“Mpampianatra Mahay” ny Tele
“Mpampianatra Mahay” ny Tele
IANARAN-JAVATRA maro ny tele. Mianatra momba ny tany sy ny olona mbola tsy hitantsika mihitsy isika amin’ny alalan’izy io. Toy ny hoe “mitsidika” alan’ny tany mafana na toerana feno lanezy isika. Hitantsika ny any an-tampon-tendrombohitra sy ny any ambanin’ny ranomasimbe. Mahalala zavatra mahavariana maro momba ny ataoma sy ny kintana isika. Fantatsika eo no ho eo ihany ny vaovao mitranga any an-tany lavitra. Mahalala momba ny politika, tantara, kolontsain’ny tany hafa, ary ny zava-misy ankehitriny isika. Mampiseho ny zavatra mampahory ny olona ny tele, nefa koa mampiseho ny zavatra tsara vitany. Mampiala voly izy io, mampianatra, ary manome aingam-panahy mihitsy aza.
Tsy mahasoa sady tsy ahalalana zavatra tsara anefa ny ankamaroan’ny fandaharana ao amin’ny tele. Maro no manakiana azy ireny. Ny herisetra sy ny firaisana aseho ao no tena mahasosotra azy ireo. Mibahan-toerana ao amin’ny tele ireo, sady aseho miharihary mihitsy. Hita tamin’ny fanadihadiana natao tany Etazonia, ohatra, fa efa ho fandaharana 2 ao anatin’ny 3 no ahitana herisetra, ary mitranga in-6 eo ho eo izany isan’ora. Mandra-pahalehiben’ny ankizy iray, dia hahita herisetra sy vonoan’olona an’arivony izy ao amin’ny tele. Miverimberina ao koa ny resaka firaisana sy ny fanaovana firaisana. Tsy *
maintsy misy resaka firaisana, ohatra, ny androatokon’ny fandaharana rehetra, ary ahitana olona manao izany mihitsy ny 35 isan-jato aminy. Tsy mpivady akory matetika no aseho manao firaisana eo, fa olona te hanao izany tampoka fotsiny, ary toy ny hoe tsy mampaninona sy tsy misy vokany ratsy ilay izy.Be mpitady maneran-tany ny filma misy herisetra sy ahitana olona manao firaisana. Lafon’ny Amerikanina mora foana any an-tany hafa ny filma mampangitakitaka vokariny, ka vetivety dia mandeha ao amin’ny tele. Tsy ilana mpilalao mahay izy ireny. Tsy voatery atao sarotra be koa ny zavatra lazain’ilay mpilalao, ka tena mora azo ilay filma. Fifanafihana, famonoana olona, sary tsy tena misy fa namboarimboarina, feo na mozika mafy, hazavana manjelanjelatra, ary olona manao firaisana, no tena betsaka ao amin’ilay filma. Izany mantsy no tian’ny mpijery. Tsy maintsy ovaovana anefa ireo, mba hahaliana azy hatrany. Mora leo ny mpijery raha ny teo aloha ihany no miverina. Efa tsy mahataitra azy intsony ny zavatra nampangitakitaka azy teo aloha. Izany no mahatonga ny mpamorona filma hiezaka hitady zavatra mampahatahotra sy mampangitakitaka kokoa hatrany. Ampitomboiny ny herisetra sy ny firaisana, sady ataony miharihary sy mahatsiravina kokoa.
