Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanampy Tanora Iray Nanan-java-manahirana

Nanampy Tanora Iray Nanan-java-manahirana

Nanampy Tanora Iray Nanan-java-manahirana

MPIANATRA any Meksika i Sibia, ankizivavy 13 taona. Tsikariny fa matetika no nitomany ny mpiara-mianatra taminy iray, rehefa tonga tany an-tsekoly. Niezaka nampionona azy izy. Indray andro, dia namboraka taminy ny zava-nanahirana azy io ankizivavy io, ka nilaza fa mamo lava ny rainy ary namono an-dreniny.

Hoy i Sibia: “Nolazainy tamiko fa tsy te ho velona intsony izy, ary efa nanandrana namono tena mihitsy aza. Tsy mba nisy tia azy, hono, ka nahatsiaro ho irery tanteraka izy. Hoy anefa aho taminy: ‘Tena misy tia an-dry ka, ilay Avo Indrindra eo amin’izao rehetra izao.’ Nohazavaiko avy eo ny fikasan’i Jehovah momba ny olombelona.”

Nomen’i Sibia an’ilay boky hoe Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra ilay ankizivavy, tatỳ aoriana. Nanomboka niara-nianatra azy io izy roa vavy isan’andro, nandritra ny fiatoana. Niova tsikelikely ilay ankizivavy, ka tsy nitokantokana intsony fa niara-nihomehy sy niresaka tamin’ny namany. Izao no nosoratany ho an’i Sibia: “Misaotra an-dry aho nandray ahy ho namana sy nahatakatra ny nanjo ahy. Hoatran-dry ny rahavavy mba niriko hananana hatramin’izay. Fantatro izao fa misy mihevitra ahy, dia i Jehovah.”

Angamba ianao mahafantatra tanora mety handray soa avy amin’ny boky Manontany ny Tanora. Misy toko 39 ao amin’izy io, ka anisan’izany ireto: “Ahoana no Hahazoako Tena Namana?”, “Ahoana ny Amin’ny Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?”, ary “Ahoana no Ahafantarako Raha Tena Fitiavana Izao?” Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ny tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky aseho eto aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.