Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpandany Fotoana ve ny Tele?

Mpandany Fotoana ve ny Tele?

Mpandany Fotoana ve ny Tele?

AOKA hatao hoe misy olona milaza aminao fa hanome anao vola an-tapitrisany, raha tsy mijery tele intsony ianao mandra-pahafatinao. Hanaiky izany ve ianao? Amerikanina 1 tao anatin’ny 4 no nilaza hoe tsia, rehefa nametrahana an’io fanontaniana io, taona maromaro lasa izay. Nisy lehilahy maro nanontaniana koa hoe inona no zavatra iriny indrindra. Nilaza ny ankamaroany fa maniry fandriampahalemana sy fahasambarana. Mbola misy zavatra iriny anefa alohan’ireo, sady iriny voalohany indrindra. Inona izany? Tele ngezabe!

Tena be mpitia tokoa ny tele maneran-tany. Raha vao nanomboka nisy izy io tamin’ny 1931, dia hoy ny talen’ny Fikambanan’ny Radio Amerikanina: “Hiely maneran-tany ny tele, any aoriana any, ka azo antoka fa ny olon-drehetra mihitsy no hijery azy io.” Mety ho sarotra inoana ireo teny ireo tamin’izany, nefa tena marina ankehitriny. Tokotokony ho 1 500 tapitrisa izao ny isan’ny tele maneran-tany, ary mbola maro lavitra noho izany aza ny mpijery azy io. Mibahan-toerana eo amin’ny fiainan’ny olona ny tele, na tiany na tsy tiany.

Mahavariana tokoa ny habetsahan’ny fotoana ijeren’ny olona maro azy io. Nisy salanisa natao vao haingana, ka hita tamin’izany fa mijery tele mandritra ny adiny telo mahery kely isan’andro, ny olona maneran-tany. Adiny efatra sy sasany isan’andro ny an’ny Amerikanina. Ny Japoney kosa no mijery tele ela indrindra, satria adiny dimy isan’andro ny azy. Be dia be izany rehefa mitambatambatra. Raha mijery tele adiny efatra isan’andro, ohatra, isika, dia hahatratra 10 taona izany rehefa feno 60 taona isika. Raha sanatria ka maty anefa isika amin’izay, dia azo inoana fa tsy ho tiantsika ny hilazan’ny olom-pantatsika hoe: “Tsy nanao afa-tsy ny nijery tele iny namanay iny nandritra ny folo taona.”

Nahoana ny olona no mijery tele ela be toy izany? Tia mijery tele ve izy ireo? Tsy voatery ho izany. Maro no mahatsapa fa mandany fotoana be loatra ijerena tele izy, ka mahatsiaro ho meloka satria tsy mampiasa ny fotoanany amin-javatra mahasoa kokoa. Misy milaza fa tsy vitany mihitsy izany tsy hijery tele izany. Mitovitovy amin’ny olona mpifoka rongony ny olona toy izany. Mandany fotoana be ifohana rongony ny mpifoka rongony. Te hampihena ny fotoana hanaovany izany izy ireo, na te hiala amin’ny rongony mihitsy, saingy tsy afaka. Tsy mahazo aina na mijaly mafy izy ireo raha vao manandrana miala. Lasa tsirambina koa ny zava-dehibe eo amin’ny fiainany, toy ny asany sy ny fianakaviany. Mety hitovitovy amin’izany ny zavatra manjo ny olona mijery tele be loatra.

“Tsy tsara raha mahery homana tantely”, hoy ilay mpanjaka hendry atao hoe Solomona. (Ohabolana 25:27) Azo ampiharina amin’ny fijerena tele koa io toro lalana io. Marina fa maro ny fandaharana mahasoa ao amin’ny tele. Raha mijery tele be loatra anefa isika, dia tsy hanam-potoana firy intsony ho an’ny fianakaviantsika. Tsy dia hahay hamaky teny na tsy hahazo naoty tsara ny ankizy variana mijery tele. Mampahatavy koa ny mijery tele be loatra. Raha mandany fotoana be loatra ijerena tele àry ianao, dia tsara ny mieritreritra hoe inona no soa azonao avy amin’ilay izy. Sarobidy loatra mantsy ny fotoanantsika, ka tsy tokony holanilanina foana. Tsara koa ny mieritreritra hoe inona no fandaharana jerentsika ao. Hiresaka momba izany indrindra ny lahatsoratra manaraka.