Adihevitra momba ny vokatry ny tele
Inona no hitranga amin’ny mpijery, raha herisetra sy firaisana toy izany foana no hitany? Misy milaza fa mahatonga ny olona hahery setra ny herisetra hitany ao amin’ny tele, ary lasa tsy mangoraka firy izy rehefa tena mahita olona iharan’ny herisetra. Misy koa milaza fa mahatonga ny olona haloto fitondran-tena sy tsy hiraharaha intsony ny
fitsipika momba ny fitondran-tena, ny firaisana aseho ao amin’ny tele.Mahatonga an’izany rehetra izany tokoa ve ny fijerena tele? Niteraka adihevitra be io fanontaniana io nandritra ny taona maro. Mba hamaliana azy io, dia nisy fanadihadiana an-jatony natao, ary nisy boky sy lahatsoratra an’arivony navoaka. Ny tena sarotra tamin’ilay adihevitra dia ny nanaporofo raha misy vokany eo amin’ny olona tokoa izay jereny ao amin’ny tele na tsia. Lasa mahery setra tokoa ve, ohatra, ny ankizy zatra mahita herisetra ao amin’ny tele, rehefa lehibe? Sarotra indraindray ny manaporofo izany. Nahoana? Intỳ misy ohatra: Aoka hatao hoe nihinana fanafody ianao, ary nangidihidy be rehefa afaka ora vitsivitsy. Hanatsoaka hevitra avy hatrany ianao fa ilay fanafody no nahatonga izany. Indraindray anefa, dia elaela vao mangidihidy ny olona sasany. Sarotra kokoa amin’izay ny hilaza hoe ilay fanafody no nampangidihidy azy. Maro mantsy ny antony mety hahatonga ny olona hangidihidy.
Sarotra toy izany koa ny manaporofo hoe mahatonga ny olona hanao heloka bevava sy ho ratsy fanahy ny herisetra ao amin’ny tele. Marina aloha fa efa nisy fanadihadiana maro nanaporofo izany. Milaza koa ny mpanao heloka bevava sasany, fa ny zavatra hitany tao amin’ny tele no nahatonga azy hahery setra. Etsy an-danin’izany anefa, dia misy zavatra maro hafa misy vokany eo amin’ny olona. Anisan’izany ny lalao video misy herisetra, ny toetran’ny namany na ny havany, ary ny fiainana amin’ny ankapobeny. Samy mety hahatonga ny olona hahery setra avokoa ireo.
Tsy mahagaga àry raha tsy mitovy hevitra ny manam-pahaizana. Hoy ny psikology iray any Kanada: “Hitan’ny mpahay siansa fa tsy mahatonga ny olona hahery setra na ho mafy fo ny fijerena herisetra ao amin’ny tele.” Hoy anefa ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Psikolojia: “Tena azo antoka tanteraka fa ho lasa mafy fo sy hahery setra kokoa ny olona, arakaraka ny hijereny herisetra ao amin’ny tele.”
Misy vokany eo amintsika tokoa ve ny tele?
Hitantsika teo fa mihevitra ny manam-pahaizana sasany hoe tsy misy porofo ilazana fa maka tahaka ny herisetra hitany ao amin’ny tele ny olona. Vitsy anefa ny olona hilaza, fa tena tsy hisy vokany eo amin’ny saintsika sy ny fitondran-tenantsika mihitsy ny tele. Eritrereto izao: Ny fijerena sary fotsiny dia efa mety hahatezitra na hampitomany na hahafaly antsika. Mampihetsi-po be antsika koa ny feon-kira sasany. Mampieritreritra antsika na manohina ny fontsika, na manosika antsika hanao zavatra ny teny, na dia teny an-tsoratra aza. Koa mainka moa fa hoe mihetsika ilay sary, ary ampiarahina amin’ny feon-kira sy teny! Tsy mahagaga raha tena manintona ny olona ny tele! Tsy sahirana koa isika vao afaka mijery tele na manana azy io mihitsy. Hoy ny mpanoratra iray: “Rehefa nanomboka naneho ny heviny tamin’ny alalan’ny soratra ny olombelona, dia nisy vokany lehibe teo amin’ny fiainan’izy ireo izany. Mbola nisy fomba fanehoan-kevitra hafa taorian’izay, nefa ny tele no nisy vokany niavaka indrindra.”
