Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitandrema Amin’ny Mpangalatra Fiara!

Mitandrema Amin’ny Mpangalatra Fiara!

Mitandrema Amin’ny Mpangalatra Fiara!

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ATSY AFRIKA ATSIMO

MIHAMARO ny halatra fiara any amin’ireo tanàn-dehibe eran-tany. Ahitana izany any Karachi ka hatrany Lisbonne, any Nairobi ka hatrany Rio de Janeiro. Nilaza ny Birao Amerikanina Misahana ny Antontan’isa Momba ny Fitsarana, fa 38 000 teo ho eo isan-taona ny fiara nisy nangalatra tany Etazonia, teo anelanelan’ny 1993 sy 2002.

Maherin’ny 14 000 kosa isan-taona ny fiara misy mangalatra eto Afrika Atsimo. Maro kokoa noho ny any Etazonia izany, raha ny isan’ny mponina no jerena. Avo enina heny noho ny eto Afrika Atsimo mantsy ny isan’ny mponina any. Ireto misy tantara vitsivitsy tena nitranga teto Johannesburg, tanàna lehibe indrindra eto Afrika Atsimo. Rehefa avy mamaky azy ireo ianao, dia ho takatrao hoe nahoana no anisan’ny heloka bevava tena atahoran’ny olona maro ny halatra fiara. Mety hanampy anao hahalala izay tokony hatao koa izany raha sanatria ka misy mangalatra ny fiaranao, ary indrindra ny fomba isorohana izany.

Tantara tena nisy

▪ “Niara-nitory ny vaovao tsara nandritra ny herintaona izahay sy Susan namako. Nijanona teo amoron-dalana tao amin’ny tanàna iray izahay, indray alarobia, mba hisotro dite, talohan’ny nandehananay tany amin’ny olona ampianarinay Baiboly manaraka. Nivoaka ny fiara i Susan mba haka harona tao aoriana. Teo am-panomezana kaopy ahy indrindra izy no nisy lehilahy roa tonga tampoka tsy fantatra hoe avy aiza. Nanambana basy teo amin’ny tendan’i Susan ny iray. Taitra aho ka nanandrana nivoaka avy tao anaty fiara, kanjo natosik’ilay iray hiverina. Tsy afa-niala intsony àry izahay mirahavavy. Novelomin’izy roa lahy ny fiara ary nentiny izahay. Natahotra be aho hoe tena mety hovetavetain-dry zareo na hovonoiny izahay.”—Anika, vehivavy tanora efa manambady.

▪ “Tamin’ny fito ora maraina tamin’izay. Handeha hiasa aho ary nitondra ny fiarako. Nijanona teo amin’ny sampanan-dalana iray fijorojoroan’ny olona mitady asa aho. Nisokatra ny fitaratry ny fiarako. Tsy tandritandriko akory dia iny nisy olona nanambana basy teo amin’ny tendako, avy teo amin’ilay fitaratra nisokatra. Hoy izy: ‘Mivoaha, raha tsy izany tifiriko!’ Tamin’izay indrindra no nisy helikoptera mpitatitra entana nandalo teo amboninay. Noheveriny fa polisy ilay izy, ka notifiriny ny tendako ary lasa nitsoaka izy. Tapaka tamin’izany ny tsokan-damosiko, ka nanjary nalemy ny tapako ambany manomboka eo amin’ny tendako. Tsy azoko ampiasaina intsony ny tanako sy ny tongotro, sady tsy mahare na inona na inona fa donto.”—Barry, manan-janaka tanora.

▪ “Handeha hivoaka kely hisakafo antoandro izahay sy Lindsay vadiko. Niandry azy tao anaty fiara aho. Nihidy daholo ny varavarana, fa ny fitaratra no nisokatra kely, satria nafana ny andro. Nijery tany aloha aho, ary nisy lehilahy roa nanatona moramora. Nisaraka izy ireo rehefa imbalo mandingana teo ho eo sisa no tsy nahatongavany teo amin’ny fiarako. Ny iray niankavia, ilay iray kosa niankavanana. Tampoka teo dia nijoro teo am-baravarana izy ireo, ary samy nanambana basy ahy sady nandidy ahy hamelona ny fiarako. Narahiko daholo izay nolazainy. Notreroniny aho hivoaka, ary hivadika ao aoriana. Ilay iray no namily avy eo, fa ilay iray kosa nanery ahy hiondrika. Tsy navelany hitraka mihitsy aho. Hoy izy: ‘Misy antony tsy tokony hamonoako an’ialahy ve?’ Namaly aho hoe: ‘Vavolombelon’i Jehovah aho.’ Naverimberiny foana hoe hovonoiny aho. Nivavaka tsy an-kijanona aho, ary nieritreritra izay mety ho fahatairan’ilay vady malalako, rehefa ho hitany fa niara-nanjavona izaho sy ny fiaranay.”—Alan, mpiandraikitra mpitety faritany sady raim-pianakaviana.

Hita avy amin’ireo tantara ireo fa tsy ampoizin’ny olona akory ny mpangalatra fiara, ary haingana be ny fitrangan’izany. Toerana tsy eritreretinao hoe hampidi-doza koa no hararaotiny. Efa mampahatahotra koa ankehitriny ny miandry olona na miala sasatra ao anaty fiara eny amoron-dalana, any amin’ny tanàna maro. Mampidi-doza koa ny sampanan-dalana sy ny lalana mivily any an-tranon’olona.

