Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Antony Tsy Ankalazako ny Halloween

Ny Antony Tsy Ankalazako ny Halloween

Ny Antony Tsy Ankalazako ny Halloween

MANAO akanjona matoatoa sy mpamosavy ny ankizy any amin’ny tany sasany, rehefa tonga ny Halloween, ary mitety trano mba hangataka vatomamy. Tamin’ny taon-dasa, dia variana nanomana io fety be mpitia fanao isan-taona io ny mpifanila trano tamin’i Michael, tovolahy 14 taona, any Kanada. Zavatra hafa mihitsy kosa no nitana ny sainy. Nanoratra toy izao izy tao amin’ny lahatsoratra iray nasain’ny mpampianatra noforoniny:

‘Alina alohan’ny Halloween izao. Mitazana eto am-baravarankely aho, ary mahita ny zaridainan’ny olona eto akaikinay. Noravahan-dry zareo zavatra miendrika fasana sy taolam-paty ny bozaka, ary nasiany jiro hafakely eo am-baravarankeliny. * Manamboamboatra ny akanjo hoentin-janany ny ray aman-dreny. Ny ankizy kosa efa manonofinofy ny vatomamy ho azony rahampitso.’

‘Tsy mba manao an’izany ny fianakaviako. Tsy voaravaka ny bozaka eo an-tokotaninay ary tsy misy jiro ny varavarankelinay. Anontanian’ny olona aho hoe nahoana aho no tsy mankalaza Halloween. Ny niandohan’io fety io no tena antony tsy ankalazanay Vavolombelon’i Jehovah azy.’ *

‘Ho gaga angamba ianareo raha ilazako fa misy itiavako ny fotoanan’ny Halloween. Ny antony? Satria mahatonga ahy hisaintsaina ilay izy, mahatonga ahy hieritreritra hoe inona no anton’ireo safidy ataoko. Tsy maintsy dinihin’ny tsirairay raha zava-dehibe ny niandohan’ny fanao iray. Zava-dehibe izany amiko. Tsy maintsy ho tezitra, ohatra, ny olona raha manao akanjo mitovy amin’ny fanamian’ny Nazia ny mpifanila trano aminy. Nahoana? Satria manafintohina ny ankamaroan’ny olona ny niandohan’ireny fanamiana ireny sy ny hevitra ampitainy. * Maneho zava-dratsy koa ny hoe devoly sy fanahy ratsy ary mpamosavy, ka manafintohina ahy, ary tsy tiako ny hampifandraisina amin’izany. Tsara hoeritreretina ny safidy ataontsika sy ny antony anaovantsika izany. Mila manao safidy miorina amin’ny zavatra inoantsika isika, fa tsy manaraka befahatany ny besinimaro. Izay no mahatonga ahy hilaza hoe tiako ny fotoanan’ny Halloween. Tena faly aho noho izaho tsy mitovy amin’ny hafa sy mitana ny zavatra inoako.’

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Ilay jiro resahina eto dia voatavo poakaty nasiana lavaka orona sy vava ary maso, mba ho toy ny tarehin’olona. Asiana labozia na karazana jiro hafa ao anatiny.

^ feh. 4 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, pejy 223.

^ feh. 5 Ny tonga ao tsain’ny olona rehefa mahita ireny fanamiana ireny mantsy, dia ny fankahalana nasehon’ny Nazia, indrindra fa tamin’ny Jiosy.