Isan-taona dia mandany vola an’arivony tapitrisa dolara hanaovana dokam-barotra ny orinasa maro, satria fantatr’izy ireo fa misy vokany eo amin’ny olona ny zavatra hitany sy reny. Fantatr’ireny orinasa ireny fa tsy hoe mety hahomby ny dokam-barotra, fa tena mahomby. Mampandeha ny entany izy io. Nandany 2 200 tapitrisa dolara tamin’ny dokam-barotra, ohatra, ny Orinasa Coca-Cola, tamin’ny 2004. Nataony an-tsoratra sy navoakany tamin’ny radio sy tele izany, ary nalefany eran-tany. Nahomby ve izany dokam-barotra nandaniam-bola be izany? Efa ho 22 000 tapitrisa dolara ny tombom-barotra azon’ilay orinasa tamin’io taona io. Fantatry ny mpanao dokam-barotra fa mety tsy hahomby ny dokam-barotra raha alefa indray mandeha monja. Misy vokany kosa izy io rehefa averimberina an-taonany maro.
Raha dokam-barotra 30 segondra monja aza misy vokany amin’ny saintsika sy ny fitondran-tenantsika, ka mainka moa fa ny fijerena tele mandritra ny ora maro! “Mpampianatra mahay ny tele. Hainy ny mampianatra antsika na dia amin’ny alalan’ny fialam-boly faran’izay tsotra aza”, hoy ny boky Televiziona—Tantara Iraisam-pirenena (anglisy). Hoy koa ilay boky hoe Tantara An-tsarin’ny Televiziona (anglisy): “Manova ny fomba fisainantsika ny tele.” Mila manontany tena àry isika hoe: ‘Misy vokany tsara eo amin’ny fomba fisainako ve ny tele?’
Tena lehibe io fanontaniana io ho an’ny mpanompon’Andriamanitra. Mifanohitra amin’ny toro lalana sy fitsipika ambony momba ny fitondran-tena ao amin’ny Baiboly ny ankamaroan’ny zavatra alefa ao amin’ny tele. Aseho ho toy ny tsara sy ara-dalàna ary ara-damaody mihitsy aza ny fomba fiaina sy fanao melohin’ny Soratra Masina. Tsy raharahaina Isaia 5:20.
sy ambanina ary ihomehezana foana kosa izay miezaka manana ny toetran’i Kristy. Nitaraina ny mpanoratra iray hoe: “Aseho ho toy ny tsara ny ratsy, ao amin’ny tele. Ary tsy izany ihany, fa aseho ho toy ny ratsy koa ny tsara.” Toy ny tsy mitsahatra mibitsika tokoa ny tele hoe: ‘Ratsy ny tsara ary tsara ny ratsy.’—Tsy maintsy mitandrina àry isika ny amin’izay jerentsika, satria hisy vokany eo amin’ny fomba fisainantsika izany. Hoy ny Baiboly: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” (Ohabolana 13:20) Hoy i Adam Clarke, manam-pahaizana momba ny Baiboly: “Matoa isika miara-dia amin’ny olona iray, dia tia azy sy miraiki-po aminy. Tsy maintsy manahaka ny olona tiantsika foana anefa isika. Hoy mantsy ny fitenenana: ‘Asehoy ahy ny namany, dia ho fantatro ny toetrany.’ Izany hoe lazao amiko ny olona iarahany matetika, dia ho fantatro avy hatrany ny fitondran-tenany.” Araka ny efa hitantsika, dia tena tsy hendry ny olona maro miseho ao amin’ny tele. Tsy hieritreritra ny hanasa olona toy izany ho ao an-tranony mihitsy ny tena Kristianina. Toy ny hoe miaraka tsy tapaka amin’izy ireny anefa ny ankamaroan’ny olona, satria mandany fotoana be dia be ijerena azy.
Raha asain’ny dokotera mihinana fanafody mahery be ianao, dia azo inoana fa handinika ny soa azo avy amin’ilay izy sy ny mety ho voka-dratsiny, alohan’ny hihinanana azy. Mety hampaharary anao ny mihinana fanafody tsy mety aminao, na fanafody mety aminao ihany fa be loatra. Tsy misy hafa amin’izany ny fijerena tele. Tokony hoeritreretintsika tsara àry izay jerentsika ao.