Fomba iatrehana an’ilay izy

Soa ihany fa tsara fiafara ilay tantaran’i Susan sy Anika. Nanomboka nanazava momba ny asa fampianarana Baiboly ataony izy mirahavavy, teny an-dalana. Toa nenjehin’ny eritreriny ireo mpangalatra rehefa nandre izany. Hoy i Anika: “Niala tsiny izy ireo noho izay nataony. Nilaza anefa ry zareo fa tsy maintsy mangalatra satria mafy ny fiainana. Nohazavainay avy eo hoe nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny fahantrana sy ny fijaliana.” Nanohina ny fon’izy mirahalahy ny hafatra avy tao amin’ny Baiboly, ka tapa-kevitra izy ireo fa hamerina ny vola sy famantaranandro nalainy teny amin’i Susan sy Anika. Nanome toky izy ireo fa tsy haninona azy mirahavavy. Hoy i Susan: “Nanomboka nanoro hevitra anay ny iray, hoe ahoana no hataonay mba tsy hisy hangalatra intsony ny fiaranay amin’ny manaraka.” Hoy koa i Anika: “Nasain’izy ireo nampanantena izahay, fa tsy hanajanona ny fiaranay eny amin’io lalana io intsony rehefa hisotro dite.” Nitana ny teny nataony tokoa ireo mpangalatra, ka nanajanona ny fiara ary nivoaka. Faly izy ireo nandray boky ara-baiboly vitsivitsy, ary navelany handeha soa aman-tsara i Susan sy Anika.

Nasain’ireo mpangalatra nivoaka ny fiarany kosa i Alan, ilay mpiandraikitra mpitety faritany, rehefa tonga teo amin’ny toerana mangingina iray. Faly i Alan fa tafavoaka velona sady tsy naratra, na dia namoy zavatra lafo vidy aza. Hoy izy: “Tsy naninona loatra aho satria nanaraka ny tenin’izy ireo fa tsy nanohitra. Tsy nikoropaka koa aho. Tena tokony ho mailo anefa aho tamin’iny. Nianarako avy tamin’iny zava-nitranga iny hoe tokony ho mailo foana isika fa tsy ho variana mihitsy. Efa tena ratsy mantsy izao ny tontolon’i Satana.” Niverina nitory tao amin’ilay faritany i Alan sy Lindsay ny ampitso, niaraka tamin’ilay fiangonana nanendrena azy ireo. Hoy i Alan: “Nivavaka izahay, ary mailomailo foana nandritra ny andro. Tsy mora izany nefa nomen’i Jehovah ‘hery fanampiny’ izahay.”—2 Korintianina 4:1, 7.

Mipetraka eo ambony seza misy kodiarana izao i Barry, efa 11 taona izay. Izy no voa mafy indrindra. Mendri-piderana izy satria be fanantenana hatrany, ary niezaka tsy hitana lolompo. Matoky foana izy fa ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah Andriamanitra tontolo vaovao hitoeran’ny fahamarinana. (2 Petera 3:13) Manatrika fivoriana kristianina tsy tapaka izy, ary miresaka ny zavatra inoany amin’ny olona, isaky ny afaka manao izany. Hoy izy: “Mahafinaritra foana ny manompo an’i Jehovah. Marina fa tsy afa-miala eto ambony seza misy kodiarana aho, sady zara raha afaka mikarakara tena. Mieritreritra ny zavatra tsara ataon’i Jehovah ho ahy anefa aho matetika, ka manampy ahy hiaritra izany. Hifarana tsy ho ela ity tontolo ratsy ity, ary ho avy ilay andro iray toa zato hahafahako handeha indray!”—Isaia 35:6; 2 Timoty 3:1-5.

Nandray fepetra hentitra ny manam-pahefana eto Afrika Atsimo, ka mihavitsy izao ny halatra fiara eto. Mbola mitohy anefa izany any an-tany hafa sady mihamaro. Matoky ny tena Kristianina fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hanafoana ny heloka bevava sy ny herisetra rehetra.—Salamo 37:9-11; Matio 6:10.

[Efajoro/​Sary, pejy 14]

FOMBA ISOROHANA NY HALATRA FIARA

▪ Hidio foana ny varavarana sy ny fitaratra, raha mandalo eny amin’ny faritra efa nisy halatra fiara ianao.

▪ Aoka ianao ho mailo rehefa hijanona eny amin’ny sampanan-dalana. Jereo sao misy olona mampiahiahy mijorojoro eny amoron-dalana.

▪ Aza manakaiky be loatra ny fiara eo alohanao, mba ho mora aminao ny handositra raha sendra misy mpangalatra.

▪ Raha misy fiara mandona avy ao aoriana ny fiaranao, dia jereo tsara ny manodidina, fa aza maika hivoaka hijery ny fahavoazana. Mety ho fandrika ilay izy. Raha toerana be halatra fiara no itrangan’izany, dia tsara kokoa angamba raha entinao any amin’ny polisy akaiky indrindra ny fiaranao.

▪ Aoka ianao ho mailo raha misy olon-tsy fantatra mijorojoro eny akaikin’ny vavahadinao. Tsara kokoa amin’izay raha tohizina aloha ny dia, ary elaela vao mody. Azo atao koa ny mankany amin’ny toerana misy polisy akaiky indrindra.

▪ Jerijereo foana ny eo aloha sy ny eo aorianao, raha tsy maintsy miandry olona ao anaty fiara ianao, eny amin’ny faritra be halatra fiara na eny amin’ny toerana vitsy olona. Raha misy mampiahiahy anao dia ento miala eo ilay fiara, ary miverena rehefa hitanao fa tsy misy atahorana intsony.

[Sary, pejy 14]]

Be fanantenana foana i Barry na dia tsy afa-miala eo ambony seza misy kodiarana aza