nisakafo aho nanomboka teo, satria natahotra ny hatavy. Lasa nibahana be tao an-tsaiko ny bika aman’endriko. Efa nahia aho, nefa tsy afa-po tamin’izany mihitsy. Nampatahotra ny lanjako, satria tena kely. Tena nanimba ny vatako aho! Tsy maniry intsony izao ny hohon-tanako. Tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny fiasan’ny vatako. Afa-jaza inefatra aho. Nitsahatra aloha be koa ny fotoanako, ary zara raha mandray ny otrikaina avy amin’ny sakafo ny vatako. Marary koa ny tsinaibeko. Nitranga izany rehetra izany, satria naniry mafy ny hahia aho.’—Nicole.

[Efajoro, pejy 20]

Ahoana raha miverina indray ilay olana?

Ahoana raha efa afaka tamin’ilay fahazaran-dratsy ianao, nefa miverina indray ilay izy rehefa afaka herinandro na volana maromaro? Aza kivy raha mitranga izany. Eken’ny Baiboly fa “potraka impito ny marina.” (Ohabolana 24:16) Tsy hoe resy tanteraka ianao raha mbola miverina ilay olana. Midika fotsiny izany fa mila tapa-kevitra kokoa hiala amin’ilay izy ianao, mamantatra hoe isaky ny inona no mitady hiverina ilay olana, ary angamba miresaka indray amin’ny olona iray afaka manampy sy manohana anao.

[Efajoro/​Sary, pejy 20]

Mitadiava fanazavana bebe kokoa

Raha manana olana mifandray amin’ny sakafo ianao, dia tsara ny mamaky lahatsoratra miresaka momba izany. Ho mora kokoa aminao ny handresy an’ilay olana, raha fantatrao tsara ny mombamomba azy io. Azo inoana fa handray soa ianao raha mamerina mamaky ny fanazavana ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) 22 Janoary 1999, pejy 3-12, sy ny Mifohaza! 8 Mey 1999, pejy 13-15.

[Efajoro, pejy 21]

HO AN’NY RAY AMAN-DRENY

Inona no azonao atao, raha manana olana mifandray amin’ny sakafo ny zanakao vavy? Diniho amim-pitandremana indray aloha ny fanazavana ato amin’ity lahatsoratra ity, sy ireo loharanon-kevitra hafa eo amin’ny pejy 20. Iezaho fantarina ny antony mahatonga azy hanana io olana io.

Hita fa maro amin’ireo manana olana mifandray amin’ny sakafo no mihevi-tena ho ambany sy fatra-pikatsaka ny lafatra, ka mitaky zavatra be loatra amin’ny tenany. Mitandrema mba tsy ho ianao indray no hahatonga azy hanana ireo toetra ireo. Ataovy izay hahatonga ny zanakao vavy hahatsiaro tena ho misy vidiny. (Isaia 50:4) Aza mitaky ny lafatra, fa ‘aoka ianao hahay handanjalanja.’ —Filipianina 4:5.

Diniho akaiky koa ny fiheveranao ny sakafo sy ny lanja. Tsy tandritandrinao akory ve hoe manasongadina be an’ireo zavatra ireo ianao, amin’ny resakao sy ny zavatra ataonao? Tadidio fa mieritreritra be momba ny bika aman’endriny ny tanora. Mora mandray am-po izay lazaina aminy ny tanora sasany, ka mety hanakorontana ny sainy ianao na dia mananihany azy fotsiny aza, noho izy dongadonga kely, na mitombo haingana be.

Mivavaha sy mieritrereta tsara momba ilay toe-javatra, ary miresaha amim-pahatsorana amin’ny zanakao avy eo.

Omano tsara izay holazainao sy ny fotoana hilazanao azy.

▪ Lazao mazava tsara ny fanahianao sy ny fanirianao hanampy azy.

▪ Aza gaga raha miaro tena avy hatrany izy.

▪ Mihainoa tsara.

Ny zava-dehibe indrindra, dia ampio ny zanakao amin’ny ezaka ataony handresena ilay zava-manahirana. Ianareo mianakavy mihitsy no mila miara-miasa mba hanampy azy!

[Sary, pejy 21]

Mety hila hivavaka ianao mba haniry hiala amin’ilay fahazarana