Nasain’Andriamanitra nampirisihin’ny apostoly Paoly ny Kristianina mba tsy hieritreritra afa-tsy zavatra marina, zava-dehibe, mahitsy, madio, mahatehotia, tsara laza, ary mendri-piderana. (Filipianina 4:6-8) Hanaraka io torohevitra io ve ianao? Ho sambatra ianao raha manao izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 3 Mitovy amin’ny antontan’isa any Etazonia ihany ny any an-tany hafa, satria alefa maneran-tany ny fandaharana sy filma amerikanina.
[Teny notsongaina, pejy 5]
“Misy olona tsy hasainao mihitsy ho ao an-tranonao, nefa mampiala voly anao ao amin’ny efitra fandraisam-bahiny, amin’ny alalan’ny tele.”—David Frost, mpiteny ao amin’ny tele any Grande-Bretagne
[[Efajoro, pejy 5]]
NAHOANA NY BAIBOLY NO MITANTARA HERISETRA SY FIRAISANA?
Inona no tsy mampitovy ny herisetra sy ny firaisana aseho ao amin’ny tele, sy izay resahina ao amin’ny Baiboly? Natao hananarana fa tsy hampialana voly ny firesahana momba ny firaisana sy herisetra ao amin’ny Baiboly. (Romanina 15:4) Mitantara zava-nitranga taloha fotsiny ny Baiboly, mba hahalalantsika izay hevitr’Andriamanitra, ary hakantsika lesona avy amin’ny fahadisoan’ny olon-kafa.
Saika any amin’ny tany rehetra, dia ahitana herisetra sy fanaovana firaisana ny dokam-barotra ao amin’ny tele. Tsy natao hananarana izy ireny, fa natao hahazoam-bola. Fantatry ny mpanao dokam-barotra fa tian’ny olona ny mijery fanaovana firaisana sy herisetra. Asiany an’ireo zavatra ireo àry ao amin’ny dokam-barotra, mba hisarihana olona betsaka araka izay azo atao. Inona no vokany? Mijery an’ilay dokam-barotra ny olona, ary mividy an’ilay entana. Fantatry ny mpilaza vaovao ao amin’ny tele koa, fa mahaliana ny olona ny vaovao mahatsiravina. Izany no mahatonga ny heloka bevava sy ny loza hafa ary ny ady hibahan-toerana ao amin’ny fampahalalam-baovao, raha oharina amin’ny zava-mitranga hafa tsy dia manaitra.
Marina fa mitantara herisetra ny Baiboly. Mampirisika ny olona hihavana fa tsy hiady na hamaly faty anefa izy io. Averimberiny foana koa fa tokony hadio fitondran-tena isika. Tsy izany kosa matetika no aseho ao amin’ny tele.—Isaia 2:2-4; 1 Korintianina 13:4-8; Efesianina 4:32.
[Efajoro/Sary, pejy 7]
TOKONY HIJERY TELE VE NY ANKIZY KELY?
“Rehefa avy nandinika an-taonany maro ny mpahay siansa sy ny mpitsabo, dia tena resy lahatra fa misy vokany ratsy eo amin’ny ankizy ny fijerena herisetra ao amin’ny tele.”—Fikambanana Henry J. Kaiser Misahana ny Fianakaviana.
“[Miombon-kevitra amin’ny] Fikambanana Amerikanina Mitsabo ny Ankizy izahay fa tsy tokony ‘[hijery tele] ny zaza roa taona no ho midina.’ Mbola tena eo am-pivelarana ny sain’ireny ankizy ireny, ka mila milalao sy mifanerasera amin’ny olona izy. Hampitombo ny fahaizany ara-tsaina sy ara-batana izany, ary hanampy azy hahay hifandray amin’ny olona.”—Fikambanana Mikaroka ny Vokatry ny Haino Aman-jery eo Amin’ny Fianakaviana.
[Sary, pejy 6, 7]
Misy vokany tsara eo amin’ny fomba fisainako ve ny tele?